MPANOLANA

1. ZAKAIOSY ( 07/08/2013 15:55)
Mirongatra ny fanolanana eto Madagasikara, raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy 3, vao haingana zazalahy kely nisy nanolana teny Andraisoro. Eo ny fisorohana mba tsy hisian'io aretin'ny fiaraha-monina io, fa ny sazy no tiako horesahana, maivana be ny sazy : Mahalala tovolahy 25 taona aho nanolana zazavavy kely 11 taona, voasazy 10 taona FOTSINY, rehefa nivoaka izy dia nirehareha eran'ny tanàna hoe "izaho no nisantatra iny sipa iny", sady mbola misarizoro @ilay tovovavy izay 21 taona @izao fotoana. Ny hetahetako dia ny hanovana ny lalàna ka ho gadra mandra-pahafaty no sazy homena ireny tsivalahara ireny, raha tsy efa novonoin'ny fokonolona izy ary izay no tena faniriako. Raha lazaina fa aretin-tsaina io dia tsotra ny fanafody : Tsindronina izy mba ho faty MANDRAKIZAY ny filahiany sady gadraina ihany izy, satria misy mpanolana koa anie any @ fonja e.
novalian'i zakaiosy ny 22/08/2013 07:07
2. Nehemiah ( 08/08/2013 07:30)
Lohahevitra tsara sy mitombina ilay izy ka mba te-handray anjara kely aho.

Izao no fanontaniana manitikitika ahy : raha aretin-tsaina ny fironana hanolana, nahoana kay no tsy mba nahenoana an'izay talohan'ny Ady Lehibe Faha2 ? Tsotra ny valiny : satria ny hadalan'ny vazaha ihany no tafiditra @ fiaraha-monina gasy.

Nahoana no mora nandairan'ny hadalan'ny vazaha ny fiaraha-monina gasy ? Satria nampianarina tany an-tsekoly ny olona fa tsy misy dikany Andriamanitra sy ny finoana kristiana, fangejàna fotsiny ny soatoavina nolovaina avy t@ razana ary samy afaka mamepetra an'izay fitsipika tiany ny olombelona : izay no fandalàna ny mah'olombelona (izay nolovaina avy t@ mpanjana-tany tsy mahalala an'Andriamanitra) nampianarina t@ ankizy gasy !!! Ka tokony tsy ho gaga isika raha mirongatra ny tsy fahalalàna an'Andriamanitra.

Izay resaka aretin-tsaina koa dia vokatry ny fampianarana ny fotopisainan'ny evôlisiona : ilay izy anie dia milaza fa tsy misy existence manokana ny eritrerintsika fa fiota simika anatin'ny ati-doha fotsiny ihany. Ny corollaire izany dia tsy tompon'andraikitry ny heloka bevava ataony ny mpanao heloka bevava fa vokatry ny tarazony ihany, izay lazaina fa niteraka aretin-tsaina t@ ati-dohany. I Clarence Darrow, izay mpisolovava agnôstika faran'izay nahomby talohan'ny Ady Lehibe Faha2 tany Etazonia, dia nampiasa an'izay tetika izay mba hanafaka mpamono olona ka eritrereto anie e !!!

Ka miombon-kevitra aminao tanteraka aho fa tokony saziana mafy ireny olona ireny ary vosirana ny récidivistes
3. totsy ( 22/08/2013 03:21)
Mahaliana ity lohahevitra ity!!
Izao no mba hevitro e!
Betsaka ny antony mety mahatonga ny fanolanana. Sokajiako ho toy ny aretina izy io, ka raha izany dia mety azo tsaboina ihany. Kanefa alanenina ny ataon'ny dokotera ka misy ny sitrana misy koa ny maty. Ny hamono olona aloha tsy mety e! fa raha hita fa tsy hiova mihitsy ialy olona dia asa raha hoe vosirana ve mety tsy manana envie sexuel intsony ? amin'izay matsy tsy hanolana intsony izy. Ary raha ny vehivavy no manolana inona indray no solution ?

Raha hoe misy tsindrona spécial mitsy ho an'i lahy sy vavy mba halemy mandrakizay sy tsy afaka ampiasaina mandrakizay ny fitaovampananahan'ireo mpanolana dia ok
4. zakaiosy ( 22/08/2013 07:07)

totsy:

Mahaliana ity lohahevitra ity!!
Izao no mba hevitro e!
Betsaka ny antony mety mahatonga ny fanolanana. Sokajiako ho toy ny aretina izy io, ka raha izany dia mety azo tsaboina ihany. Kanefa alanenina ny ataon'ny dokotera ka misy ny sitrana misy koa ny maty. Ny hamono olona aloha tsy mety e! fa raha hita fa tsy hiova mihitsy ialy olona dia asa raha hoe vosirana ve mety tsy manana envie sexuel intsony ? amin'izay matsy tsy hanolana intsony izy. Ary raha ny vehivavy no manolana inona indray no solution ?

Raha hoe misy tsindrona spécial mitsy ho an'i lahy sy vavy mba halemy mandrakizay sy tsy afaka ampiasaina mandrakizay ny fitaovampananahan'ireo mpanolana dia ok


Tena izay mihitsy no vahaolana ry Totsy a , misy tokoa ny tsindrona azo amonoana ny filahian'ny lehilahy aloha, ny vehivavy indray tsy haiko, efa nandroso an'io soso-kevitra io ny filoham-pirenena frantsay tany Frantsa, i Nicolas Sarkozy ka asa raha nolanian'ny mpanao lalàna tany na tsia, izany hoe efa misy tsara any Frantsa io tsindrona io. Fa ankoatran'io dia tokony entanina koa ny renim-pianakaviana sy ny fiarahamonina mba ho mailomailo @ lehilahy rehetra, eny fa na dia ny Ray niteraka aza, indrindra fa ireny Pasitera sy Mompera ireny, ireny raikely ireny, ireny anadahin-dreny ireny, tokony mba samy hiaro tsara ny zanany fa efa miova izao fiarahamonina izao ka tsy mitovy intsony ny fitaizana t@ 1978 sy ny 2013, taloha azo alefa milalao na aiza na aiza ny zaza tsy atahorana hisy hanolana, fa ankehitriny tsy azo avela irery ao an-trano ny zazavavy kely na dia ny anadahin-dreniny aza no hiambina azy ao, FADIO, FADIO, FADIO. Tokony hisy adihevitra goavana @ sehatra ambonimbony mihitsy handraisana fanapahan-kevitra GOAVANA mba hampatahotra ireo izay mbola mikasa ny hanolana. Gazety androany izao dia Pasitera iray indray no nanolana ny zanany vavy 2 ka bevohoka ny iray. Ampitapitao e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8375