mila hevitra fitantanana camion miasa

1. maya26 ( 30/07/2013 12:44)
Miarahaba atsika rehetra.
Saika mba mila hevitra kely aho hoe aona kay ny fomba atao fa tena tsy mampidibola mihitsy ilay camion anay miasa mitatitra entana any amin'ny faritra. Lanin'ny saofera sy ny resevera fotsniny ny versement, vola kely zara fa misy no entiny miditra ny trano. Manahirana mitsy.
Ny vadiko tsy afaka manaraka azy any satria miasa.
novalian'i tiris8786 ny 26/05/2015 19:01
2. hadji ( 31/07/2013 06:23)
bjr mety teny mahery ity fa toy izao no fanaovanay azy amidy ny fiara entiny dia ajanona ilay mpamily sy ny mpanampiny ianao manana ny valeur-ny fiaranao fa ny azy permis no entiny mody fa raha mbola avelanao hitohy ny asany dia lany @ reparation ianao dia manao va asa hafa fa hitako mbola manahirana anao ny asa transport
3. maya26 ( 31/07/2013 11:26)
Salama,
Marina izany hevitrao izany saingy izahay mbola ts afaka mivarotra anilay fiara noho n antony tsy miankina aminay, sady tinay ilay camion. Eny e, ts maintsy iafara amin'ny fivarotana azy iany raha izao no mitohy
4. hadji ( 31/07/2013 14:13)
ataovy sous forme location ary e dia anaovy contrat
5. sitlo ( 31/07/2013 15:36)
Ataovy ohatra ny minibs rehefa ohatra an'izany. Asio minimum ny versement dia roahy izy rehefa tsy mahatratra.
6. tiris8786 ( 26/05/2015 19:01)
problema ny resaka camion satria izay foana ny fandehany. ny chauffeur sy ny mpanampy no voky aloha satria mampiditra entana eny an-dàlana izy dia tsy miteniteny aminao na koa ampiasainy ilay camion rehefa tonga any amin'ilay toerana dia an'azy ny vola.
tsy misy afa-tsy ny contrat amina orinasa goavana saingy matetika dia ambany koa ny prix.
na koa ianao mihintsy no manaraka ny camion.
aleo ny vady miasa satria sarotra ho an'ny vehivavy izany moa mba mampiditra izy raha sanatria misy ny fahasahiranana tampoka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4383