Mbola ilaina ve ny CEPE ?

1. hery ( 22/07/2013 12:50)
Nivaly hono ny CEPE any Madagasikara, ilay Certificat d'Etutes Primaires Elémentaires. Raha ny tena izy dia ny CEPE no hanaporofoina hoe mahay mamaky teny sy manoratra ny olona iray.

Manontany tena hoe mbola ilaina ve ny CEPE? Inona no tena ilana azy? Maninona no tsy foanana tahaka ny any amin'ny firenena namorona azy (Frantsa) ohatra? Sa mbola ilain'ny tany voazanaka rehetra?

Efa nisy fotoana ve nareo nila nampiseho ny diplaoma CEPE-nareo? Na nitaky diplaoma CEPE-n'olona?

Ny olana hitako amin'ilay CEPE dia:
- Fandaniam-bola ho an'ny fanjakana sy ny ministeran'ny fampianarana. Manomboka hatramin'ny budget ho an'ny sekoly, ny laza adina, ny mpiambina, ny mpitsara sns.
- Fandaniana manokana ho an'ny ray amandrenin'ny mpianatra. Ho an'ny maro dia tsy mitovy amin'ny fanadinana fifindran-kilasy tsotra ilay izy fa misy fikarakarana samihafa manokana.
- Tebiteby diso toerana ho an'ny ankizy.


2. Nehemiah ( 22/07/2013 14:18)
Ie. Tokony foanana mihitsy
3. cbd ( 22/07/2013 16:23)

Nehemiah:

Ie. Tokony foanana mihitsy

amiko indray aloha d ts tokony foanana io satria mba ialana am lé mpianatra ts mahay loatra nefa d hiakatra 6è

marina aloha fa fandaniam-bola nefa lasa mampalahelo lé mpianatra misondrotra kilasy nefa tsy maharaka d voatery miredobla

tam taloha toa tsy afaka manala fanadinana hiditra 6è raha ts afaka cepe ? sa za no diso?

toa ohatran'tadidiko zay ts afaka cepe za d ts afaka nanao lé fanadinana hidirana 6è, d voatery niditra fianarana privé nefa d tadidiko ko fa nanontanian'lé fianarana privé oe afaka cepe v ? nefa ts nanakana ny hidirako 6è io

raha ny heritreritro aloha d aleo hijanona am zao, marina fa tam fanjanahana io nefa nahita valiny tsara, reha jerevana manko ny fratsay oh d misondrotra kilasy hatrany ny mpianatra d eo vao hita hoe zara raha mahay mamaky teny

asa aloha e! heritreritra lasa iny
4. Nehemiah ( 23/07/2013 05:47)
Koa angaha voatery asiana CEPE voa manasivana ny mahay sy ny tsy mahay ? Ny fianarana primaire no gaboraraka ka tokony amboarina, fa tsy ny CEPE mihitsy no hahavaha olana fa manjary miteraka "engorgement" ka lasa be dia be ny ankizy tsy mahay manakotaba ny mahay @ 7e.
5. voromailala ( 23/07/2013 07:29)
Amiko ihany koa dia tsy ilaina intsony ny CEPE, ary hampiako hoe BEPC ary BAC,.....
Ny sarobidy dia hoe tian'ilay ankizy izay zavatra hianarany, no afaka manampy azy mivelona amin'ny fiainana.

vao hoe tsy manana BAC dia efa hoe raisin'ny olona tsisy vidiny. Marihana fa misy ireo tsy manana BAC nefa tafita amin'ny fiainana ary misy ireo manan BAC + 20 kanefa mahantatra.

Lasa hatao fanavahana olona ilay diplaoma.



