Manopa ao anaty téléfôna

1. chantrire ( 19/09/2013 12:51)
Azo atao ve ny mitory ireny olona manopa anaty finday ireny? Ahoana ny hevitrareo namana eto amin' ny serasera momba izany?
Misaotra mialoha ho an' izay hamaly ny fanontaniako.
novalian'i aleix ny 03/10/2013 15:49
2. Nehemiah ( 19/09/2013 13:02)
Raha tany an-dafy isika dia efa novaliako hoe torio ny harcèlement ataony. Fa ny aty Madagasikara dia tsy fantatro...
3. mirananirina ( 19/09/2013 15:04)
Henoy @ sofina havia dia avohay @ sofina havanana. Marina fa mankarary tokoa ny ompa ataon'olona, saingy raha mbola tsy mandrahona ny hamono, manalabaraka sy hanao ratsy anao izy angamba tsy hitako izay antony hitoriana azy.
4. hery ( 19/09/2013 16:59)
Azo atao tsara mihitsy ka. Fa mety hoe tsy ho lasa lavitra raha tsy olona ambony ianao...amin'izao fotoana izao aloha.

Tamin'ny taona 1990 tany sendra nanatrika fitsaràna tao Anosy fa be dia be mihitsy ny raharaha tsy ampoizina. Ka tamin'izay dia nisy olona (kaomisera) nitory saofera anakiray satria nanopa azy tamin'ny Klaxon ilay ranamana. Samy nandeha fiara dia toa hoe nibahana ilay komisera dia maika angamba ilay saofera iray dia nanopa. Dia nitory ilay kaomisera ary nahazo gain de cause. satria tena araka ny lalàna dia azo toriana ny olona tahaka izany.

Fa ny tsy azoko antoka dia hoe raha ilay kaomisera no nanopa ka nitory ilay rangahy iray dia ho nahazo rariny ve?
5. aleix ( 03/10/2013 15:49)
Hehehe
Za le kaomisera de i hery le rangahy iray ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3879