Sakana goavana ho an'ny fitsidihan'ny ETs antsika :)

21. Nehemiah ( 08/06/2013 14:56)
Zavatra hafa koa : raha tay no tianao lazaina @ hoe "t" dia soraty 1 manontolo fa tsy mihatsaravelatsihy !
22. sitlo ( 08/06/2013 15:07)
Dia aleo avadibadika ny resaka dia amin'izay tsy hitan'ny olona. Fa Andriamanitra isolonao tena ange mahita foana, sa moa miala tsiny any amin'ny mangingina dia vita?

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/W_PRAY%7E1.GIF[/IMG]
23. Nehemiah ( 08/06/2013 15:16)
Ha ! Mody miseho ho mpitsara be ianao, nefa fantatrao tsara fa tsy nanao inona na inona tsy mety aho fa nitoraka ny "4 vérités"-ny t@ tavan'i Miharena mampiasa fika faran'izay tsy mety sy tsy vanona @ adi-heviny, tahaky ny fanaony matetika !

Ianao miseho miantsoantso ny fahamarinan'Andriamanitra hanody amiko nefa arabianao ny fampianaran'ny helo ! Inona moa no azoko lazaina ankoatry ny hoe mahatsikaiky ny fihatsarambelatsihinao ?

Marina fa mivoana ny resaka, fa mankaleo ahy aok'izao ny fikafika ratsinareo mahatonga ny adi-hevitra ho tsy vanona isaky ny mihetsika ! Miseho etoana ny fandavanao an'i Jehovah, ilay Andriamanitra masina indrindra manan-ko lazaina @ fomba fiainanao ! Heverinao fa tsy hanody aminao mihitsy ny teninao tsy vanona indray androany ? Heverinao fa afaka manao an'izay tianao atao ianao ? Heverinao fa tsy maninona ny fanambanimbanianao sy ny esoesonao atorakao isaky ny mihetsika @ lohahevitra "fivavahana, finoana" ? Fantatrao fa tsia !!!

Tsy fantatro ny lolom-po anananao @ finoana kristiana fa aza ny fiainan'olon-kafa no hosoranao tay ! Tsy maintsy manody aminao foana indray androany ilay izy, na raharahianao na tsia, ka ovay ny fiainanao dieny mbola azo atao, ary ario @ zôridira ny ego-nao fa io no fototry ny olanao rehetra !
24. sitlo ( 08/06/2013 15:36)
Aleo aloha io ataoko hoe miseho ho mpitsara be amin'izay aho rehefa miseho ho mpitsara be avy eo dia tsy maninona. hihihi. Raisonnement marivo tototra ka elezin'ny akoho tokan'anaka.
Eo re fa masina be ny kristianina a. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/chucotte-secret-4885.gif[/IMG] Andeha hovonoiko koa ny zapone rehetra dia avy ny olona rehetra tonga any avy eo ataoko kristianina ny 70%, sa moa tsy 70%n'ny amerikanina moa no kristianina?
Dia ahoana nefa no mahazo mifanambany ny pelaka? Tsy maninona izany fa izay ahazoana kil be dia be ihany. Na hameno dinika amin'ny forum amin'ny traduction ana site web aza tsy maninona. Milay eh. Ndeha koa za mba ho kristianina dia afeniko daholo ny ratsy vitako. Isak'alahady aho hibebaka sy hanadio tena.
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/L_08HI%7E1.GIF[/IMG]
25. endriny ( 09/06/2013 04:38)
Sitlo,

raha ho any nareo dia omeo an'ilay mpangataka eo ambavadim-piangonana ny majinika tokony atao rakitra, fa io mbola mety tsy nikaly mihintsy androany
26. sitlo ( 09/06/2013 07:18)
a a a, ireny tsy mila ajaina fa ny ahy mantsy fidifidiko ny olona ajaiko.
27. endriny ( 10/06/2013 04:49)

sitlo:

a a a, ireny tsy mila ajaina fa ny ahy mantsy fidifidiko ny olona ajaiko.


