Fa ahoana koa izany hitarika olona andeha an-dalambe izany e?

1. Annita.R ( 20/08/2013 06:27)
Fa tsy manaiky mihitsy izany fa efa hita fa matoa nesorina t@ lisitry ny kandidà dia tsy manara-dalàna ka inona indray? dia izany mihitsy ve ny mety tokony ho atao? tsy mieritreritra ny tombontsoa an'ny vahoaka mihitsy fa hanakorontana ihany satria ny seza no tena mamy? mba tongava saina ry malagasy fa atao tohatra fiankarana fotsiny isika a!!
2. tamiah ( 20/08/2013 06:33)
Misy mahita tombotsoa refa mitohy ny krizy. Ra misy décision mifanaraka @ tombotsoan'zareo d ok, fa refa voatohintohina ny tombotsoany d manainga vahoaka hikorontana. ho taomina hanohana ny tsy fanarahan-dalàna zany ze ho eny ambojatovo, tena mihevitra nyv haoaka ho bado mits reo
3. zokylahy ( 20/08/2013 07:49)

tena marina mihintsy ny hevitrao ry tamiah ary aleo tonga dia lazaiko hoe j'aime mihintsy na tsy misy an'izany aza eto e!
quote
4. hery ( 20/08/2013 08:11)
Ny midina an-dalam-be azo atao, fa angmba tsy tokony amin'ity herinandro ity.

Ny resaka hoe manara-dalàna ve sa tsia, dia arakarak'ilay nametraka lalàna io. Raha lalàna novolavolan'olom-bitsy, napetraky ny olona tsy nofidina akory, dia mitovy amin'ny lalana avoakan'ny mpanjaka izany. Teny midina tsy nifampieràna... ka rariny raha tsy manaraka ny vahoaka.

Raha te hanao lalàna dia mila mahazo ny fahefana avy amin'ny vahoaka tokoa aloha...
5. moi ( 20/08/2013 08:27)
inona zany no vaha olana raha tsy hidina an-dàlambe ?
Ny fanararaotana handrombana no olana, dia ho sempotra koa ny mpitady ny hanina sahaza anio satria hanidy tsena, hangorona entana sao.... Efa tena maina ange zany tsena zany zao e !

6. vahiny2004 ( 20/08/2013 08:42)
hery:

Ny midina an-dalam-be azo atao, fa angmba tsy tokony amin'ity herinandro ity.

Ny resaka hoe manara-dalàna ve sa tsia, dia arakarak'ilay nametraka lalàna io. Raha lalàna novolavolan'olom-bitsy, napetraky ny olona tsy nofidina akory, dia mitovy amin'ny lalana avoakan'ny mpanjaka izany. Teny midina tsy nifampieràna... ka rariny raha tsy manaraka ny vahoaka.

Raha te hanao lalàna dia mila mahazo ny fahefana avy amin'ny vahoaka tokoa aloha...


Marina mihintsy ny voalazanao , efa mihodikodina eto fotsiny isika satria fahefàna azo t@ fidinana an-dalam-be sy ny setrasetra, hany ka dia io no lasa lalàna mipetraka : rehefa misy tsy mampetipety dia midina an-dalam-be

Efa lasa "cercle vicieux" izy ity ary tsy hisy farany intsony sanatrian'izany
7. hery ( 20/08/2013 09:19)
Tsy haiko na arakareo ilay logique-n'ilay izy fa averiko tsara:

1. Talohan-dRavalo dia nitantana tsara ny harena en général teto Madagasikara ny Frantsay
2. Nony tonga Ravalo dia gaga hoe harena tokony ho an'ny Gasy ve dia tantanan'ny Frantsay. Dia nanomboka nalain-dRavalo sy nailiny ny Frantsay.
3. Nampidirin'i Ravalo ho partenaires koa ny Amerikana, i Allemagne, sns
4. Very fihinana be ny Frantsay ka nitady ny fika rehetra.
5. Ravalo koa etsy andaniny lasa tompon'ny activités rehetra satria efa nanilika ny Frantsay
6. Dia nalain'ny Frantsay Rajoelina haka ny fitondrana, notohanan'ny miaramila
7. Nailika tanteraka Ravalo ary noezahana tsy hiverina intsony mihitsy. Natao tonga tao andohan'ny miaramila fa raha miverina eo Ravalo dia izy ireo no ho voa mafy indrindra
8. Nony tonga elaela teo amin'ny fitondrana nefa Rajoelina dia nanomboka nahita tsirony dia nanomboka tia tena
9. Nanadino tsikelikely ny Frantsay indray Rajoelina, tsy nahaloa écolage ka dia nailiky ny Frantsay koa.
10. Nitady olona hafa indray ny Frantsay hatao pion ary nampidiriny tao amin'ny lisitry ny kandidà ho azo fidina
11. Fantany nefa fa raha vao miditra Ravalo dia mety ho lany dia napetrany ny lalàna isan-karazany izay tsy hiverenany
12. Nony tafiditra tany Madagasikara Lalao Ravalo ka tsy niverina dia efa azon'ny Frantsay antsaina fa mety hiditra politika ka nataony izay hanaovana ny fifidianana haingana mba tsy hahafahan'i Lalao mirotsaka. Raha toa mantsy ka 2014 no misy fifidianana dia afaka mirotsaka ara-dalàna i Lalao.
13. Amin'izao faly ny Frantsay satria manana chance mety ho lany ilay pion-ny. Na farafaharatsiny olom-baovao mora vidina no ho lany eo (rehefa tsy Ravalo izay tsy tia Frantsay, na Rajoelina izay vao nailiny dia tsy koi aminy)

