Hafa ihany 'lay volohany " Sitraka"

1. miorasitraka ( 17/06/2013 21:02)
salama daoly,
mba mila torohevitra amintsika namana rehetra azafady!
za dia vehivavy 27 taona, efa manambady ( nisoratra tany am firaisana hatramizao fa mbola tsy vita mariazy tany ampiangonana), mbola tsy manan_janaka, efa 8 taona zao no niarahanay sy ny vadiko, nefa nandritry ny 2 taona zao dia tsy mitsahatra ny mahatsiaro ilay fitiavako taloha aho, ilay sipako volohany indrindra tany am collège, mbola zazavavy kely 14 taona za tamzany, mbola noraràna nanao sipa,indray andro tratra niaraka zahay, ary dia voatery bedy be aho , dia nisaraka zahay satria tsy navelani ray amandreniko niaraka,( marihiko fa TSY taminio sipako volohany io za no nanao rapport volohany,) norahonan'ireo ray amndreniko za oe raofy ny entanao raha mbola hiaraka amininy lehilahy iny, die nisaraka taminy ankanterena za fa natahotra, izy kosa anefa taty aoriana dia mbola nitady hiverina amiko fona, fa noho ny fahatahorako ilay ray amandreniko dia tsy nety niverina mitsy za, ary dia teny ny volana ny taona dia lasa nifindra taty ampitandranomasina aho ka dia tsy nahita azy intsony, dia nanambady aho, nefa hatramizao dia izy fona no nofisiko, ary tena isan'andro aho mandefa fisainana any @ny fona.
Ny namako izay sendra mahita azy any madagasikara dia milaza fa mbola manontany ny momba ahy fona hono izy hatramizao
inona reto no mety ataoko? hitady azy ve aho? hiroso am mariazy any ampiangonana amty vadiko ve aho?
misaotra sahady am valinteny!
2. jobiely ( 18/06/2013 06:44)
Ka nareo nge zany nifankatia ihany saingy nampisarahina e, d mbola tsy afaka ao am-ponao ny fitiavana azy, izy koa ngamba mety torak' izany. Saingy ianareo nefa tamzany mbola kely, mbola tsy nisy zvtr betsaka niarahana nanao ( oh: projet itambarana, na zvtra niaraha- nanangana), mino aho fa mbola tsy nisy resaka hivady akory ary tamzany fa kisipasipa fotsiny, ary raha nitohy niaraka ianareo fa tsy bedy dia tsy maintsy efa nisaraka ihany satria mbola tsy matotra ny fitiavana @zany taonanareo izany. Rehefa nanambady ianao taty aorina ka hitanao fa tia anao io vadinao io dia izy hajaina sy tiavina, mirosoa @ mariazy dia miteraha fa ny zaza koa dia anisan' ny mampifamatotra bebe kokoa ny fifankatiavanaeo amin'ny mpivady. Aza mandeha mitady io 1ère amournao io tsony fa mety hanimba ny fifandraisanareo mivady izany, ny any koa nefa mbola tsy hainao hoe hitohy ohatra ny taminareo mbola 14 taona ve, izay fiainam- pitiavany teo anelanelan' izay taona tsy nifankahitanareo izay koa tsy fantatrao, sao mba efa misy olona nifanaiky taminy koa tany ho any, sao mba tsy mifamaly ny fitiavanareo, sao ianao fotsiny no tia azy fa izy efa nanadino anao tao am- pony? Eritrereto tsara ihany fa ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aorina handatsa. Dia mirary soa .
3. Nehemiah ( 18/06/2013 06:54)
Raha mbola tsy nohamasinana tany @ fiangonana ny fanambadianareo dia mbola resaka andefimandry fotsiny ilay izy eo imason'Andriamanitra.
4. hadji ( 18/06/2013 10:33)

Nehemiah:

Raha mbola tsy nohamasinana tany @ fiangonana ny fanambadianareo dia mbola resaka andefimandry fotsiny ilay izy eo imason'Andriamanitra.
marina io an'i nehamiah io ary ianao no tompon'ny safidy fa tsy ny ray aman-dreninao
5. pisoonja ( 18/06/2013 13:59)
Ny fanontaniako aminao dia tena fitiavana ve no itiavanao ny vadinao ? si oui , sao dia misy zavatra mampanahirana anao dia mitady fanarian-dia ianao dia io sipanao taloha io no tadidinao ? ny soratra ny @ firaisana dia efa eken'ny fiangonana fa efa mpivady ny olon-droa ary tokony ho efa voafatotry ny Soratra Masina , satria efa iray ihany ianareo roroa
6. sitlo ( 19/06/2013 16:09)
Marina izany ry pisoonja. Ankohatra ilay hoe eken'ny fiangonana. Inona moa no iraharahina an'izany hoe eken'ny fiangonana? Fa ny fanontaniana dia hoe ekenao ve? Raha tsia dia nahoana?
7. miorasitraka ( 19/06/2013 16:51)

jobiely:

