Nitsangana tamin'ny maty tokoa ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna fahatelo : ny tsoa-kevitra

1. Nehemiah ( 22/08/2013 13:21)
[size=150]Nanonofy antoandro ve ny mpianatra?[/size]

Ao ny olona izay mieritreritra fa mbola mahita zazavavindrano any anaty ala any. Ao koa ny olona izay mieritreritra fa nokidnappen'ny extraterrestres anaovana fanandramana maharikoriko. Tsy azo lavina fa indraindray dia tena mahita ny zavatra tiany ho hita ny olona, na dia tsy izy aza. Izay no nahtonga ny sasany hilaza fa "choqués" loatra t@ fahafatesan'ny Mpitariny ny mpianatra ka nanjary niara-nanofy antoandro izy ireo. Azo inoana ihany ve izany ?

Gary Collins, izay filohan'ny Fikambanana Amerikanin'ny Mpanolotsaina Kristiana taloha:

Hallucinations are individual occurrences. By their very nature, only one person can see a given hallucination at a time. They certainly aren’t something which can be seen by a group of people.


Thomas James Thorburn, izay psikôlôga, @ "The Resurrection Narratives and Modern Criticism", p. 158-159:

It is absolutely inconceivable that … five hundred persons, of average soundness of mind … should experience all kinds of sensuous impressions – visual, auditory, tactual – and that all these … experiences should rest entirely upon … hallucination


Torak'izay koa, rehefa ny psikôlôjian'ny nofinofy antoandro no resahina, tsy maintsy ao anatin'ny toe-tsaina izay aniriany mafy dia mafy hahita an'ilay olona tiany ho hita izay voa manosika azy hahita azy ny sainy. Kanefa nilaza mazava tsara i Jakôba sy i Paoly, izay samy anisan'ny andrarezin'ny Fiangonana kristiana voa niorina, fa nahita an'i Jesoa nitsangana t@ maty, kanefa tsy nanantena na nanampo an'izay aza izy ireo. I Paoly ary no nitarika ny fanenjehana kristiana t@ voalohany, ka tsy azo azavaina mihitsy ny antony nahatonga azy hiova fo raha tsy ny fijoroany vavolombelony hoe nahita Azy nitsangana t@ maty izy.

Tapi-dalan-kaleha koa ny teôrian'ny nofinofy antoandro.
[size=150]
Lazam-balala ve ?[/size]

Misy tsi-mpino tsy mety resy lahatra ka milaza fa angano nanomboka rehefa nisy olona vitsivitsy nandainga nilaza fa nahita an'i Jesoa nitsangana tamin'ny maty ilay izy. Nihitatra ilay lainga rehefa nandeha ny fotoana ka nanjary angano mihitsy.

Toa azo inoana ity teôria ity, kanefa izao avy ny olany :
- Voalohany, tsy afaka mihitatra ny angano 1 rehefa misy vavolombelona betsaka mbola velona ka afaka mandiso azy. Nilaza i A. N. Sherwin-White, izay mpahay tantaran'i Rôma sy Gresy, fa nalaky nipoitra sy nihitatra loatra ny tantaran'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ka tsy angano ilay izy.
- Faha2, lovantsofina no ihitaran'ny angano ary tsy tafaraka @ antontan-taratasy ara-tantara azo akàna toky ilay izy. Kanefa nosoratana sahabo ho 30 taona taorianan'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ny Evanjely.
- Faha3, tsy mahazava zavatra tahaky ny fasana foana na ny finoana tsy mety voahozongozon'ny Apôstôly izany teôria izany.

Tsy adino koa fa nanova ny tantaran'izao tontolo izao, manomboka @'ilay Ampira Rômana, ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Aiza koa no hisy angano hanana fianjadiana goavana dia goavana tahak'izao @ tantaran'ny olombelona ? Ka inty izany mbola misy teôria manambara ny tenany ho fôpla.

[size=150]
Nahoana no naharesy ny finoana kristiana ?[/size]

Frank Morison, @ "Who Moved the Stone?", p. 115:

a tiny insignificant movement was able to prevail over the cunning grip of the Jewish establishment, as well as the might of Rome[...]Within twenty years, the claim of these Galilean peasants had disrupted the Jewish church … In less than fifty years it had begun to threaten the peace of the Roman Empire. When we have said everything that can be said … we stand confronted with the greatest mystery of all. Why did it win?


Tsy azo ihodivirana fa raha tsy nisy ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty dia maty tsy tra-drano ny finoana kristiana rehefa nandositra hamonjy ny ainy ny mpianatra. Kanefa niely t@ fomba tsy mety ajanona ny hetsika kristiana naposaky ny Apôstôly.

J. N. D. Anderson, @ lahatsoratra "The Resurrection of Jesus Christ" @ "Christianity Today", laharan'ny 12/4/1968:

Think of the psychological absurdity of picturing a little band of defeated cowards cowering in an upper room one day and a few days later transformed into a company that no persecution could silence – and then attempting to attribute this dramatic change to nothing more convincing than a miserable fabrication … That simply wouldn’t make sense.


