NA ZA NA IZY!!

1. miorasitraka ( 07/09/2013 21:01)
Salama daoly ry namana!
za dia zazavavy nanana olontina, ary misy namako zay tany otrany hoe tara tamlay olotiko io, ohatra hoe, refa ao apenarana dia otrany mangarika bé ikala ravô miaramipetraka zah sy lé olotiko, na refa ndraindray otrany manaranaraka anilé olotiko fona izy ( zareo mantsy iray groupe tao apenarana fa za tany am groupe hafa), maro ny ohatra be dia be fa ireo no tena voatsikarotro voalohany.
noteneniko ilay olotiko ny farany hoe aza miresaka aminy tsony, dia otrany nohamaivaniny ilay izy fa hoe tsy tara aminy zany ono ilay akizy namako fa mba miresaka fotsiny. dia nandefitra aho, ny farany tsy nahazaka intsony aho( maro ny ohatra concret hoy aho fa tsy ho voasongadina eto daoly), dia nasaiko nisafidy izy hoe , na za, na izy, zé tinao!
dia ny farany, tsy niresaka tamlay akizy tsony izy, ary dia nanomboka teo, dia niavonavona be ilay akizy namako, ny ahy efa nanoboka ela no efa noravako ny fihavananay.
ny fanotaniako d izao, inona no matonga anireo lehilahy mbola mikiry iany refa tenenina hoe aza miresaka amny ranona na i ranona tsony?
Inona no ilavana namana raha namana ifamadika toy izany?
Ary aona no tokony ataoko mba anadinoko iny lasa iny, fa isaky ny mifanena amlay akizy namana taloha za d votsindrona fona ny foko nefa izahay ( za sy ilay olotiko zao efa atao raharaha atsy ho atsy)
dia misaotra mialoha
novalian'i booboo ny 22/09/2013 22:13
2. vahiny2004 ( 09/09/2013 12:07)
Hatreto dia toa ahiahy fotsiny ny anao fa tsy misy porofo.

- Fa maninona ianao no tsy matoky ny olo-tianao rehefa miteny izy hoe tsy misy n'inon'inona ?
- Fa maninona izy no terenao tsy hiresaka @ olon-kafa ? Mety faly ve ianao raha tereny tsy hiresaka @ namanao ?
-Fa maninona no tsy noresahinao mivantana ilay namanao hoe ianao toa hitako mijerijery ny olon-tiako ?

Inona no tianao hadinoina ? Tsy efa tanteraka va izao ny fanirianao ? Efa hoe ianao izany fa tsy izy , tsy tokony ho faly ve ianao izany fa nahoana indray no miasa saina ?
3. booboo ( 09/09/2013 16:50)
bwaf, aza miroso @ fanambadiana mihitsy klou raha tsy raisinao ho égal -nao ilay olon-tianao, raha tsy hoe angaha SM ianareo ka ianao dominatrice dia izy soumis boto kely manaiky ny baikon'ny maîtresse ^_^, tsy mahazo miresaka @ anona, tsy maintsy misafidy na namana na petite amie, purée na vary :-D (vazivazy). Vao kisipasipa ve dia efa toy izany, maika fa isan'andro hifanabe tarehy ao an-trano ao sady mandra-pahafaty koa @ izay ? day klé ! bon courage ho an'ny copain-nao :-D.
Maneke fotsiny hoe misy namana tsy araka ny eritreretinao dia passe à autre chose, 24 ora ihany no omena antsika isan'andro, lany @ fi-ruminer-na ny passé fotsiny ny fotoanao tokony hankafizana ny fiainana mandalo...
4. hery ( 10/09/2013 08:06)
Ny tsy fatokisana olon-tiana matetika dia midika hoe tsy fatokisan-tena.

Matokisa valeranao :-) fa tsy mila miady akory ianao dia lasanao ny loka.

5. voromailala ( 10/09/2013 10:34)
Ohatra ny rano io fitiavana io, raha hiezahanao fehezina mafy amin'ny tanana dia lasa miparitaka daholo, fa raha avelanao amin'ny toerana misy azy, dia afaka milomano ao anatiny ianao.

Aza manery olona izany, avelao izy hiresaka, raha lasan'ny olona izy dia efa tsy anao izy dien'ny voalohany izy zany.

Tsy ny mariazy na ny zazakely velively no ahafahanao mihazona azy fa ilay fahatokisana sy ilay fitiavanao azy.

Araka voalazan'i Hery dia matokisa ny tenanao, tiavo aloha ny tenanao, izay vao tena afaka hitia olona ianao.

