Sao dia itony no mety amin'ny fanabeazana any Dago?

1. voromailala ( 20/06/2013 09:41)
Salama daholo

Ary sao dia itony atsoina amin'ny teny vahiny hoe "Pédagodie du Bonheur" itony no mety amin'ny fanabeazana any Dago?

Raha ny fahalalako azy dia efa misy Ecole Montessori ihany any Dago fa mbola vitsy anisa, asa ahoana ny mpianatra mianatra amin'izy ireny any?
novalian'i booboo ny 11/04/2015 19:14
2. 5laody ( 20/06/2013 10:37)

Salama,

mba te hahafantatra bebe kokoa aho, ka te hanontany hoe:

-fanampiny amin'ny fampianarana mahazatra ve izy io sa manolo azy tanteraka?
-fitaizana hatramin'ny firy taona izy io?
-Ny mpampianatra ankizy kely hitantsika isan'andro ireny ve afaka manao azy sa mila specialisation betsaka?

misaotra ary mahazotoa..
3. voromailala ( 20/06/2013 12:00)
Misy izany mampianatra manaraka tanjozotra nampetraky ny ministeran'ny fampianarana fa kosa manova ny fomba fampianarana. Izay hoe tsy manome naoty, fa fitsapana fahaizana fotsiny, ary
manaraka ny "Rythme" sy zavatra tian'ilay ankizy hatao.

Fa misy ihany koa fampianarana izay tsy manaraka an'io izay atsoina hoe "Ecole Alternative", toy ny ecole montessori, freinet, steiner sy ny maro hafa koa.
Matetika dia ankizy 2 ka hatramin'ny 6 taona no mianatra ao fa misy ihany koa hatramin'ny 12 taona, ary tena vitsy ny hatramin'ny Bac.

Ireo namorona an'i Google zao dia nianatra tao amin'ny Montessori Sergey Brin sy Larry Page.
4. booboo ( 20/06/2013 15:10)
Na ao an-trano aza dia afaka mampiasa ny raha Montessori :-). Tiako ary ampihariko @ zanako koa io manko.
Mila mihofana manokana vao afaka mampianatra @ Ecole Montessori.
5. voromailala ( 21/06/2013 08:30)
Tsara kosa izany.
Marina mihintsy izany, azao hatao ao antrano, any ampianarana na amin'ny fiainan'ny ankizy isan'andro ihany koa azany.
Raha tsy diso aho dia eny andoharanofotsy sa tanjombato moa dia akaikin'ilafy eny misy Ecole Montessori.
Mila mihofana aloha e, fa tsy maharitra ela ny fanofanana fa ilay traikefa no tena sarobidy.


6. hery ( 27/06/2013 14:20)
Raha ny fahitako azy dia mila arahina tsirairay izany ny ankizy satria tsy bambaray intsony ilay fampianarana. Mety izay no ho olana raha any Madagasikara...

Lazainy fa tsy mety ho individuel ilay izy. Ahoana tsara no ataon'i booboo ao antrano? Sao dia mahaliana.

7. voromailala ( 27/06/2013 14:43)

Izay angambany no Idealy kanefa mety ho sarotra ihany no tena hanantaterahana izany.

Raha ny fianarana Montessori izay hianaran'ny ankizy izao dia 17 isan'ny mpianatara raha betsaka indrindra
dia mampianatra iray afatry ny ao amin'ny 2-3 taona no misy mpitaiza 1.

Ny lakilasy mizara hoe 2-3 taona, 4-5 taona ary 5-6 taona, fizarana lojika fotsiny io. Fa arakaraka ny "rythme" no kilasy misy azy. Misy zao ankizy 4 taona mbola ao amin'ny 2-3.


Avy eo samy manana ny fomba fanarahany ny ankizy ny fampianarana toy ireny, misy zao ohatra manana "fiche de suivi" avy ny ankizy ohatra hoe "niveau 1-A, niveau 1-B, .... niveau 1-Z, niveau 2-A,....." dia samy manana ny rythme ny ankizy.

raha misy zao ankizy narary ohatra ka nijanona teo amin'ny niveau 1-R, dia rehefa miverina izy 10 andro ohatra, dia manomboka eo amin'ny niveau 1-R.

