Elanelan-taona

1. valia ( 15/08/2013 10:52)
Raha ny vehivavy kay no zokiny amin'ny mpifankatia, tokony ho firy taona ny elanelan-taona raha be indrindra, araka ny hevitrareo?
novalian'i hadji ny 17/10/2013 12:34
2. jobiely ( 16/08/2013 07:31)
Raha matotra mihoatra ny vehivavy ilay lehilahy dia tsy maninona na betsaka aza ny elanelan- taona, nefa na izany aza mba eo ihany koa ilay ambiance raha mba mitovitovy génération e. Raha ny hevitro manokana izao dia tokony ho ny lehilahy foana no zokiny fa raha sendra ka ny vehivavy kosa no lasa zokiny dia 1 na 2 taona ihany fara faha betsany.
3. shannie ( 17/08/2013 11:54)
tokony ho ny lehilahy faona aloha no zokin vavy eh. fa raha ny vavy indray no atao zokin lahy manairana iany, @ io ny vavy no lasa matotra be ka mety ibaiko ny lahy. sady ny vavy ko ne mora antitra raha oharina @ lahy eh, raha mbola samy jeune kely tsy dia ita fa rehefa mandroso ny taona dia tonga @ lay oe ra-neny mitaiza tanora. lol. mampirafy sipa kely @zay zandry kely avy eo. raha mety dia aleo zoky ilay lehilahy.
4. bichette ( 21/08/2013 15:41)
Arakaraky ny couple ihany io. Raha matotra tsara ilay bandy, na dia zandrin'ilay vhv 5 taona aza tsy maninona. Raha mifanaraka tsara, tsy hahatsapana akory hoe zoky ilay vhv. Io arakaraky ny tsirairay sy ny complicité ihany, ary indrindra ny famatoran'ny lahy, izany hoe, olona manana hazondamosina tsara ve, sa dia mialokaloka amin'ilay vhv foana.
5. mirananirina ( 29/08/2013 08:01)
Raha mbola tanora dia tsy hita loatra ny elanelan-taona, fa rehefa lehibe @ izay tonga dia hita ny maha antitra be ny vhv raha zokiny, dia eo @ izay ilay lhl fa hitady vhv tanora noho izy.Matoa izy mbola mijanona dia intérêt sisa ilainy
6. Isabella ( 10/10/2013 12:17)
ôtrin'ny tsy tokony faritana oue zao na zao lé elanelan-taona amiko fa io lé oue "l'amour n'a pas d'âge " e, io d arakarak'ilay olona iany, misy zao tena be elan'elataona be nefa dia matotra iany ilay lehilahy na kely taona aza, nefa misy koa dia tsy matotra nefa dia miaraka ihany lé olona nefany,hihi, ny fehinyz any dia oue: io arakarak'ilay olon aio fa tsy dia voafaritra lôtra lé taona e
7. vale ( 15/10/2013 20:43)
marina izany, tsy ny taona no maha-matotra ny lhl na tsia, misy zokiny fa adala noho ny tanora kely, fa raha hamaly ny fanontaniana ndray zah manokana dia ny tena idéal dia ny mitovitovy taona, tena possible fussionnel be le fitiavana rehefa mitovitovy taona no miaraka matetika, dia ny maharatsy ilay zoky sy zandry be, ndray, resaka vatana, mety tsy miaraka antitra fa misy iray lasa aloha be, dia izay no tsininy, fa amiko tsy misy dikany na ilay vhv no zoky, saingy raha hiketrona be alohan'ilay lh avy eo mety ho perte be izy, satria hijerijery sy voatarika @ mbola tsy miketrona le lhl avy eo, dia manarakzay kou eo @ resaka fananahana mety hoe tsy miteraka intsony le vhv, nefa le lhl mbola jeune! tsy misy probleme aloha raha tsy mila zaza ilay couple e! ny resaka fizika zany amiko no mampisy lafy ratsy ilay be elanela-taona be loatra rehefa any aoriana any, na lahy na vavy zoky mitovy daholo
8. vale ( 15/10/2013 20:45)
fussionnel ====> fusionnel (fa diso azafady)
9. hadji ( 17/10/2013 12:34)
miombo-kevitr aminao aho vale ah okay e
vale:

marina izany, tsy ny taona no maha-matotra ny lhl na tsia, misy zokiny fa adala noho ny tanora kely, fa raha hamaly ny fanontaniana ndray zah manokana dia ny tena idéal dia ny mitovitovy taona, tena possible fussionnel be le fitiavana rehefa mitovitovy taona no miaraka matetika, dia ny maharatsy ilay zoky sy zandry be, ndray, resaka vatana, mety tsy miaraka antitra fa misy iray lasa aloha be, dia izay no tsininy, fa amiko tsy misy dikany na ilay vhv no zoky, saingy raha hiketrona be alohan'ilay lh avy eo mety ho perte be izy, satria hijerijery sy voatarika @ mbola tsy miketrona le lhl avy eo, dia manarakzay kou eo @ resaka fananahana mety hoe tsy miteraka intsony le vhv, nefa le lhl mbola jeune! tsy misy probleme aloha raha tsy mila zaza ilay couple e! ny resaka fizika zany amiko no mampisy lafy ratsy ilay be elanela-taona be loatra rehefa any aoriana any, na lahy na vavy zoky mitovy daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2273