Namorona fiainana t@ tontolo hafa ve Andriamanitra ? Raha tsy izay dia maninona no goavam-be tahak'izao izao tontolo izao

21. moustaraf ( 25/05/2013 18:54)
Salama namana,
Ny zavatra hitako eto, dia tsotra:
-fomba fandinihana sy famakiana baiboly araka ny fampianarana nolovaina t@ Grika sy Roamana ka tsy mahagaga raha miaro mafy ny "Suprêmatie"n'ny Romana ny mpamoaka ny hevitra, ary ny référence rehetra sy ny teny ifotorana dia grika avokoa,
-tsara ny manamarika foana fa TSY MAHADIKA, na NODISOINA ny ankamaroan'ireo dikan-teny ireo raha atao ny fampitahana @ baiboly fototra hebreo;
Ohatra mivaingana be izao mitranga eto izao:
-Raha vakiana ny baiboly hebreo @ EZEKIA io dia "Tsy miresaka zava-mananaina izany akory, ary tsy miresaka kodiarana lehibe sns... FA Rouha sy Malarh no ilazany ireo rehetra ireo , izany hoe ANJELY @ teny malagasy"
ka rariny raha lasa mandinika OVNI sy SCoupe volant, sy izao rehetra izao ny mpamaky, ary very @ zavatra tsy izy sy tsy voasoratra akory ny saina sy eritreritra!

-Tsy io ihany, fa toko sy andininy betsaka no NOVAINA entina amitahana ny maro, fantatra fa aza odiana tsy fantatra fa ny Romana no ambadik'izany fanovana rehetra izany!
MAHAREZA DAHOLO
22. moustaraf ( 25/05/2013 19:33)
ERRATA
"EZEKIELA fa tsy EZEKIA"
Misaotra
23. moustaraf ( 26/05/2013 09:39)
Salama namana,
Mba saino kely ange ireto toko sy andininy roa ireto fotsiny, izay milaza zavatra tsy fantatra sy tsy hay ambara akory, ay iniana natao ho tsy ho azo velively izay tian'ny mpanoratra hamabara

2 SAM 22 :11
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny niseho teo @ ela-drivotra Izy
-Version originale hebreo, tsy miresaka "ela-drivotra" na dia kely akory aza; elatry ny rouha (malarh na anjely) no ilazany azy!

SALAMO 104: 3
Ary mametraka y rairain-drihan’ny tranony @ rano, sady manao ny rahona matevina ho kalesiny, ka mandeha @ elatry ny rivotra, ary manao ny rivotra ho irany, ary ny lelafo ho mpanompony!
-Raha io dikan-teny io no raisina (izay avy @ grika) dia "mitaingina rivotra" no dikany,
ka Elohym tsy mitaingina rivotra velively @ fototra hebreo, fa "@ elatry ny kerouv" no andehanany,
-Ary tsy maniraka rivotra izy: fa "malakh" avokoa no dikan'ireo = anjely

ka mitandrema isika @ fandalinana, fa tsy mahadika ny baiboly (antsakany sy andavany) velively ny version grika ary manome dikan-teny hafa mihitsy, "atsimo sy avaratra", fa lasa misavoan-danitra sy tsy hita fototra izay resahina!
Tsy aleo ve ORIGINAL FOANA E!

24. Miharena ( 26/05/2013 15:58)
Ho an'ny namana Nehemiah dia tsy manova ny resaka ET mihitsy ny valinteny satria na io zavamananaina manana fizotra misandrahaka tsy hain'ny fanazavàna ara-pizika hazavaina dia milaza hatrany fa tsy avy teto ambonin'ny tany fa nipoitra avy any ambony tany. NOho izany ET izany izy.

Ho an'ny namana Moustaraf, marina tsy azo lavina ny fisian'ny Anjely nambaranao.Izany dia midika fa ET aloha ireo voary ireo fa tsy avy hatrany dia teto ambonin'ny tany. Ary raha atao hoe mbola tsy nisy ny tany dia azo heverina fa efa teo ireo Anjely voambara rehetra ireo ary nanotrona tamin'ny famoronana izao tontolo izao (hatramin'ny kintana maro sy ny galaksy no tiana ambara fa tsy ny tany ihany).

Ny azo antoka dia tokony tsy ho isan'ny olona hatahotra ny Kristianina na ny Jiosy mino an'i Elohym noho ireo fisehoan'ny ET etsy sy eroa satria anisan'ny Voary toy ny olombelona nohariana avy amin'Andriamanitra ihany izy ireo ka mifanerasera mazava amin'ny olombelona ka nahatonga ny Baiboly mirakitar ny hafany hisy. Ankehitriny dia anisan'ny manana izany serasera izany koa ny mpino mijoro ho vavolombelona maro dia maro eran-tany.

