Nitsangana tamin'ny maty tokoa ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna fahatelo : ny tsoa-kevitra
21. Nehemiah
(
26/08/2013 12:45)
moustaraf:
Salama namana,
1°Averiko foana, fa na hanao teoria be ohatra ny aohana isika, na hikaroka manerana an'izao tontolo izao momba ny famonjena dia TSY HAHITA fa vao maika ny mifanohitra @ baiboly aza no hivoaka!
Raha miteny an'izany anefa aho tsy milaza akory hoe tsy tokony hkaroka isika satria ny habadoana sy ny tsy fahalalana no fahaverezana voalohany "Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana"!
Ohatra, raha milaza izahay fa hebreo ny Malagasy dia nisy fikarohana lalina sy maharitra ela natao, indrindra fa ao @ baiboly!
Failay fikarohana hoe Nitsangana t@ maty ve ilay Mesia, sns....????
Mora kely ny mitoraka elefanta fa mila fandavan-tena kosa ny mivoy fahalalàna mahasoa ny mpino @ fanamafisana orina ny finoany @ fomba takatry ny sarambabembahoaka fa saingy maneho fa voatohan'ny fikarohana tomomban'ny manam-pahaizana matotra sy mahay ny raharahany.
Izay foana mantsy no tsikaritro amin'ny fombanao hatrizay : mamotsifotsy ny antontan-kevitra voizin'ny kristiana mahatoky kanefa tsy mitondra porofo mitombina, ary rehefa ny hevitrao indray no voizinao dia tsy mitondra porofo koa fa tadiavinao hanatelina an'ilay izy fotsiny @'izao ny olona.
moustaraf:
2°MISY tokoa ireo olona tsy maty t@ safo-drano, araka ny baiboly! ary misy ireo zaza nateraka talohan'ny fahotana! araka ny baiboly!
ka tena mahagaga ny tsy ahitan'ireo gaigy lahy @ famakiana baiboly an'ireo teny milaza an'izy ireo???
Ay, dia apetraho eto ary ny andininy milaza an'izay e :)
22. voromailala
(
26/08/2013 12:47)
Nehemiah> Misaotra anao amin'izany fa andraso azany amin'ny manaraka hazavaiko tsara ny hevitra tiako lazaina.
Avy eo efa fantatrao ihany fa na credible na tsia ny fandraisan'ny olona zavatra tenenikotsy dia mampiova zavatra firy amiko.
Avy eo efa fantatrao ihany fa na credible na tsia ny fandraisan'ny olona zavatra tenenikotsy dia mampiova zavatra firy amiko.
23. Nehemiah
(
26/08/2013 12:55)
moustaraf:
Hoy Nehemia:
Tsy misy an'izao ny Baiboly fa dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra (Gen. 7:21) ary ao anatin'izay koa ny Nefilima.
Hoy aho(Moustaraf):
2°MISY tokoa ireo olona tsy maty t@ safo-drano, araka ny baiboly! ary misy ireo zaza nateraka talohan'ny fahotana! araka ny baiboly!
ka tena mahagaga ny tsy ahitan'ireo gaigy lahy @ famakiana baiboly an'ireo teny milaza an'izy ireo???
Izay milaza lainga dia tokony tsy hanokatra hevitra eto intsony satria mitory fahaverezana! sa ahoana???
A-a-a, raha mbola serasera ny serasera dia afaka maneho malalaka ny hevitrao ianao ka, fa saingy mivonona kosa fa raha mbola eo i Nehemiah dia tsy maintsy manohitra ny lainga avoitry ny fahavalon'ny finoana kristiana mba ho mafy orina ny mandan'i Jerosalema.
24. moustaraf
(
26/08/2013 13:16)
Eny ary!
1° Ny NEFYLYM
-Ahoana ny famakiana ny GEN 6:4?
Les nephilim se trouvaient sur la terre en ces jours-là, et aussi après cela, quand les fils du vrai El continuèrent d’avoir des rapports avec les filles des hommes et qu’elles leur donnèrent des fils : ils furent les hommes forts du temps jadis, les hommes de renom.
