Mety hotafita ve isika raha miala amin'ny BM sy FMI?

1. voromailala ( 27/06/2013 10:41)
Mety hotafita ihany ve isika Malagasy raha miala amin'ny BM sy FMI?

4 taona izany tsy dia namatsy vola firy ry zareo ary voalaza fa 70% ny budget fanjakana dia avy amin'izy ireo daholo.

Ahoana ny hevitrao?
2. pisoonja ( 27/06/2013 11:34)
Raha isika malagasy ihany no mitantana ny harem-pirenentsika ka ny mpitondra @ izay tena mahay mitantana , tsy mila ny avy ivelany isika hanampy antsika , aza adino anie fa ny famatsiam-bola omen'ireo antsika ka misy tambiny e! ny fanantsika ihany no hanajany antsika , alainy amintsika ny volamena , vatosoa sns , dia mody omeny famatsiam-bola isika ,Efa mihena ny volamena eran'izao tontolo izao , nefa jereo fa any Srilanka ny volamena gasy ny 95% n'ny volamenany ,
Mba jereo anie e! 40 à 45 kg isan'andro ny volamena antsika mivoaka eo @ seranam-piaramadina ivato , nefa ny volamena antsika ao @ banque central tsy ampy 30 kg akory
3. voromailala ( 27/06/2013 12:15)
Marina mihintsy izany lazainao izany. Ny vahoaka Malagasy no mahantatra fa tsy ny firenena Malagasy satria manana harena ambanin'ny tany, biby, zavatra maniry ary koa fahendrena isika Malagasy.
4. hery ( 03/07/2013 23:01)
Mino aho fa manana ny harena hahafahana mamelon-tena i Madagasikara. Ary raha toa misy dia kely fotsiny no ilaina amin'ny any ivelany. Manaporofo izany ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao io.

Amin'izao ara efa samy mihinana daholo ny intermédiaires rehetra nefa mbola misy handoavana karaman'ny mpiasa ihany. Raha toa ka tsara tantana ka voaaramaso dia tafa io.
5. sampnamana ( 10/07/2013 20:18)

pisoonja:

Raha isika malagasy ihany no mitantana ny harem-pirenentsika ka ny mpitondra @ izay tena mahay mitantana , tsy mila ny avy ivelany isika hanampy antsika , aza adino anie fa ny famatsiam-bola omen'ireo antsika ka misy tambiny e! ny fanantsika ihany no hanajany antsika , alainy amintsika ny volamena , vatosoa sns , dia mody omeny famatsiam-bola isika ,Efa mihena ny volamena eran'izao tontolo izao , nefa jereo fa any Srilanka ny volamena gasy ny 95% n'ny volamenany ,
Mba jereo anie e! 40 à 45 kg isan'andro ny volamena antsika mivoaka eo @ seranam-piaramadina ivato , nefa ny volamena antsika ao @ banque central tsy ampy 30 kg akory


sôd mbl adinonao ko ary fa ny volantsika ngé ka ts isika kory ny manamboatra azy é!ahoana mo no ts itsabaka eto @tsika zareo, io Ariary io ary ngé k ry zareo no manao ny vidiny é, ts mb maasà mamaly isika na d iraimbava aza refa lazaizareo oe : "ny 1euro = 2 847,60Ar ary ny 1$=2 209.52Ar"
Io ry zareo na b volamena isik na b boi d rose na b in', refa ts ampiasaina ireny d tsis dikany! oterizinao ary reny ko ts i Madagascar no manakarena fa isika mahantr foana, nefa ko mo nga ny volamena sy ireo azo sarobidy nga azo oanina sa amidy @ny tsika samy tsika? ny malagasy ary efa samy manao izay inanany ko atony inona tsony ireny?! nefa raha aondrana ko ireny d aazona inona, ny sandan'ny Ariary ary zara fa misy ra amptaaina @ ny vola iraisampirenena ko (2 847.6Ar B zao zay vô 1 EUR na ko 2 209.52Ar B zao zay vô mba 1 USD) mamenatr ngé rreto zany é!
SOLUTION : CREATION MONETAIRE
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1514