Ny tiana hiaviana dia hoe tsy misy mihitsy trangan-javatra azo tsinontsinoavina eo anatrehan'ny fomba fandraisana azy avy na io Grika no miteny, na io Hebreo no miteny, na io Malagasy tsotra no miteny izay hitany sy fantany, fa misy fifandraisany daholo.
Ary raha hitarina aza dia tranga maro no iainan'ny olombelona tsy manana firehana JIosy na Kristianina, na Silamo fa Boudhiste, Hindouiste sns ...izay azo refesina manana lasitra iray ihany amin'ny tranga misy voatantara ao anaty Baiboly. Izany hoe misy fanazavana azo raisina momba ny fiainam-panahy ao anaty Baiboly azo hazavaina amin'ny fijery Boudhiste, Hindouiste, Silamo, Jiosy sns...
25. Nehemiah ( 27/05/2013 08:41)

moustaraf:

Salama namana,
Ny zavatra hitako eto, dia tsotra:
-fomba fandinihana sy famakiana baiboly araka ny fampianarana nolovaina t@ Grika sy Roamana ka tsy mahagaga raha miaro mafy ny "Suprêmatie"n'ny Romana ny mpamoaka ny hevitra, ary ny référence rehetra sy ny teny ifotorana dia grika avokoa,
-tsara ny manamarika foana fa TSY MAHADIKA, na NODISOINA ny ankamaroan'ireo dikan-teny ireo raha atao ny fampitahana @ baiboly fototra hebreo;
Ohatra mivaingana be izao mitranga eto izao:
-Raha vakiana ny baiboly hebreo @ EZEKIA io dia "Tsy miresaka zava-mananaina izany akory, ary tsy miresaka kodiarana lehibe sns... FA Rouha sy Malarh no ilazany ireo rehetra ireo , izany hoe ANJELY @ teny malagasy"
ka rariny raha lasa mandinika OVNI sy SCoupe volant, sy izao rehetra izao ny mpamaky, ary very @ zavatra tsy izy sy tsy voasoratra akory ny saina sy eritreritra!

-Tsy io ihany, fa toko sy andininy betsaka no NOVAINA entina amitahana ny maro, fantatra fa aza odiana tsy fantatra fa ny Romana no ambadik'izany fanovana rehetra izany!
MAHAREZA DAHOLO

Miantefa @'iza kay izao ? Amiko sa @ Miharena ??? Satria mazava ho azy fa manohitra ny fisian'ny ET ilay lohahevitra !
Fahalalam-pomba ifotony anie ny mamaky ny lohahevitra 1 manontolo mba hahafantarana tsara izay tena tian'ny mpanoratra lazaina izay voa mametraka hafatra.

Fa raha amiko no iantefany, dia tsy ho haiko ny mitanisa ny hadisoana ara-tantara sy ara-tsiansa misy @ hafatrao.
Samy mahafantatra fa ny Testamenta Taloha izay ananantsika ankehitriny dia nodikaina avy t@ lahatsoratra Masôretika, izay hebreo (na dia miampy points-voyelles aza).
Samy mahafantatra koa fa ny Testamenta Vaovao dia nadika avy t@ lahatsoratra t@ taon-jato voalohany ! Mbola manana ny asa soratry ny kristiana voalohany nifanerasera t@ Apôstôly isika, tahakan'i Clément d'Alexandrie na i Polycarpe mpianatr'i Jaona, ary mifandraika tsara @ dikan-teny ankehitriny ilay izy.

Ireny fotsiny dia efa ampy hampirodana ny fampianaran-disonao, ka averiko indray mandeha : mibebaha dieny mbola azo atao.
26. Nehemiah ( 27/05/2013 08:49)

Miharena:

Ho an'ny namana Nehemiah dia tsy manova ny resaka ET mihitsy ny valinteny satria na io zavamananaina manana fizotra misandrahaka tsy hain'ny fanazavàna ara-pizika hazavaina dia milaza hatrany fa tsy avy teto ambonin'ny tany fa nipoitra avy any ambony tany. NOho izany ET izany izy.

