Ny misitery mikasika an'i Pierre be sy ny tsy maha-maitre an'i Avoko : vakio ny porofo etsy ambany

1. misratana ( 02/08/2013 11:38)
Tsotra be ny zavatra hahafahana mijery ra maty izy na tsia, lazaina fa vatan'akondro ny tao anaty vata-paty ary no-sceller-na ny fasana sy azo vohaina, koa manin ra vohaina amizay amizao de ho hita eo ra tena vatan'akondro no ao eh, ary ty no tena tsy misy mba mahatsikaritra, 13 ans i Avoko tamin'izany, amin'ny fomba ahoana mo no maha-maître ho azy eo nefa ny tena aza 13 ans de lasa maitre hono i Avoko, sa stage 2 mois any shaolin d'efa maha-lasa maitre?
novalian'i Azrael666 ny 26/04/2023 00:30
2. andrywui ( 02/08/2013 19:48)
nanao kung tamn maitre raymond sy i edouaed rabemananjara frere n'i danny rabemananjara iny i avoko rehefa oe "maty" i pierre de refa gradé izy asa na 3eme degrés angamba izy zay de izy no etoile tamn eleves rehetra ! o ry misratana aa tandremo ry bainn fa biby iny raha combat a , tena milaza aminao ny marina aho en plus izy mahia jerena fa misy muscle ,fa tsy misy adala nanosotra azy ho maitre fa aradalana ka , en plus izy efa nanao ny haiady rehetra nanomboka mbola kely , karate , aiki-do ,tae kwon-do sady 3em ou 4em dan daholo izy amin'ireo ankoatra ny kung fu io , mbola nanao ju-jitsu sy kon gwe tae kwon do ndray ary izy nialohan'ireny film ireny kou sady gradé foana , tandremo iany bainn aa
3. andrywui ( 02/08/2013 19:49)
pierre be vatan'akondro ndray tsy arako !! huh
4. hadji ( 03/08/2013 04:42)
Fantatrao ve inona ny diplaoman'ny hai-ady?
- Ny toe-tsaina
- Ny tanana sy ny tongotra
- Fahaizana mampita amin'ny hafa

Matoa izy sahy mijoro dia efa masaka ara-potokevitra izy hoy lama iray mpianany akaiky tao Behoririka ary mbola velona any io olona io hatram'izao isika miteny izao ary mampianatra izy. Io teny io no averin'ny GM Pierre be tamin'ny fotoana nitaizany tanora alohan'ny andraisanao fampitana traikefa