Ny olona fohy fisaianana no tsy mahita ny fahorian'ny hafa, fa dia misaotra amin'ny rohy.

(TGV x Odon)^1000
28. Nehemiah ( 10/06/2013 08:30)
Misy resaka mandeha eo fa Endriny=Sitlo ihany. De toute façon efa nataonareo mazava fa mitovy hevitra ihany Sitlo sy Endriny.

Averiko ihany fa tsy endrika fanetren-tena ny fanambaniana olon-kafa, fa raha maharikoriko anao ny fiainanao dia misy fomba hafa ankoatry ny manambany olona mba te hahasoa ny hafa @ alalan'ny fi-troll ny lohahevitra "fivavahana, finoana", ary ny voalohany @'ireny dia ny miaiky ny tenanao fa mila vonjy @ otanao, raha hitanao ny tiako tenenina.

Izaho ve mampiasa smiley vendrambendrana tahaka anao ? Izaho ve manambany anao ? Tsia, anarako ianao satria mba nitaka-dresaka ahy ianao. Notehafinao kavanana @ takolaka havanana aho, ka atolotro anao ny takolako havia : ompa ny mitehaka @ dos de la main ka "raha nanao ratsy aho dia mijoroa vavolombelona @ ratsy nataoko, fa raha tsy izay dia nahoana ianao no mitehaka ahy ?" Tsy ny maha-"masina be" ahy anie no olana fa ny toetranao e. Ny fanahy ratsy azon'Andriamanitra ovàna.
Eto @'izay dia raha mbola fenofenoinao hoe "mampianatra ny olona ho osa ny finoana kristiana satria hoy ilay izy hoe : 'izay mitehaka anao @ takolaka havanana dia tolory azy koa ny takolaka havia'" dia ho mauvaise foi bevava ny anao satria efa nomeko ny tena dikan'izay eto.

P.S. : f'angaha misy hoe "vonoy ny Zapôney" ny fampianaran'i Kristy ?
29. Nehemiah ( 10/06/2013 08:55)

endriny:


[quote=sitlo]
Ny olona fohy fisaianana no tsy mahita ny fahorian'ny hafa, fa dia misaotra amin'ny rohy.

(TGV x Odon)^1000


Jn. 7:24
30. Nehemiah ( 10/06/2013 08:57)

sitlo:

a a a, ireny tsy mila ajaina fa ny ahy mantsy fidifidiko ny olona ajaiko.

Dixit ilay tompon-dakan'ny tsi-fanajàna olona sy ny fanambaniana ary ny teny mandratra. Bravo.
31. Miharena ( 11/06/2013 02:18)
Amim-panajana namana Nehemiah sy Sitlo no mba andraisako anjara amin'ny lohahevitra atsanganareo eto. Fa ny olana dia rehefa manana izay hevitra tsy laitra akifika izay ny olombelona dia tsy mahatsiaro mihitsy hoe manao izany anie izy na dia ilazàna injato amby arivo aza.

Ohatra iray, nilaza aho teto hoe nisy ny fanadihadiana lalina momba an'i Jesoa sy ny asaNy tamin'ny taona 1800 tany ho any ary niseho IZY nampianatra fa ao anatin'ny olona ny devoly. Dia milaza hatrany ny kristianian ankehitriny fa tsy marina izany. Tsy izaho anefa no nilaza io teny io fa IZY. Mitatitra no anjarako ary maneho hoe io no fanafofy hiadiana amin'ny devoly.

Dia io toetra aseho'nny namana sasany eto io ilay devoly hiadiana. Amiko ilaydevoly dia fiheveran-diso nangonina ela teto amboni'ny tany mampiteraka tsy fifankahazoana maro samihafa.