Fialàna bala. Sady tsy mitombina @ lafiny lôjika : ET ve dia tsy ho voafehin'ny lalàn'izao tontolo izao ?
Miharena:

Ny azo antoka dia tokony tsy ho isan'ny olona hatahotra ny Kristianina na ny Jiosy mino an'i Elohym noho ireo fisehoan'ny ET etsy sy eroa satria anisan'ny Voary toy ny olombelona nohariana avy amin'Andriamanitra ihany izy ireo ka mifanerasera mazava amin'ny olombelona ka nahatonga ny Baiboly mirakitar ny hafany hisy. Ankehitriny dia anisan'ny manana izany serasera izany koa ny mpino mijoro ho vavolombelona maro dia maro eran-tany.

Ny tiana hiaviana dia hoe tsy misy mihitsy trangan-javatra azo tsinontsinoavina eo anatrehan'ny fomba fandraisana azy avy na io Grika no miteny, na io Hebreo no miteny, na io Malagasy tsotra no miteny izay hitany sy fantany, fa misy fifandraisany daholo.
Ary raha hitarina aza dia tranga maro no iainan'ny olombelona tsy manana firehana JIosy na Kristianina, na Silamo fa Boudhiste, Hindouiste sns ...izay azo refesina manana lasitra iray ihany amin'ny tranga misy voatantara ao anaty Baiboly. Izany hoe misy fanazavana azo raisina momba ny fiainam-panahy ao anaty Baiboly azo hazavaina amin'ny fijery Boudhiste, Hindouiste, Silamo, Jiosy sns...

Izay ny fahavoazan'ny olona rehetra mirona @ New Age : ny expérience no omena fahefàna ambonibony kokoa nohon'ny filazan'Andriamanitra, kanefa efa fantatra fa mitady hamitaka foana ny devoly.

Satria fitaky ny devoly ireny fisehoana ET ireny, tahaky ny fisehoan'ny fées, ny kalanoro, ny ranakandriana, ny angatra,...
27. endriny ( 27/05/2013 10:25)

Nehemiah:

Io filazanao io dia manambara hadisoana ataon'ny olona matetika dia ny mieritreritra fa ny EKAR no nandrafitra ny Baiboly.

Ny atao hoe canon dia lisitry ny bokin'ny Baiboly ; ny fepetra takiana @ boky 1 raha ampidirina @ Baiboly dia :
- tsy maintsy nosoratan'ny mpaminany na Apôstôly
- tsy maintsy milaza ny marina momba an'Andriamanitra
- tsy maintsy asehon'ny zavatra ao anatiny fa avy @ tsindrimandrin'Andriamanitra
- tsy maintsy neken'ny vahoakan'Andriamanitra (izany hoe ny olona mino Azy, fa tsy ny EKAR, hafa izay)

Ny canon'ny Testamenta Taloha dia ny Jiosy rahateo no nanangona azy. Ny an'ny Testamenta Vaovao dia ny kristiana voalohany indray no nanangona azy. "Nanangona" hoy aho fa tsy hoe "nanapaka", satria tsy maintsy azo an-tsaina fa Andriamanitra no nanapaka ny canon, ary ny Fiangonana no niaiky azy ho avy @'Andriamanitra avy eo.

Jereo izao ny 1 Tim. 5:18 fa milaza ny Lk. 10:7 ho Soratra Masina. I Petera koa dia niaiky ny asa soratr'i Paoly ho Soratra Masina (2 Pet. 3:15-17). Kanefa t@ faramparan'ny taon-jato voalohany no nosoratana ireo epistily ireo. Ka tsy nisy idiran'i Constantin hoy aho hoy ny fanangonana ny canon.

Kanefa ny apôkrifa indray dia mitifi-tena. Hevero fotsiny ireo :
1 Mac. 9:27 : "Lalina loatra ny fahoriana nanjo ny Israelita, fa nanomboka teo amin'ny andro tsy nahitana mpaminany teo aminy intsony dia tsy mbola nisy fahoriana toy izany." (avy amiko ny soramandry). Raha tsy nisy mpaminany t@'izany dia midika izany fa tsy avy @'Andriamanitra ny 1 Mac. !
2 Mac. 15:37-19 : "Izany ary ny zava-nitranga momba an'i Nikanora. Nanomboka tamin'izay fotoana izay no nipetraka ho fananan'ny Jiosy i Jerosalema, ka ajanoko eto koa ny fitantarako. Raha tsara sy tomombana ny fandrafetana io tantara io, dia izay rahateo no tanjona nokendreko; raha tsy misy lanjany firy sady tsizarizary kosa ilay izy, dia izay no hany azoko natao. Samy tsy tsara manko ny misotro divay tsy mitampoka na misotro rano fotsiny amin'izao, fa ny divay miharo rano no zava-pisotro tsara sy ahazoam-pahafinaretana; toy izany koa, ny fahaiza-mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny fahazoan'izay mamaky ny lahatsoratra voarafitra. Ka dia ireo teny ireo no ho famaranana." Izany ve dia mba fitenin'olona nahazo tsindrimandry avy @'Andriamanitra ?

