Fa nahoana isika no tsy tia ny tenintsika?

1. endriny ( 21/05/2013 17:32)
Sa ve raha tsy izany tsy atao hoe avarapi... na ambony aoka leiretsy e... Any izay Dada Rado
novalian'i 5laody ny 27/09/2013 15:07
2. hery ( 21/05/2013 18:23)
Tsy haiko hoe iza no tianao lazaina amin'ilay hoe "isika" eto... fa izaho aloha tsy ao anatin'io. Ary betsaka ihany ny Malagasy no tia ny teny malagasy na dia hoe sarotsarotra aza, ary miezaka mafy ny ankamaroany.

Angamba lazaina hoe betsaka no sahirana mampiasa ary mila ezaka be be kokoa ny fampiasana sy fianarana teny malagasy fa ny hoe tsy tia teniny ny Malagasy :-)

Sa ianao tsy tia?
3. jobiely ( 22/05/2013 11:48)

hery:

na dia hoe sarotsarotra aza, ary miezaka mafy ny ankamaroany.

betsaka no sahirana mampiasa ary mila ezaka be be kokoa ny fampiasana sy fianarana teny malagasy

Sarotra an???, sahirana mampiasa azy ???, amiko an, raha tena gasy ray gasy reny tokony tsy ho sarotra mihitsy ny miteny gasy na kely ôtran sila hoho aza, ary tsy tokony ho sahirana akory aza fa tonga dia misosa ho azy ôtran rano ny fitenenana teny gasy, tsy mila ezaka akory na dia kely monja aza ny fampiasana azy satria io mihitsy no teny lazaina isaky zé mivoka @ vava. Na dia zazakely vo 1 taona ary d' efa mahay miteny gasy ko sarotra aôn? sahirana aôn? miezaka mampiasa aôna ??? . Amiko aloha raha gasy 100 % no tsy mahay miteny malagasy dia mandainga e, na be zesta fotsiny dia mody hoe tsy mahay.
4. 5laody ( 22/05/2013 12:35)
Sali dôly,

Tswe ts fanajan kory n anratak ôtrzaw fa ty ften b pten njinj ty no tena manimb ny ften retr eto an-tany.

Soa ihany fa tsy noferan-dRahery litera 120 ny firesahana eto no tsy handoavam-bola ny maneho hevitra fa lasa ohatran'io daholo ny hafatra mipetraka.

Fa nahoana isika no tsy tia ny tenintsika?

Ny olona eto kosa angamba mba miezaka daholo mampiasa teny malagasy fa mety tsy hahazo ny valiny tadiavinao ianao.

Ny matetika tsy ampiasan'ny olona azy io any an-toeram-piasana na eny amin'ny fiarahamonina angamba dia misy voambolana teknika sarotra adika ( jereo ny hatevin'ny boky voambolana malagasy sy ny teny frantsay na anglisy)

na koa misy olona tsy mahazo teny gasy miresaka aminy.

Antony hafa koa amin'ny alalan'ny ohatra: nisy mpianamana roa niara nanao basikety taminay taloha avy any Mahajanga ny iray dia ny iray ary avy any Antsiranana ny iray; dia teny frantsay no mety kokoa ifanakalozan-dry zareo.
5. endriny ( 22/05/2013 13:16)
Ilay isika teneniko eto izany tsy hoe izaho sy ianao fa ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Lazaina fa tsy mampahay zaza ny fampianarana amin'ny tenigasy... Asa anga... Dia naverina teny frantsay indray ny fampianarana, dia nofohanana ny fiodinana faharoa amin'ny bac malagasy...

Dia tsy afaka mifampiresaka ny Tandroy sy ny Tavaratra satria tsy mba nisy taona 5 akory na 2 mba nianarana tanteraka ny tenigasy tany ampianarana, ao anatin'io ny tenimparitra. Dia aleo misonanika amin'ny tenibaiko.

Ohatran'ny fanomezana tombony ny olom-bitsy ny politikam-pampianarana misy... Sady tsy mila mianatra koa moa dia lasa filoha angamba ka?
6. 5laody ( 22/05/2013 14:56)
Mankarary maso sy mankarary andoha ny mahita sy maheno ilay voambolana hoe: "teny baiko".

7. jobiely ( 23/05/2013 08:14)

endriny:

Ilay isika teneniko eto izany tsy hoe izaho sy ianao fa ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Lazaina fa tsy mampahay zaza ny fampianarana amin'ny tenigasy... Asa anga... Dia naverina teny frantsay indray ny fampianarana, dia nofohanana ny fiodinana faharoa amin'ny bac malagasy...

Dia tsy afaka mifampiresaka ny Tandroy sy ny Tavaratra satria tsy mba nisy taona 5 akory na 2 mba nianarana tanteraka ny tenigasy tany ampianarana, ao anatin'io ny tenimparitra. Dia aleo misonanika amin'ny tenibaiko.

Ohatran'ny fanomezana tombony ny olom-bitsy ny politikam-pampianarana misy... Sady tsy mila mianatra koa moa dia lasa filoha angamba ka?