Genesisy 6 : 4 - Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny
Midika inona ny hoe "t@ andron'ny safo-drano sy taorian'izany"?
Porofon'izany:
NOMERY 13:28 kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin' ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe tokoa; ary koa nahita ny taranak' i Anaka (Nefilima) tao izahay."
-@ dikan-teny mivantana:" Nahita ny nefilima tao izahay"
Izay aloha fa alefaso ny valiny!

25. Nehemiah
(
26/08/2013 13:49)
Tsotra kely : tsy milaza mihitsy ny Gen. 6:4 hoe "t@ andron'ny safo-drano sy taorian'izany" fa tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa ka tsy midika mihitsy ilay izy fa taorian'ny Safo-drano dia mbola nisy Nefilima : rehefa jerena ny hevitra manodidina dia ny vanim-potoana tanelanelan'ny nanombohan'ny olombelona niantso ny anaran'ny Tompo sy ny Safo-drano no niroboroboan'ny Nefilima.
Ny Nom. 13:28 indray dia fitateran'ny mpisafo tany tsy mahatoky, avo ny ankevikevin'ny nanaovany exagération (ka nandainga) mba hahatonga ny Zanak'Isiraely hamoy fo. De toute façon tsy misy inona na inona @ lahatsoratra izay milaza fa nahazo ny tsindrimandrin'Andriamanitra ireto mpisafo tany tsy mahatoky ireto rehefa nilaza an'izay fa ny mifanohitra @'izay angamba no izy. Tsy mankasitraka ny antontan-kevitra rehetra ao anatiny anie ny Baiboly.
Rehefa mamoaka hevitry ny Soratra Masina dia tsy azo atao mihitsy ny mamoaka hevitra izay mifanohitra @ Soratra Masina hafa, ary tsy azo ihodivirana ny Gen. 7:21, izay milaza mazava tsara fa "maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany".

26. moustaraf
(
26/08/2013 17:24)
Aoka tsy disoina ny Baiboly @fomba famaky mivadibaadika!
Safo-drano no lohahevitra @ GEN 6 io fa tsy zavatra hafa akory, ary mazava be ny soratra hoe: t@ izany sy taorian'izany!
Matoa niraviravy tanana ny Mpisafo tany niaraka t@ Josoa sy Kaleba dia tena Nefilima no hitany tao , sady nataony mihitsy ny description physique n'ireo olona ireo! tena nisy io, fa saingy ny finoany no tsy ampy ho entiny miady aminy, satria fantany fa raha mbola herin'olombelona tsy hahafaty ny nefilima velively!
Porofon'izany, Trompetra no nandravana ny tanàna!
-Mbola ampiana koa aza hoe :i Melkitsedek mpanjakan'i Salema, mpisoron'ny AVOINDRINDRA dia nefilima, isan'ireo olombelona tsy mety maty raha tsy ny mpamorona no mamono azy!
ary dia voasoratra ao @ baiboly ny nahafatesany!
io ilay lazaina ao @ ROM 5:14
Kanefa ny fahafatesana nanjaka hatramin' i Adama ka hatramin' i Mosesy, na dia tamin' izay tsy nanota t@ fahotan' i Adama aza, izay tandindon' Ilay ho avy.
Ny hevi-dalina fonosin'ilay Nefilima mihitsy no tsy fantatry ny maro!
Nefilima= Zanak'i Tsitoha= Tsy voan'ny fahotan'i Adama= Tsy voan'ny ozona fahafatesana
Nefilima=teraka talohan'ny fahotana=olombelona fa tsy Anjely
Anjely=fanahy=Tsy manao firaisana aran'ofo MAT 22: 23-30 Ny anjely tsy manambady
(hitohy)

27. Miharena
(
26/08/2013 18:17)
Moustaraf:
Ny hevi-dalina fonosin'ilay Nefilima mihitsy no tsy fantatry ny maro!
