vitesse automatique

1. haingo17 ( 20/09/2013 16:47)
salama dhl! manao ahoana ny hvtrareo mikasika azy itony raha ampiasaina eto amintsika?
novalian'i 5laody ny 21/09/2013 10:15
2. hadji ( 21/09/2013 06:06)
haingo17:

salama dhl! manao ahoana ny hvtrareo mikasika azy itony raha ampiasaina eto amintsika?
tsy misy olana ny vitesse automatique ary tsy mifidy toe tany fa ny fikojakojana ny fiara no mampateza azy menaka ary tsy dia tsara tsofina ny filtre à air ny fa tonga dia misolo vaovao foana satria izy misintona mafy alohan'izy manao depart na maka reprise,

ireto avy no tsy maintsy soloina aminy vao misy mampiahiahy

- batterie
- démarreur
- alternateur
- frein

IZAY MAHAKOLOKOLO MANANA NY SOA E
3. 5laody ( 21/09/2013 10:15)

haingo17:

salama dhl! manao ahoana ny hvtrareo mikasika azy itony raha ampiasaina eto amintsika?


Salama koa,

Raha ny traikefako manokana dia misy lafiny tsara sy ratsy toy ny zava-drehetra ihany izy:

Mahatsara azy:

Lafatra mihitsy ianao mitondra azy rehefa mandeha lavitra,
Matetika ny fiara automatique dia misy options be dia be,
Ho an'izay tsy dia tia milalao vitesse loatra sy embrayage dia mora entina izy,
(Vehivavy no tompony taloha ary vehivavy koa no nividy ilay fiara automatique nentiko taloha), Raha vao manomboka mitondra ny madamanao dia mety aminy tokoa ilay izy.

Ny antony nivarotako azy ( ny tsy nitazonako azy ela):

Mandany lasantsy (raha diesel mety ho azoazo ihany ,elabe vao miditra ny 3ème ohatra),
Mandany frein kokoa noho ny fiara manuelle indrindra raha matanjaka ilay moteur,
mankarary fo ny mitondra azy rehefa embouteillage (ralenti avo be, izaho tsy manana reflexe hanao point mort amin'ny automatique na mamono fiara)
Tsy afaka atao contre attaque.
Sarotra ny mahita boite occaz raha sendra manondrana ny boite.
Mety zavatra maro no adapter-na raha manolo azy manuelle avy eo.

Marina daholo ireo voalazan'ny namana teo ambony ireo raha te hitaiza azy.







© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2668