Ianao (fanahy) dia tsy ny sainao?
1. voromailala
(
01/08/2013 08:34)
Inty mpanoratra iray inty izany no anisany nahitako ny fahasambarana sy fahamarinana amin'ny fiainana.
Vakio anie fa mety hanampy anao ihany koa amin'ny fiainana. Ahoana ny hevitrao?
Vous n’êtes pas votre mental

novalian'i universal ny 12/08/2013 09:21
3. voromailala
(
01/08/2013 09:45)
jobiely:
voromailala:
Vous n’êtes pas votre mental
Tsy mety misokatra io ry voromailala
Ilay rohy ve no tianao lazaina.
inty hoe andramana copier/coller http://www.eckharttolle.fr/vous-netes-pas-votre-mental
4. universal
(
01/08/2013 12:59)
Misaotra amin'ny fizaràna. Tsy manana commentaire ny tenako fa ekeko 100% ny voasoratra tao am lay lien nomenao.
6. voromailala
(
01/08/2013 13:41)
universal> Tsisy fisaorana fa zaraina izay nahasoa e.
booboo>indraindray marina mivoaka le bokotra fanaovana link dia misy fotoana tsy hita.

7. hery
(
02/08/2013 06:39)
Hitako tao hoe
Io koa no tokony ho hitan'ny kristianina ao amin'i Kristy (ilay fahazavan'izao tontolo izao)
Raha tsy mahita an'io harena lalina io ny kristianina dia mila mitady izany bebe kokoa ao amin'ilay Fahazavana.
Ceux qui n’ont pas trouvé leur véritable richesse, c’est-à-dire la joie radieuse de l’Être et la paix profonde et inébranlable qui l’accompagnent, sont des mendiants,
Io koa no tokony ho hitan'ny kristianina ao amin'i Kristy (ilay fahazavan'izao tontolo izao)
Raha tsy mahita an'io harena lalina io ny kristianina dia mila mitady izany bebe kokoa ao amin'ilay Fahazavana.
8. voromailala
(
02/08/2013 06:53)
hery> izay mihintsy ilay izy. Ilay harena ety ivelany mandalo tsy mitoetra, fa le harena ao anaty, fahazavan'Andriamanitra, harena mandrakizay.
Izay mampatsara an'io mpanoratra io, Universelle ilay zavatra lazainy azo hampiharina amin'ny finoana rehetra.

9. endriny
(
05/08/2013 04:39)
Mila manao reban vao manao io fanazarana io sa jambenan'ny hazavana ao ny maso ka manjary mitsirepirepy rehefa avy eo na lasa jamba... lol
10. universal
(
09/08/2013 04:08)
Marina fa ny saina no itoeran'ny fahalalàna, ny saina no afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny saina sns..., saingy rehefa avy nihinana ny voankazo voarara anefa i Adama sy Eva ka nisokatra amin'ny fahalalàna ny sain'izireo dia ... (fantatrao tsara ny tohiny).
Ary heveriko fa tena marina ilay filazàn'ny razantsika manao hoe: " ny fanahy no olona"

11. Miharena
(
10/08/2013 16:42)
Amiko indray dia ny libre-arbitre no dikan'ny resaka fihinanana voankazo voarara. Io no mahatonga ny safidy ary izay afafy dia jinjaina.
Ka ny saina no itoeran'ny lobre-arbitre. Mila mivoaka amin'ny saina vao afaka manana fanahy mazava.

