Anan-drano

1. chantrire ( 13/09/2013 13:17)
Fa avy aiza daholo ireny anan- drano tsara tarehy amidy eny an- tsena ireny e? Mampieritreritra indarindray ilay izy nefa anie dia matsiro be e! Misy afaka manoro hevitra ve amin ny fomba hanadiovaana azy ireny sy fomba fandrahoana azy mba ho azo antoka tsara ara- pahasalamana.
Misaotra mialoha ho an'izay hamaly.
novalian'i vazivazo ny 19/06/2014 11:06
2. Rnrs ( 13/09/2013 13:33)
tena tsara toko ny anandrano fa mila sasana @ rano misy Sur'Eau a! de zay vo andrahoana
fa rah te hihinana azy manta de aleo manafatra any Betafo antsirabe fa any ihan ny tena tsara sy madio ny rano ambolena azy

chantrire:

Fa avy aiza daholo ireny anan- drano tsara tarehy amidy eny an- tsena ireny e? Mampieritreritra indarindray ilay izy nefa anie dia matsiro be e! Misy afaka manoro hevitra ve amin ny fomba hanadiovaana azy ireny sy fomba fandrahoana azy mba ho azo antoka tsara ara- pahasalamana.
Misaotra mialoha ho an'izay hamaly.

3. Ratoa ( 15/10/2013 22:23)
ny anan-drano tsy maniry amin'ny rano maloto. Tany misy rano madio misy rano mandeha, izany hoe misolo tsy an-kijanona no aniriany.
4. Ratoa ( 15/10/2013 22:24)
ny anan-drano tsy maniry amin'ny rano maloto. Tany misy rano madio misy rano mandeha, izany hoe misolo tsy an-kijanona no aniriany.
5. vonynive ( 16/10/2013 11:08)

Ratoa:

ny anan-drano tsy maniry amin'ny rano maloto. Tany misy rano madio misy rano mandeha, izany hoe misolo tsy an-kijanona no aniriany.

mety maniry @ rano maloto mihitsy ny anandrano an, jereo eny andravoahangy ampandrana, tsarahonenana sy ny manodidina sy ny sisa... fa tena vokatra ny anandrano eny, angamba rano maloto tsy miandrona fa mandeha ilay izy dia mety aniriany
fa ny tena tsara dia ny mihinana ny anandrano avy any @ faritr'Itasy iny na Betafo araka ny nolazain'ny namana teo
6. Ratoa ( 13/11/2013 21:15)

m

ety maniry @ rano maloto mihitsy ny anandrano an, jereo eny andravoahangy ampandrana, tsarahonenana sy ny manodidina sy ny sisa...

madio ny rano anirian'ny anandrano fa raha tsy izany dia maty izy. Misy loharano ireny toerana notanisainao ireny, ary dia, misolo mihitsy ny rano. Marina fa misy mandoto, ary jereo fa misy toerana tsy mety anirian'ny anan-drano eny Ampandrana sns . matetika ny rano maloto dia mandeha amin'ny lakan-drano.
Marina fa mety hiaotra ihany sy hifangaro ny rano, fa raha ny maloto no betsaka dia maty ny anan-drano.
Saro-pady be izy ireny.
Izaho mamboly anaty barika fa na ny tany aniriany aza dia hafa mihitsy, tsy maintsy misy charbon sy fasika ary soloina isan-kariva;
7. vazivazo ( 19/06/2014 11:06)
Rao maloto mihandrona ireny kosa anefa notena ahitako anandrano maniry be, ary izany indrindra no mahatonga ny fanafarana mafy ny olona rehefa hihinana azy mba hiezaka ny hanasa ary tsara amin'ireny sûr eau na permanganate ireny, fa ilay anandrano kosa aloha dia mitondra otrik'aina betsaka tahaka ny hoe fer, sns e ilaina amin'y fahatsaran'ny fahasalamana tokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783