Dia eo isika izao... tetika efa hatramin'ny voalohany daholo ireo.
8. tamiah ( 20/08/2013 09:40)
Aleo ny vahoaka haneho ny heviny @ fifidianana, zé tsy te hifidy ho hitan'ny avany eo. Na eo ange ny vahiny na tsy eo, isika malagasy samy malagasy fona no mifamely sy mifanenjika am-pitoerana eto e. refa itovizana ny tombotsoa d mifanaraka fa refa tsy tafiditra ao anatin'ny kajy d mifanohitra sy mifanarats. Ahoana tsony moa no anajan'ny hafa antsika refa isika aza tsy mahay manaja ny lalàna misy eto amintsika? Refa napetraka oe io no lalàna hifehy ny fifidianana dia tokony samy manaja ny reetra fa tsy toukn hisy exception
9. Annita.R ( 20/08/2013 10:18)
Ny fifidianana sisa no vahaolana @ zao e, tsy solution tsony oa zany andeha an-dalambe zany fa aza manaiky rebireben'ny mpanakorontana zany, aleo andeha ny fifidianana fa tsy mila korontana tsony zahay!!!
10. moi ( 20/08/2013 10:28)
raha ny fandinihako ny lojika naverin'i Hery io dia lasa saina aho hoe mety hamely ihany zany Rajoelina fa tsy naman'ny frantsay intsony a ! anisan'ny tsy nitiavana azy mantsy dia izy niandany Frantsay io !(misy faly indray zao am'zany hi hi hi)
I Lalao ve mahazo mirotsaka amin'izay fifidianana e ? tsy misy akory angaha ilay fifanarahana mba nahafahany niditra teto hoe tsy handray anjara amin'ny hetsika politika ? sa samy tsy ankitazona fifanekena no ady eo ...
ny ahy ny lojikako dia mbola eo ambany fanasazian'Andriamanitra ny malagasy izao ! Ary izay no nampiongana ny fitondrana teo izay novinavinaina ho sarotra haongana indrindra kinanjo ... boay kely dia vita ! Tsy mba lasa saina ve isika hoe inona no tsy efa natao, fa tsy nisy nahomby, ary mbola tsy mananontanona aza izay tena hahomby !isika koa mantsy mitady vahaolona maika, nefa mety ho ny tetezamita bis no ho làlana !
"Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, ary aza tofoka amin'ny fananarany" Ohabolana 3 : 11
11. spain ( 20/08/2013 10:37)
ny vahoaka ange te hanao fifidianana fa ireo mpanao politika vitsy an-isa izay tsy mihevitra afa-tsy ny tombontsoany ihany no mbola miziriziry eo e!!!!
Annita.R:

Ny fifidianana sisa no vahaolana @ zao e, tsy solution tsony oa zany andeha an-dalambe zany fa aza manaiky rebireben'ny mpanakorontana zany, aleo andeha ny fifidianana fa tsy mila korontana tsony zahay!!!
12. vahiny2004 ( 20/08/2013 12:18)

iza ary izao no saribakolin'i La Frantsa @ ireo 31 sisa tavela ?

@ izao fotoana izao ny zavatra mety hitranga dia "les pro Ra8 et les pro TVG seront dans le même camp" ...

Ohatry ny tsy matiko lolo mihintsy hoe rehefa ny FFKM na institution eto @ tanàna no mitady solution dia tsy tafa, fa raha vao vao ny vahiny dia io fa tafa ???? Io izao fa voaendaka tao @ liste izay tsy tiany hirotsaka
13. moi ( 20/08/2013 13:01)
ny fanontaniako dia ankapobeny mihitsy fa tsy resaka Lafrantsa ihany :
iza no saribakolin'iza ?
Misy amin'izy ireo no gasy ihany no saribakoliny a !
14. saho ( 20/08/2013 17:40)
Hery> miombonkevitra aminao za raha ny fanazavanao, efa fantatry ny pro Tim erantany io voalazanao io, fa saro-piaro an i Gasikara ny Lafrantsa, na koa ireo firenena Afrikana ex-colonie taloha. mba mandiniha anie e, tsy azo kitikitihan'ny Firenena matanjaka mihitsy ny raharahampirenena toa ny any Gasikara, afa tsy ankolaka Lafrantsa ihany, dia ny Instrument ampiasainy koa dia hoe SADC sns...

