ratram-po

1. shannie ( 14/07/2013 18:12)
inona no mahatonga ny lehilahy efa manambady amanjanaka nefa mbola mahavita mamitaka veivavy hafa? mahasahy manome toky ny @ny ho avy ary mahavita miresaka @ Ray sy Renin-razazavavy fa haka vady ny zanany? milokaloka fa tia. toky fitaka anefa no ao ambadika? ratram-po no azo.
répondu par tanimamiko le 25/07/2013 14:43
2. 5laody ( 15/07/2013 13:59)

shannie:

inona no mahatonga ny lehilahy efa manambady amanjanaka nefa mbola mahavita mamitaka veivavy hafa? mahasahy manome toky ny @ny ho avy ary mahavita miresaka @ Ray sy Renin-razazavavy fa haka vady ny zanany? milokaloka fa tia. toky fitaka anefa no ao ambadika? ratram-po no azo.

Raha tsy mipetraka amin'ny toeran'ilay olona voalaza angamba tsy ho voavaly izany ary na anontaniana aza izy mety tsy hahavaly akory.

Asa, soa ny manan-droa? be ny tinady dia vitsy ny tolotra? Misy tsirony kokoa ny mangalam-pihinana? Te ahafantatra ny hoe hatraiza ny fahasahiany sy ny fahaizany mampiesona vahoaka? Sao dia mba i Rajao ary izany?
3. shannie ( 15/07/2013 15:39)
Tsy an'ny Rajao ka! tena zava misy sady mampalaelo. raha oe sipasipa tsotra anie ka sady fantan ilay tovovavy fa manambady izy dia hafa e, izay ifanarahany any. fa ty tena manafina tanteraka ny momba azy rangahy sady manala ny peratra rehefa ho any @ razazavavy. dia fitia tia hanandroa ve fa samy iterahana izy 2 vavy. sa tia amotika ny fiainan'ny hafa fotsiny? mampalaelo, ianareo lehilahy efa manambady, aza manao toy izany re fa mijaly ny zanak'olona an.
4. booboo ( 15/07/2013 17:44)
Bah, tsy dia mampiova n'inona² loatra ny fahafantarana izay any an-dohan'ilay rangahy. Any @ fiainany irery ihany ilay vehivavy no afaka hampiova ny raha. Avy teo, resaka safidy ny ambiny, na ho victime lava eo na ho tompon'ny fiainany dia manao izay raha azo atao rehetra hialana @ ilay raha mandratra fo.
5. shannie ( 15/07/2013 18:09)
Marina izany, dia aleo mibanjina ny ho avy miova fiainam-baovao. @zay samy manana ny fiainany.
6. nilex ( 17/07/2013 09:48)
Eto izany dia mitaky fahamatorana kosa e.Mila olona matotra ny fitiavana ary afaka hanadihady ny olona miaraka aminy fa tsy sodokan'ny teny tsara rindra sy tsara lahatra fotsiny.Aza adino fa feno fitaka ny tany.Tsy ilaina izany ny maimaika rehefa mitia indrindra fa ho an'ny olona mbola tsy matotra fa mora fitahina ireny olona ireny rehefa tena tia.Ny mahagaga tokoa nge fa ankehitriny dia resaka aniany tsy misy dikany akory dia efa hazakana sipa.Tsy misy fitoriana fitiavana akory fa aniany fotsiny dia lasa miaraka ny olona ka mahatonga ny sasany hamafy lainga satria situation tsy nampoizina ilay izy ka dia araraotiny na dia fantany fa tsy azo ho entia lavitra ary.Mampalahelo anefa fa betsaka tokoa ny ankizy solafaka ao anatin'izany satria tsy mahafehy tena akory.
7. DotMG ( 20/07/2013 11:10)
Ho an'ny vehivavy tratran'io tranga io dia izao no tokony hataony : mitory any amin'ny fitsarana. Anisan'ny antony mampiroborobo ny tsy fanajana vehivavy sy ny famitahana toy izao dia satria tsimatimanota ny lehilahy. Raha mampiakatra fitoriana anefa ilay vehivavy voafitaka, indrindra fa niterahan'ilay lehilahy efa manam-bady, dia afaka mandefa am-ponja an'ilay lehilahy mpamitaka soamantsara, sy/na mahazo pension alimentaire.

Dia ny valin'ny fanontaniana dia hoe ataon'ny lehilahy sasany ilay izy satria azony atao : tsy misy arakaraka, tsy misy sazy, tsy misy fahavoazana ho azy, ny fahafinaretana azo, ny adrenaline miakatra ...
8. tanimamiko ( 25/07/2013 14:43)
http://www.koolsaina.com/nouvelles_madagascar/uploads/Herve_Aina.jpg


shannie:

inona no mahatonga ny lehilahy efa manambady amanjanaka nefa mbola mahavita mamitaka veivavy hafa? mahasahy manome toky ny @ny ho avy ary mahavita miresaka @ Ray sy Renin-razazavavy fa haka vady ny zanany? milokaloka fa tia. toky fitaka anefa no ao ambadika? ratram-po no azo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931