inona no atao fa tsy mety mitazona Calcium mihitsy ny vatako!!

1. cherametam ( 30/07/2013 06:14)
inona no atao fa tsy mety mitazona Calcium mihitsy ny vatako!! efa nihinana fanafody maro, Calcium, Magne B6, miezaka misotro ronono matetika, mandeha an-tongotra, misotro rano , isaky ny lany ireo fanafody ireo dia mihetsika foana ilay Aretina ka sarotsarotra vao mahazo torimaso, fa ilay fanimpanina eny an-dàlana no tena mampatahotra ahy. Mila toro-hevitra avy aminareo namana fa tena mijaly loatra e!! Misaotra Mialoha
novalian'i Vaks ny 20/07/2019 08:15
2. goldy ( 30/07/2013 08:35)
mitovy mintsy tsika :(
3. sitlo ( 30/07/2013 11:59)
Ahenao koa ny asidra ao amin'ny vantana fa io no tena mandany calcium. Efa misotro rano moa ianao. Fa afangaroy dite kely na ravim-boasary... Raha misy zavatra mahasosotra anao koa dia ezaho vahana ny olana fa ny fahatezerana ao anaty dia mitarika ny vantana hiteraka asidra. Dia ahenao koa ny sakafo misy asidra toy ny voasary na voasary makirana, mananasy, voatabia nandrahoina...
4. voromailala ( 30/07/2013 13:06)
Ireo naturopathe matetika no manoro an'io vahaolana io ihany koa, mametraka ny Equilibre Acido-Basique.
5. 5laody ( 30/07/2013 17:54)

Tsy manome anao vitamine D ve ny dokotera? toa io ny fixateur na calcium raha tsy diso aho. Sa amin'ny taolana fotsiny io?
6. sitlo ( 31/07/2013 15:37)
Nataoko fa hoe narutopathe, hahaha.
7. endriny ( 05/08/2013 04:33)
Ankoatr'ireo voalazan'ny namana ireo dia ilay misotro rano be loatra koa dia sady mandreraka voa io no mampihintsana ireo sira rehetra mora levona anaty vatana...

Miari-tory be angaha ianao sa manao firaisana matetika... misotro kafe? ireo koa mantsy dia tena manintsana Cal avy hatrany mihintsy.

dia ahenao ny fihinana mangahazo, kafe, ravitoto ary haricot vert aloha sy salady aloha, indrindra ny zavatra makirana
8. Ratoa ( 08/09/2013 19:05)
matanina andro na mandeha antongotra 15mn/jour eny amin'ny toerana misy masoandro no mi-fixer calcium, atao azon'ny masoandr ny nofo (sandry sy tongotra) na manao bain de soleil no fanafodiny (ny masoandro dia manome vitamine D raha tarafiny ny hoditra)
9. rdskol ( 08/04/2015 08:38)
Tsy tsara ny calcium chimique fa aleo mahinana Cal naturel toy ny produit laitier, na trondro de ampiarahina @ fixateur e! ohatra we akondro, ravim-bomanga sns ...
10. Vaks ( 20/07/2019 08:15)
Salama ,izaho dia marar fanina lava rehef mande tsy mitazona calcium sy magnésium nef ef nahazo uvimag s'y calcium ...mba mangataka torohevitra nef ef mihinana sakafo mis azy ireo koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2024