NY MATOATOA

1. Mateyous ( 10/10/2013 12:20)
Aleo mba hasiana resaka kely ny mahakasika an'ity fa isan'ny lafin-javatra tena mahaliana de mahaliana tokoa.
Avelo, lolo, matotoa, angatra,ambiroa, fahasivy, ... : heveriko fa zavatra mitovitovy ihany angamba izany na de tsy sahala aza. Taloha de tsy nino izany mihintsy aho, akehitriny anefa de toa te hino avy hatrany aho , noho ireto trangan-javatra vitsivitsy izay hitako sy henoko ireto.

Nitantara tamin'i neny, indray andro zay ilay vahiny "FRERA" sendra nandalo tao aminay mikasika ilay tranon-dry mompera tany amin'ny toerana iray izay nandalovan-dry zareo vao tsy ela akory raha tamin'izany. " Nony tonga ilay alina rehefa nahavita ny sakafo sy vavaka hariva nifandrombonana ny rehetra dia samy namonjy ny efitra fatoriany avokoa. olona iray efitra iray, tao amin'ny efitra fatoriako indrindra hoy izy nitantara: teo amin'ny 11 or alina teo ho eo de toa naheno feo kiraron'ny olona mandehandeha sy mivezivezy teo an-dalantsara aho, tsy miato mihintsy ary tena mikasokasoka sy mankarary sofina be ilay izy . Tsy mbola natahotra anefa aho satria noheveriko fa ilay Pretra iray izay mifanila efitra amiko izany.Nony ny alina ampitson'iny indray hoy hatrany izy, dia mbola injay indray ilay feo, avy eo aza dia nandondona ny varavarana tao amiko mihitsy ilay izy. Nanontany aho hoe iza izany nefa tsy nisy namaly mihintsy elabe, teo aho vao sanganehana sy toa nivarahontsana, ka nentiny tebiteby sy tahotra hatrany aho mandra-maraina. Nony nanontany ilay Pretra aho ny maraina de nandà mafy izy fa tsy izy mihintsy no nanao izany. Na izy koa aza mba sanganehana ihany ka noheveriny fa sao de mba mpangalatra izany, nefa rehefa natao ny fijerena ny entana sy ny fiataovana rehetra na koa ny vola dia toa tsy nahitam-porofo akory.. Nony tonga indray ny alina manaraka, dia nisy telo mihitsy izahay hoy izy no niara natory tao amin'ny efitra natoriako, mba hahafantarana ny tena zava-misy marina. Vao nigadona ny tamin'ny 11 toy ny isak'alina dia injay ilay zavatra sady nandondona ny varavarana, nanontany ilay pretra iray hoe "izay izany" dia feo moana hatrany no nipaika teny am-potontsofinay rehetra.Tampoka teo anefa de nisokatra ho azy ny varavarana, izay tsy nohidiana moa fa nakatona fotsiny, ka inona no teo, niara nahita daholo izay telo ho izy, olona mitafy lamba fotsy be, no indro teo anoloanay. Samy tsy nisy tafahetsika izahay. Nony maraina ny andro vao samy nahatsiaro tena avy, sady reraka be izahay no toa nalazolazo ery daholo. Niaky ihany ilay Pretra 2 lahy nony farany"...

Ilay tovolahy namako mihintsy indray no nitantara ahy ny zava-nanjo azy indray andro.
"Tany Antsirabe aho hoy izy tamin'ny herina'andro (tamin'izay), tena gravy be mihintsy letsy izay nahazo ahy izay satria (de naratra be mihintsy ny handriny tamin'izany).
Raha handeha hody aty Antanananarivo tamin'ny 10 alina , izaho irery no tao anatin'ilay fiara izay nentiko, ka raha vao tafavoaka kely ny ville d'Antsirabe aho dia nahita olona 10 mianaka nanakana ny fiarako sy mba niangavy ahy hitondra azy reo amin'ny tanàna iray satria avy namonjy famadihana hono izy ireo ka tratra hariva nefa ny lalana mbola lavitra be ; ny ankizy efa toa reraky ny dia sahady. Tsy nihambahamba aho hoy izy fa nentiko avy hatrany ry zareo , na izaho koa aza mba ontsa azy ireo tanteraka. Nony tonga tamin'ny toerana izay tokony hijanona' izy reo, de ahoana hoiz'izy nareo nanjavona teo daholo izy rehetra tsy fantatra hoe nankaiza daholo, nony nanatraka ny lohako aho ka nitazana teny ivelan'ny fiara de tora-bato avy hatrany no nitsena ahy; de izay no nahatonga ilay fery be teo ami'ny tarehiko iny hoy izy mantsy tamiko. Teo aho vao gaga hoy hatrany izy , nihoroho sy nagovitra be aho sady nentiko farany izay mafy ny fiara mandram-pahatonga tany amin'ny toerana misy tanana lehibebe .misaotra an'A/tra aho fa avotra ihany tsy maty fo aman'aina tamin'izay.

