Misy antokom-pinoana sasany tsy mitsahatra manarat...

1. alfantomas ( 19/06/2013 16:09)
Misy antokom-pinoana sasany tsy mitsahatra manaratsy ny finoan'ny hafa mba hitaomany ny olona hivavaka ao aminy hanangonany harena (am-pahafolon-karena)
2. Miharena ( 19/06/2013 17:12)
Efa voany betsaka angaha ny namana Alfantomas?
3. 5laody ( 19/06/2013 21:36)
Izy io ve ry akama dipan'ny fananana rehetra sa dipan'ny vola miditra sa izy roa miaraka?
4. sitlo ( 19/06/2013 23:26)
Tsy vaovao izany fa efa tantaran'ny fiangonana hatrizay. Mbola nasiany ampahafolon-karenan-dRadama II aza. Lasan'ny misionera Frantsay ny tany midadasika tao Antananarivo ka tsy namelany mihitsy raha tsy Ranavalona I no nihetsika.
5. Alfantomas ( 20/06/2013 02:42)

ny tena mbola tsy tratrany mba sadaikatra ihany mahita ny fihetsik'izy ireny
6. pisoonja ( 20/06/2013 05:14)
Araka ny Soratra Masina dia milaza fa io terme fahafolon-karena io ihany no defit ataon'Andriamanitra amin'ny olona "Entonareo ny fahafolon-karena ho ao amin'ny trano firaiketako , mba hasian-kanina ao an-tranoko , ary IZAHAO TOETRA AMIN'IZANY AHO, raha tsy voahako ho anareo ny varavan'ny lanitra ary handrotsahako fitahiana manana amby ampy ianareo", fa saingy ny fanaon'ny fiangonana sasany azy atao fitadiavam-bola ka ilay mpitondra fiangonana no manan-karena no tsy dia mety @ fisainako loatra , satria tsy ilay tranon'Atra voalaza ny SM no ampiasaina ilay fahafolon-karena fa lasa ho an'ilay mpitarika fiangonana
Fa ho ahy raha tena resy lahatra @ fahafolonkarena , omeo ny mahantra na ny mila vonjy ny fahafolonkarena azo atao ihany koa izany satria defit amin'Atra io.
7. shannie ( 23/06/2013 09:05)
mitovy hevitra @nao aho. aleo omena zaraina @ ireo mahantra sy anampiana ireo mijaly, aleo ampiasaina @ fanaovantsoa @ ireo sahirana eh. sady mahatsiaro faly ianao rehefa manao soa @ny hafa. olombelona toa antsika ihany ireny. mahereza @ fanaovantsoa ary :-). misy ny mpitondra fiangonana sasany tena manao fitadiavambola @ izy mintsy, tsy maintsy mahazo 4/4 sns eh :-p
8. Nehemiah ( 24/06/2013 13:48)

sitlo:

Lasan'ny misionera Frantsay ny tany midadasika tao Antananarivo ka tsy namelany mihitsy raha tsy Ranavalona I no nihetsika.

Koa angaha tsy taorian'i Ranavalona I i Radama faha-2 ???
9. endriny ( 24/06/2013 16:42)

alfantomas:

Misy antokom-pinoana sasany tsy mitsahatra manaratsy ny finoan'ny hafa mba hitaomany ny olona hivavaka ao aminy hanangonany harena (am-pahafolon-karena)


Atao ahoana fa samy mitady kil eh... ohatran'ny dokam-barotra amin'ny varo-tsavony sy portable ihany io...
10. bor2lais ( 25/06/2013 09:01)
alfantomasy:

Misy antokom-pinoana sasany tsy mitsahatra manaratsy ny finoan'ny hafa mba hitaomany ny olona hivavaka ao aminy hanangonany harena

endriny:

Atao ahoana fa samy mitady kil eh... ohatran'ny dokam-barotra amin'ny varo-tsavony sy portable ihany io...

Ka efa maro ve izany ny kil azon'i endriny ? :-)
11. sitlo ( 26/06/2013 20:44)
hihihi
12. endriny ( 29/06/2013 04:32)
Izaho tsy mila kil fa mpikil eh... Ahahahhaha
13. ranovelona ( 29/06/2013 16:45)
AZO ATAO TSARA NY MISOTRO TOAKA AMIN'NY FAHAFOLON-KARENA ARAKA NY VOASORATRA. Fandemen-tsaina fotsiny io verset nampiasainao io fa tsy izay no heviny fa balan-dry zalahy te hahazo "S" fotsiny io. indro ny verset voalohany momba ny fahafolon-karena fa tsy fahafolon-karama.
mazotoa mamaky dia diniho tsara.

Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;

23 dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.

24 Fa raha lavitra loatra ny làlana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany hianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao,

25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tànanao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;

26 ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;

27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
14. Miharena ( 30/06/2013 02:23)
Raha azoko tsara izany dia tsy misy idirany mihitsy amin'ny fanaterana atao rakitra kay ilay ampahafolony?

Dia tena niesona daholo izany ireo mpivavaka manao izany raha izao fipetrany izao satria ampahany tokony hampiasaina hivahinianana ao am-piangonana ilay izy ka ny tsirairay no mitantana azy. Fa ny zava-niseho koa anefa dia nisy ireo nanome ny fananany iray manontolo tamin'ny Apostoly ka izay no niandohan'ny fiangonana voalohany izay nisian'ireo olona nanolotena tanteraka.
15. moustaraf ( 04/07/2013 06:22)
Salama namana isany;
-Izaho dia manaraka akaiky ireo adihevitra mitranga, fa eto no mba misy ahitsy foana araka ny efa mahazatra:
Misy tsy itovizana maro ny voasoratra ao @ baiboly fototra HEBREO sy ireo dikan-teny raha ny momba an'io fanatitra sy ny 1/10è IO

1. Ny am-pahafolony dia "atao fanatitra" ary azo avadika VOLA ka entina ao an-tranon'i EL
Raha mpamboly ianao dia isaka ny fiakaran'ny vokatra no anaovana azy, satria tsy manana isam-bolana ianao; Raha mpikarama kosa dia isaka ny mandray karama no anomezanao azy
-Impôts (na IRSA) = fanjakana (omeo an'i Kaisara....) TSY MIMENOMENONA ISIKA
-1/10 ho an'ilay mpamorona antsika

2. "Efa nomeko ny levita kosa ny 1/10 izay nomenareo ahy"= fivelomana ho an'ny levita io

3.Aoka hazava sy hiavaka tsara fa misy 3 karazana ny 1/10:
a/ Aterina atao fanatitra; fiveloman'ny levita
b/ ohaninao @ fotoanan'ny Rhag na fety izay voatondro @ fotoany avy
c/ amin'ny taona faha 3; omena sy zaraina ho an'ny mahantra

4. Ny fiangonana Israely ihany no nasaina hanatitra sy hitandrina an'ireo, fa tsy ny fiangonana Romana akory (sy izay nipoitra vy tao); ka izay no mampibirioka ny fanaovana azy sy mahatonga ny maro ho sahiran-tsaina!

5. Ny baiboly hebreo dia tsy azo adika mihitsy hoe "toaka", ny voalaza; fa liqueur no azo andikana azy:
-Ny liqueur dia ilaina rehefa hanatitra fanatitra odorana ny Israely, mba hirehetan'ny afo eo ambonin'ny hena manta; fa tsy toaka hosotroina velively akory
-Mahafaty ny mimamo eo anatrehan'ilay Tsitoha, indrindra fa @ fotoanan'ny fanatitra

16. Nehemiah ( 04/07/2013 06:36)
Raha tanisaina avokoa anie ny fitahiana rehetra omen'Andriamanitra antsika dia tsy mahavita manefa na dia ny ampahamiliaran'ny zavatra nomeny isika e :-).
17. ranovelona ( 04/07/2013 06:48)

misaotra an Moustaraf amin'ny fanazavany,
Raha ny baiboly fototra tokoa dia hafa mihitsy ny foto-pisainana entina miaina miaraka aminy. Na ireo anarana ireo aza dia dikateny avokoa fa tsy ilay anarana nanononana ilay Nahary, azo antsoina hoe Elohym. raha ny thora (boky fototra amin'ny teny hebreo) tokoa no jerena dia NOTSONGAINA MANOKANA ireo olona afaka manao tsodrano sy mihinana ireo fahafolony ireo fa TSY IZAY REHETRA TE HANAMBAKA OLONA TSY AKORY. Na ny Kohen aza dia misy ny atao hoe fianakaviam-be ka raha tsy mpikambana ao ianao tsy afaka misoratena ho izany.
Momba ilay liqueur na toaka indray dia azo antsoina fotsiny hoe ferment izany hoe misy alikaola, mety mirehitra ary mahamamo.
Mino aho fa kristiana no anlamaroan'ny mandray anjara ka niniako izay boky mahazatra anareo no ampiasaina (baiboly dikateny gasy)
Mirary soa ho antsika rehetra ary hitondra fisokafana hoa an'ny vavahadin-tsaintsika anie izao dinika izao.
Ranovelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1349