Marina ve ny Evanjely ? Fizaràna voalohany : ny amin'ny porofo manohana azy

21. Nehemiah ( 28/08/2013 06:33)
Ity @'izay ny rohy mankany @ fizaràna farany :

http://forum.serasera.org/forum/message/m521d98ee7b597
22. Rnrs ( 28/08/2013 06:43)

Fa iza mo no nilaza t@nao fa ny Torah tokoa no marina?? efa hoe tsy azo porofoina izan rah mbola ny lojika no jerena. ny FINOANA no manamarina izay rehetra voalaza fa tsy ny lojika, tsy "reference" ko! fampitahana fotsiny izan de mijanona eo fa tsy afaka manamarina na mandiso ny baiboly tranainy sy ankehitriny mihintsy, samy boky ihany ireo ary tsy fantatra izay tena nanoratr azy fa ny nandika no bdb
23. Nehemiah ( 28/08/2013 07:02)

Rnrs:

Tena tsy lojika Andriamanitra tompoko, ra jerentsika mantsy ny atao hoe lojika ohatra 1+1=2 , izay no atao hoe lojika ary ny lojika fahalalan'olombelona sady voafetran'ny zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana, ref tsy ao anatin'ireo de tsy lojika, asa azonao tsara angamba ny atao hoe lojika??

Ka aminao izany 1+1 dia mety 3 ho an'Andriamanitra ? Maina ny rano ary boribory ny 4-joro ho Azy ?
Rnrs:
na dia milaza ho manampahaizana indrindra eran-tany aza raolombelona de tsarovy fa tsy hatakatra velively ny hevitry ny tenin'Andriamanitra, ary tsy @ fanazavana entin'olona no maha-marina ny baiboly ankehitriny na tsy maha-marina azy, tsy voatery koa hoe miankina @ teny hebreo tranainy na modern ko! fa ny teny rehetra ao anatin'io dia avy @ Fanahy Masin'Andriamanitra ka rah manao fanadihadina ny milaza azy ho manampahaizana de tsy hatakatra velively ny ao anatin'io fa lasa miinterpreté sy mandika azy @ heviny fotsin de maka porofo hita maso sy azo tsapain-tanana de izay no hoentiny manohana ny heviny ary tsy fantatsika ko ngah fa ny fihevitsika ange ka tsy fihevitr'Andriamanitra velively e! rah tsy izany Izy hhilaza hoe:" NY ADALA INDRINDRA ETO @ IZAO TONTOLO IZAO NO HAMPANANATRA NY HENDRY" ny "hendry" eto dia ireo milaza azy ho manam-pahaiza(savant) , ireo siantifika, fizisianina, sns e! ka tsarovy fa rah io baiboly io no entinareo hiadina hevitra sy fakafakaina de matetika mampisara-bazana na ko mampiady ary tsy mitovy @ zavatry ny tany io ka ande hatao fikarohana. Betsaka ange zay manam-pahaizana nanao fikarohana izay e! fa naninn no tsy de misy mpanaraka sy mankato mihitsy ny porofon-keviny?? matetika olona tsy mino no miombokevitr @. Ny finoana tsy avy @ fahalalan'olombelona sy ny Lojika ary ny Filozofia.

Ahoana indray ny Mt. 22:37 milaza hoe : "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (avy amiko ny sora-mandry) ?
Marina aloha fa natao ho an'ny sarambabembahoaka ny Baiboly (Dt. 30:11-14), fa kosa raha hafan'izay zavatra voasoratra no tian'Andriamanitra tenenina rehefa miteny zavatra @ Baiboly Izy dia mba misy fanambaràna vanona ihany ve ? Resaka fifaneraseràna tsotra kely izany. Sao dia midika hoe "toy izao no nanosoran'Andriamanitra savoka ny latabatra, nalefany ny mpiasan'ny paositra mba tsy hisondrotra izay rehetra miandry faty fa hanana ny Lamborghini Gallardo" ny Jn. 3:16 hoe "Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
24. Nehemiah ( 28/08/2013 07:55)

Rnrs:


Fa iza mo no nilaza t@nao fa ny Torah tokoa no marina?? efa hoe tsy azo porofoina izan rah mbola ny lojika no jerena. ny FINOANA no manamarina izay rehetra voalaza fa tsy ny lojika, tsy "reference" ko! fampitahana fotsiny izan de mijanona eo fa tsy afaka manamarina na mandiso ny baiboly tranainy sy ankehitriny mihintsy, samy boky ihany ireo ary tsy fantatra izay tena nanoratr azy fa ny nandika no bdb

Miala tsiny, t@ Moustaraf no niantefan'ilay izy fa tsy taminao fa lasa ianao no nametraka hevitra aloha dia nifandiso
25. voromailala ( 28/08/2013 09:47)

Rnrs:

Tena tsy lojika Andriamanitra tompoko, ra jerentsika mantsy ny atao hoe lojika ohatra 1+1=2 , izay no atao hoe lojika ary ny lojika fahalalan'olombelona sady voafetran'ny zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana, ref tsy ao anatin'ireo de tsy lojika, asa azonao tsara angamba ny atao hoe lojika?? na dia milaza ho manampahaizana indrindra eran-tany aza raolombelona de tsarovy fa tsy hatakatra velively ny hevitry ny tenin'Andriamanitra, ary tsy @ fanazavana entin'olona no maha-marina ny baiboly ankehitriny na tsy maha-marina azy, tsy voatery koa hoe miankina @ teny hebreo tranainy na modern ko! fa ny teny rehetra ao anatin'io dia avy @ Fanahy Masin'Andriamanitra ka rah manao fanadihadina ny milaza azy ho manampahaizana de tsy hatakatra velively ny ao anatin'io fa lasa miinterpreté sy mandika azy @ heviny fotsin de maka porofo hita maso sy azo tsapain-tanana de izay no hoentiny manohana ny heviny ary tsy fantatsika ko ngah fa ny fihevitsika ange ka tsy fihevitr'Andriamanitra velively e! rah tsy izany Izy hhilaza hoe:" NY ADALA INDRINDRA ETO @ IZAO TONTOLO IZAO NO HAMPANANATRA NY HENDRY" ny "hendry" eto dia ireo milaza azy ho manam-pahaiza(savant) , ireo siantifika, fizisianina, sns e! ka tsarovy fa rah io baiboly io no entinareo hiadina hevitra sy fakafakaina de matetika mampisara-bazana na ko mampiady ary tsy mitovy @ zavatry ny tany io ka ande hatao fikarohana. Betsaka ange zay manam-pahaizana nanao fikarohana izay e! fa naninn no tsy de misy mpanaraka sy mankato mihitsy ny porofon-keviny?? matetika olona tsy mino no miombokevitr @. Ny finoana tsy avy @ fahalalan'olombelona sy ny Lojika ary ny Filozofia.


Misy fahamarinana izany zavatra lazainao zany. Raha toa ka fanahy avy amin'Andriamanitra no nanoratra ny baiboly dia tokony fanahy avy amin'Andriamanitra ihany koa no hamakiana azy fa tsy avy amin'ny alalan'ny saina, alalan'ny lôjikan'olombelona.

Rehefa mitony ny saina dia mivoaka ny fanahy, noho izany tokony olona manana saina mitony lalandava no tokony hamaky sy hanazava ny baiboly. Toa an'i Osho ohatra izay nanazava ny evanjilin'i Tomasy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1638