Efa hiverina ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna faharoa :
21. Nehemiah
(
17/09/2013 13:29)
Fantatro izany, fa saingy tsy tanteraka fa camps de la mort indray no nahazo azy ireo.
22. Nehemiah
(
17/09/2013 13:41)
Eny ary, ity ny rohy mankany @ fizaràna farany :
http://forum.serasera.org/forum/message/m52385bbde0a7f

23. Miharena
(
17/09/2013 13:54)
Tsy ilay fomba nanatanterahana azy tamin'izany fotoana izany na amin'izao fotoana izao izay ataon'olombelona namana no fomba hamerenana ny Zanak'Israely na koa araka ny fahadihadiana izay efa nalefanao tao amin'ny rohy amin'ny fizaràna manaraka izay isaorana anao. Satria hafa tanteraka ilay izy ary Malagasy sy Jiosy no mahalala azy noho ny fahafahan'izy ireo miresaka mivantana amin'i Jehovah sy Jesoa.
Eto dia misy fomban-drazana izay tsy afaka amin'ny Malagasy sy ny Jiosy ary amin'izany fomba izny ihany no hahafahan'izy ireo mifandray mivantana. Eto dia mivaingana izany fifandraisana izany fa tsy vokatry ny fahadihadiana satria ny misisika dia hovaliaNY soa aman-tsara tokoa fa izay fatra-panadihady fotsiny ihany dia tokony hionona amin'ny hoe sambatra izay mino nefa tsy mahita.

24. Nehemiah
(
17/09/2013 14:15)
Arosonao matetika ity hevitra ity ary valiako foana fa mamitaka koa ny devoly.
Ny Baiboly anie tokony hadihadian'ny kristiana ts11 e (2 Tim. 3:16-17)

25. Miharena
(
17/09/2013 14:51)
Marina dia marina ny voalaza namana momba ny Baiboly fa ny famakiana azy no mety samihafa rehefa tonga amin'ny sehatra hoe IZY TENANY no manazava azy fa tsy ny tena intsony. Asa na efa nanao izany hoe fanoloran-tena tanteraka izay lazain'ny psykologa ireny ianao hoe abandon du soi fa hafa ny fitondran'Andriamanitra izay manao izany. Rehefa tanterahana ara-bakitny ilay teny hoe : atolory Ahy ny fonao dia hafa ny lalana atoroNY anao fa tsy voafetra amin'ny fanadihadianao manokana ny Soratra fa IZY no manampy.
Asa aloha ny fomba fijerinao ireo fanadihadiana izay arosoko izay tsy mifanandrify loatra amin'ny fianarana Teolojia izay efa vita boky na programa averimberina toy ny ataon'ny mpampianatra any am-pianarana ireny. Tsy toy izay manko izao ny fomba fianarako satria tsy tantara na programa fa izay zava-mihatra no iaingako hatrany ka hahafahana maka tsoa-kevitra mahitsy kokoa noho ny asan'ny Fanahy Masina.
Matoa tsy tafita ilay hafatra toy ny lazaiko dia misy fefy efa ajoron'ny mpanaraka fampianarana izay raisiny ho raiki-tampisaka ka tsy afaka hiaina izay endrika hafa tanteraka mihitsy izy ireo eo amin'ny ara-panahiny. Ohatra iray : raha tena manaraka ny ara-panahy dia misy lalana izay ametrahan'ny Tompo antsika tsirairay avy ary atorony miandalana ny fahalalàna tokony hananana isika ka na iza na iza mifanerasera amintsika dia manome izay fampianarana tiaNY ho tafita ao amintsika izay. Ary io dia tena iainana fa tsy angano na tantara.

26. Nehemiah
(
17/09/2013 15:23)
Miharena:
Marina dia marina ny voalaza namana momba ny Baiboly fa ny famakiana azy no mety samihafa rehefa tonga amin'ny sehatra hoe IZY TENANY no manazava azy fa tsy ny tena intsony. Asa na efa nanao izany hoe fanoloran-tena tanteraka izay lazain'ny psykologa ireny ianao hoe abandon du soi fa hafa ny fitondran'Andriamanitra izay manao izany. Rehefa tanterahana ara-bakitny ilay teny hoe : atolory Ahy ny fonao dia hafa ny lalana atoroNY anao fa tsy voafetra amin'ny fanadihadianao manokana ny Soratra fa IZY no manampy.
Iza kay no niteny aminao fa mbola tsy notolorany ny foko ary tsy manampy ahy izy :-) ?
Miharena:
Asa aloha ny fomba fijerinao ireo fanadihadiana izay arosoko izay tsy mifanandrify loatra amin'ny fianarana Teolojia izay efa vita boky na programa averimberina toy ny ataon'ny mpampianatra any am-pianarana ireny. Tsy toy izay manko izao ny fomba fianarako satria tsy tantara na programa fa izay zava-mihatra no iaingako hatrany ka hahafahana maka tsoa-kevitra mahitsy kokoa noho ny asan'ny Fanahy Masina.
Tsy ny niveau d'étude anie no antoky ny fananan'ny olona 1 ny marina fa ny hamarinam-pototry ny hevitra arosony sy ny fisainana ampiasainy.
27. Miharena
(
18/09/2013 08:46)
Nehemiah:
Tsy ny niveau d'étude anie no antoky ny fananan'ny olona 1 ny marina fa ny hamarinam-pototry ny hevitra arosony sy ny fisainana ampiasainy.
Eo indrindra isika,
Tsy misy marina na dia iray aza hoy Jesoa. Ka inona moa no fahamarinana azo aroso amin'izany eo anatrehaNY raha tsy IZY no manambara fa marina izay lazaiNY? Izany hoe mamafa ny tena no fahamarinana voalohany indrindra izay vao manambara izay ampanambaran'ny Fanahy Masina = RAY = Zanaka antsika. Izay ihany no marina fa raha hanao fanamarinana teny avy amin'ny zavamisy voasoratra hatrany isika dia tsy hety ekentsika mihitsy ny fahamarinana omena ankehitriny. Izay no nilazako hoe ny olon'ny boky tsy azo lazaina fa manana fahamarinana fa mbola ilay boky ihany no ataony hoe marina na dia efa zavatra hafa aza no efa iainana fa tsy ilay boky intsony.
29. Miharena
(
18/09/2013 09:01)
Finoana iainana ny ankehitriny fa tsy finoana izay voasoratra intsony.
30. Nehemiah
(
18/09/2013 12:27)
Ka mifototra @'inona kay ny finoana iainana raha tsy @'izay efa nambara t@ Soratra :-) ?
31. Miharena
(
18/09/2013 16:18)
Mety ho olona tsy mahay manoratra sy mamaky teny no manana izany finoana izany kah!
Fa rehefa mila manamarina fotsiny amin'iizay olona fatra-pino ny Soratra izy ireo vao manazava izay voasoratra.

