ny tokony hatao alohan'ny hanorina tokan-trano

1. anjali ( 20/06/2013 12:33)
Ankehitriny dia toa zary tsy mahatanteraka ny tso-dranon-drazana manao hoe: maharena toka-trano, mahareta hatramin'ny farany, ny olona izay niditra tamin'io lalam-piainana io.
Ny ankamaroany dia tsy mahazaka tokatrano, raha vao misy tranga kely mipoitra eo @ fiainana dia ny fisarahana no atao tanjona. Mampalahelo fa angamba izany no fandrosoana ho an'ny maro matoa ny fisaraham-panambadiana no à la mode amin'izao.
Tsy misy intsony ny hasin'ny fanambadiana fa dia ohatran'ny tsy misy dikany ny voady nifanaovana. Olona mpivadim-panekena ny olombelona ankehitriny. Mampalahelo satria efa tsy henatra intsony izany olona misara-bady izany fa ireo miaritra ny mafy mba hiarovana ny hahatanterahan'ny voady izay natao indray no antsoina hoe adala, kentrina sns...
Koa manoloana izany olana goavana mipetraka @ tokantrano izany ankehitriny dia apetrako ny fanontaniana hoe: inona ny tokony hataon'ny olon-droa nifanaiky fa hiaraka mandrakizay alohan'ny hanorenany ny tokantranony?
2. pisoonja ( 20/06/2013 12:51)
Rehefa nifanaiky teo anatrehan'Andriamanitra dia tokony tsy hisaraka intsony satria "ho nofo iray ihany izy roroa", fa kosa voasoratra fa rehefa mampijaly ny tenanao izany hoe mamono mahafaty na mijangajanga dia afaka misaraka satria lasa sampy izany hoe lasa tompoinao io vadinao noho izany afaka misaraka nefa kosa tsy afaka manambady intsony
3. sitlo ( 20/06/2013 15:37)
Ilay izy kosa aloha tsy hoe betsaka dia hoe ny rehetra. Fankalazana ratsy io no fahitako azy. Rehefa malaza hoe betsaka, olona mpivadi-panekena ny olona ankehitriny, tsy misy manatanteraka ny voady sns. Dia na olana kely fotsiny aza ny ao amin'ny tokatrano iray dia lasa miroroa any amin'ny fisarahana sahady ny saina.

Fa izaho aloha tsy mino hoe betsaka izany io fa laza ratsy animbana fiarahamonina fotsiny. Ny havako iray manontolo mantsy toa mbola roa ihany no hitako hoe nisaraka izany. Tsy haiko na izaho no tsara vintana fa na ny olona teo amin'ny tanàna aza iray ihany no mbola henoko hoe nisara-panambadiana.
4. anjali ( 21/06/2013 06:28)
Tsy fantatro na mazava ny tanjona hotratrarina @ ity loha-hevitra ity na tsia.
Fa aleo angamba apetrako indray mandeha ny fanontaniana.
Inona no tokony ataon'ny olon-droa nifanaiky fa hiara-dia mandrakizay alohan'ny hanorin-tokantrano? (mba hisoroana ny fisaraham-panambadiana any aoriana).
Soson-kevitra no angatahina @ntsika, indrindra ireo manana traikefa ka maharitra @ fanatanterahana ny voady izay natao; ho an'izay mieritreritra hanorin-tokantrano mba hahafahan'izy ireo maharitra hatramin'ny farany.
5. jobiely ( 21/06/2013 08:37)
Ny tokony atao ngamba araka ny hevitro dia:
- tsara raha mba miaraka elaela ( ilay fotoana fifampisipana) amin' izay mifankahafantatra kokoa. Dia mba samy mifankahafantatra ny toetra ratsiny avy ny andaniny sy ny ankilany.
- mba fidifidiana ihany koa izay hovadiana, eo amin'ny toetra no tiko ho lazaina ( oh: mpisotro ve izy, efa nampirafy anao ve izy na dia mbola mpisipa aza, mba maontina ihany ve ho an'ny vehivavy sa jilajila sy mora adalaina...)
- mba fotopotorina ihany koa ny ray aman- dreniny sao dia efa nisaraka, amin'ny fianakaviany sao dia taranaka mpisara- bady, matetika hono manko ny zanaka ray aman- dreny nisaraka dia tsy mahazaka tokatrano satria tsy tafita any aminy ilay fifankatiavana nisy tao amin'ny rainy sy ny reniny.
- mba mahay manaja tena koa amin' izay mba hajain'ny olo- tianao
- Fantarina daholo hoe inona ny lafy ratsin' io olona miaraka aminao io, dia anjaranao no mieritreritra hoe zakanao daholo ve ireo " lafy ratsiny " ireo sa tsy zaka. Zakanao moa ireo dia miditra ianao amin'ny fanambadiana, tsy zakanao ireo dia aleo mieritreritra ihany sao dia tokony hihemotra, ny miditra ao manko mora sady mahafinaritra fa ny mivoka ao sady maharary no mahamenatra.
6. pisoonja ( 21/06/2013 09:08)
i jobiely zany mbola mametraka foana hoe andriana sns ve ?
7. pisoonja ( 21/06/2013 09:13)
io toetra ratsy io zany tsy hita @ fisipasipana fa rehefa tafiditra anatiny ao vao tena hita io, ny sipa mantsy tsy mieritreritra afa-tsy revy fa ny tokantrano adidy ka samy hafa be izany , rehefa te hanambady dia angataho @ Andriamanitra izy ve ity sa tsia, raha mbola tsapanao ao anatinao ny hoe tiako izy satria .... dia mieritrereta tsara aloa, fa ny tokony hibahana ao an-tsaina dia ny hoe tiako izy na dia ......... rehefa io mi porter garant aminao aho fa haharitra mandrakizay ny fanambadianareo.
Rehefa tsapanao fa tianao izy tsy misy antony, io alaina vady
8. jobiely ( 21/06/2013 11:58)

