Mitombo ihany ny krizy eto amintsika raha mbola tsy miala izy 3 !!!

1. Mendler ( 03/06/2013 12:28)
Vao mainka isika ho mahantra tanteraka!!Tsy ahazo tombon-tsoa amin'izao ataon'izy 3 izao isika vahoaka hoy i Hajo Andrianainarivelo !
novalian'i sitlo ny 04/06/2013 16:07
2. pisoonja ( 03/06/2013 13:04)
Aza hadino fa i Hajo koa anie ka tao anatiny e , nahoana no miala pa izy @ zao satria ve mahamay de miala , izay le tsy mety @ mpanao politika , samy milomano ao anatiny ao de rhf avy eo mifanaratsy
Rahoviana ihany gasikara vao hiharina , ialan'ny olona otran'izao?
3. ethan156 ( 03/06/2013 13:24)
Tsy hadino ! Lista an'i UA iny fa tsy lista an'ny ONU!! Misy antony matoa izy 3 no insistena iala fa tsy ny 109 ngamb !
4. sitlo ( 03/06/2013 20:59)
Izao izany ilay lazain'ny olona hoe foy tadidy ny malagasy?

Dia izy telo fotsiny tokoa ve no fototry ny olona?

Dia adino sahady ve hoe nisy facteur commun tamin'izy telo ireo fa mody mangina amin'izao?
5. locl ( 04/06/2013 10:54)
Tsy dia hitako loatra izany teny responsabilité olona telo amin'ity tantara ity, fomba entina hamelesana olona iray izay tena atahorana mafy ao dia mody ny telo no tonotononona isan'andro. Maninona moa raha avela amin'izao dia antevenina fotsiny ny fikarakana ny fifidianana mba handeha aminy marina e!
6. pisoonja ( 04/06/2013 11:32)
Tsy any ny olana satria raha avela amin'izao dia tsy hanaiky hiala eo @ fitondrana i rajoelina dia tsy hanome famatsiam-bola ny CI , efa milaza miara-mahita zao isika fa ny GEM tsy handoa tva intsony, ny impots sy ny douanes en greve, inona intsony ny vola hiditra eo , dia mbola hiziriziry ihany ve ireo ol telo ireo ? dia mbola hanaiky an'izany ihany ve ny malagasy ?
aoka samy hieritreritra fa tsy ol 3 no hanimba ny fiainanan'ol 30 tapitrisa koa ahoana no ilazanao fa tsy misy idiran'izy telo
samy tsy vanona reo , inona no noentin'ireo teto ? tsy efa nitondra teto ve ireo ? fahantrana , famonoan'olona , tsy fananana asa , sa koa ianao hilaza fa andraikitry ny isambatan'olona izany ? raha tsy nanongam-panjakana t@ 2002 izay anisan'ny tena nampiroborobo ny zone franche, marina anie fa tsy nanara-dalàna ny zone franche teto e, fa lazaiko aminao fa t@ 2001 , ny fari-piainan'ny mpiasa ny zone franche niakatra satria efa nikarama Ar 200 000 ny farany ambany t@ izany , tonga teto ra8 tsy ny tiko sy magro no nandroso, izay rht nisolelaka taminy teo no nahita mangirana ireo mbola tavela ao @ magro mandrak'androany ireo
niditra koa ny 2009, efa nahantra ny vahoaka vao maika nampahantraina sy nampisehoana ny tsy fahaizana mitantana , noheverina fa otran'ny manao DJ ny mitondra fanjakana,
i ratsiraka ny vono olona mahatsiravina vitany teto koa ahoana no ilazanao fa tsy tompon'andraikitra izy telo ireo,aza avela
7. locl ( 04/06/2013 15:51)
Izaho tsy miteny hoe aza jerena ny fahotana vitany, fa tsarao aminy fitsarana tsy miangatra izy, tamin'izay rehetra tsy nety, raha hatafatsangana fitsarana tsy miangatra ny Malagasy. Antsoina hoy hianao ny Malagasy tsy hanaiky intsony an'izy telo, ka midika ange izany fa misy andraikitry ny tsirairay ao e! Marina aloha fa na fanjakana dia natao hanamora ny ady ataon'ny olona iray isandavanandro aminy fiaianana fa saingy kosa hianao ilay olona tompony fiananana no tompon'anadraikitra voalohany indrindra aminy hahatafavoaka ny fiananao. Ka tsy aleo ve ny Malaagasy antsony hiambina ny kolikoly fifidianana, tsy afaka ny hangalatra eo Rajoelina raha tena mivonona tokoa isika.
8. sitlo ( 04/06/2013 16:07)
Enga anie ka tsy ny malagasy rehetra no hisaina hoe izy 3 no fototry ny olona. Endrika ivelany fotsiny ireo fa na maty radem aza ireo hisy hisolo teorana azy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4154