Nefilima= Zanak'i Tsitoha= Tsy voan'ny fahotan'i Adama= Tsy voan'ny ozona fahafatesana
Nefilima=teraka talohan'ny fahotana=olombelona fa tsy Anjely
Anjely=fanahy=Tsy manao firaisana aran'ofo MAT 22: 23-30 Ny anjely tsy manambady
Mety azo hanontaniana ve namana hoe aiza amin'izao fotoana izao ireo Nefilima ireo?
Ary fitafiana na endrika ananan'ny olona rehefa mody mandry, toy ny ahoana no fiheverana azy? Toy ny anjely ve sa toy ny Nefilima?
28. moustaraf
(
27/08/2013 03:56)
Salama namana,
Ny baiboly dia manome fanazavana mahitsy @ antsipirihany ny momba ny nihafaran'ireo nefilima, ka dia mazotoa mamaky sao dia mbola be ny tokony ho lalinina.
Averiko indray fa ny fanahy dia tsy manambady, na manao firaisana ara-nofo, araka ny fanazavan'ny baiboly ihany; dikany ny nefilima dia tsy anjely nivadika araka ny famaritana omen'ny maro azy!
Hoporofoina indray ve ny nahaterahan'izy ireo talohan'ny fahotan'i Adama??....
(zava-miafina ao @ baiboly araka ny baiboly fototra hebreo: 034 64 936 42 / 033 14 958 64 / zafjohs@yahoo.fr)

29. Nehemiah
(
27/08/2013 06:47)
moustaraf:
Aoka tsy disoina ny Baiboly @fomba famaky mivadibaadika!
Safo-drano no lohahevitra @ GEN 6 io fa tsy zavatra hafa akory, ary mazava be ny soratra hoe: t@ izany sy taorian'izany!
Matoa niraviravy tanana ny Mpisafo tany niaraka t@ Josoa sy Kaleba dia tena Nefilima no hitany tao , sady nataony mihitsy ny description physique n'ireo olona ireo! tena nisy io, fa saingy ny finoany no tsy ampy ho entiny miady aminy, satria fantany fa raha mbola herin'olombelona tsy hahafaty ny nefilima velively!
Porofon'izany, Trompetra no nandravana ny tanàna!
-Mbola ampiana koa aza hoe :i Melkitsedek mpanjakan'i Salema, mpisoron'ny AVOINDRINDRA dia nefilima, isan'ireo olombelona tsy mety maty raha tsy ny mpamorona no mamono azy!
ary dia voasoratra ao @ baiboly ny nahafatesany!
io ilay lazaina ao @ ROM 5:14
Kanefa ny fahafatesana nanjaka hatramin' i Adama ka hatramin' i Mosesy, na dia tamin' izay tsy nanota t@ fahotan' i Adama aza, izay tandindon' Ilay ho avy.
Ny hevi-dalina fonosin'ilay Nefilima mihitsy no tsy fantatry ny maro!
Nefilima= Zanak'i Tsitoha= Tsy voan'ny fahotan'i Adama= Tsy voan'ny ozona fahafatesana
Nefilima=teraka talohan'ny fahotana=olombelona fa tsy Anjely
Anjely=fanahy=Tsy manao firaisana aran'ofo MAT 22: 23-30 Ny anjely tsy manambady
(hitohy)
Ary mba fantatrao mirehareha @ fahaizanao teny hebreo ve fa ny teny nephilim dia avy @ hebreo "naphal" izay midika hoe mivarilavo ?
Ny anjely any an-danitra dia tsy manao firaisana na mihinana, fa rehefa mandeha aty ambony tany ka mitafy nofo kosa dia afaka manao an'izay tsara, tahaky ny anjely nitsidika an'i Abrahama.
Ny miresaka aminao dia hoatran'ny miresaka amin'ny olona adala, ny hevitry ny hafa fotsifotsianao fa ny anao ihany no abosesikao.