pisoonja:

i jobiely zany mbola mametraka foana hoe andriana sns ve ?

aiza izay soratra momba ny firazanana eo ???
Fa raha ny hevitro momba izay indray aloha dia aleo izay mitovy no miaraka e, na eo amin'ny firazanana na eo amin'ny fari- panànana. Amin' izay tsy mametraka olana eo amin'ny roa tonta. (samy tsy misy manana " complexe".)
9. pisoonja ( 21/06/2013 12:14)
Tsy voalazanao fa izay ny eritreritrao satria aminao tsy mivady raha olona tsy mitovy ,
dia io voalazako io ambony io fa singy ny @ izao izany ny hoe samy manana , samy ambony ,
10. jobiely ( 21/06/2013 12:38)
leizy ar to ts mety misokatra ry bor2lais ko
11. bor2lais ( 21/06/2013 12:41)
Azafady fa tsy nety ilay izy teo :
Tsindrio eto
12. jobiely ( 21/06/2013 12:42)

pisoonja:

Tsy voalazanao fa izay ny eritreritrao satria aminao tsy mivady raha olona tsy mitovy ,
dia io voalazako io ambony io fa singy ny @ izao izany ny hoe samy manana , samy ambony ,

ieuh, hevitro manokana io, " ceux qui ressemblent s' assemblent" oziz ny vazah :)
13. tanimamiko ( 25/07/2013 14:46)
afahttp://www.koolsaina.com/nouvelles_madagascar/uploads/Herve_Aina.jpg;baraka ny fahendrena malagasy fa vonjeo
anjali:


Ankehitriny dia toa zary tsy mahatanteraka ny tso-dranon-drazana manao hoe: maharena toka-trano, mahareta hatramin'ny farany, ny olona izay niditra tamin'io lalam-piainana io.
Ny ankamaroany dia tsy mahazaka tokatrano, raha vao misy tranga kely mipoitra eo @ fiainana dia ny fisarahana no atao tanjona. Mampalahelo fa angamba izany no fandrosoana ho an'ny maro matoa ny fisaraham-panambadiana no à la mode amin'izao.
Tsy misy intsony ny hasin'ny fanambadiana fa dia ohatran'ny tsy misy dikany ny voady nifanaovana. Olona mpivadim-panekena ny olombelona ankehitriny. Mampalahelo satria efa tsy henatra intsony izany olona misara-bady izany fa ireo miaritra ny mafy mba hiarovana ny hahatanterahan'ny voady izay natao indray no antsoina hoe adala, kentrina sns...
Koa manoloana izany olana goavana mipetraka @ tokantrano izany ankehitriny dia apetrako ny fanontaniana hoe: inona ny tokony hataon'ny olon-droa nifanaiky fa hiaraka mandrakizay alohan'ny hanorenany ny tokantranony?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.222