Tongotra mangidihidy, Parasy Kankana ve?

1. olivar66 ( 01/09/2013 09:23)
Miarahaba antsika rehetra,
Nanao vankasy tany Madagascar zà, 3 taona lasa izay: Nijanona 3 andro tao Tamatave izahay, avy eo nijanona 10 andro tany Sainte Marie. Niverita tao Antananarivo izahay, nijanona 2 andro talohan'ny nivarenana taty an-dafy (France): dia nanomboka nangidihidy ny tongotro. Namonjy dokotera za de hoe ECZEMA hono, de natao ny traitement -na pomady cortisone, de mbola tsy afaka foana, de nolazain'ny dokotera indray hoe MICOSE hono de natao indray ny traitement. Hatramin'izao de mbola mangidihidy foana ny tongotro: de misy vesicule mibontsina kely maromaro ny ao amin'ny felatongotro, sy ny intra-digital n'ny tongotro. Ny tongotro ankavanana ihany an, ny ankavia salama tsara;
Ny mahazendana ana dia otran'ny tsapako hoe misy bibikely mivezivezy izany ao @ faladiako kanefa tsy hita maso.
Rehefa nazavaiko tamin'ny ankizy namako gasy mipetraka aty dago, dia nolazainy hoe PARASY KANKANA hono io mahazo ana io, de tongolo gasy voatoto hono no apetraka eo amin'nilay mangidihidy. Rehefa nataoko izay de toa sitrana ny mangidihidy tao @ faladiako, fa ny ambony faladia indray no feno bontsina kely otran'ireny may, main'ny fera mafana ireny, sady mangidihidy. De misy vesicule kely bedabe.
Ka hono hoa: PARASY KANKANA TOKOA VE NY MAHAZO ANA IO;
Misaotra mialoha amin'ny valinkafatra.
novalian'i rytantely ny 25/03/2023 07:47
2. booboo ( 02/09/2013 07:11)
Mycose koa raha ny hevitro.
Mila traiter-na koa ny chaussettes sy ny kiraro fa tsy ny tongotra fotsiny, fafana ho maina tsara ny tongotra ary soloina foana ny serviette avy namafana ny tongotra. Rehefa manasa tongotra iny ianao dia asio qq gouttes -na HE Tea tree ny gel douche / savony hanasana tongotra, anti-fongique matanjaka be ny Tea Tree.
Talc-njazakely ireny mifoka hamandoana afaka ataonao @ ati-kiraro mandritra ny alina sy alohan'ny hanaovanao azy, na izay poudre anti-fongique nomen'ny doko anao koa vao maika tsara. Mampipongatra reo bactéries mahatonga mycose ny hamandoana.
Dia aza hajanona ny traitement na efa tsy mangidihidy intsony aza ny tongotra fa mafy toto be reny champignons ireny...
3. olivar66 ( 02/09/2013 21:09)
Misaotra tamin'ny valikafatra ry Booboo.
Efa 3 taona lasa izay no nitsaboako an'io tongotro mangidihidy io, ary efa nataoko daholo ireo zavatra noteneni-dry etsy ambony ireo: pomady vazaha hatramin'ny huile essentielle ary an'isan' izany ny tea tree. Ny mahazendana anà amizao de: nohosorako tongolo gasy voatoto ny faladiako, arakin'ny sosokevitra hitako tamin'ity forum ity, dia toa sitrana ny mangidihidy: 5 andro androany no nanombohako nanosorana tongolo gasy isakin'ny alina. Ankehitriny dia niakatra eo amin'ny tongotro ambony faladia hatramin'ny kitrokely ny fangidihidina, de feno botsina:" Cloque", otran'ireny may-na sigara ireny.
Reko otran'ireny misy bibikely tsy hita maso mivezivezy ireny ny tongotro (Faladia sy ambony faladia. Mpitsabo mpanampy eto @ hopitaly za, ary efa nataoko izao rehetra izao ary ankehitriny dia efa very hevitra za. Mikasa hoany amin'ny servisin'ny maladie Infectieuse et Tropicale eto an- toerana za io afak' ampitso de holazaiko anareo eo ny tohiny.
Nahita article par internet tokoa za mikasika an'io Parasy Kankana io ary mitovy @ symptome n'io tongotro io no voalaza ao. Ho ampijereko ny dokoteran'ny maladie Infectieuse et tropicale io article io de ho hita eo.
Mirary soa hoantsika rehetra.
4. Ratoa ( 08/09/2013 18:40)
Raha parasy kankana dia kankana ihany. Tokiny hinana vermifuge ianao izany. Verzol no fampiasa amin'ni kakan-pisaka. Mihinan comprimé 1/jour pendant 3jours ianao dia mitoto comprimé iray afangaro amin'ny pommade eurax 10% (antihystaminique ny eurax) ary ahosotra ny tongotra pendant 7 jours. Angamba iana mila comprimé maromaro ahosotra ny tongotra satria efa ela ihany izy ity.
Izay ny traitement normal;
ny anao angamba mila averim berina tous les mois na tous kes 20 jours.
Tsy hitan'ny dokotera io raha tsy spécialiste des maladies tropicales na dokotera efa niasa taty Dago na tany afrika.
Mahereza
5. Ratoa ( 08/09/2013 18:43)