30. voromailala
(
27/08/2013 07:33)
Mahaliana ny mahita Erudit Baiboly sy Torah miadihevitra, ahitana zavatra vaovao.
Misaotra anareo.
Izay aho vao nahafantatra an'izany Nefilima, ary sao dia io ilay sary na Géant hita tany Egypta dia ohatra hoe tonga avy any andanitra, karazana Extraterrestre zany?
ohatra an'i tony sary tony.

31. moustaraf
(
27/08/2013 11:50)
Tsy mirehareha @ teny hebreo akory, fa mizara izay mba nomena anay!
Ny teny nephel (hebreo tranainy)= mandavo, mandresy, mandroba...
Ireo taranaka goavam-be ireo niray aran'ofo t@ taranaka mpanota no lasa mpandroba fananan'ny hafa!
fa ireo anjely nivadika, izay nazera taty an-tany dia tsy nifanambady t@ olona akory! izany théorie izany dia an'ny grika sy romana ilazana fa ireo olona ngeza be ireo no "fils des dieux", ka tsy tokony ampidirina @ principe fanazavana ny baiboly; tsy misy ifandraisany velively ireo!
Raha nifanambady ny satana sy ny zazavavin'ny olom-belona t@ izany fotoana izany , nahoana ary no tsy mifananambady @ tovovavy i satana ankehitriny?
Tsy misy intsony ve izany ny Satana sa ny tovovavy no tsy manaiky intsony?
Mba zavatra lojika no hazavaina hoy isika mpisera eto izay!
Ireo t

32. Nehemiah
(
27/08/2013 13:53)
moustaraf:
Tsy mirehareha @ teny hebreo akory, fa mizara izay mba nomena anay!
Ay kosa ianao miaiky fa ny fampianaran'ny mpitondranareo ihany no régurgiter-nareo, efa dingana 1 izay
moustaraf:
Ny teny nephel (hebreo tranainy)= mandavo, mandresy, mandroba...
Ireo taranaka goavam-be ireo niray aran'ofo t@ taranaka mpanota no lasa mpandroba fananan'ny hafa!
fa ireo anjely nivadika, izay nazera taty an-tany dia tsy nifanambady t@ olona akory! izany théorie izany dia an'ny grika sy romana ilazana fa ireo olona ngeza be ireo no "fils des dieux", ka tsy tokony ampidirina @ principe fanazavana ny baiboly; tsy misy ifandraisany velively ireo!
Ny mpanatontosa ny dikan-teny Septante no nandika ny Nefilima hoe "gigantes" (izay olon-drapeto nikomy t@ Zeus @ mitôlôjia grika), ary tsy maintsy misy ny antony, ary mbola iverenantsika izay rehefa avy eo.
Angamba averiko aty ny fanazavàna efa napetrako tany ambadika momba ny fomba fijery mitombina momba ny Nefilima :
1 - Taranak'i Seta "matahotra an'Andriamanitra" ireo
Gen. 4:25-26 no fototr'io fijery io :
"Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy. Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Tamin’ izany no vao niantsoana ny anaran’ i Jehovah."
Raha io fomba fijery io izany no arahina dia naka vady t@ vehivavy taranak'i Kaina ilay ratsy fanahy ny lehilahy taranak'i Seta matahotra an'Andriamanitra.
Nefa moa ny mahavoa an'io dia tsy hoe natahotra an'Andriamanitra i Seta dia natahotra an'Andriamanitra koa ny zanany. Betsaka ny zanak'olona matahotra an'Andriamanitra izay tsy matahotra an'Andriamanitra, ary fahita @ Baiboly koa izany, anisan'ireny izao ny zanak'i Ely na i Manase zanak'i Ezekia raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Raha tena nanaja an'Andriamanitra tokoa ny taranak'i Seta, dia maninona no i Noa sy ny fianakaviany ihany no nampidirina t@ Sambofiara ?