Raha fampianarana amin'izao fotoana dia mila manenjika 10 andro le ankizy.
8. booboo ( 28/06/2013 13:53)
Isan'ny raha nataoko. Manana ny coin ho azy manokana ry kilonga ao an-dakozia no sady afaka mampiasa izay fitaovana sy izay rehetra mety ho takatry ny tanany ao, manana tiroir lehibe azy manokana zareo feno karazana boaty, graines, épices dia koveta kely ary sotrobe lol. Manana ny "étage"ny koa ry zareo ao @ frigo ampirimany izay tsy laniny sy ny goûter keliny.
Ny kilalao indray samy manana ny mpisy azy sy ny toerany fa mora takarina sy alaina, ohatra izay koa ny karazana crayons (feutres, couleurs, sns). Rehefa avy mahita trucs notsimponina tany ivelany tany zareo ka entiny mody dia misy latabatra kely izay fanasianay azy, vato bizarre, ravin-kazo, escargots (beuuuurk)... manana toerana hanantonany ny asa-tanany. etsetra etsetra.
Mora kokoa ny mampianatra mamaky teny sy manoratra @ fampiasana lettres rugueuses, t@ mbola tsy nanana aho dia t@ fasika izy no nampianariko. Ny resaka andro sy saison sy ny tariny indray, manana calendrier à velcros kely izay izy dia izy ihany manova ny andro sy daty eo ary ny météo du jour.
Enfiiiin bref, resaka bon sens daholo ilay izy amiko manokana. Mampianatra an-dry zareo ho autonome sy mahatoky tena ary responsable (ary manampy beeeeeeeeeeeeeeee mihitsy @ filaminan'ny trano LOL)
9. voromailala ( 28/06/2013 22:00)
Hitako tena tsara mihintsy izay fomba fitaizana sy fanabeazana hataonao izany.
Izay voalazanao zay mihintsy hoe mila mifanaraka amin'ny habean'ny ankizy ny fitaovana ao antrano: seza, latabatra, lakozia, dosy, wc, armoara, sns.....

Nisy mpikaroka resaka Education frantsay iray René Barbier nahita fomba fanabeazana teraka tany Inde tsara: Education krishnamurti, izay hitako tena tsara ihany koa, fa indrisy fa mbola Inde,Usa, Angleterre misy azy.
10. sipagasy ( 18/07/2013 11:14)
tsy moramora ilay manabe kannn
11. voromailala ( 18/07/2013 12:05)
sipagasy> salama e. Aleo manakely kannn zany :-)
12. vahiny2004 ( 20/08/2013 09:23)
booboo:

Isan'ny raha nataoko. Manana ny coin ho azy manokana ry kilonga ao an-dakozia no sady afaka mampiasa izay fitaovana sy izay rehetra mety ho takatry ny tanany ao, manana tiroir lehibe azy manokana zareo feno karazana boaty, graines, épices dia koveta kely ary sotrobe lol. Manana ny "étage"ny koa ry zareo ao @ frigo ampirimany izay tsy laniny sy ny goûter keliny.



Sahala @ mety miteraka hevitra fisarahana ihany izy izany na dia autonomie aza no objectif (lehibe vs kely) . Mety ho tsara koa ny hoe "faire ensemble", sociabilisation

Amiko izao ny methode mety dia ny hoe "répondre à la curiosité de l'enfant" , izany hoe mijery izay jereny sy hitany izy dia manontany raha misy mi intéresser azy dia valiana arakarak'izay .

Azo atao koa indraindray, somary attirer na kely ny attention-ny raha hita fa tsy miraika @ zavatra sasany izy, zavatra izay heverina fa tokony mifanaraka @ taonany, sans le lui imposer , dia avy eo arahina moramora raha toa ka misy fanontaniana sy zavatra manitikitika ny sainy
13. booboo ( 23/08/2013 15:42)
Vahiny2004 > Tsy noeritreretiko indray izay fa merci ;-). Ny nitondrako ilay raha io tany an-dreniny manko dia plutôt ilay côté hoe afaka mikitika² sy maka tahaka sy manao expériences marobe koa ry rambokely isany fa tsy mitsiriritra fotsiny (dia zà ilay vizana miteny hoe aaa hoà, mandratra iny fa avelaooo, tandremo sao very mandoto trano eo fa mahazo a! LOL ). Tiako ilay hampiasa ron-doha @ ilay lazainao voalohany io.
14. voromailala ( 11/09/2013 12:52)
Misy fahamarinana daholo ny zavatra lazainareo roa. Fa ny fomba tena ahafantarana azy hoe mahomby dia handramana mihintsy ao antrano, dia ahitsy arakaraka izany mampety azy fa tsy voatery arahina be ilay fomba.

Izay zao manaraka Montessori fa izay hita fa nety tamin'ny ankizy ihany no arahina, dia raha misy zavatra hafa nandramana ka nety dia natao ihany koa.

Inty misy rohy ahitana ireo karazana sekoly velona.
15. booboo ( 11/04/2015 19:14)
( mamangy indrindra @ fahoriana Voromailala o :-(... Mahereza indrindra ianareo vady aman-janany. Mamy be tsy ho hadino mihitsy ny tafa2 fifampizarana Montessori sy education non violente taminy )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3492