Mifidy olona ny gasy
1. sitlo
(
10/06/2013 09:59)
Efa nisy gasy nanakiana be an'io teto kanefa toa mbola miverina foana ilay "i anona" fidiana noho "i anona".
Tsy dia hilaza ny antony mahatonga izany aho satria sady kamo no mety tsy ho ampy ny famakafakako. Fa indramiko fotsiny ny nolazain'ilay mpanakiana.
Ny mampandroso ny vazaha dia ny "rafitra" no fidiana fa tsy olo-tokana. Raha ilay olona no fidianao dia mazava ho azy fa izay tian'iny olona iny avy eo no hitranga dia hisy korotana indray dia hitady "olona" indray. Dia eo miodikodina eo.
Fa raha ny "rafitra" no fidiana dia izay olona voafidy dia tsy maintsy manaraka ny rafitra iny ka raha tsy mahatanteraka izy dia azo soloina olona mahatanteraka ilay rafitra.
Ny rafitra akory tsy hoe "ampandroso ny vahoaka" na hoe "satria mahantra ny malagasy". Antony sy tanjona ireny. Fa ny "fomba" anatanterahana azy no ilaina ikaonan-doha sy aseho mivantana hifidianan'ny vahoaka azy.
Tsy hoe, efa "lany vao manazava" amin'ny vahoaka hoe ity ny "MAP" izay "rafitra" ampandrosoana an'i Madagasikara. Na hoe, "esorina aloha dia ho hita eo". Fa mila avoaka ho hitan'ny rehetra eo mihitsy dia avy eo ny olona mifidy.
Raha izay no miseho dia ahatsapa angamba isika fa tsy hisy "rafitra" maro be ahatafavoaka an'i Madagasikara eo. Fa raha misy dia misy dia 5 samy hafa angamba.
Vokatr'izany dia ny kandida 41 raha tena "hampandroso ny vahoaka" araka izay lazainy tokoa no tanjony, dia afaka mifanaraka amin'ireo mitovy "rafitra" aminy fa tsy hiseho hilay manafina ny tetik'asany aloha dia fampanatenana no asesy lany.
rafitra = tetik'asa = plan de developpement

novalian'i 5laody ny 12/06/2013 16:52
2. milamm
(
12/06/2013 01:17)
mazava ny tiany sitlo iaviana ekena ilay drafitr'asa atolotry ny mpilatsaka ho fidiana tokoa no andatsahana vato ho azy ireny ary mpanatanteraka izy ireny ary ny vahoaka no masiteny @ alalany safidin'ireo marobe ifidy ireo antsoina oe mpitarika na filoha
Oh. adidy sy andraikitr'izy ireo no manazava ny fototra iorenany izany drafitra @ alalany mari-tondro (indicateurs) manamarika ny fisian’ny rafitra Demokratika ao anaty Firenena iray) :
1-Masi-mandidy ny Vahoaka (Souveraineté populaire) : ny vahoaka no tompon’ny fahefana fa omena andraikitra fotsiny ny governemanta
2-Ny fanajàna ny lalam-panorenana ( la Constitutionnalité) : izay mamaritra ireo karazana fahefan’ny mpitondra na ny andrim-panjakana misy ary milaza ny fetran’izany fahefana izany, ary milaza ireo karazana fiarovana ho an’ny vahoaka na ny olom-pirenena
3-Ny fisian’ny Fitoviana (Egalité) : Mitovy avokoa ny olona rehetra ao anty fiaraha-monina manoloana ny lalàna
4-Ny fitsipiky ny maro an’isa sy ny fiarovana ny zon’ny vitsy an’isa (Les règles de la majorité et la protection des minorités) Ny maro an’isa no mitondra, na izany aza anefa dia arovana ny zon’ny vitsy an’isa
5-Ny fisian’ny Fahamarinana sy ny tsy fitongilanana (la Justice et l’impartialité): ny fanapahan-kevitra rehetra izay raisin’ny mpitondra dia tokony ho marina sy tsy hitongilana
6-Ny fisian’ny rafitra mpampihatra LALANA izay mahaleo tena (Système judiciaire independent) : Rafitra izay tsy tokony hitongilana ary mahaleo tena fa tsy miankina amin’ny andrim-panjakana hafa
7-Ny fisian’ny Fifanakalozan-kevitra malalaka sy misokatra (echanges d’idées libres et ouverts) : Ahitana ny fahafahana miteny, na maneho hevitra, na mamoaka gazety na ihany koa ny fahafahana mivondrona ao anatina fikambanana
8-Ny fisiana tafika ara-dalàna (contrôle administrative de l’armée) : ireo tompon’andraikitra ao amin’ny tafika moa dia tsy voafidy noho izany dia tokony misy fahefana sivily misahana azy ireo
9-Ny fisiana fifidianana malalaka sy marina (elections libres et transparentes) : Ireo fifidianana rehetra atao dia tokony malalaka, misokatra amin’ireo antoko politika maro misy, amin’ny fotoana voafaritra no anatanterahana azy, tokony ho fifidianana mangarahara ary misokatra
10- Ny fanajàna ny Soatoavina (Valeurs) : misy ny fampianarana na ny fanabezana mikasika ny soatoavina mifandraika amin’ny fifandeferana, ny fifanajana, ny fiaraha-miasa, ny fahasamiha fana, marimaritra iraisana ary ny fanekena ny fahasamihafana
11-Ny fanajàna ny fananana iombonana (Biens communs) Ny fanajàna ireo fananana iombonanana sy ireo izay mahasoa ny rehetra
12-Ary farany saingy tsy ny kely indrindra dia ny fandraisana anjara (na ny Participation) ,ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fiainampirenena

3. 5laody
(
12/06/2013 16:52)
Salama daholo,
Misy olona 41 ary ireo mitady an'ilay asa dia isika malagasy 20.000.000 (tsy ariary) no patron-dry zareo. iray ihany no hahazo an'ilay poste.
raikitra ny fandefasana cv sy ny entretien d'embauche.
apetraho daholo ary ny fanontaniantsika;
ahoana ny planina anaovanao ilay asa?
Efa manana traikefa ve ianao? (ayayayyayayay)
mino ve ianao fa ho vitanao izany?
Tsy ilaozanao hidy amin'ilay tsy nahazo asa iry rehefa eo ianao?
raha misy hitady hividy mora ny taninay dia ahoana?
ahoana hamahana ny olana amin'ny hanoanana, amin'ny fampianarana, amin'ny tsy fisian'asa,
ny ampitomboina ny angovo eto Madagasikara, ny hampandrosoana ny fambolena.
SA misy mieritreritra hoe, akatona any varavarana dia asiana rs kely dia azo dia voaray miasa?