Ny ET indray dia mazava fa i Jesoa izay tonga niresaka sy naneho tamin'ireo olona nanao fanadihadiana. Ka mampametraka ny fanontaniana amin'ny lohahevitra hoe : angaha heverin'ny namana Nehemiah fa tsy avy any amin'ny nihaviaNY i Jesoa no miresaka amin'ny olmbelona isehoaNY? Amiko ET IZY izany?! DIa izay!
Dia tsy toony hahatezitra izany satria izay tezitra amin'izany dia ny devoliny ihany no asehony..

32. Nehemiah ( 11/06/2013 06:23)

Miharena:

Ohatra iray, nilaza aho teto hoe nisy ny fanadihadiana lalina momba an'i Jesoa sy ny asaNy tamin'ny taona 1800 tany ho any ary niseho IZY nampianatra fa ao anatin'ny olona ny devoly.

Raha tianao ho vanona ny adi-hevitra dia omeo ny rohy na ny référence nahitanao an'izay. Raha tsy izay dia tsy omeko lanja mihitsy izay rehetra arosonao.
Tahaky ny tsy omenao lanja ny teniko ! Raha niteny aho hoe tokony mitandrina @'ireny fahitàna ireny satria mamitaka ny devoly dia tokony mba niezaka ianao hanome lanja ny hevitra arosonao tamiko fa tsy tonga dia mitompo teny fantatra tahak'izao !

Izay no hany takiako ! Adi-hevitra vanona ara-pisainana ary misy fifanajàna ! Raha tsy izay dia aza mi-troll aty !
Miharena:
Ny ET indray dia mazava fa i Jesoa izay tonga niresaka sy naneho tamin'ireo olona nanao fanadihadiana. Ka mampametraka ny fanontaniana amin'ny lohahevitra hoe : angaha heverin'ny namana Nehemiah fa tsy avy any amin'ny nihaviaNY i Jesoa no miresaka amin'ny olmbelona isehoaNY? Amiko ET IZY izany?! DIa izay!
Dia tsy toony hahatezitra izany satria izay tezitra amin'izany dia ny devoliny ihany no asehony..

Dia aminao izany ka tsy ilaina mifanadala !
33. Miharena ( 11/06/2013 06:50)
Miharena,,,
Ohatra iray, nilaza aho teto hoe nisy ny fanadihadiana lalina momba an'i Jesoa sy ny asaNy tamin'ny taona 1800 tany ho any ary niseho IZY nampianatra fa ao anatin'ny olona ny devoly.


Nehemiah:

Raha tianao ho vanona ny adi-hevitra dia omeo ny rohy na ny référence nahitanao an'izay. Raha tsy izay dia tsy omeko lanja mihitsy izay rehetra arosonao.
Tahaky ny tsy omenao lanja ny teniko ! Raha niteny aho hoe tokony mitandrina @'ireny fahitàna ireny satria mamitaka ny devoly dia tokony mba niezaka ianao hanome lanja ny hevitra arosonao tamiko fa tsy tonga dia mitompo teny fantatra tahak'izao !


Atao hoe reference iray ihany aza no omena anao hoe : inona no nitenenan'i Jesoa hoe : Tsy izay miditra amin'ny olona no mahaloto azy fa izay avoakany ?

Raha tianao ny hamantatra irzany boky izany dia "la vie des maitres"
34. Nehemiah ( 11/06/2013 07:54)
Sûr ve ianao fa tsy mirona @ New Age ireny kanefa resaka occultisme tibetana ilay izy ?

Eny e, na izany na tsy izany dia asiako rohy mankany @ lahatsoratra @ Wikipedia eto mba ahafahan'ny mpamaky hanapaka ny heviny momba an'izay.
35. Nehemiah ( 11/06/2013 07:54)
http://fr.wikipedia.org/wiki/La_Vie_des_Maîtres
36. endriny ( 11/06/2013 09:08)
Nga misy indray ny ET e? Olona tsy mpino ho'a ny miresaka an'io... Devoly ireny ET ireny
37. Miharena ( 11/06/2013 18:24)
Aleo aloha angamba faritana ny atao hoe mino namana Endriny.

Ny mahay sianjery Baiboly ve sa inona no tianao iaviana amin'ny hoe mino?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 4.148