Ratoa:

Raha parasy kankana dia kankana ihany. Tokiny hinana vermifuge ianao izany. Verzol no fampiasa amin'ni kakan-pisaka. Mihinan comprimé 1/jour pendant 3jours ianao dia mitoto comprimé iray afangaro amin'ny pommade eurax 10% (antihystaminique ny eurax) ary ahosotra ny tongotra pendant 7 jours. Angamba iana mila comprimé maromaro ahosotra ny tongotra satria efa ela ihany izy ity.
Izay ny traitement normal;
ny anao angamba mila averim berina tous les mois na tous kes 20 jours.
Tsy hitan'ny dokotera io raha tsy spécialiste des maladies tropicales na dokotera efa niasa taty Dago na tany afrika.
Mahereza

Ny fanao any ambanivohitra indray dia osorana pétrole isan'alina paha afaka azy
6. moustaraf ( 11/09/2013 18:04)
Mbola averiko indray ilay efa nosoratako tatsy ambadika tatsy:
Misy huilles végétales izay ao Dago ao izay tena efficace @ resaka momba ny hoditra: mony, acné, varicelles, angadrano,sns....Dokotera farmasiana iray no manao ny fikarohana sy ny fampiasana azy, fa izay nampiasa aloha dia miaky daholo e!
lafo be izy io raha aondrana ivelany eo ho eo @ 5million Fmg ny 1l satria 100% pure naturelle ilay menaka no be mpitady (Inde, chine, LABO en europe...) fa isika gasy aloha no tokony hahalala azy tsara sy hahazo tombony aminy!
Efa nampiasa ny tena ka mahay milaza azy tsara!
manorata @ ity izay mila fiche technique zafjohs@yahoo.fr
7. tiris8786 ( 07/04/2015 19:06)
Mety parasy kankana satria mangidihidy dia mibontsina cloques sady any atsinanana toa malaza misy an'io. Indraindray ilay fanosorana tongolo gasy vao maika manome cloques satria tsy zakan'ilay peau. Jereo aloha hoe mahita lohany maintimainty kely ve ianao (ilay parasy io) dia matetika ny atodiny anatin'ilay cloques. Mihinana vermifuges marina saingy raha possible dia mila esorina ilay tranon'atody, izany hoe sokafana ny hoditra dia hongotana tao. tandremana tsy ho vaky ilay poche satria hita hoe poche misy atody.
8. rytantely ( 25/03/2023 07:47)
Tandremana aloha fa misy ny parasy kankana izay hoditra mibontsina manao lavalava tahaka ny kankana ireny ny endriny. Misy koa ny parasy lafrika izay mibontsina boribory materika any ambany fela-tongotra na ratsa-tongotra, io no misy masony mainty; sokirina amin'ny fanjaitra no fanaovana an'io parasy lafrika io. Ka sao afangarontsika lay izy. Samy amin'ny morontsiraka atsinanana, avaratra ary andrefana no fantatro fa tena fahita ireo parasy karazany roa ireo. Misy sary ezahiko ampiarahina ato hahitantsika azy. Zaho tsy mahalala fanafody fa ny hevitra voalaza tato amin'ny tambazotra no ampiasaiko. Ho an'ny parasy kankana dia voalaza fa mety ampiasaina tongolo gasy, na hoditr'akondro nafanaina apetaka eo amin'ilay hoditra araka izay zaka, na amakiana amin'ny fanjaitra ilay hoditra dia hosorana alikaola (ny lehibe mahazaka tsara fa ny ankizy mazava ho azy fa sahirana). Voalaza tato koa huile essentiel, vermifuges, fa mbola mamantatra izay tena mety e.
Ny zanako koa mankoa misy an'io parasy kankana io izao dia mikarokaroka hevitra ato.


tiris8786:

Mety parasy kankana satria mangidihidy dia mibontsina cloques sady any atsinanana toa malaza misy an'io. Indraindray ilay fanosorana tongolo gasy vao maika manome cloques satria tsy zakan'ilay peau. Jereo aloha hoe mahita lohany maintimainty kely ve ianao (ilay parasy io) dia matetika ny atodiny anatin'ilay cloques. Mihinana vermifuges marina saingy raha possible dia mila esorina ilay tranon'atody, izany hoe sokafana ny hoditra dia hongotana tao. tandremana tsy ho vaky ilay poche satria hita hoe poche misy atody.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.543