Soa dia tokony hametraka lohahevitra 1 manontolo momba ny canon aho ? Ahoana hoy ny namana isany ?


Fa angaha nisy nandainga ilay apostoly no nalana tsy ao anatin'izany canon izany ny tantara mba nosoratan'ny ankamaroan'izy ireo? Sa hoe izay ahazoana kilia no narafitra ho testamenta vaovao?
28. Nehemiah ( 27/05/2013 12:33)
Eny e, ilay izy kosa aloha tena mila fomba fijery kristiana raha tianao ho azo tanteraka, satria finoana no andehanantsika fa tsy fahitàna.

Kanefa mahagaga ahy ihany ny tsy ahafantaranao fa tsy nosoratan'ilay Apôstôly nomena ny anarany ireny asa soratra apôkrifa ireny, izany hoe tsy mba i Tômasy no nanoratra ny Evanjelin'i Tômasy, tsy mba i Petera no nanoratra ny Evanjelin'i Petera, tsy mba i Filipo no nanoratra ny Asan'i Filipo, sns.

Averiko indray mandeha : Andriamanitra no nanapaka ny canon, ary ny Apôstôly dia niaiky ny maha-kanônika ny boky. Tsy tokony ampidirana théorie du complot izao satria tsy mba sarimihetsika avy any Hollywood ity fiainana ity.
29. Miharena ( 27/05/2013 16:03)

Satria fitaky ny devoly ireny fisehoana ET ireny, tahaky ny fisehoan'ny fées, ny kalanoro, ny ranakandriana, ny angatra,...


Ity ihany angamba no hakàna valinteny eto.

Raha toa io no fitsaranao zay lazaiko ary koa milaza hoe resaka New Age no resahako dia diso ihany ianao.

Raha milaza ianao hoe resaka Devoly ireny ET ireny dia izay niseho rehetra tamin'i Elia, Mosesy, Dada Rainisoalambo, Nenilava, Neny Ravelonjanahary, Dadatoa Rakotozandry, Mamavao, Tsaratsara, dia .... ve izany sanatria ? Sao dia lasa mitsaratsara foana isika namana!
30. Nehemiah ( 28/05/2013 06:12)
izaho ihany:

Izay ny fahavoazan'ny olona rehetra mirona @ New Age : ny expérience no omena fahefàna ambonibony kokoa nohon'ny filazan'Andriamanitra, kanefa efa fantatra fa mitady hamitaka foana ny devoly.
31. Nehemiah ( 28/05/2013 06:19)
Raha ny anao ihany no asesisesikao ka tsy asianao fiheverana mihitsy ny ahy dia izaho koa mba afaka milalao an'izay
32. Miharena ( 28/05/2013 09:21)
Tsy any amin'ny resaka lala ilay izy fa eo amin'ny fampiorenam-pinoana namana Nehemiah.

Tsy ny Tenin'Anriamanitra anie no ifampiresahana eto fa eo amin'ny fitrangaNY teo amin'ny fiainan'ny olombelona e!

Raha tena mijery ireny isika dia misy ireo endrika fitrangana ireo izay tsy avy hatrany dia hoe eto ambonin'ny tany avy hatrany ho an'ny olona rehetra fa singanina ny fotoana isehoan'izany ary koa ny olona isehoaNY. IZY koa manoro rahateo hoe misy toerana IZY izay tsy eto amin'izao tontolo eto an-tany izao. Izay no mahatonga ny resaka hoe ET eto.

Ny tendance New Age izany indray dia fantatra hoe rafitra vaovao no voiziny ary mifandray hatrany amin'ny fiavian'i Krity anefa izany. Asa hoe aiza koa moa no tokony hanenjehana azy ireny? Fa ny Kristianina dia isan'ny hitako hoe manohitra azy ireny. Ary ny hitako dia mifandray kokoa amin'ny lalan'olombelona no fomba fanenjehana azy satria mikasika fandikan-dalàna. Toa ny misy teo amin'ny namana ao amin'ny Vahao ny Oloko ihany. Nefa raha misy fifohazana dia noho ny fangaraharàna no miteraka izany satria mivaoka eo daholo ny kilema nafenina rehetra.