[size=150]Tsoa-kevitra mahatalanjona[/size]

Rehefa voadisony ireo teôrian'ny angano sy ny nofinofy antoandro ary ny autopsie fôpla, rehefa nahita fa tsy azo ihodivirana ny porofo momba ny fasana foana, mb@ vavolombelona betsabetsaka ihany momba an'ilay izy isika, ary indrindrindrindra rehefa nanjohy ny fianjadian'ireo olona vitsivitsy ireo t@ tantaran'izao tontolo izao nohon'ny finoany tsy mety voahozongozona (izay mbola hitantsika isan'andro isan'andro ny vokany ankehitriny), resy lahatra i Morison fa diso ny heviny raiki-tapisaka fa tsy nisy ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Boky hafa tanteraka no nosoratany, ary nomeny lohateny hoe " Who Moved the Stone?" mba hamelabelatra ny tsoa-keviny. Tsy nanao afa-tsy ny nanaraka ny lalana nitondran'ny zava-misy azy hatr@ fibaribarian'ny hamarinan'ny resaka i Morison.

Morison, op. cit., p. 9:

It was as though a man set out to cross a forest by a familiar and well-beaten track and came out suddenly where he did not expect to come out.


Tsy tambo isaina ny tsi-mpino tahakan'i Morisonizay namototra ny porofo manohana ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ka niaiky an'ilay izy ho ilay zava-misy mahatalanjona indrindra @ tantaran'ny olombelona.

C. S. Lewis @ "God in the Dock", p. 159:

Something perfectly new in the history of the Universe had happened. Christ had defeated death. The door which had always been locked had for the very first time been forced open


Hamaranantsika azy, andeha isika hanjohy ny mombamomba ny tsi-mpino anank1 hafa izay resy lahatra nohon'ny porofo.

[size=150]Ilay mpampianatra vaky vava[/size]

Anisan'ny nieritreritra fa angano fotsiny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ary niova fo tahakan'i Morison dia ilay manam-pahaizana ara-pitsaràna ngezalahy Simon Greenleaf. Izy no anisan'ny nampalaza ny Sekoly Fianarana Lalàna any Harvard. Nanoratra asa soratra mizara 3 mitondra ny lohateny hoe "A Treatise on the Law of Evidence" izay nolazaina ho "ilay fahefàna goavana indrindra @ literatioran'ny fitsaràna 1 manontolo". Mbola mifototra @ fitsipiky ny fikarohana porofo novolavolain'i Greenleaf ankehitriny ny fitsaràna amerikana.

T@'izy mbola nampianatra tany Harvard dia nilaza t@ mpianany izy fa angano fotsiny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. @ maha-mpandà an'Andriamanitra azy dia nieritreritra izy fa tsy misy ny fahagagàna. Nanentana azy ny 3 @ mpianany mba hampihatra ny fitsipiky ny porofo novolavolainy @ [/color]

Nanaiky ihany i Greenleaf t@ farany, ka nampifantoka ny sainy kinga @ zava-pitsaràna hamototra ny zava-misy ara-tantara mba hanaporofo fa tsy izy ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty.

Kanefa arakaraky ny nanaovany an'izay no tolagaga t@ hafonjan'ny porofo nanohana ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Voahozongozon'ny tranga 1 monja izay nanova ny tantaran'izao tontolo izao ny tsi-finoany.

Tsy hain'i Greenleaf ny nanazava zavatra maro izay nitranga taoriana kelin'ny nahafatesan'i Jesoa , indrindrindrindra ny fiovàna toe-tsaina tampoky ny mpianatra. Tsy mpianatra 1 na 2 no nanizingizina fa nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy fa izy rehetra. Nampihatra ny fitsipiny izy ka namoaka ny "didy fitsaràna", izay nahavariana, satria niova fo tanteraka ka nanaiky fa ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty no tena tsara anazavàna ny zavatra nitranga taoriana kelin'ny fihombohany t@ hazofijaliana. Hitan'ity manam-pahaizana ara-pitsaràna matsilo saina sady mpandà an'Andriamanitra fahiny ity fa tsy nahavita nifikitra t@ finoany momba ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ny mpianatra raha tsy tena nifanena t@'i Kristy mihitsy izy ireo.

Novelabelarin'i Greenleaf tamin'ny bokiny The Testimony of the Evangelists Examined by the Rules of Evidence Administered in Courts of Justice ny porofo nahatonga azy hiova hevitra. Manentana ny olona izay mitady ny fahamarinana momba ny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty izy mba hanjohy ny zava-misy am-pahatsoram-po @ teny famaranana.

Resy lahatra fantatra t@ famotorana nataony izy ka lasa kristiana mafana fo. Mino izy fa raha misy olona tso-po mizaha ny porofo tahaky ny fanao @ fitsaràna dia tsy maintsy mitovy tsoa-kevitra @, izany hoe tafatsangana tokoa Izy.

Zava-misy izany ny naharesen'i Jesoa Kristy ny fahafatesana. Inona no fiantraikan'izay @ fiainanao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 7.0179