Dia inona fotsiny hoe Fahaleovantenan i Gasikara tsy colonie Lafrantsa intsony, nanomboka taona 26 Juin 1960

I ra8 mianakavy anie efa ela no te hody any Gasikara fa voasakan ny TGV foana, tsy mahazo fahafahana higadona ny tanindrazana Malagasy, amiko logika le paika hoe hitsabo an i bebe Razay sns... satria tsy nety mihitsy ny hahafahana miditra ny tany Gasikara, kanjo noho ny tafiditra Lalao dia nampiditra koa ny ttasy ilaina momba ny fifidianana

Mino ary tena tsy misy ahiahy za fa ambadika ny Frantsay izay fantatry ny tena tia tanindrazana sy mahafantatra ny raharaha Politika teo aloha sy ankehitriny

Amiko raha tena misy ny Demokrasia ao Gasikara, dia afaka miditra daholo izay te ho fidiana, fa ny antony tsy nahafeno ny fepetra enimbolana hahazoana fepetra hirotsahan i Lalao, dia izy tsy navela hiditra ny firenena Malagasy, amiko raha tena manaraka regle na justice ny tena tompon andraikitra dia io antony tsy azony nidirana io no tokony asiana resaka fitsarana koa, raha justice manandanja sy tena hoe misy Reglement sns...
Raha tena manadiady koa ny fitsarana ireo CES ireo dia mbola tokony tsaraina koa i rajoelina hoe fa nahoana no tetezamitatra be le fotoana tokony hoe enimbolana fotsiny ny fitondrana tetezamita, dia mivadibadika fitondra, betika candidat prezida, betika president tetezamita, betika hafa indray, miovaova be, ô ry Mpitsara avo indrindra gah nareo tena tsy mahay mampiasa ny fahaizanareo sa matahotra sa ahoana....lalaovina be ny fiainampirenena Malagasy, aiza ireo fahitana lavitra na ireo fomba hahafahana manadiady ny zavamisy, aoka atao baribary daholo ary mivaoka foana ny marina, na dia lazaina dondrona be aza ny akabeazan ny vahoaka Malagasy

Raha ohatra ka tena manampahefana ny Justice na Fitsarana Malagasy, dia tokony tsy hiangatra na tokony tsy ho tampo maso, na tsy tokony matimboninahitra, fa ny lanjan ny rariny no tena avoaka, sa izy ireo matahotra ny mpitondra Lafrantsa ambadika

Ataovy mibaribary fa ny Malagasy efa mahaleo tena, ireo tsy nanao ny rariny aoka hahazo ny sahaza azy, ireo tia vola sy tia seza sy tia voninahitra, hita mivoaka foana ny marina, ary ny marina hoy ny Ntaolo tsy mba filaza, kanefa ny marina koa no hahafahana mamoaka ny firenena efa tafalatsaka anaty lavaka

Aoka hiditra izay te hirotsaka ny fifidianana, asio fepetra izay efa naharitra ary eken ny be sy ny maro, ataovy mibaribary, aza sakanana ny mamimbahoaka ary asio hoe inona no antony ary inona no vokany mahatonga ny fiainampirenena tsy hilamina, moa ve ny Fitsarana Malagasy tena Fitsarana azo antoka sa maty henatra , sa voabaiko, sa voavidimbola

Anjaranao no mitazona ny mahaizy anao ho tena vahoaka Malagasy mahaleo tena tanteraka, tsy voabaiko sy tsy tia tena fa mitsinjo ny Firenena Malagasy mba ho Tonga Amin ny tena fahasambarana na ara asa na ara tsakafo na ara pitsaboana na ara piarahamonina na ara Politika na ara toekarena na ara pinoana sns....filaminana sy fandriampahalemana mahaleo tena ny tena izy fa tsy baiko avy any Lafrantsa

15. andrywui ( 20/08/2013 17:51)
HERY A ,,, aza de pesimista loatra ngah fa ho avadikan'ny atidoha mpiketrika be eo ny farany , zavatra resaka tsotra sy mahitsy fotsiny fa tsisy oe nailiky ravalo frantsay , lasa tsy tia frantsay rajoelina de tsy navelany hanao fifidianana de avy eo nailika sns ...
resaka tsotra be fotsiny io de zay , Rajoelina anie no efa niteny mialoha efa telo taona lasa mbola tsisy frantsay nanilika zany oe za tsy hilatsaka (fa raha tsy nanao anity hevipetsy ty anie i dada sy i neny de tsy nilatsaka tokoa Rajoelina e , fa tsy hoe ny frantsay no nanajann azy snss zany !! ny amindravalo ndray de lojikan'ny politika eto M/car ny manenjika aze filoha tsy lany eo (ratsiraka ohatra) tonga d mitsoaka si non hamoronanaa dossier eo , fa tsy oe ny vazah no patati patata hohohohoh
16. Dreamlover14 ( 22/08/2013 08:48)
andrywui > Ka inona no andony handrodanana raha ilay fomba fanao nisy teo aloha ihany no tohizana ? Tsy naleo nitohy teo le izy ? Ikotozafy ihany no Lexis
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9618