Mitovy amin'ny Mpamosavy mamoaka ny secret-ny ihany io rehefa alàna devoly.
33. Nehemiah ( 28/05/2013 12:37)

Miharena:

Tsy ny Tenin'Anriamanitra anie no ifampiresahana eto fa eo amin'ny fitrangaNY teo amin'ny fiainan'ny olombelona e!

Aza mampihomehy eo. Ny tenin'Andriamanitra no dinihina hatr@ voalohany eto. Aza sarahina ny ara-batana sy ny ara-panahy satria tsy mitory an'izay mihitsy ny finoana kristiana.

Miharena:
Raha tena mijery ireny isika dia misy ireo endrika fitrangana ireo izay tsy avy hatrany dia hoe eto ambonin'ny tany avy hatrany ho an'ny olona rehetra fa singanina ny fotoana isehoan'izany ary koa ny olona isehoaNY. IZY koa manoro rahateo hoe misy toerana IZY izay tsy eto amin'izao tontolo eto an-tany izao. Izay no mahatonga ny resaka hoe ET eto.

Mbola ho averiko ihany hatr@ ahazoanao an'ilay izy :


ny expérience no omena fahefàna ambonibony kokoa nohon'ny filazan'Andriamanitra, kanefa efa fantatra fa mitady hamitaka foana ny devoly.


Miharena:
Ny tendance New Age izany indray dia fantatra hoe rafitra vaovao no voiziny ary mifandray hatrany amin'ny fiavian'i Krity anefa izany. Asa hoe aiza koa moa no tokony hanenjehana azy ireny? Fa ny Kristianina dia isan'ny hitako hoe manohitra azy ireny. Ary ny hitako dia mifandray kokoa amin'ny lalan'olombelona no fomba fanenjehana azy satria mikasika fandikan-dalàna. Toa ny misy teo amin'ny namana ao amin'ny Vahao ny Oloko ihany. Nefa raha misy fifohazana dia noho ny fangaraharàna no miteraka izany satria mivaoka eo daholo ny kilema nafenina rehetra.

Mitovy amin'ny Mpamosavy mamoaka ny secret-ny ihany io rehefa alàna devoly.


Mety aminao ity sity ity :

http://www.christiananswersforthenewage.org/
34. Miharena ( 28/05/2013 14:50)
Izay mihitsy anie namana Nehemiah no manahirana amin'ity resaka ity e!

Tsy manana izay fomba fijery anananao mihitsy aho satria ny fomba fijerinao aza anie izany dia tonga dia mihevitra fa New Age aho ohatra e!
Nefa ny marina dia hafa dia hafa mihitsy ny traikefa ara-panahy nombako nahafahana manavaka izay fomba fisainana mandringa eo amin'ny Kristianina maro izay tia mitsaratsara ny namany io. Ary indrindra izay milaza fa manana ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny fandinihina ny Baiboly nefa tsy mahita izay fahamarinana fototra azo enti-mandresy lahatra mazava akory ao.

Nefa tsotra ny marina voambara ao fa izay adihevitra rehetra manodidina azy io dia fahadisoana avokoa satria tsy fahitana ny Fototra iorenany akory.
Anisan'izany ity lohahevitrao ity milaza hoe namorona tontolo hafa ve Jehovah? Mahatsikaiky ilay lohahevitra raha ny marina satria fanontaniana tokony tsy hipetraka akory.

Diniho lalina anie e! fa ao anaty Baiboly ihany ianao dia efa mahita fa fanontaniana adaladala ilay izy.
35. Nehemiah ( 29/05/2013 05:43)
1°) New Age re ianao. Ny ankamaroan'ny mpomba ny New Age, tahaka ahy taloha, dia tsy mahatsiaro ny tenany ho New Age, satria fitambaram-kevitra manjavozavo ihany ilay izy fa tsy fixe. Nefa ao ihany ny éléments iombonany. Ary izay no anaovako hoe filma efa nandeha ireny resaka astral sy annales akashiques asesikao. Nefa moa mbola tsy fahitako marina izany resaka hoe ET avy any Sirius i Jehovah :).

2°) Tia mitsaratsara ? Mampahatsiaro ahy ny Eks. 2:13-14 izany. Afaka mibalabala mandritry ny adin'in100 ianao momba ny "traikefa ara-panahy" anananao, raha voa tsy kristiana ny vontoatiny, tsy hitako izay tokony iraharahiana an'izany.

3°) Ianao mitsara aho ho manao ny tsy mety rehefa milaza fa manana ny fahamarinana avy @ Baiboly, fa inona indray izao 2 poids 2 mesures ataonao ? Ny anao ihany izany no marina ? Ny anao mari-pitsaràna subjectif, fa ny ahy dia miainga avy @ Baiboly ary tsy manandrana mampiteny ny Baiboly ny zavatra tsy teneniny aho.