Fa eto indray de izaho mintsy no efa nahita.
Indray takariva izay, raha nandeha tany am-pianaranay hiantso ilay ankizy lahy namako izay zanakin'ny talen'ny sekolinay hamonjy alim-pandihizana iny izaho , io sekoly io izay malaza be fa misy matoatoa rehefa amin'ny alina indrindra indrindra (satria fasana daholo no tao taloha) nefa tsy nino izany mihintsy aho tamin'izay ka lasa ihany nentin'ny mokondoha sy ny tsy firaharahiana izay tsaho any ho aho.
Tamin'ny 9 ora alina teo ho eo angamba, raha vao niditra ny vavahady iny aho, dia iry tazako misy rangahy be antitra iray be volom-bava be, mitsangana ery amin'ny lavarangan'ny lakilasy ery, midiridiry be ilay rangaha , tsy de tazako tsara ny tapany ambany, fa hatreo amin'ny ambon'ny sorony miakatra no tazako. Nandroso ihany anefa aho tamin'ny voalahany fa mbola tsy niraharaha hoe iza io ? ary manao inona eo amin'ity andro alina. kinanjo raha iny zaho nikiribiby nanantona hatrany iny dia nikakakaka be ilay rangahy sady toa mihamanantona ahy hatrany, teo amin'izay vao nanomboka natahotra aho, ohatran'ny hoe ngezabe zay ilay lohako, sady toa manaloka be zay ilay izy, nivarahontsana tanteraka aho, teo de nanomboka nanao tari-dositra aho , vaky nandositra tanteraka avy hatrany aho, na efa mihazakazaka farany zay mafy aza aho de toa efa ao aoriako ao sahady izy araka ny eritreritro.

Nanomboka teo dia mino tanteraka aho fa misy tokoa ny matoatoa na ny avelo. Ndraindray koa anefa tsy tena misy akory ilay izy fa foron'ilay saintsika diso matahotra loatra hany ka mamorina mahita zavatra tsy misy akory ilay maso.
2. Nehemiah ( 10/10/2013 14:59)
Milaza ny Baiboly fa tsy miverina avy any an-koatra ny maty. Nohon'izay tsy fanahin'olona maty ny matoatoa fa demony.
3. shannie ( 11/10/2013 07:10)
Ahh! Mampangoritsina. ny ahy indray n efa niainako, t@zay, le matory @ alina iny dia tsy mahetsika sady tsy mahateny, toy ny misy manindry mafy ianao. tsapako ho tanatin ady mafy aho t@zay ary niezaka nanonona ny anaran Jesoa sady nivavaka aho, avy eo tsapako oe afaka aho sady nahatazana aloka mainty nivoaky ny varavarakely. lasa saina teo aho sady tsy naita tory. niverina nivavaka aho vao niverina t@ torimasoko indray. tena misy ny asan'ny maizina fa mila mivavaka hatrany mba handresena azy.

indray alina izay koa, nisy tranon zokiko izay, nisy mpanofa trano tao, rehefa niala lay mpanofa dia nipetraka tao aho. ndray alina raha natory aho dia nisy nanindry, tsy nahetsika, nivoha ny varavarana, niditra teo ny alok'ilay rangahy mpanofa trano teo aloha. nijaridina be nijery. nivavaka aho sady niantso vonjy t@ Jesoa. Nanjavona oaz teo la aloka nahatsiravina. nakàna mpiandry sy nanaovana fotoam-bavaka ilay trano vao nety niverina tao aho t@zay. ouff! ny ratsy tsy kely lalana fa mila mivavaka.
4. mirananirina ( 29/10/2013 17:28)
Za aloha tsy mino izany mihitsy eh!!Rehefa mahita aho angamba vao hino, izaho manko tsy mba minomino foana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2402