Ny fifandraisan'ny olom-baovao amin'ny manodidina azy sy amin'Andriamanitra

1. Tefigasy ( 06/08/2013 07:49)
Efa noresahina teo aloha ny mikasika ny
- Fomba fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony : Miantso izay tiany antsoiny Izy fa tsy azontsika ferana, tsy azontsika faritana ary tsy azotsika terena hifanaraka amin'izay zavatra na lasitra efa nisy hatrizay: na jentilisa, na jiosy, na mpaminany, na mpanompo sampy, na mpamono olona, na ....
- Ny fiainan'ny olom-boantso : Rehefa nanaiky sy namaly ny antson'ny Tompo ny olona iray dia Andriamanitra no miady ho azy, Andriamanitra no misasatra ho azy. Ny adidinao dia manaiky ho fiasana, tsy mialoha lalana an'Andriamanitra fa manaiky ho fiasana eo ampelatanany. Ny fototry ny fahombiazanao dia tsy avy aminao fa miankina amin'ny fandaharan'Andriamanitra.
Izay ihany koa no hisarihako anao hijery indray ny fomba fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olom-baovao izay efa nanaiky Azy, natsangany indray ho zanaka.
Hoy i Paoly ao amin'ny II.Kor.5:17 "raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo"
Ny olom-baovao nandray ny Tompo dia miova ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Raha mbola tsy ao amin'ny Tompo ny olona iray dia hafa ny fifandraisany tamin'Andriamanitra ary hafa koa ny fandraisan'Andriamanitra azy. Ny apostoly Paoly dia nanambara tsara fa zanaky ny fahatezerana izy (Efe.2:3) teo aloha, zanaky ny fitsaran'Andriamanitra. Raha mbola tsy mandray an'i Kristy ny olona iray dia efa nandray ny fanamelohana sahady eny fa na dia mbola eto an-tany aza. (Rom.8:1).
Ny olona efa mandray an'i Kristy ho fiainany dia efa mandray ny fiainana mandrakizay , mandray ny fitahiana (Jao.17:3) . Miova mihitsy ny fifandraina amin'ny Tompo.
NY fotoana nandraisanao an'i Jesoa ho Tompo sy mpamonjinao no fotoana nadraisanao ny famonjena, maha-olom-baovao anao. Azy ianao ary rehefa Azy dia hafa ny fifandraisany aminao manomboka eo. Mety tsy tsapanao miova loatra angamba ny fifandraisanao Aminy, saingy ny fifandraisany aminao dia hafa mihitsy satria tsy zanaky ny fahatezerana intsony ianao Aminy.
Rehefa mahita olona mianjady olana sarotra na fahoriana dia re mandrakariva ny hoe "izaho angamba tena kapohin'Andriamanitra mafy mihitsy, jereo ity mahazo ahy, ....". Tsy Andriamanitra natao hitazona karavasy mandrakariva akory ny Tompo, fa Kristy dia Andriamanitra mpamela heloka satria efa noraisiny ho zanaky ny fahasoavana ianao.
Mety mananjanaka angamba ianao, mety madiditra kely ny zanakao, mety efa nananjera vera izy , na vilia, .... mety efa nibedy sy nikapoka azy ianao, nefa mino aho fa mbola tsy sahy na nahavita namoaka teny tamin'ny zanakao ianao hoe "satria nanao izany ianao anaka dia ariko tsy ho zanako intsony". Hoy Jesoa hoe ianareo na dia ratsy aza tsy manao izany, mainka fa Andriamanitra? (Lio.11:13)
Karohiny foana ianao na dia miery Azy aza (Lio.15:4) , ary firifiry moa ny zanaka nokarohiny tany amin'ny toerana maro samihafa satria tsy foiny! Misy efa nivaro-lavo, efa nandositra, saingy tsy namelany, tongany niverina tao an-trano satria efa Azy. Na i Adama aza rehefa solafaka dia nokarohin'Andriamanitra, efa nisitrika i Adama saingy notadiavin'ny Tompo, nampiakanjoany, nokarakarainy indray. Mety tsy mbola tsapanao tsara ny fikarakaran'Andriamanitra satria malemy ianao, saingy Andriamanitra eo aminao foana.
