Ny fiainan'ny olom-boantso
1. Tefigasy
(
02/08/2013 14:44)
Misy tovolahy kely fetsilahy, jakoba ny anarany, nofetseny ny zokiny, azony ny fizokiana dia azony ny tso-drano; ary rehefa azony izay dia lasa izy nandositra. Tany am-pandosirana tany izy no nahazo ny fiantsoan'Andriamanitra. Ny fiantsoan'Andriamanitra moa dia mibitsibitsika ao an-tsaina mandrakariva hoe ianao anie diso, tokony hifona amin'ny rahalahinao. Na dia hidina tahaka ny inona ary io fo io, ny fanahin'Andriamanitra angaha mangina, na tsetsemana beton io na inona dia ao foana ilay feo hoe tokony hiverina.
Raha olom-boantso ianao dia tsy hangina ao am-ponao mihitsy io fiantsoana io. Rehefa hiverina tany antanindrazana Jakoba, nanomboka ny fiantsoan'Andriamanitra azy dia nanomboka ihany koa ny kajy nataon'i jakoba: nieritreritra indray hoe inona ary ity karazam-pahafetsena atao: nalefa aloha ny fanomezana ho an'i esao, nalefa ny mpialoha lalana hijery sy hamantatra: ny valiny nomen'ireny dia hoe 400 lahy no avy ao, tsy fantatra na hamono na hamelona. Nanoloana izany dia nangovitra i jakoba, niady tamin'Andriamanitra, nifona, nivalo: izaho iray, ny miaramila netin'i esao 400, inona no ataoko; nifona i jakoba. Namaly vavaka Andriamanitra fa hitahy azy. Nandroso ny diany nefa teny andalana dia mbola notsinjaraina indray ilay vady aman-janaka, ny iray mandeha amin'ny ilany, ny iray amin'ny ilany hafa, sitrany ahay hoe mba misy vitsivitsy mba avotra fa sao ataon'ilay 400 lahy indray mandripaka. Nefa esao tsy tezitra, fa tena faly esao. Nandadilady im-pito i jakoba vao tonga teny amin'i esao.
Misy teny ao amin'Isaia ao hoe (Isa.49:4) "Fa hoy kosa Aho : Foana ny nisasarako , zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko ; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy , ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro ."
Io Andriamanitra tompoinao io ve, Andriamanitra miasa ho anao. Tsy hoe tsy misasatra akory ny mpanompon'Andriamanitra, misasatra izy, niady, saingy tsy ny fisasarany akory no zava-dehibe. Andriamanitra tsy mitaiza olona kamo. Izy Andriamanitra aza miasa: "ny raiko miasa , Izaho miasa" . Noho izany mila miasa ianao ary miasa tsara. Fa ny fototry ny fahombiazanao dia tahaka : tsy ireny , fa miankina amin'ny fandaharan'Andriamanitra, ny fiantsoan'andriamanitra ny fahombiazana.
Tsy ny fikelezana aina, tsy ny fisasarana no zava-dehibe fa ny fiantsoan'Andriamanitra. Ilay asan'Andriamanitra izay tompon'ny fahefana no zava-dehibe ka mahavokatra ny asanao. ka mahatanteraka ny asanao. Rehefa miantso anao Andriamanitra dia izy no manantanteraka ny asa. Ny adidinao dia manaiky ho fiasana, tsy mialoha lalana an'andriamanitra fa manaiky ho fiasana eo ampelatanan'Andriamanitra.
Isaia.64:3 "Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona , na nohenoiny ,
Na hitan'ny masony , Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Ianao"
Ilay Andriamanitrao dia miasa ho an'ny miandry Azy. Niasa ianao, tena niasa, saingy Andriamanitra miasa ho an'izay miandry azy, mahavokatra ho an'izay rehetra miandry azy.
Ny andraikitry ny olom-boantso voalohany indrindra dia ny fiankinana amin'Andriamanitra
Rehefa nalain'ny devoly fanahy Jesoa dia nasainy niteny ny vato ho tonga mofo mba hanehoany ny mahazanak'andriamanitra Azy satria hainy daholo ny zava-drehetra. Saingy tsy nanaiky Jesoa: tsy hoe tsy noana Izy, tsy hoe tsy tia mofo Izy, tsy hoe satria tenin'ny devoly izay, fa satria tsy te hampiasa ny fahefany amin'ny mahazanak'Andriamanitra azy Izy hitsinjovany ny tenany manokana, tsy te hampiasa ny fahefana mahazanak'Andriamanitra azy Izy hitsimbinany ny tenany fa te hametraka ny adiny amin'Andriamanitra.
Raha isika izany dia mety hoy isika hoe tongava gateau be, cake, ilay vato... saingy mampiasa ilay fahefanao ianao amin'izay hitsinjovana ny tenanao. Tsy izay Jesoa, fa nanaiky Izy na tsy mihinanana aza, noana aza fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra. Matoky ny fitantanan'ny Ray , matoky ny fivimbinan'Andriamanitra.
Betsaka ny fakam-panahy, ianao ve toa izao dia, ... izao no lazain'ny fitsipika, izao no lalanan'ny asa, izao no ataon'ny olona, ianao ve dia hanaiky izany... izao no tokony hohanina, izany ny fomba fisainantsika. Vazivazy moa ilay hoe totohondry tsy mivonkona amin'izany, ... ahoana nefa hoy Jesoa: "reseo amin'ny soa ny ratsy". Rahoviana ianao vao ho hiaina amin'izany hoe " Tompo o, ny adiko eo ampelatananao, Ianao no mamaly fa tsy izaho."
Izany akory tsy milaza hoe handefitra eo anoloan'ny rariny sy ny hitsiny fa esory ao am-ponao ny fahatezerana hamaly faty, esory ao an-tsainao ny fahasosorana hamaly ratsy, esory ao am-ponao ny fahatezerana haka ny toeran'Andriamanitra fa matokia fa ny rariny dia an'ny Tompo no mamaly azy. Ny tamby ho ahy dia ao amin'Andriamanaitra.
Indray maka petera nanontany an'i Jesoa: maty antoka ihany izahay fa izahay nahafoy ny rehetra nefa inona no azonay kosa? hoy Jesoa: lazaiko aminao marina tokoa, tsy misy mahafoy trano na tany na harena, na zanaka ka tsy handray izany avy amiko. . Io Andriamanitra tompoinao io tsy Andriamanitra marenina na jamba sanatria fa mahafantatra ny tokony ho anao Izy fa aza kajiana izany fa aleo ho an'Andriamanitra. Noho izany, eo amin'ny fiainanao, ataovy ao anaty projet eo amin'ny fiainanao Andriamanitra hamakivaky ny taona hoe aiza ho aiza amin'ny fikasako Ianao Andriamanitra ô.
Ny voninahitra ho Azy irery ihany