4°) Ny tena mahatsikaiky dia mitanisa ny Tit. 3:9 ianao nefa odianao fanina ny Gen. 1. 2 poids 2 mesures fanindrempany. Ary nahatsikaritra zavatra 1 aho, ny Kôrana no tanisainao matetitetika kokoa noho ny Baiboly. Na dia ny namana hafa aza nahatsikaritra ny fomba fijerinao "On ira tous au paradis". Ka afaka milaza ny tenanao ho mpandala finoana universelle ianao, zoanao izany, fa raha hanao an'izay ianao dia aza mitonon-tena ho kristiana fa manohitra ny Jn. 14:6 ianao !
36. Miharena ( 30/05/2013 05:53)
Nehemiah:

°) New Age re ianao. Ny ankamaroan'ny mpomba ny New Age, tahaka ahy taloha, dia tsy mahatsiaro ny tenany ho New Age, satria fitambaram-kevitra manjavozavo ihany ilay izy fa tsy fixe. Nefa ao ihany ny éléments iombonany. Ary izay no anaovako hoe filma efa nandeha ireny resaka astral sy annales akashiques asesikao. Nefa moa mbola tsy fahitako marina izany resaka hoe ET avy any Sirius i Jehovah .


Hay ianao teo aloha New Age? Dia hita avokoa izany ny lesoka teo aminareo izay nahatonga izao fomba fiarovana ny maha-Kristianina handringa toy izao fanaonao azy izao. Manjavozavo tokoa fa tsy fixe ny New Age ary mbola tonga eto amin'ny fomba fanoloranao hevitra momba ny fanohanana ny Kristianina.

Nehemiah:

2°) Tia mitsaratsara ? Mampahatsiaro ahy ny Eks. 2:13-14 izany. Afaka mibalabala mandritry ny adin'in100 ianao momba ny "traikefa ara-panahy" anananao, raha voa tsy kristiana ny vontoatiny, tsy hitako izay tokony iraharahiana an'izany.

Izay indrindra no ilazana aminao hoe tsy fantatrao ilay traikefa. Eo ambanimbany angamba azonao jerena ihany hoe inona no vokatr'ilay traikefa

Nehemiah:

3°) Ianao mitsara aho ho manao ny tsy mety rehefa milaza fa manana ny fahamarinana avy @ Baiboly, fa inona indray izao 2 poids 2 mesures ataonao ? Ny anao ihany izany no marina ? Ny anao mari-pitsaràna subjectif, fa ny ahy dia miainga avy @ Baiboly ary tsy manandrana mampiteny ny Baiboly ny zavatra tsy teneniny aho.


Manana ny fahamarinana avy amin'ny Baiboly ianao fa mety ho-pli-vava ilay izy ka nilazako hatrany hoe : Mihevera isika Kristianina fa ataon'ny namana Silamo hoe olon'ny boky. Io koa dia hita avy hatrany eo amin'ny fomba fitondrana fanazavana ny Teny vakiana. Fantatra hatrany ny olona efa lalim-paka ny finoany sy ny olona mbola azo lazaina fa mitsapatsapa.

Nehemiah:

4°) Ny tena mahatsikaiky dia mitanisa ny Tit. 3:9 ianao nefa odianao fanina ny Gen. 1. 2 poids 2 mesures fanindrempany. Ary nahatsikaritra zavatra 1 aho, ny Kôrana no tanisainao matetitetika kokoa noho ny Baiboly. Na dia ny namana hafa aza nahatsikaritra ny fomba fijerinao "On ira tous au paradis". Ka afaka milaza ny tenanao ho mpandala finoana universelle ianao, zoanao izany, fa raha hanao an'izay ianao dia aza mitonon-tena ho kristiana fa manohitra ny Jn. 14:6 ianao


Hita amin'izao fa ny Tit 3:9 izao no olanao. Ny fanazavana ny Gen 1 dia heverinao fa izay fahafantaranao azy no marina fa raha misy miteny aminao fa somary mivilana ny fitondranao ny fanazavanao dia ataonao fa diso avokoa ireny.

Na ny fahazoana ny teny ao amin'ny Jn 14:6 aza anie dia efa anisan'ny mivilana raha izaho no mijery ny fitanisanao azy !