Ny fampianarana kosa aloha dia tsara raha atao @ teny frantsay na teny anglisy e, ireo nge no teny be mpampiasa eran- tany e, raha hifampiraharaha @ olona any ivelany isika, angamba ataoko fa tsy misy miteny malagasy ny vazaha, dia eo vao sahirana hitady mpandika teny raha misy vazaha mahay mandika teny gasy ko, lol!!!, fa aleo ny an' i Rado no raisina e " ANDRIANIKO NY TENIKO, NY AN' NY HAFA KOA FEHEZIKO"
8. endriny ( 24/05/2013 03:41)
Ireo firenena tsy mampiasa ny teniny ho enti-mampianatra dia ireo tsy afaka mihintsy amin'ny fampandrosoana ny taniny ankehitriny, saingy tsy milaza akory izany hoe aza ampianarina teny anglisy na teny frantsay ny ankizy.

Ny teny be mpampiasa indrindra aloha dia ny teny anglisy, teny sinoa, teny arabo... Any amin'ny faraparany any vao ny teny frantsay... Fa raha ny firenena terena hiditra francophone indray dia betsaka...
9. jobiely ( 24/05/2013 06:23)
Raha izaho manokana aloha dia tena tia ny tenitsika e, ary tsy miteny vahiny mihitsy aho @ andavanandro raha tsy hoe miresaka @ vazaha angaha
10. endriny ( 31/05/2013 04:56)

jobiely:

Raha izaho manokana aloha dia tena tia ny tenitsika e, ary tsy miteny vahiny mihitsy aho @ andavanandro raha tsy hoe miresaka @ vazaha angaha

TSara fa tohizo, aza avela ho very ohatran'ny fahefan-dRa8 ny anananao hoy ilay mpananihany namorona ohabolana
11. Alfantomas ( 21/06/2013 16:15)
Ny mahatonga izany dia vokatry ny fanjanahantsaina sy ny fampianarana nolovaina avy tamin'ny frantsay. Nofantsihany tao an-tsain'ny zana-tany mantsy ny fanambaniana ny sivilizasion'izy ireo fa kosa hanamboniana ny sivilizasiona tandrefana. Nanomboka nahazo vahana izany hany ka maro ny mihevitra fa TSY OLO-MANDROSO RAHA TSY MITENY NY FITENIM-BAZAHA.Tsara ny mahafehy ny tenin'ny hafa saingy ny fahaizana izany tsy hanariana ny tenin-dreny
12. Alfantomas ( 21/06/2013 16:17)

13. sampnamana ( 10/07/2013 19:01)
ntena ts fantantsika malagasy koa fa io teny vahiny (frantsay) io no anisany ntena mampahantra ny firenentsika satria :
* any antsekoly : 5/40 ny mpianatra malagasy ra b indrindr no mitaky ny anazavana ny lesona @teny frantsay > sarotra @tsika ny mahazo hevitra @teny vahiny nony teny malagasy > lasa fangalana diploma fotsiny sisa lé fampianarana eto Dago fa ts FAHAIZANA intsony.
** eo @sehatry ny asa @zay : 10/100 ihany ra b indrindra ireo nvôka t@ fenarana no mahita asa satria lé tany antsekoly tsénjery b fotsn fa tsis azo kory (ny mampiatra azy) - ra mandinika koa isika d misy ireo olona b diplôma ts maita asa anisany ireo antony ny fangatahan ireo oronasa ny fahaizana teny frantsay (mb ertrereto angé ohatr hoe @teny gasy fotsiny no anaovana entretien é, ts lasa mora v?) hany k lasa miezak ndray ireo ray amandreny ampianatra ny zananay teny frantsay na defa ita aza fa tsampy tsony ny oetimanana iatreana ny fiainana

RA TENA T ANDROSO ISIKA TSALEO V NY MARO ANISA SY NY MADINIK NO OMENA VAHANA VOALOHANY EO @FANDROSOANA TOY IZAY IREO MALAGASY MSEO MAHAY NY TENY VAHINY IZAY VITSY ANISA ETO DAGO!!!
14. Rnrs ( 27/09/2013 13:07)
"Indrisy, f'eto antanindrazako aho kanefa, tenin'olon-kafa no takiana mba ho haiko vao mahazo anjara asa ..." Mampalahelo ange zany ry Malagasy havako e! Malagasy aho no eto @ taniko nefa terena hahay ny tenin'ny hafa firenena vao mba mahazo ny anjara asa fivelomako!!! aiz ianao ry Taniko???
15. 5laody ( 27/09/2013 15:07)

Rnrs:

"Indrisy, f'eto antanindrazako aho kanefa, tenin'olon-kafa no takiana mba ho haiko vao mahazo anjara asa ..." Mampalahelo ange zany ry Malagasy havako e! Malagasy aho no eto @ taniko nefa terena hahay ny tenin'ny hafa firenena vao mba mahazo ny anjara asa fivelomako!!! aiz ianao ry Taniko???

Anjarantsika izany ny mampandroso ilay tany sy ilay teny. Tadidio roapolo taona lasa izay raha nisy hiraharaha izay teny sinoa izany (izay isan'ny teny sarotra ianarana tokoa). Amin'izao fotoana izao feno ny lakilasy, Maro no tara fisoratana anarana nefa ny toerana voafetra.

Ny tanjontsika hiteny Malagasy izao tontolo izao.
Mila hay ihany anefa ny tenin'ny hafa ampianarantsika azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1212