Torohevitra

1. 5laody ( 16/05/2013 07:19)
hanatsarana soupe chinoise

Salama daholo,

Anisan'ny mora vidiana sy karakaraina vetivety ny soupe chinoise amin'ny sachet ireny,
ny tsininy nefa dia tsy fantatra izay fangaron'ilay sachet kely anampohana azy iny, misy vetsin,
huile de palme, indraindray teny sinoa ny eo ka dia ilay sary fotsiny no jerena e!

Rehefa mba te hanova tsiro na tsy matoky loatra ny ao anatiny aho dia mitondra legumes kely efa voatetika avy any an-trano (poireau, karaoty,tongolo), miara masahina amin'ilay pate ao ireo indraindray asiana atody, tsy adino ny sira sy poivre kely.

Inona no recette-nareo rehefa mba te hihinana zavatra mafana any amin'ny toeram-piasana? (lafo ny resto isan'andro)


novalian'i ora ny 24/06/2014 09:08
2. hadji ( 17/05/2013 11:04)
the mafana sy brioche dia efa milamina
3. jobiely ( 22/05/2013 11:55)
nenà pate sy ilay sôsy ao anatiny iny, ampina atody 1 tonga dia kapohina ao anatiny ao, dia vita. Sady matsiro an, fa iz kosa aloha tsy mahavoky e, fa ôtran hoe gouter.
4. moi ( 27/05/2013 08:22)
Misy chauffage azo batabataina ireny ato, dia ataoko eo am-potony ny fitondrako sakafo, fa voatahiry ny hafanana.
Raha nouilles dia roa sachets no ration-ko vao ampy ahy, 20mn eo ny fandomana azy amin'ny rano mangotraka tam bouilloire! ny ahy aloha salone no préféré-ko e, tsisy teny sinoa fa mazava ny fangarony. ny seedap lafo kokoa fa angamba ny tsara indrindra ! mijery ingrédient za fa ny sasany tokoa feno an'ireny simika Exxx tsy fantatra ireny.
Mety koa ny mividy ireny lasopy eny amin'ny mpivarotra composé ireny, araraka ao anatin'ny sakafonao dia azo ny hafanana.
5. bichette ( 08/07/2013 13:55)
Ny vetsin aloha dia tena ratsy ho an'ny fahasalamana e ! raha azo atao, aleo tsy mampiasa ilay sachet kely amin'ny lasopy ireny satria chimique be mihtisy ireny no tena feno Exxx araky ny tenin'i moi io ambony io !
6. ora ( 24/06/2014 09:08)
tandremo ihany anefa fa na dia azo lazaina aza hoe verivety dia vita ireny sakafo ireny dia manimba ny fahasalamana ihany koa indrindra amin'ireo karazana fangaro simika ao aminy an, aleo ihany mba mitazona ilay fahasalamana ho tsara toa izay mandany vola mividy fanafody matetika e, sa tsy izany, vidiana lafo ange izao ny fahasalamana eeeeeeee ka sao tsy ho arakin'ny fahefa-mividy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9999