tsara ampafantarina ny rehetra ny moba ny finoana ...

1. alfantomas ( 20/06/2013 08:09)
tsara ampafantarina ny rehetra ny moba ny finoana katolika fa misy mihevitra anay ho mivavaka amin'ny sary vongana.tsy mivavaka velively amin' ireny izahay fa fahatsiarovana fotsiny ihany ireny
2. voromailala ( 20/06/2013 08:32)
Dia inona izany ilay fanontaniana tian'i alfantomas hapetraka?
3. pisoonja ( 20/06/2013 12:57)
Hono hoa ary ireo olona mametraka labozia , miditra ao @ fasan'i victoire Rasoamanarivo dia miankohoka eo @ ilay vata misy azy io de mametraka labozia , maninona kay ireny ? mahatsiarro koa ve ?
Dia fa maninona koa ny cathedrale Andohalo ataon'ny katolika fandevenana eveka nefa hotely ivavahana ny eo ambony ? afaka mba misy katolika manazava ny dikan'io ve ?
4. endriny ( 20/06/2013 16:00)

alfantomas:

tsara ampafantarina ny rehetra ny moba ny finoana katolika fa misy mihevitra anay ho mivavaka amin'ny sary vongana.tsy mivavaka velively amin' ireny izahay fa fahatsiarovana fotsiny ihany ireny



Ny mpimasy ihany koa tsy mivavaka amin'ny vato sy ny vodihazo, fa toerana anamasinany ny Zanahary fotsiny ireny
5. shannie ( 23/06/2013 08:08)
bjr! za catholique, saingy tsy haiko ny valin ilay fanontaniana napetrakao, za ko ary mba gaga iany. ny tena marina tsy mbola nandalina be ny finoana catholique aho na dia catholique aza aho, vavaka tsotra no ataoko, mino an' Andriamanitra dia izay, Andriamanitra iray no ivavahako. fa mba tiko antaniana @ mopera na masera io fanontaniana napetrakao io. merci.
Fa ianao ilay nametraka hevitra afaka manazava ve? ianao ko mantsy catholique iany.
6. voromailala ( 24/06/2013 09:34)
Efa niresaka tamina mopera aho taloha, azo lazaina hoe mitovy amin'ny mikofesy ihany izy io. Hoy aho mantsy ilay mopera hoe fa maninona moa no mila mandalo amin'ny mopera rehefa mikofesy fa tsy tonga dia mivantana amin'Andriamanitra mangatampialana?

Hoy ilay mopera tsotra kokoa amin'ny olona misy mpanelanelana, fa azo hatao tokoa hoy izy ny mangataka famelakeloka mivatana amin'Andriamanitra.

Mety mitovy amin'izay ihany koa angambany ireo sary vongana hoe mora kokoa amin'ny olona mahita an'ireny karazana mpanelanelana.

Amiko manokana dia toy ny aloka ireny, inona moa no antony andalovana amin'ny aloka raha afaka miresaka mivantana amin'ilay tompon'ny aloka ianao?



7. Nehemiah ( 24/06/2013 13:46)
Torak'izay koa tsara ampahafantarina ny rehetra fa mahafantatra tsara ny Prôtestanta (farafaharatsiny ny Prôtestanta malala-tsaina) fa tsy mivavaka @ sary vongana ny Katôlika mahay ny fivavahany. Ny olana dia rehefa manjary mifantoka @'iny ny saina kanefa tsy mitovy an'ilay olona soritsoritany ilay sary. Tahaky ny bibilava varahina : tsy namboarin'i Môsesy ho tompoina ilay izy, nefa lasa notompoin'ny Isiraelita ka i Josia no tsy maintsy namotika azy.

Andriamanitra dia Fanahy. Nohon'izay tsy manana vatana Izy. Ka tsy azo anaovana sary Izy.
8. voromailala ( 24/06/2013 14:02)
Marina mihintsy izany lazain'i Nehemiah izany, ary raha tohizana azany dia tsy tokony hoe atsoina hoe Andriamanitro sy Mon Dieu satria manjary lasa hoe objet, hoe fananako. Tokony zavatra tsy azon'ny saina takarina fa tsapan'ny fo.

Io zavatra io no nahatonga an'i Siddhartha Gautam izay lasa Bouddah (Toan'i Jésus lasa hoe Christ) , tsy nampiditra mihintsy resaka Dieu fa Amour satria ny Amour dia universel.

9. Nehemiah ( 24/06/2013 14:07)
Tsy mitombina mihitsy kosa ny fampitahana an'i Bouddha sy Jesoa, tena samihafa mihitsy ny hafany. Raha fintinina dia nilaza i Bouddha hoe araho ny 4 Nobles Vérités, fa ny an'i Kristy kosa dia hoy izy hoe : "Manaraha Ahy".
10. voromailala ( 24/06/2013 14:20)
Io zavatra lazainao momba an'i Bouddha io zao dia efa ilay fampianarana niova taorinan'ireo Concile bouddhiques toy ny Concile amin'ny fivavahana Kiristianina.