6. pisoonja ( 24/07/2013 09:33)
Tsy mety kosa aloa ny tsy misy diplaoma e , fa ny lanjan'ilay izy eto mada mihitsy no tsy misy valeur.
Eto Mada anie betsaka no tsy manana Bac nefa tena mpanankarena e , asian'olona vidiny satria misy vola , betsaka koa nefa ny manana DEA fa ataon'ny sinoa tsinotsinona
7. Nehemiah ( 24/07/2013 13:10)

voromailala:

Amiko ihany koa dia tsy ilaina intsony ny CEPE, ary hampiako hoe BEPC ary BAC,.....
Ny sarobidy dia hoe tian'ilay ankizy izay zavatra hianarany, no afaka manampy azy mivelona amin'ny fiainana.

Ity teninao ity dia mampahatsiaro ahy namako frantsay izay izay niteny hoe "Je suis contre le Bac parce qu'ils demandent à quelqu'un qui veut faire carrière de dessinateur d'être bon en maths !"
Nefa ny mpampianatra S.V.T.-nay t@'izaho TS (izay kizitina tsy misy toy izany) dia nilaza fa tsara rehefa mahay zavatra betsaka satria mety ilaina foana indray androany.

Ka ny aiza izany no tena mety ?
Savoir rien sur tout ou tout sur rien ?
Le débat est ouvert ;)
8. voromailala ( 25/07/2013 08:35)
Tsara ilay resaka.
Izaho manokana izany dia miray hevitra amin'ilay mpikaroka Fitaizana sy fampianarana Frantsay iray hatsoina hoe René, izany nilaza fa ny Education Khrisnamurti no anisany tsara hampiaharina amin'ny fampianarana ankehitriny.

Ny fampianarana amin'ny sekoly Krishamurti zany dia mihainga amin'ny fiainana andavanandro ny fampianarana, ary tsy ny ankizy irery no hampianarina fa ny mampianatra ihany koa.

Tsy tokony hoe izao mampianatra dia izaho mahay no ianareo dia matahotra an'ilay mampianatra ireo mpianatra. Fa raha misy zavatra tsy hain'ilay mpampianatra dia afaka milaza izy hoe tsy haiko.

Rehefa faly ny ankizy fa tsy matahotra hoy izy mianatra dia mora hainy ny zavatra hampianarana azy.

Dommage tsisy sekoly ohatra an'io eto Frantsa raha ts"izany efa nampianariko tany ny zanako.




9. voromailala ( 25/07/2013 08:37)
inty rohy Réné Barbier fa tsy mandeha ilay eo ambony.
10. 5laody ( 28/07/2013 20:29)
Vaut mieux avoir une tête bien faite qu'une tête bien pleine.

Nefa raha mipetraka amin'ny toeran'ireo olona tsy afaka nandeha mihoatra ny CEPE dia ilaina ihany angamba izy.
Amiko indray mba mety mampisy sirany kely ho an'ny ankizy ilay manana tanjona kely madinika toy ny CEPE na mbola handeha lavitra aza izy.

Ny dahalo tany Betroka aloha mety mahita koa hoe tsy ilaina izy io matoa nanafika tanàna tamin'ny andro tokony hanaovana CEPE ry lerony e!
11. voromailala ( 29/07/2013 07:43)
Misy olona fantatro mipetraka ao bekily , milaza hoe 4 operations (+,-,*,/) ihany no haiko hoy izy dia ampy mahatafita ahy. Ary marina no lazainy fa tafita izy izao.
12. mpisotrtoaka ( 11/03/2014 07:18)
Marobe ireo olona isan-karazany no tsy manala azy io intsony ! Atao ahoana fa izay no tsapany ! Ny mitana sotro aza nefa nianarana ! Azonareo hampanalana baka na BEPC avy hatrany ny zanakareo saingy tadidio fa baoritra voalohany hany tena MAMY sy AHATSAPANY ho mianatra izy io ! Afaka eo mantsy d miditra matomatotra kokoa amzay izy ka tsy ilay tena hafalian'ankizy intsony no ao anatiny !
13. SandratraIdealy ( 21/12/2016 11:13)
Ny tsapako izao, dia tena mbola ilaina ny C.E.P.E ; na isika ireto aza tokony mbola hiverina haka azy, satria tsy mahay na dia ny tsipelin-teny monja aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9247