32. Nehemiah
(
19/09/2013 05:39)
Mitady hampanjavozavo ny mazava ianao izany. Na dia ny olona tsy mahay manoratra sy mamaky teny manana izany finoana izany dia manana azy nohon'ny toriteny natao t@, izay niainga avy @ fanambaràna raketin'ny Soratra
33. Miharena
(
19/09/2013 05:56)
Fa tsy mitovy kosa ny hoe ny Mpampianatra dia mivantana (Ilay Tompon'ny teny no manao azy) sy ny hoe olona mandalina no mampianatra.
Ny hany azo ataon'ny olona mpandalina dia mamaky hoe IZY sa tsy IZY io mampianatra mivantana io. Nefa mbola misy fisalasalàna ihany izany satria mety tsy ho eo amin'ny sehatra na haavo ananan'ilay mpandalina no m isy ireo izay tsarainy satria avo kokoa. Izay no atao hoe raha tsy avo noho izay Fanahy mampianatra isika dia tsy afaka ny hitsara na marina izy na diso!??

34. Nehemiah
(
19/09/2013 06:31)
Marina fa izay mandalina ny Baiboly dia tsy hahita ny fahamarinany raha tsy tarihin'ny Fanahy Masina. Nefa eo an-kilany koa tsy midika fa tsy mahay milaza ny zavatra tiany lazaina ny Fanahy Masina, ka rehefa milaza izy ohatra fa hiverina ara-batana i Jesoa Kristy dia izay no izy
35. Miharena
(
19/09/2013 08:34)
Ahoana indray ilay resahaNY ao amin'ny Testamenta Fahatelo? Toa tsy izay fiverenana ara-batana izay manko no fantatra satria ilay vatana aza efa mandehandeha eran-tany miaraka amin'ireo iraka maro samihafa.
36. Nehemiah
(
19/09/2013 12:58)
Ka ny Testamenta Faha3 anie tsy heverina ho kanônika e, mifanohitra @ Testamenta Taloha sy Vaovao ny fampianarany, indrindrindra @ resaka réincarnation, zavatra efa noresahintsika izany.
Na izany na tsy izany rehefa vakiana tsotra izao ny tenin'i Jesoa @ Testamenta Vaovao ka avoaka @ fomba tsotra ny heviny fa tsy mitady mampandalo azy @ sivantsika dia mazava loatra fa fiverenana ara-batana no tiany teneniny

37. Miharena
(
20/09/2013 17:42)
Ny olana anie namana Nehemiah dia tsy hoe ilay fiverenana ara-batana fa IZY tsy levona mihitsy ny vatany hatrizay ary tsy hoe hiverina fa efa mampianatra etsy sy eroa IZY hatrizay ka hatramin'izao e!
Dia inona marina àry no andrasana? Sao dia tsianjery na pli-vava fotsiny aza ilay hoe hiverina???
Tsaroako tsara ny fanantenan'ny namana Mpitandrina iray tamin'ny fotoana ny taombaovao 2000. Nitory teny taona maro izy hoe hiverina i Jesoa ary hitsena AZY eny amin'ny rahon'ny lanitra isika. Dia nivavaka sy nanatena ary nampanantena ny rehetra izy hoe hitsena ny alin'ny 1999 hifoha 2000. Tonga ny mamatonalina fa tsy nisy na inona na inona. DIa lasa hoatry ny nangatsika tampoka ny maro hoe inona àry no tena tian'ilay Mpitandrina lazaina? sa diso daty izy ? Fa rehefa hoatr'ireny moa dia tsy misy manao comnentaire fa samy mangina dia mody any antrano....

38. Nehemiah
(
21/09/2013 06:30)
Marina izany, fa saingy efa niresaka momba an'izay aho t@ fizaràna voalohany
39. Miharena
(
22/09/2013 04:03)
Izay indrindra no hanamafisako hatrany hoe tsy tokony ampiasaina amin'ny contexte tsy izy ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa fantatra ny Fototra avy amin'izany teny izany dia iny no tokony hotoriana sy ampianarina fa tsy alefa amina resaka mampiroaroa saina ny mpino. Na ny marina ny fampinomana ny Mpino izay heverintsika fa marina fa tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina ihany no maneho ny tsirairay ny fahamarinana rehefa mamaky ny Baiboly. Raha misy fiombonam-bavaka dia tokony hazava tsara ny fo ary manazava ny hafa zay fantatra fa mboal roboky ny pli-vava na tsy mahalala ny zava-miafina ambaran'ny teny izay toriana avy.