Mety misy fotoana ny mpanompon'Andriamanitra solafaka amin'ny maha nofo azy saingy tsy arian'Andriamanitra izany ny Azy. Jereo ny tantaran'ny zanak'israely: firenena tena mafy hatoka (Deo.9:13) . Andriamanitra rehefa mikapoka azy ireo dia avelany ho eo an-tanan'ny fahavalony izy. Ny 70% ny kapok'Andriamanitra tamin'ny zanak'israely dia ny famelany ny zanak'israely ho eo an-tanan'ny fahavalony. Ataony mangaihay eo mba hahatsiaro tena hibebaka , miverina amin'Andriamanitra. Raisin'andriamanitra indray izy ireo rehefa mibebaka ary fongariny ilay fahavalo.
Ny mpanompon'Andriamanitra rehefa ao Aminy dia mety ho faizin'Andriamanitra izy, saingy izay manaiky ho fitaovana hanafay ny mpanompon'Andriamanitra ihany koa dia Andriamanitra no miatrika sy mamaly azy. Jereo ny nanjo an'i egypte, babylona, alemaina, ...

Fa eo andanin'izany, ny olona tonga zanak'Andriamanitra dia miova ihany koa ny fomba fijeriny ny manodidina azy. Olona mijery amin'ny fitiavana, tsy ny fitsarana na ny fanenjehana ny hafa no mahamaika. Tsy ny fanesoesoana ny olona ho mitondra ny mariky ny bibidia na olona voaozona na ..... Raha misy olona marary tojo dokotera , ataoko angamba fa tsy fahatezerana na trerona no hanatonan'ilay dokotera azy hoe fa maninona ianao no marary? fa mety tonga dia hitsabo azy no ataony. Raha misy olona marary am-panahy sendra anao, tsy ny hanenjika azy, na ny ho tezitra aminy no tokony ataoanao fa fanehoana sy fizarana fitiavana.
Teo amin'ny tantaran'ny zanak'israely dia maro dia maro ny fimenomemany niantefa tamin'ny mosesy. Voatery i mosesy nitaraina tamin'Andriamanitra, nangataka famonjena. Nanaiky Andriamanitra fa hanome izay tadiavin'ny zanak'isarely (rano, sakafo). Nasain'Andriamanitra nikapoka vatolampy iray i Mosesy mba hivoahan'ny rano. Rehefa nijoro teo amin'ny vatolampy anefa izy nanoloana ny vahoaka, alohan'ny nikapohan'i Mosesy ny vatolampy dia nimenomenona izy aloha, nibedibedy: " tadiavinareo amin'ity vatolampy ity izany no hamoahako rano, firenena mafy hatoka ianareo, blablabla, sady nakapokapony tamin'ny vatolampy ny tehina noho ny fahatezerana sy ny fibedibedesana. (Nom.20:10) . Niboiboika ihany ny rano saingy tsy izany no nasain'Andriamanitra nataon'i Mosesy. Tsy nasain'Andriamanitra hitsara ny zanak'israely i Mosesy. Ny fitsarana ireo dia an'Andriamanitra fa tsy azy. Tsy niteny Andriamanitra hoe hakapokapohy amin'ny fo tezitra toa io ny tehina. Noho izany voasazy izy ts mahazo miditra ny tany kanana. Jereo izany fahasarotapiaron'Andriamanitra amin'ny zanany. Noho izany ovay ny fomba fandraisanao amin'ny namanao. Rehefa mijery olona ianao dia aza izy amin'ny maha olona azy jerena fa jereo ao amin'i Jesoa dia ho hitanao fa miova na ny toe-ponao aza.
Mety hiteny ianao hoe sarotra izany, vava anie izany azoko taminy izany, tsy rariny mihitsy ireny, .... saingy mangataha amin'ny Tompo mba omeny anao izany toetra mendrika amin'ny maha zanaka izany, mijery ny hafa amin'ny fitiavana fa tsy mijery amin'ny maha nofo aman-dra sy ny fahalemeny.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany !
novalian'i universal ny 07/08/2013 12:56
2. universal ( 07/08/2013 09:28)
Ny fahitako azy indray: Raha ohatra ka ekentsika fa Andriamananitra no nahary antsika, dia samy manana ny fifandraisana amin'Andriamanitra ny olona rehetra, resaka "intimité" amin'ilay olona sy Andriamanitra izany fa tsy azo "standard-izèna" hoe olom-baovao izany satria na isika olombelona aza samihafa na ny fomba fisainana na ny fomba fiainana ary fantatr'Andriamanitra tsara izany...
3. bor2lais ( 07/08/2013 12:38)
universal > raha azoko tsara ny zavatra lazainao dia resaka voambolana no tsy dia azoazonao eto e ! :-)
4. universal ( 07/08/2013 12:56)
Bor2lais > Tsia, ny hevitra no resahiko fa tsy ny voambolana no tsy azoazoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0784