Mba mangataka torohevitra momban'ny ozatra mivonto azafady.

1. mauricette ( 04/08/2013 06:00)
Salama daholo tompoko,
Mba mangataka torohevitra reto zah fa tsy haiko we nohon'ny harerahan'ny tanako mitendry ordi sy manjaitra ve ,fa lasa misy ozatra mivonto eo @ tanako eo @ le vanintaolona handray ny fela-tanana io misy mivonto be efa ho 1 ans izay de tena tsitako izay hanaovana azy satria hitako we manelingelina be ana le izy indrindra rehefa miolana iny ny tanako .
Koa inona kay no mety mba hanalefahana ilay ozatra mivonto io sa de tsimaintsy didina ??
Mba mangataka fanampiana azafady e! misaotra betsaka mialoha indrindra .
novalian'i Baovolah ny 18/09/2013 21:06
2. endriny ( 05/08/2013 04:19)
Io izao ilay atao hoe ganglion na cyste, Tsiranoka avy amin'ny vanitaolana matetika no mivoaka ny lalana ka lasa mamatovato, saingy ny mahatonga azy aloha tsy mbola hay a... menaka misy zavatra mafampana arahina fanorana maivana na fandomana amin'ny ranomafana no mampihena an'io, saingy maharitra vao afaka ary mety hiverina ihany koa anefa.

Sakamalao sy menakomby ary poivre andramana, na menthol, pomady tigre na vegebaume
3. mauricette ( 05/08/2013 09:03)
endriny> Bjr, misaotra betsaka t@ valinteny fa de handramako daholo aloha zany ireo rehetra ireo .Mirary soa betsaka ho anao .
4. bichette ( 21/08/2013 15:30)
Toa afaka ho azy izy ireny, tonga ho azy dia afaka ho azy ! karazana kyste fa liquide no ao anatiny, azo atao ponction any amin'ny dokotera, tsohana amin'ny seringue raha tena manelingelina. Indraindray fiovan'ny toetrandro dia ea manala azy tampoka. Mety maharitra amantaona izy no eo. raha ilay kyste eo amin'ny poignet otran'ny boribory otran'ny kanety io lazaiko io. Ka àsa na tena io marina no lazain'i Mauricette
5. Baovolah ( 18/09/2013 21:06)

dimy taona lasa dia voadona ny sisiny latabatra ny tanako eo aminy vanintaolana. Taty aorina dia mivonto, manaintaina ary mitarika fivotosana izany rehefa miasa : toa kanety ilay iz. Rehefa nandeha tany Dr zaho dia tokony hatao opération fa ozatra mivonto ilay izy. Tsy tampakevitra aho ary nanontany ny Rad-ko, ny toro-hevitra omeko anao Mauricette> glaçon ao anaty sachet ary apetraka eo ambony tanana misy ilay mivonto, mandrampitsiranoka ilay glaçon. Marihina fa manaintaina mafy io, fa kosa ao anatiny herin andro dia efa hitanao ny fahombiazana. Mila hatao matetika ihany koa mba ho levona tanteraka ilay ozatra mivonto.
Amin izao fotoana izao dia ohatra ny tsy teo ilay ozatra mivonto teo aminy tanako. Ary mirary soa sy fahasalamana tanteraka anao ny tenako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.134