Ka nareo nge zany nifankatia ihany saingy nampisarahina e, d mbola tsy afaka ao am-ponao ny fitiavana azy, izy koa ngamba mety torak' izany. Saingy ianareo nefa tamzany mbola kely, mbola tsy nisy zvtr betsaka niarahana nanao ( oh: projet itambarana, na zvtra niaraha- nanangana), mino aho fa mbola tsy nisy resaka hivady akory ary tamzany fa kisipasipa fotsiny, ary raha nitohy niaraka ianareo fa tsy bedy dia tsy maintsy efa nisaraka ihany satria mbola tsy matotra ny fitiavana @zany taonanareo izany. Rehefa nanambady ianao taty aorina ka hitanao fa tia anao io vadinao io dia izy hajaina sy tiavina, mirosoa @ mariazy dia miteraha fa ny zaza koa dia anisan' ny mampifamatotra bebe kokoa ny fifankatiavanaeo amin'ny mpivady. Aza mandeha mitady io 1ère amournao io tsony fa mety hanimba ny fifandraisanareo mivady izany, ny any koa nefa mbola tsy hainao hoe hitohy ohatra ny taminareo mbola 14 taona ve, izay fiainam- pitiavany teo anelanelan' izay taona tsy nifankahitanareo izay koa tsy fantatrao, sao mba efa misy olona nifanaiky taminy koa tany ho any, sao mba tsy mifamaly ny fitiavanareo, sao ianao fotsiny no tia azy fa izy efa nanadino anao tao am- pony? Eritrereto tsara ihany fa ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aorina handatsa. Dia mirary soa .
dia misaotra anao tokoa amin'ny sosokevitra! sao dia hanenenako eo marina raha izao no mitohy sady tsy hay rah efa niova tokoa ilay fitiavan'ilay voalohany hatrizay ela zay!
io vadiko io aloha dia tena tia ahy be mitsy, ary tena manaja sy miadana mitsy aho na aratsaina na arabola, ka izany no mahatonga ahy miteny hoe sao dia anenenako tokoa raha ilaozako mitady ny efa tsy anjara!
dia mbola mamerina ny fisaorana @nao fa tena " utile " be mitsy lé hevitrao
8. miorasitraka ( 19/06/2013 16:54)

pisoonja:

Ny fanontaniako aminao dia tena fitiavana ve no itiavanao ny vadinao ? si oui , sao dia misy zavatra mampanahirana anao dia mitady fanarian-dia ianao dia io sipanao taloha io no tadidinao ? ny soratra ny @ firaisana dia efa eken'ny fiangonana fa efa mpivady ny olon-droa ary tokony ho efa voafatotry ny Soratra Masina , satria efa iray ihany ianareo roroa

tsy misy zavatra mampanahirana ahy aloha raha ny momban'ilay vadiko, ary fatatro fa tena tia azy aho matoa nanaiky nanambady, fa tsy haiko oe maninona no mitamberina ato antsaiko fona ilay anakiray, mieritreritra mitsy aho ndrindray oe sao dia azon'ody! lol
satria talohan'io vadiko io dia efa maromaro iany ny akizilahy niaraka tamiko, ary tena efa adinoko mihitsy ilay voalohany raha ny tatarako taloha no jereko, fa tsy aiko oe manin depuis 2ans zao d any @ny matetika ny lohako, raha vo mahita oul mitovitovy @ny za d matsiaro
misaotra anao aminy sosokevitra
9. miorasitraka ( 19/06/2013 16:58)

sitlo:

Marina izany ry pisoonja. Ankohatra ilay hoe eken'ny fiangonana. Inona moa no iraharahina an'izany hoe eken'ny fiangonana? Fa ny fanontaniana dia hoe ekenao ve? Raha tsia dia nahoana?
tsy azoko loatra lé fanotanianao? lé hoe any ampiangonana ve? efa nosoratako etsy ambony oe tsy haiko na tokony hirosoaminy mariazy za na tokony hitady anilay voalohany, mba mila ny hevitrareo anampy ahy anovako ny " bon choix" satria araky ny nolazaiko taminy " jobihely" dia tena mapiadana be ahy lay vadiko ary matahotra aho sao dia hanenenako ilay hoe hitady anilay voalohany, fa fatatro ihany koa anefa fa tiko io vadiko io, misavoritaka be ny lohako reto an!!
10. pisoonja ( 20/06/2013 05:48)
Ianao koa izany tena hafahafa mihitsy, tsy olana lehibe izany ka, misafidy ny hiadana sa misafidy ny hijaly , zavatra tsy misy dikany anie izany e, ny fahitako anao miala tsiny aho raha milaza aminao fa leom-piadanana angamba ianao.
11. jobiely ( 20/06/2013 11:59)

pisoonja:

Ianao koa izany tena hafahafa mihitsy, tsy olana lehibe izany ka, misafidy ny hiadana sa misafidy ny hijaly , zavatra tsy misy dikany anie izany e, ny fahitako anao miala tsiny aho raha milaza aminao fa leom-piadanana angamba ianao.

Aza manamaivana ny olan'ny olona ry Pisoonja ah, sahiran- tsaina izy matoa mila torohevitra fa aza atao anzany.
12. pisoonja ( 20/06/2013 12:46)
Non kosa eh , mazava ny zvtr soratany eo ambony hoe "io vadiko io aloha dia tena tia ahy be mitsy, ary tena manaja sy miadana mitsy aho na aratsaina na ara-bola " tena tsy manamaivana mihitsy za fa kosa tsotra be ny ahy te hiadana ve ianao sa te hijaly ? satria raha miditra @ io ianao dia manomboka hanapotika tsikelikely ny tokantranonao
ny manaraka mirosoa @ mariazy dia mahazoa zanaka fa io koa manova zavatra be dia be , enao mbola tsy misy zaza ihany koa no mety ho fototr'izao olanao izao
13. hery ( 20/06/2013 14:15)
Misy olona mba mila aventure kely koa e :-)
Miadana loatra izy, manjary monotone ilay fidanana dia mila asiana fampakarana adrenaline kely.

Zavatra hafa Sitraka tadiavina raha hitady problemes madinidinika a. Probleme be no hita raha hiverina amin'ilay voalohany.
14. booboo ( 20/06/2013 17:31)
Mitady raharaha koa Miorasitraka izany... manaova projets vaovao e, miroso @ mariage religieux na mivonona hitaiza @ izay araka lazain'i Pisoonja ireo isan'ny projets tsara be.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3134