novalian'i bor2lais ny 06/08/2013 11:16
3. moustaraf
(
04/08/2013 16:18)
salama namana,
-Mila avahana tsara ny famakiana ny baiboly sy ny toko sy andininy fa tsy hoe rehefa toko sy andininy dia izay;
Ny Romana no nampianatra ny hoe "Ny baiboly dia vakiana ho an'ny firenena rehetra", ary io no loza be ho an'ny fiangonana nitsangana taty aoriana:
-Misy teny na faminaniana natokana ho an'i Israely
-Misy ho an'i Joda
-Misy ho an'ny hafa firenena
-sns...
Ka raha teny ho an'i Israely no vakiana ho an'i Joda na ho an'ny hafa firenena dia lasa mamita-bahoaka satria mamily hafatra ho any @ tsy tokony alehany.
Raha te handray ny baiboly na ny hafatra ao @ baiboly ho an'ny tenanao ianao dia fantaro tsara aloha hoe IZA IANAO fandrao mamita-tena!
ohatra:
-Ny hafatra ao @ ISAIA dia tsy ho an'ny hafa firenena (jentilisa).
-ARY ny fiverenana na ny SOUV (@ teny hebreo) dia natokana ho an'i Isarely sy Jiosy ary izay rehetra manaiky fa mahalala an'ilay Mpamorona dia i ELOHYM
-Ny fiverenana dia ho an'ny olona efa tao an-trano (lojika be io); raiso ohatra ny fampianarana momba an'ilay "zanaka adala"= niala tao an-trano = miverina ao an-trano!
-Elohym tsy nifindra velively any @ jentilisa fa nanao ny trano ao @ Israely io ilay antsoina hoe: beyt israel, na beyt yehouda; izany trano izany no ilay trano fanahy (volazan'Yshu'a t@ ilay vehivavy samaritana) izay misy ny Jerosalema vaovao!
Raha voaantso isika dia hoy ny Shalarh Saul hoe "izahay manana tena any an-danitra, dia ilay tsy mety azon'ny fahalovana"; @ izao fotoana itenenana izao isika (raha tena voaantso) dia efa miaina sahady @ ilay tena faharoa any an-danitra = tsy mahay manota= nomena hery mitandrina ny Torah/ Izany hoe:
-Ny olona na ny fampianarana mandrava ny Torah dia mazava be fa tsy hanana an'izany tena faharoa any an-danitra izany na oviana na oviana; ny olona mihinana biby maloto/ NY tsy manaja sabata/ ...Satria MALOTO; ary isika dia mahalala fa ny maloto sy ny vetaveta dia any ivelany!
Ny fivavahana izay manentsina fa tsy voafidy intsony ny Hebreo taranak'i Abrahama; dia tsy manana anjara ao @ ilay Jerosalema vaoavao, fa mety Roma vaovao, na New york vaovao no hidirany!
MAHAREZA DAHOLO

4. Nehemiah
(
05/08/2013 07:12)
1 Kor. 8:1 : Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
Izaho koa anie efa voan'izay taloha e :-)

6. RBNIR
(
05/08/2013 09:22)
Faly miarahaba namana isany,
Azavao tsara aloha ny tena tianao holazaina: fiainan'ny olom-boantso sa fiainan'ny olom-boafidy?
Samihafa ireo: « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Mat.22:14)
Hoy ny Tompo : « Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; » (Matio 13:47)
« ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. » (Mat.13:48)
MARO NY HO OLOM-BOANTSO saingy VITSY NY HO VOAFIDY.
Mahereza! « Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lio.13:24)
Samia ho tahin'ny Tompo daholo,

7. bor2lais
(
06/08/2013 11:16)
RBNIR:
Azavao tsara aloha ny tena tianao holazaina: fiainan'ny olom-boantso sa fiainan'ny olom-boafidy?
Olona nandre ka nanaiky ny antso no resahina eto raha ny fahazoako azy ! :-)
Toa manamafy izany ity !
:-)