Matetika ny lehilahy mody manaiky hoe eny fa tsy hiresaka aminy intsony, fa any ambadika mihafina izy miresaka :-)
6. DotMG ( 10/09/2013 15:01)
Mampalahelo ilay bandy miaraka aminao. Tsy misy fafiny loatra ny miaraka amin'ny sipa ohatra anao izany. Mijaly koa ny namanao, normal be ianao raha iavonavonan'ny namanao.
Raha ny tenanay aloha no ampisafidianina amin'izany hoe "na izaho na izy" dia avelako eo ilay mampisafidy e! Olona tsy azo ifandaminana izany, hanjary ho zatrazatra an'io. Sady misy loza mihantona foana izany ny tokantrano. Raha ny tenanay ihany koa no ferana amin'ny namana tsy mitovy sexe aminay dia tsy lasa.
7. moustaraf ( 11/09/2013 17:16)
Jalousie=preuve d'infériorité! c'est toi la perdante dans l'histoire
Raha mbola lhl koa io bandy io de tsy haharitra akory izany tokantrano izany fa mody miaritraa eo izy fa rehefa ela'ela ho leo!
Izao no tohin'izany resaka izany rehefa atsihoatsy:
- Tsy mahazo mandeha irery
-Tsy mahazo mankafy mpihira vehivavy
-Tsy mahazo mijery film ka vehivavy no acteur Principal
-Tsy mahazo miarahaba mpifanila vodirindrina vhv
-Tsy mahazo sariaka @olona
-Tsy mahazo mifanena @ namana sakaiza fony kely vhv (Iza ndray iny??)
-Tsy mahazo mijery mihoatra ny 1,50m eo anoloana
-Tsy mahazo miherika sao sendra vehivavy
-Tsy....tSSSSSSSSSSSSSSSSSSSSS bdb
Efa be izay cas mitovy @ io izay fa rava foana nony ela!
Aretina izy io, ilay antsoina hoe "jalousie possessive", ary loza be satria ilay marary tsy mahatspa mihitsy hoe izy no problème fa ilay partenaire hatrany no lazainy fa tsy normal!!
8. miorasitraka ( 11/09/2013 17:57)
salama daoly!
fanazavana kely no entiko,
1/ marihiko fa tamzay vao niaraka kelikely dia tsy mba saropiaro mihitsy aho, fa indray mandeha izy tratrako nitchat tamina vehivavy, teto am interinet, sady nandefa sary, dia teo no nanomboka saropiaro aho, ary tsy nijanona teo fa mbola tratrako ihany tato aoriana efa nifanao fotoana taminà vehivavy hafa teto aminy aterineto ihany, fa avy dia notebahako ary efa naika isaraka mihitsy zahay taminizay
2/ ary ny nahatonga ahy handrara azy tsy hiresaka amin'ny ilay akizy vavy dia satria taloha koa aho efa norarany tsy hiresaka aminy namako lehilahy iray izay fa hoe tara amiko koa ilay lehilahy hono.
ahoana mbola mitovy ihany ve ny fihevitrareo eto hoe , jalousie maladive ny ahy? sa hoe mba justifié kosa ny fihetsiko noho ny nataony taloha?
9. DotMG ( 11/09/2013 19:27)
Ny internet dia resaka virtoaly matetika. Indraindray mba ilaina ihany ny manao resaka virtoaly, nefa manan-jo ny ho tsy mankasitraka an'izay ianao dia milaza aminy hoe tsy tantinao ny kisangisangy @ internet dia mijanona izy (na mitandrina mafy amin'ny sisa mba tsy ho tratranao). Fa ny hoe iny no lasa kendry tohana ka mitondra fiovana be eo amin'ny fiarahana dia tsarovy fa ianao ihany no manimba an'izay fiarahanareo. Ny fisian'izany mantsy tsy mampiova na mandiso ny efa voalazan'ireo nanakiana rehetra ireo.
Ny tena olana koa dia izao, eo amin'ny mpifankatia misy foana ny fisainana tsy mitovy, ary fifampiresahana mazava irery ihany no andravonana an'ireny. Fa ilay Ultimatum hoe "Na izaho na izy" dia midika tsy fahavononana hifandamina sy hifampiresaka. Io no maneho izany hoe olona tsy te hiaiky izay mety ho fahadisoanao ianao, ary tsy vonona ny hihaino izay ho fanazavany ihany koa.
10. vale ( 20/09/2013 19:28)
Bjr, iray groupe iay namanao sy ilay copain nao taloha raha azoko tsara ny resaka , lasa niaraka taminao anefa ilay bandy, midika izany fa raha ilay vhv namany io no tiany efa izy no nalainy fa tsy ianao, raha réciproque koa ny fitiavandry zareo, fa mety lasa nialona ilay namanao vhv io satria lasanao ilay namany, tsy voatery ho taratara izy, fa ilay hambom-po, dia angamba mandragitra anao. (asa raha mitombina aloha ny faminaniko, lol). Tsy nilaina akory ammiko ny fampisafidianana azy haka anao na hinamana ilay iray, satria hoy aho raha nifankatia ireo, vu que oe mpifanara-b*dy, sy tsy mifankafohy tamin'ny tsy mbola napetrakao ny didinao ^_- efa niaraka ireo. Ny atahorako, mety hivadika zavatr'hafa ilay amitié teo aloha, satria ny zavatra raha vao raràna, dia vao mainka manintona ^^, tsy mampatahotra anao aho fa milaza ny fomba fijeriko ilay tantara fotsiny xD
11. shala ( 22/09/2013 04:28)
mandiny tena kl ian lo e!!!
12. booboo ( 22/09/2013 22:13)
+1 @ zay rehetra nolazain'i DotMG ireo koa ny hevitro.

(Miorasitraka > ny zanako rehefa mifandaza zareo no manao an'io "nalain'i xxx kilalao-ko dia nalaiko koa ny azy !" rhoooooo, fihetsika sy sain-jaza ny manao an'izany amiko, nefa ianareo tsy zaza fa olondehibe ary hiroso @ fanambadiana koa en plus n'izay.)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1065