Sady tsy misy fototra azo anohanana an'izay fomba fijery izay rahateo @ Baiboly. Nahoana izao no tsy miantso azy ireo hoe bene Sheth (zanakalahin'i Seta) sy benoth Qayin (zanakavavin'i Kaina) ny lahatsoratra (sady "benoth Adam" no lazain'ny lahatsoratra fa tsy "benoth Qayin")? Tena tsy misy inona na inona izay azo anohanana ny hevitra hoe nanaja an'Andriamanitra kokoa nohon'ny taranak'i Kaina ny taranak'i Seta (izahao Gen. 6:11).
2 - Mpanjaka na mpanapaka izay nanonon-tena ho "andriamanitra" ireo
Marina fa nisy mpanjaka betsaka t@ tantaran'ny olombelona izay nilaza ny tenany ho andriamanitra na zanak'andriamanitra(ny Farao, ny Incas, ny amperora rômana sy zapôney,...), kanefa tsy tohanan'ny Soratra Masina koa ity fomba fijery ity. Tsy misy an'izao ny lahatsoratra fa avy any ivelany izany.
Sady lazaina ho lehilahy foana ny taranany (izany hoe ny Nefilima, tsy ahitàna an'izany "Nephiloth" izany ny Baiboly ). Dia tsy mba hisy vehivavy ve ny taranak'olombelona ?
3 - Anjely lavo ireo
Io angamba no fomba fijery mitombina indrindra, satria mifandraika @ lahatsoratra tsara : ny teny izay nadika hoe "zanak'Andriamanitra" dia "bene elohim", ary ampiasaina in-5 @ Testamenta Taloha izany (in-2 @ Gen. 6, ary indray @ Job. 1:6, 2:1 sy 38:7), ary milaza ny momba ny anjely foana izay. Zanak'Andriamanitra ny anjely satria noforonin'Andriamanitra direct, tahakan'i Adama (sy ny olona izay nandalo ny fahaterahana vaovao lazaina @ Testamenta Vaovao).
@ Dan. 3:25 koa misy ny hoe "zanak’ ireo andriamanitra" (bar elohim) ilazan'i Nebokadnezara ny anjely na teofania izay niseho t@ lafaoro miaraka @'ireo naman'i Daniela.
Hita @ Sal. 29:1 sy 89:6 koa ny hoe bene elim (zanaky ny mahery).
Ka mety miteny ianao hoe : "Tsy manana sexe ny anjely, sady êtres spirituels rahateo izy ireo ka tsy manana substance ara-batana !" Marina fa milaza ny Mk. 12:25 hoe : "amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy", nefa jereo tsara fa ny anjely any an-danitra no resahan'ny Tompo eto ! Azony atao ny mitafy vatana (oh. Gen. 18:1–15).
4 - Olombelona nanaovan'ny anjely lavo possession ireo
Mitovitovy @ etsy ambony ihany, fa saingy mipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no tsy mamaritra an'izay ny Soratra Masina fa milaza fotsiny hoe "zanak'Andriamanitra" ?
moustaraf:
Raha nifanambady ny satana sy ny zazavavin'ny olom-belona t@ izany fotoana izany , nahoana ary no tsy mifananambady @ tovovavy i satana ankehitriny?
Tsy misy intsony ve izany ny Satana sa ny tovovavy no tsy manaiky intsony?
Mba zavatra lojika no hazavaina hoy isika mpisera eto izay!
Raha hiditra @ lafin'ny lôjika ianao dia non sequitur bevava izany hoe tsy misy anjely lavo manao firaisana @ vehivavy ankehitriny ka nohon'izay tsy misy anjely lavo nanao firaisana @ vehivavy t@ lasa (mitovy @ fisainan'ny mpandala evôlisiona ny fisainanao lol :) ).
Ankoatran'izay mino aho fa efa fantatrao tsara fa milaza i Petera fa voafonja @ aizim-7 ny anjely izay nanota t@ andron'i Noa. Milaza ny Baiboly fa "tartaros" no anaran'ny fonjan'izy ireo (N.B. : aza mifanadala fa nosoratana t@ teny Grika ny Testamenta Vaovao fa tsy teny Hebreo), izany hoe hafan'ny hadesy, na fiainan-tsi-hita.