Ireo fivavahana rehetra talohan'ny Concile dia mitovy daholo ny zavatra tiany hampitaina, ny mahasamihafa ny fivavahana Kristianina sy Boudista dia i Kristy ny nahantra zanaka mpandrafitra (izay mahatonga an'i Papa miteny hoe Eglise des pauvres) fa i Siddhartha Gautam kosa dia zanaka mpanjaka nanakarena be, izany hoe efa nahita ny mety ho vokadratrin'ny harena.

Aza gaga ianao raha mahita fa ny ankamaroan'ny Kristianina dia mahantra daholo.






11. endriny ( 24/06/2013 16:33)

voromailala:

i Kristy ny nahantra zanaka mpandrafitra (izay mahatonga an'i Papa miteny hoe Eglise des pauvres) fa i Siddhartha Gautam kosa dia zanaka mpanjaka nanakarena be


Somary ahitsiko kely angamba ity Ra-Vorona a...

Raha jerena ny baiboly dia tsy misy mihintsy miteny fa nahantra na zanak'olona mahantra I Kristy... Fa kosa ny olona taty aoriana izay nanodina ny resaka no milaza fa zanak'olona nahatra I Kristy mba isarihana ny olona mahantra hiditra amin'ny fiangonana...

Nahoana angaha hoy ianao: 1) Ny baiboly ihany no manantitrantitra fa taraky ny mpanjaka lehibe indrindra I Kristy.
2) Ny mpandrafitra tany israely dia iray amin'ireo olona nanana ny lazany tokoa ary nanana ny maha izy azy, noho ny fahasarotan'ny fitadiavana ny akora dia ny hazo izany, fa ny mpanarato kosa dia nahantra... Saingy tany eraopa kosa dia ny olona mahantra no mandrafitra... dia io fijery eraopeanina io no nomena antsika fa hoe ny mpandrafitra dia mahantra
3) Tsy afaka naira-nipetraka tamin'ny fariseo I Kristy izay vao 12 taona monja raha tsy zanak'ireo olona manana ny maha izy azy teo an-Tanana. Ny Fariseo izay tsy miray latabatra akory amin'ny olona maloto, ary zokiolona tsy mitafa amin-jaza...

Izay no mba tiako ahitsy kely
12. Nehemiah ( 25/06/2013 05:51)

endriny:
Nahoana angaha hoy ianao: 1) Ny baiboly ihany no manantitrantitra fa taraky ny mpanjaka lehibe indrindra I Kristy.

Satria tsizarizary ny antontan-taratasy ara-tantara izay miresaka momba an'i Jesoa ankoatran'ny ara-Baiboly, sady ny momba ny ministerany no tena resahiny fa tsy nahafantatra an'izay razany ny mpanao tantara tahakan'i Josefa sy Pline le Jeune.
endriny:
2) Ny mpandrafitra tany israely dia iray amin'ireo olona nanana ny lazany tokoa ary nanana ny maha izy azy, noho ny fahasarotan'ny fitadiavana ny akora dia ny hazo izany, fa ny mpanarato kosa dia nahantra... Saingy tany eraopa kosa dia ny olona mahantra no mandrafitra... dia io fijery eraopeanina io no nomena antsika fa hoe ny mpandrafitra dia mahantra

Ka nahoana izany no zana-boromailala 2 no nataon'i Jôsefa ilay mpandrafitra sorona rehefa noforàna i Jesoa (Lk. 2:24), fa tsy zanak'ondry ? Satria mahantra izy ka tsy nahazaka na dia zanak'ondry 1 aza. Milaza tsara ny Lev. 12:8 fa afaka manolotra domohina na zana-boromailala 2 ny mahantra tsy afaka manolotra zanak'ondry. Izay fotsiny dia efa ampy handrondanana ny hevitrao.
endriny:
3) Tsy afaka naira-nipetraka tamin'ny fariseo I Kristy izay vao 12 taona monja raha tsy zanak'ireo olona manana ny maha izy azy teo an-Tanana. Ny Fariseo izay tsy miray latabatra akory amin'ny olona maloto, ary zokiolona tsy mitafa amin-jaza...