misratana ah azafady tsy ampy ilay porofo fa ampio dia hazavao tsara raha azonao atao
5. ZAKAIOSY ( 03/08/2013 20:15)
Betsaka ny maizimaizina tokony hazavaina mikasika ny resaka Kung fu-Pierre Be-Fitondrana namono ireo mpanao kung fu t@izany fotoana. Izaho mino fa betsaka no mahalala zavatra, indrindra ireo Kung Fu gradés, sao dia mba efa fotoana tokony hanokafana ny vava izao dieny mbola velona aina fa tsy miandry hoe efa 2 sy 3 sisa velona ary mananika ny faha 100 taona dia tsy ho fantatra intsony na izay teneniny aza. Ny mahagaga sady mampalahelo ahy dia toa hoe rehefa tonga teny Ivato Ingahy Ratsiraka dia anisan'ny niantoka ny fiambenana azy ny Maître Avoko (tsy nahita aho fa naheno ka asa raha marina tokoa izany), ny Raiko izao ve no natao hazalambo toy ny jiolahy rain-dahiny dia mbola hanao fihetsika toy izany aho, satria na inona fanazavana dia tompon'antoka izy araka ny hiran'i Rija R.hoe "Tompon'andraikitra 100% ianao fa tsy hoe olona solafaka, iray lalana @ Pontsy Pilaty ianao fa nandidy sy nanapaka". Koa mba miandry "ankamoaka" goavana mikasika iny raharaha iny na dia hoe eto @ Serasera.org fotsiny aza.
6. andrywui ( 03/08/2013 22:10)
efa namoaka tsiambaratelo be dia be mikasika an'iny sy nitantara aniny afera iny i Avoko tamn 2006 ka mbola averina ahoana ndray ary eee efa zay no izy !!! velona any i Dada hoy i Avoko(tsy i dada ravalo a) fa i dadany pierre be zany , fa mbola ho avy izy fa misy zavatra mbola manakana azy tsy ho eto M:car !!zay alo no teniny de zay zany !! - tsisy resaka ankamoana na secret inn koa anie tamreny ozy avoko fa niantso an'i pierre be i ratsiraka tamreny afera tts sy pochard ireny de tsy nanaiky hanao garde corp ndratsiraka i pirere be de natakeny zay no ankapobeny !!
7. milamm ( 06/08/2013 12:13)
ozy avoko
http://www.youtube.com/watch?v=JH12SykJm7Q
8. milamm ( 06/08/2013 12:48)
otranzao zany Me Avoko tsy ela zay
http://www.youtube.com/watch?v=XFmQLVkZAUg
9. andrywui ( 07/08/2013 08:32)
fa innon mo le tena probleme ry misratana ? fa to otran tonga de lagy b amin i avoko ramisra aa
10. sitlo ( 07/08/2013 13:32)
ZAKAIOSY:
Betsaka ny maizimaizina tokony hazavaina mikasika ny resaka Kung fu-Pierre Be-Fitondrana namono ireo mpanao kung fu t@izany fotoana. Izaho mino fa betsaka no mahalala zavatra, indrindra ireo Kung Fu gradés, sao dia mba efa fotoana tokony hanokafana ny vava izao dieny mbola velona aina fa tsy miandry hoe efa 2 sy 3 sisa velona ary mananika ny faha 100 taona dia tsy ho fantatra intsony na izay teneniny aza. Ny mahagaga sady mampalahelo ahy dia toa hoe rehefa tonga teny Ivato Ingahy Ratsiraka dia anisan'ny niantoka ny fiambenana azy ny Maître Avoko (tsy nahita aho fa naheno ka asa raha marina tokoa izany), ny Raiko izao ve no natao hazalambo toy ny jiolahy rain-dahiny dia mbola hanao fihetsika toy izany aho, satria na inona fanazavana dia tompon'antoka izy araka ny hiran'i Rija R.hoe "Tompon'andraikitra 100% ianao fa tsy hoe olona solafaka, iray lalana @ Pontsy Pilaty ianao fa nandidy sy nanapaka". Koa mba miandry "ankamoaka" goavana mikasika iny raharaha iny na dia hoe eto @ Serasera.org fotsiny aza.

Efa voaborosin'ny baiboly ny sainy e. Taiza koa no nisy kung fu manao vavaka nampianarin'ny tompo talohan'ny fampisehoana izany? Tenen-dRatsiraka fotsiny avy eo hoe, izaho tsy hiditra amin'ny resaka politika intsony, dia ampiany hoe ampiharo ilay vavaka nampianarin'ny tompo hoe "mamela ny helokay tahaka izay nanao meloka taminay". Eo dia vaky ny sainy ka lasa mpanompo (garde de corps) tsara sy malemy fanahy indrindra. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Fume/0049.gif[/IMG]

Raha ilay maitre indray dia fombantsika malagasy mihitsy iny. Raha vao mahay zavatra kely mihoatra noho ny hafa dia tahaka ny efa faratampony mihitsy. Fantatrao moa fa ny malagasy no anisan'ny firenena be jeneraly indrindra? Nefa jereo ny miaramila malagasy atao alika fiandry tanàna fotsiny.
11. hadji ( 07/08/2013 13:37)
tena tsy nampoiziko ho masika may vava ity stilo ity an___ marina ny lazainao stilo vao mahay zvt kely na mahazo fahefana dia midingin-drambo mihitsy e
12. Nehemiah ( 08/08/2013 07:34)
sitlo:
Efa voaborosin'ny baiboly ny sainy e. Taiza koa no nisy kung fu manao vavaka nampianarin'ny tompo talohan'ny fampisehoana izany? Tenen-dRatsiraka fotsiny avy eo hoe, izaho tsy hiditra amin'ny resaka politika intsony, dia ampiany hoe ampiharo ilay vavaka nampianarin'ny tompo hoe "mamela ny helokay tahaka izay nanao meloka taminay". Eo dia vaky ny sainy ka lasa mpanompo (garde de corps) tsara sy malemy fanahy indrindra. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Fume/0049.gif[/IMG]