Fantatsika fa @ mitôlôjia grika, nohelohin'i Zeus ho voafonja anaty tartare ny olon-drapeto izay nikomy t@ (izany hoe ny titans, izay karazana andriamanitra fa tsy "zanak'andriamanitra" araky ny filazanao), ka azo atao tsara ny mihevitra fa angano nipoitra avy t@ tranga tena niseho t@ andron'i Noa ilay izy, ary izay no nahatonga ny mpandika tenin'ny Septante hampiasa ny voambolana "gigantes".
Fa ny filazana fa nisy zavamananaina tsy voan'ny Fahalavoana nateraky ny otan'i Adama dia tsy misy fotony mihitsy, tahaky ny filazàna fa Nefilima i Jesoa izay nitsangana t@ maty
33. voromailala
(
27/08/2013 14:06)
Izao ry zareo a, lazaiko tsiambaratelo ianareo.
Lalana roa ihany no mifehy an'izao tontolo izao:
loi de la triade sy loi d'octave.
Lalana roa ihany no mifehy an'izao tontolo izao:
loi de la triade sy loi d'octave.
34. Nehemiah
(
27/08/2013 14:17)
Nehemiah:
Ankoatran'izay mino aho fa efa fantatrao tsara fa milaza i Petera fa voafonja @ aizim-7 ny anjely izay nanota t@ andron'i Noa.
N.B. : 1 Pet. 3:19-20 no ao an-tsaiko : izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-trano-maizina, dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
35. moustaraf
(
27/08/2013 18:25)
Raha nilaza t@ mpanara-dia azy ny Mesia hoe: "raha nandray maimaimpoana ianareo dia manomeza maimaimpoana" iza no nanome azy ireo?
lojikan'olom-belona aran'ofo be ny fanazavana entinao momba ny nefilima, fa izahay milaza fa ambony kokoa noho ireo ny fanazavana azy, ary @ fomba tsotra fa tsy miolan-kolana"
Raha tsy mahay manazava ny mysteran'ny nefilima dia tsy hahay hanazava mihitsy ny lalan'ny famonjena izay nentin'i Mesia, satrria Izy ilay mamerina ny Tsy fahalovana, dia ilay tena tsy mety maty mandrakizay!
Taiza ho aiza no maty i Malkitsedek ao @ baiboly? ary ahoana ny fomba nahafaty azy?
Mankasitraka anareo rehetra izay miantso, sy mandefa mailaka liana @ ireo zava-dalina ireo, izay nafenina ny manan-tsaina fa naseho @ zaza madinika!

36. Nehemiah
(
28/08/2013 06:20)
Mahavariana fa izay foana ny fialàna balan'ny mpivoy fampianaran-diso rehefa tsy mahavaly : lôjika ara-nofo aho lôjika ara-nofo kanefa lôjika mitovy toetra @ ahy ihany no nampiasaina (ary i Voromailala koa aza nahatsikaritra an'izay). Kanefa hadisoana bevava ny mieritreritra fa samihafa ny lôjikan'olombelona sy ny lôjikan'Andriamanitra : noforonina hitovy endrika @'Andriamanitra isika olombelona (Gen. 1:26), mba hanana fifandraisana velona @, ka ahoana no ahafahany manao an'izay raha tsy mitovy @ lôjikany ny lôjikantsika, raha maina ny rano na boribory ny 4-joro ho Azy ? Rehefa niteny Izy hoe : "ny fihevitro tsy fihevitrareo" dia izao no tiany lazaina : ambony lavitra noho ny anay ny fiheviny, fa tsy hoe samihafa ; natao ho an'ny sarambabembahoaka ny Baiboly (Dt. 30:11-14) ka raha samihafa ny lôjikan'ny olona sy ny lôjikan'Andriamanitra dia tsy hifankahazo mihitsy izy 2 tonta (teôrian'ny fifaneraseràna tsotra izany) ka tsy misy fanambaràna vanona.