Izay no mba tiako ahitsy kely

Tsy misy inona na inona @ lalan'i Môsesy mandrara ny Fariseo miara-mipetraka @ ankizy 12 taona na @ mahantra. Ary tsy misy inona na inona mihitsy @ lahatsoratra milaza fa naloto i Jesoa :).
13. endriny ( 25/06/2013 06:33)

Nehemiah:

Ka nahoana izany no zana-boromailala 2 no nataon'i Jôsefa ilay mpandrafitra sorona rehefa noforàna i Jesoa (Lk. 2:24), fa tsy zanak'ondry ? Satria mahantra izy ka tsy nahazaka na dia zanak'ondry 1 aza. Milaza tsara ny Lev. 12:8 fa afaka manolotra domohina na zana-boromailala 2 ny mahantra tsy afaka manolotra zanak'ondry. Izay fotsiny dia efa ampy handrondanana ny hevitrao.

Ny laharan'ny sorona dia ny voromailala izay afaka miakatra ny lanitra no nomena toerana ambony indrindra, ary tsy vonoina akory aza fa alefa manidina mba ho fanajana an'Atra lehibe. Fa tsy hoe mora vidy ny voromailala dia hoe ny mahantra no manao izany. Fa rehefa te hanao sorona ondry ny Israelianina ka tsy mahatakatra mifanambatra amin'ny mpifanolo-bodirindrina.

Nehemiah:

Tsy misy inona na inona @ lalan'i Môsesy mandrara ny Fariseo miara-mipetraka @ ankizy 12 taona na @ mahantra. Ary tsy misy inona na inona mihitsy @ lahatsoratra milaza fa naloto i Jesoa :).

Tsy voasoratra ao amin'ny baiboly izany, fa izay no firindran'ny fitantanana ny sinagaoga, izay mitovy ihany amin'ny moske sy ny firafitry ny fiangonana hatramin'ny vatikanina 1. Ny vehivavy sy ny ankizy tsy miakatra hotely, ary eny amin'ny faritra aoriana mihintsy aza no asaina mipetraka, ary asiana vala manasaraka azy amin'ny toeran'ny lehilahy

Ny baiboly tsy mahalaza ny rafi-pitantanana rehetra misy ary nisy teo amin'ny zanak'israely.
14. Nehemiah ( 25/06/2013 07:27)

endriny:

Ny laharan'ny sorona dia ny voromailala izay afaka miakatra ny lanitra no nomena toerana ambony indrindra, ary tsy vonoina akory aza fa alefa manidina mba ho fanajana an'Atra lehibe. Fa tsy hoe mora vidy ny voromailala dia hoe ny mahantra no manao izany. Fa rehefa te hanao sorona ondry ny Israelianina ka tsy mahatakatra mifanambatra amin'ny mpifanolo-bodirindrina.

Ahodikodinao ilay resaka. Nanolotra zana-boromailala i Josefa satria tena nahantra. Ka diso izany ny hoe "manankarena ihany ny mpandrafitra Jiosy t@'izany".
Sady tadidio fa ny voambolana grika tekton dia tsy voatery milaza mpandrafitra fa ouvrier à la journée.
endriny:

Tsy voasoratra ao amin'ny baiboly izany, fa izay no firindran'ny fitantanana ny sinagaoga, izay mitovy ihany amin'ny moske sy ny firafitry ny fiangonana hatramin'ny vatikanina 1. Ny vehivavy sy ny ankizy tsy miakatra hotely, ary eny amin'ny faritra aoriana mihintsy aza no asaina mipetraka, ary asiana vala manasaraka azy amin'ny toeran'ny lehilahy

Ny baiboly tsy mahalaza ny rafi-pitantanana rehetra misy ary nisy teo amin'ny zanak'israely.

Marina izany, kanefa tsy manaporofo mihitsy ny filazanao momba ny Fariseo tsy mahazo mifanerasera @ zaza.
15. endriny ( 25/06/2013 08:05)

Nehemiah:


Nanolotra zana-boromailala i Josefa satria tena nahantra.[/i] Ka diso izany ny hoe "manankarena ihany ny mpandrafitra Jiosy t@'izany".
Sady tadidio fa ny voambolana grika tekton dia tsy voatery milaza mpandrafitra fa ouvrier à la journée.

Tsy voasoratra ao anaty baiboly.... ahahahhaha, fa havitra ataingina ihany ilay sora-mandry

[/quote]
Nehemiah:

Marina izany, kanefa tsy manaporofo mihitsy ny filazanao momba ny Fariseo tsy mahazo mifanerasera @ zaza.