Nefa avy eo fandratan-tena aho fanandratan-tena ny finoana kristiana krkrkrkrkr !
13. sitlo ( 08/08/2013 12:05)
Efa nazavaiko ka ataoko hoe na ianao tsy ampy saina na fitia te hananihany.
14. Nehemiah ( 08/08/2013 12:16)
Na izany na tsy izany mifanipaka ny lôjikanao
15. sitlo ( 08/08/2013 12:40)
Ataovy hoe mifanipaka izy refa zay no mahafinaritra anao fa tsy resaka ny momba ahy eto fa resaka maitre Avoko.
16. pulm ( 08/08/2013 12:46)
Ny fivavahana sy ny sampy tsy azo ampiarahina! ny kung fu dia manompo sampy, tsy maintsy asiany zavatra kely @tavoahangy izay eny ambalahany rehefa mandeha izy?????? raha tena mivavaka izy dia tokony tsy atoky zavatra hafa izany fa Andriamanitra irery no piaro anao naiza na aiza alehanao!!! milaza izy fa manasitrana????? ny cousin-ako panao kung fu taloa, nikotrana izy dia voadona teo @valahany dia nanombota teo izy lasa nalemy mandraka ankehitriny, efa netina tany @avoko nefa aiza iany fa mbola malemy izy hatramin'izao( efa 8 taona farafahakeliny a!!!) Jereo koa ange e! i Avoko nanao aniny hoe "MIFOHAZA RY GASY" tena nifoha tokoa ny gasy dia faty amanjatony no niapatrapatra!!! faly ery koa i Avoko fa nahazo sorona
AZA AFANGARO RANGA NY FIVAVAHANA SY NY SAMPY A!
17. Nehemiah ( 08/08/2013 12:50)

sitlo:

Ataovy hoe mifanipaka izy refa zay no mahafinaritra anao

Eny ary e, mifanipaka ny fisainanao momba ny finoana kristiana.
sitlo:
fa tsy resaka ny momba ahy eto fa resaka maitre Avoko.

Ka maninona izany no ampidirinao eto ny Baiboly ?
18. ulquiorrafetraniaina ( 10/10/2015 11:45)
Raha ny mahakasika an'i Grand …aitre Pierre be aloha dia mazava tsara fa hoe mbola velona any izy ! Izahay mpanao kung fu tompoko tsy manompo sampy izany mihitsy !mazava ? Sa ianareo no nanome sampy anay ? An ? Mba mahaiza miaina fa tsy be vava fotsiny eo ! Rehefa tsy mpanao kung fu aza be critique fa tsis ilana azy !
Ny mpanao kung fu rehetra dia samy mino sy manantena ny fiverenan'I Grand maitre pierre be !
19. nambinintsoa.joseph ( 01/04/2016 11:10)
Slm daholo! Betsaka ianareo no manontany hoe maty sa velona i grand maitre pierre be? valina: tsy maty izay, ary mbola hoavy ny fotoana hanambaran'ny maitre avoko ny tena marina.
+ d'info sur wisakf@caramail.com
20. ganamalemy ( 14/07/2016 07:20)
Tsy oe refa makamaka sary eny @ toerapitsangatsanganan' ny touriste any chine d lasa Maître. 498 dolara US/mois ny ecolage (tafiditra ao anatiny ny trano ipetrahana sy ny sakafo) any ary tsy ho lasa maître vetivety eo ianao raha tsy aman-taonany maro no miofana. Taloha ny olona no azon i AVOKO sy ny ekipany apiesonina. Te ho sinou nefa e e e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6602