Hentitra ny tenin'i Petera momba ny olona manao tahaka anao : Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany. (2 Pet. 3:15-16) ka izao no lazaiko aminao : mbola fotoana ibebahana izao ka araraoty.
Raha ny @ Melkizedeka indray dia hoy ny Heb. 9:27 hoe : "tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana". Tsy hoe tsy miteny inona na inona momba ny zavatra 1 ny Baiboly dia mahazo mamorona an'izay teôria rehetra danin'ny kibontsika isika fa tsy maintsy atao marim-pototra.

37. toriteny
(
10/09/2013 15:52)
moustaraf:
Salama namana,
Mahagaga ny fiezahana hanazava ara-teoria ny momba ny famonjena!
Raha mahatsaikaritra ianareo dia tsy mankaiza ankory ireny fikarohana ireny fa dia "manenji-drivotra "hoy ny baiboly!
Voalazanao tanteraka ilay izy. Tsy azavaina téorie ny famonjena fa hiainana sy hinoana dia mazava sy manaiky ilay fahamarinan'ilay théorie ho azy ianao avy eo. 15 taona no nandraisako ny Tompo ho Tompoko sy Mpamonjiko ary hiainako isan'andro ny Famonjena fa tsy théorie fotsiny akory. Asa raha azonao ny tiako hambara.
Efa nambarako teto ihany ito fa tsy maninona haveriko indray. Izaho dia mpanota be talohan'ny nahalalako Azy ary tsy nahay na dia andiany soratra Masina 1 ao amin'ny baiboly aza, tsy nahalala ireo théorie lazainao ireo na dia iray aza. Kanefa rehefa nandray Azy teo amin'ny fiainako aho tena tsapako ny fisiany sy ny fitarihany ahy hanalavitra ny ota sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra na dia tsy nahalala théorie aza, tsapako foana ny FAnahiny mi-barrer ny lalako rehefa te handeha any amin'ny lalan-tsy izy aho.
Asa raha azonao ny tiako ambara. Amiko ny finoana an'i Jesosy Kristy tsy théorie hianarana tsianjery ao anaty baiboly fa zavatra tsapako sy hiainako ary hantenaiko. Tsy hoe voasoratra ao anaty baiboly ny hoe ratsy ny manompo sampy no tsy hamadiako ohatra fa tena tsapako mihitsy ny halahelony rehefa ohatra ka misy zavatra tadiaviko hatao important noho Izy. Tsy mandinika lalina be ianao izany rehefa miaraka Aminy hoe théorie, araka ny baiboly ve? fa tonga dia tsapanao ao anatinao hoe tsy sitrapon'Andriamanitra ito zavatra ataoko ito
Fa io na inona teneninao mikasika ny finoana hebreo mihoatra ny finoana kristianina, na inona tenenin'ny silamo sy ny bodista sy ny indouista mikasika ny andriamaniny tsy ho resy lahatra intsony aho na dia tsara lavitra aza ny théorie ny satria ny ahy vécu ny finoana fa tsy théorie.
38. Nehemiah
(
11/09/2013 14:07)
Raha hiverina amin'ny lohahevitra isika : nitsangana tamin'ny maty tokoa ve Jesoa Kristy sa tsia, raha tena nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesoa avy any Nazareta dia marina daholo izay rehetra nolazainy, raha tsy nitsangana tamin'ny maty kosa Izy dia "foana ny fanantenantsika"(iz. 1 Kor. 15:14). Ka ny aiza @'izy roa no marina ?
39. Nehemiah
(
11/09/2013 14:09)
Ny finoana kristiana dia mifototra @ zava-misy, satria Andriamanitra miasa @ tantaran'ny olombelona ny Andriamanitry ny Baiboly. Raha ny momba ny tena dikan'ny finoana kristiana dia eto no namelabelarako azy :
http://forum.serasera.org/forum/message/m51bc04716956e
http://forum.serasera.org/forum/message/m51bc04716956e