Vereno jerena ny baiboly dia jereo ahoana ny fe-petra iresahana amin'ny olon-dehibe any Israely... Dia hitanao fa na ireo mpianatra aza dia nandrara ny zaza hiresaka tamin'i Kristy fa izy Kristy tenany mihintsy no nibedy ny mpianatra...
Tsy misy zaza afaka miresaka ami'ny fariseo raha tsy zanaka olona manankaja sy ireo zaza hofanina handimby ny fitantanana ao amin'ny sinagaoga, fa na ireo zaza ireo dia saika zanaky ny fariseo avokoa...
Ny baiboly dia nosoratana teo an'ivon'ny tantara sy ny fomba jiosy ka mba tsara ihany ny mandalina hoe iza ny Jiosy sao ianao diso fiantefa.
16. Nehemiah ( 25/06/2013 08:47)

endriny:

Tsy voasoratra ao anaty baiboly.... ahahahhaha, fa havitra ataingina ihany ilay sora-mandry
Afaka maka toky @ konkôrdansan'i Strong anie ianao. Izy ity angaha vitan'ny "ahahahhaha" ?
endriny:
Vereno jerena ny baiboly dia jereo ahoana ny fe-petra iresahana amin'ny olon-dehibe any Israely... Dia hitanao fa na ireo mpianatra aza dia nandrara ny zaza hiresaka tamin'i Kristy fa izy Kristy tenany mihintsy no nibedy ny mpianatra...
Tsy misy zaza afaka miresaka ami'ny fariseo raha tsy zanaka olona manankaja sy ireo zaza hofanina handimby ny fitantanana ao amin'ny sinagaoga, fa na ireo zaza ireo dia saika zanaky ny fariseo avokoa...
Ny baiboly dia nosoratana teo an'ivon'ny tantara sy ny fomba jiosy ka mba tsara ihany ny mandalina hoe iza ny Jiosy sao ianao diso fiantefa.

Ianao no mety diso fiantefa raha ny fomban'ny Jiosy ankehitriny no heverinao fa mitovy @ fomban'ny Jiosy t@'izany. Na izany na tsy izany tsy manaporofo velively ny fandraran'ny Mpianatra ny zaza hiresaka @ Kristy fa ampahan'ny kolon-tsaina izay. Ary tsy manaporofo velively fa nanankarena ny fianakavian'i Jesoa tsy nahazaka zanak'ondry ny firesahan'ny Fariseo t@.
17. bor2lais ( 25/06/2013 13:18)
Mila an'i Hery ity lohateny ity a ! :-)

Alaiko an-tsaina ny valinteny (H.S ity a !) :
alfantomasy:

tsara ampafantarina ny rehetra ny moba ny finoana katolika fa misy mihevitra anay ho mivavaka amin'ny sary vongana.tsy mivavaka velively amin' ireny izahay fa fahatsiarovana fotsiny ihany ireny

valiny : "efa impiry aho no nanazava teto fa ry alfa koa tsy mba manaraka mihitsy ..." :-)
pisoonja:

Hono hoa ary ireo olona mametraka labozia , miditra ao @ fasan'i victoire Rasoamanarivo dia miankohoka eo @ ilay vata misy azy io de mametraka labozia , maninona kay ireny ? mahatsiarro koa ve ?
Dia fa maninona koa ny cathedrale Andohalo ataon'ny katolika fandevenana eveka nefa hotely ivavahana ny eo ambony ? afaka mba misy katolika manazava ny dikan'io ve ?

valiny : "te-hiditra katolika angaha piso no toa liana be amin'ilay izy ?" :-)
18. endriny ( 25/06/2013 17:04)

Nehemeiah:

Ianao no mety diso fiantefa raha ny fomban'ny Jiosy ankehitriny no heverinao fa mitovy @ fomban'ny Jiosy t@'izany. Na izany na tsy izany tsy manaporofo velively ny fandraran'ny Mpianatra ny zaza hiresaka @ Kristy fa ampahan'ny kolon-tsaina izay. Ary tsy manaporofo velively fa nanankarena ny fianakavian'i Jesoa tsy nahazaka zanak'ondry ny firesahan'ny Fariseo t@.

Ny taloha tamin'ny andron'i kristy no nolazaiko anao, fa raha izao dia efa apetraka eny aloha ny ankizy satria matahotra ny fikambanana Jiosy rehetra sao misy manafika indray na mamono amin'ny basy...
19. tanimamiko ( 15/07/2013 08:51)
Tsy ampy ny mampianatra ny finoana fa ilaina ny miditra antsehatra mivantana @ fiainan i mponina andavan andro tsarovy fa 90 pour cent ny gasy de tambanivohitra mijaly @ setrasetra sy habibian i hafa , ka mandraisa antanana mivantana fa Andriamtra tsy manampy zay tsy mùanampy ny tenanay. mIsaotra @ anaran i Tompo
alfantomas:

tsara ampafantarina ny rehetra ny moba ny finoana katolika fa misy mihevitra anay ho mivavaka amin'ny sary vongana.tsy mivavaka velively amin' ireny izahay fa fahatsiarovana fotsiny ihany ireny

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5233