Vakio feno ny Jaona 14 manontolo io rehefa miresaka io ianao satria ny fisalasalàna teo amin'ny Mpianatra no olana teto ka nilazàna ampahibemaso fa tsy niala tamin'ny TENY TOKANA I JESOA dia ny hoe IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY. Dia jereo ny GEN mifanandrify amin'izay teny izay. Ary koa ny hafatra nolazain'i Paoly Apostoly hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko.

Fomba iray tsotra fijery ny hoe: Jn14:6 "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy mankany ami'ny RAY afa-tsy amin'ny alalaKO" ireo.

Io no tanjon'i Kristy fa tsy misy mivoana ary FIXE io. Raha mbola vesaranao fahaverezana sy fiherikerehana etsy sy eroa io dia tototra.
Olombelona FENO Jesoa nilaza io teny io ary anatra mazava ny AZY momba ny fiahiana ny fiainana eto an-tany. Izany hoe fiainana ara-panahy no tiaNY hantitranterina ary tokony hanahaka AZY izay manana AZY. Izay manana hoy aho fa tsy izay manaraka. Ka ianao angamba manaraka AZY fa izaho manana AZY. sanatria tsy rehareha izany fa fanetren-tena aza satria ny ziogaNY anie namana dia ny fanekeny fa nataon'ireo izay milaza ho manan-tsaina ho tsinontsinona IZY e!

Ka izaho tsy miambo ho manampahaizana be mahay mamaky Baiboly sy maneho hevitra maro tahaka anao namana fa tsotra ihany no fahafantarako an'i Jesoa rehefa mamaky io Baiboly io aho. Ary koa raha mamaky ireo fahendrena sy finoana lazain'ny karazana kristianian sasany fa tsy mifandray amin'i Kristy... (izay fahadisoana bevaav amiko satria tsy misy mihitsy izay tsy milaza ani' Jesoa na iza na iza (Boudha, SIlamo, Hindoue sns....) eny na dia ny anganon'ny Ntaolo aza.

37. Nehemiah ( 30/05/2013 08:05)

Miharena:

Hay ianao teo aloha New Age? Dia hita avokoa izany ny lesoka teo aminareo izay nahatonga izao fomba fiarovana ny maha-Kristianina handringa toy izao fanaonao azy izao. Manjavozavo tokoa fa tsy fixe ny New Age ary mbola tonga eto amin'ny fomba fanoloranao hevitra momba ny fanohanana ny Kristianina.

Handringa @ fomba ahoana aloha ? Hazavao. Satria tsy mba hitako izay manjavozavo @ lohahevitra napetrako hatrizay.
Miharena:
Izay indrindra no ilazana aminao hoe tsy fantatrao ilay traikefa. Eo ambanimbany angamba azonao jerena ihany hoe inona no vokatr'ilay traikefa

Nanana traikefa @ asany koa ny mpisoron'i Baala fa i Elia no nanaporofo fa i Jehovah no Andriamanitra fa tsy Baala. Tsy ny traikefanao no manaporofo ny zavatra 14 ho marina na diso.
Miharena:
Manana ny fahamarinana avy amin'ny Baiboly ianao fa mety ho-pli-vava ilay izy ka nilazako hatrany hoe : Mihevera isika Kristianina fa ataon'ny namana Silamo hoe olon'ny boky. Io koa dia hita avy hatrany eo amin'ny fomba fitondrana fanazavana ny Teny vakiana. Fantatra hatrany ny olona efa lalim-paka ny finoany sy ny olona mbola azo lazaina fa mitsapatsapa.

Raha azoko tsara tsy tenin'Andriamanitra ny Baiboly ?

Miharena:
Hita amin'izao fa ny Tit 3:9 izao no olanao.

Tsia tompoko, tsy mba olana amiko ny Tit. 3:9. Tsy misy andinin'ny Baiboly izay olana amiko na iray aza ^_^.
Miharena:
Ny fanazavana ny Gen 1 dia heverinao fa izay fahafantaranao azy no marina fa raha misy miteny aminao fa somary mivilana ny fitondranao ny fanazavanao dia ataonao fa diso avokoa ireny.

Ny anao dia izany foana fa tsy azavainao mihitsy ny maha-"mivilana" azy.
Miharena:
Na ny fahazoana ny teny ao amin'ny Jn 14:6 aza anie dia efa anisan'ny mivilana raha izaho no mijery ny fitanisanao azy !

Kanefa manaraka contexte ary mandray ny zavatra teneniny ara-bakiteny aho. Ka aiza ny mampivilana an'izao ?
Miharena:
Vakio feno ny Jaona 14 manontolo io rehefa miresaka io ianao satria ny fisalasalàna teo amin'ny Mpianatra no olana teto ka nilazàna ampahibemaso fa tsy niala tamin'ny TENY TOKANA I JESOA dia ny hoe IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY. Dia jereo ny GEN mifanandrify amin'izay teny izay. Ary koa ny hafatra nolazain'i Paoly Apostoly hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko.