12. universal
(
10/08/2013 17:34)
Miharena - 10/08/2013 16:42
Amiko indray dia ny libre-arbitre no dikan'ny resaka fihinanana voankazo voarara. Io no mahatonga ny safidy ary izay afafy dia jinjaina.
Ka ny saina no itoeran'ny lobre-arbitre. Mila mivoaka amin'ny saina vao afaka manana fanahy mazava.
Miala tsiny fa tsy teny avy aty amiko io fihinana voankazo voarara io, tao anaty baiboly io no notsoahiko.
Ny nitenenako azy dia ny vokany teo amin'i Adama sy Eva, satria nisokatra tamin'ny fahalalàna ny sain'izy ireo. ary teo no nitranga ny olana rehetra. Raha ny fahafantarako azy talohan'ny nihinanany ny voankazo voarara ry zareo dia olon'ny fanahy niaraka amin'Andriamanitra. Na Andriamanitra aza tsy nankasitraka ny fisokafan'ny sain'izireo izany fa dia nofaiziny izy roa.
Ary tsy nivoaka tao an-tsain'i Eva ny ihinana io voankazo io fa ny menarana no naka fanahy azy.... Ka aiza ho aiza ny libre arbitre amin'izany? Ary inona koa no tena dikan'izany libre arbitre izany?
13. Miharena
(
12/08/2013 06:09)
Ny libre arbitre dia mazava fa hoe ianao ihany no mitsara nytenanao. Malalaka tsara ianao amin'izay.
Io no fanomezana ny olona voalohany indrindra ary efa tao amin'i Adama sy Eva. Mahazo misafidy tsara isika tsirairay avy.
I Eva dia nofitahin'ny menarana tamin'ny resaka tsy misy fotony mihitsy satrria lainga avokoa ny resaka natao taminy. Tamin'ny voalohany manko dia Andriamanitra nilaza hoe handeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, nefa raha manaraka tsara ilay resaky ny menarana isika dia nilaza indray izy hoe : hitovy amin'Andriamanitra ianareo raha mihinana ny voankazo.
Izany hoe izay anananao ihany ka tsy tsaroanao fa anananao no handavoan'ny ratsy fanahy anao. Eto dia mitodika any amin'ny zavatra ivelany ny olona hahazoana hery. Io no niteraka ny sampy voalohany indrindra (ilay Eva nieritreritra hoe toa tsara fihinana ilay voankazo).
Eto dia mila mieritreritra isika fa ny nofo no nanintonana ny olona hanota voalohany indrindra.
Na izany na tsy izany aloha dia ilay resaka hoe izay hafafy no jinjaina no vokatry ny libre-arbitre. Isika izany dia tsy afaka amin'izany satria izay no fomba famokarantsika avy ary tsy misy fefy apetrak'Andriamanitra fa anjarantsika no mifehy tena. Rehefa hita fa tena tsy afaka manao izany isika izay vao miteny Andriamanitra mampahalala izay tokony hataontsika hialàna amin'ny fahalavoana na ny marina kokoa ny fahatotoran'ny Mazava izay ao anatintsika tsirairay avy.

14. universal
(
12/08/2013 07:01)
Tsy haiko na izaho no tsy mahaza resaka na tsia.
Araky ny lohahevitra dia: "ianao (fanahy) dia tsy ny sainao". Ny lecture amin'izany dia manana ny toerany ny fanahy amin'ny olombelona fa tsy ny saina.
Forum ny eto ka naneho hevitra aho dia naka ohatra tao amin'ny baiboly aho, tantaran'i Adama sy Eva, ka ny tiako hasongadina dia vao nisokatra ny sain'izireo dia nosazian'Andriamanitra izireo. Dia miverina amin'ny loha havitra aho, manoloana izay tranga izay: "ianao (fanahy) fa tsy saina", vao nisokatra ny sain'izireo dia sahiran'izireo
Izay ihany fa tsy idirako na nanana safidy i Eva na tsia amin'ny fihinanana voankazo voarara, sy ny libre arbitre voalazanao

15. Miharena
(
12/08/2013 07:31)
ka ny tiako hasongadina dia vao nisokatra ny sain'izireo dia nosazian'Andriamanitra izireo
Sao dia tsy sazy no tokony handraisana izay nambaran'Andriamanitra tamin'izy ireo fa fampahalalàna fa tompon'andraikitra izy hatramin'io fotoana io? Ary koa, fivoaram-piainana tsy maintsy lalovany io fahalalàna ny ratsy sy ny tsara io?
Fa eo ihany isika, ilay saina tsy fanahintsika dia mazava fa fitaovana ilay saina ahafahana mitombo ara-panahy. Ka arakaraka ny fahaizanao mampiasa azy io no mampitombo ny sombim-panahy napetraka taminao. Eto no mitombina ilay hoe fitsaràna na tatitra momba ny talenta.
Ka raha mihary harena any an-danitra isika dia ny fanahy iraisana amin'ny Ray no ampitombointsika amin''ny saintsika rehetra sy ny nofontsika rehetra. Mila sarahana tsara ireo fa ny fanahy ihany no itoeran'ny fahendrena fa ny nofo sy ny saina mety hanao hadalàna noho ny fisarihan'ny fitaovana ivelan'ny tenan'ny tsirairay avy azy hanaotao foana.
16. universal
(
12/08/2013 09:21)
Miharena - 12/08/2013 07:31
Citation
ka ny tiako hasongadina dia vao nisokatra ny sain'izireo dia nosazian'Andriamanitra izireo
Sao dia tsy sazy no tokony handraisana izay nambaran'Andriamanitra tamin'izy ireo fa fampahalalàna fa tompon'andraikitra izy hatramin'io fotoana io? Ary koa, fivoaram-piainana tsy maintsy lalovany io fahalalàna ny ratsy sy ny tsara io?
Samy manana ny fandraisany azy ny olonha fa ny zava-misy dia iaraha-mahalala. Tsy anjarako ny mi-interprete ny baiboly fa ny voasoratra dia tsy nankasitran'Andriamanitra ny zava misy.