Fomba iray tsotra fijery ny hoe: Jn14:6 "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy mankany ami'ny RAY afa-tsy amin'ny alalaKO" ireo.

Io no tanjon'i Kristy fa tsy misy mivoana ary FIXE io. Raha mbola vesaranao fahaverezana sy fiherikerehana etsy sy eroa io dia tototra.
Olombelona FENO Jesoa nilaza io teny io ary anatra mazava ny AZY momba ny fiahiana ny fiainana eto an-tany. Izany hoe fiainana ara-panahy no tiaNY hantitranterina ary tokony hanahaka AZY izay manana AZY. Izay manana hoy aho fa tsy izay manaraka. Ka ianao angamba manaraka AZY fa izaho manana AZY. sanatria tsy rehareha izany fa fanetren-tena aza satria ny ziogaNY anie namana dia ny fanekeny fa nataon'ireo izay milaza ho manan-tsaina ho tsinontsinona IZY e!


Ka izaho tsy miambo ho manampahaizana be mahay mamaky Baiboly sy maneho hevitra maro tahaka anao namana fa tsotra ihany no fahafantarako an'i Jesoa rehefa mamaky io Baiboly io aho. Ary koa raha mamaky ireo fahendrena sy finoana lazain'ny karazana kristianian sasany fa tsy mifandray amin'i Kristy... (izay fahadisoana bevaav amiko satria tsy misy mihitsy izay tsy milaza ani' Jesoa na iza na iza (Boudha, SIlamo, Hindoue sns....) eny na dia ny anganon'ny Ntaolo aza.
[/quote]
Ny Silamo dia milaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa.
Ny hindous dia milaza fa illusion izao tontolo izao.
Ny bouddhistes dia milaza fa ny milentika anaty nirvana no tanjona, ary tsy mino an'Andriamanitra personaly.

Afaka ahodikodinao arak'izay itiavanao azy ilay izy, fa tsy finoana kristiana tahaky ny finoan'i Paoly, Petera, Jaona, Polycarpe, Clément d'Alexandrie sy Athanase sy ny kristiana fahagola rehetra ny anao fa finoana heretika mitady hampifangaro ny finoana kristiana @ finoana hafa, ary izay no anaovanao tsimpon'akotry ny mety aminao sy ny tsy mety aminao @ Baiboly, na raha tsy izay dia ahodikodinao ambony ambany ny hevitry ny voalazan'ny Baiboly.

Ka ny hamaranako azy dia tahaky ny nataoko t@ Moustaraf, na dia efa fantatro aza fa mitovy @ mikiakiaka @ tany efitra aza ny manao an'izay : mibebaha.
38. Miharena ( 31/05/2013 02:02)
Lk 10: 21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.

Averiko eto ity teny ity.

Ary aza mitady famantarana ianao ary aza mihevitra mihitsy hoe tsy voaray ny teninao hoe mibebaha. Fa ny fampibebahana tianao hiaviana dia tsara avoiboitranao tsara kokoa.

Milaza mahay ireo antokom-pinoana hafa ireo moa ianao ary mametraka famintinana izay tsy ao anatin'ny fijeriko azy satria toy ny olona mbola tsy nahavaky lalina toa ahy momba ny fifandraisan'ireo foto-pinoana ireo sy i Jesoa ka tsy omen-tsiny raha mitsara toy izany. Mety hisokatra ihany ny masom-panahinao rehefa mandeha eny ny resatsika ary izany no mahafinaritra aminao namana Nehemiah fa tsy mba isan'ny milavo lefona. Fa ny olana fotsiny dia raha mandrangaranga ilay lefona efa maranitra be tsy azo domboin'ny hafa iny ianao dia tsy hahita mihitsy hoe tsy lefona tena izy anie no entinao e! Miresaka ilay FIXE isika eto. Raha tsy hitanao ny FIXE manerana izao rehetra izao dia mbola mivilavila ianao ary hitsara ny namanao.
39. Nehemiah ( 31/05/2013 07:42)
Efa nandefa an'izay andininy izay aho tany ambadika tany fa averiko aty :
1 Kor. 13:11 : "Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana."
Miantso antsika ho zaza @ lafin'ny finoana ny Baiboly fa tsy @ lafin'ny saina.
40. mirananirina ( 31/05/2013 16:30)
Lava loatra ka :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079