Te hiteraka maro aho fa misy hifandraisany ve?

1. manoasoa ( 30/04/2013 12:49)
Miarahaba antsika rehetra,mila valiny avy aminareo ny tenako mikasika ny hoe: Mampitombo ny toe-karena ve ny fahabetsahan'ny mponina eo @ firenena iray?
Tsy izany mantsy fa anisany firenena be mponina indrindra sy mandroso indrindra i Chine- Inde -Amerika.
novalian'i hadji ny 16/05/2013 05:14
2. Nehemiah ( 30/04/2013 13:07)
Tsy ota ny tsy miteraka zaza, fa raha ny momba ny firenena 1 dia tsy azo odiana fanina ny Gen. 1:27-28
3. hery ( 30/04/2013 14:55)
Ary i Frantsa, sy ireo firenena hafa aty Eoropa izay tsy niteraka maro nefa mandroso?

Amiko dia tsy antoka mampandroso irery (en soi) ny hamaroan'ny mponina. Miankina indrindra amin'ny fahavitrihan'ireo olona ireo koa fa raha tsy izany dia vava vokisana fotsiny sisa dia vao maika ho olana be.

Tsara tokoa ny miteraka maro saingy mila ampy fivelomana sy afaka mifanampy hifamelona rehefa avy eo. Sady mety ho an'ny fianakaviana tsirairay izany no mety ho an'ny firenena rahateo.
4. Nehemiah ( 30/04/2013 15:08)
Marihiko kosa fa raha ny France izao dia miha-antitra ny vahoaka nohon'ny havitsin'ny fiterahana ka zary mihakely ny population active (izany hoe ny manam-pahaizana, ny mpiasa, ny mpandraharaha,...)
5. manoasoa ( 02/05/2013 06:25)

hery:

Ary i Frantsa, sy ireo firenena hafa aty Eoropa izay tsy niteraka maro nefa mandroso?

Amiko dia tsy antoka mampandroso irery (en soi) ny hamaroan'ny mponina. Miankina indrindra amin'ny fahavitrihan'ireo olona ireo koa fa raha tsy izany dia vava vokisana fotsiny sisa dia vao maika ho olana be.

Tsara tokoa ny miteraka maro saingy mila ampy fivelomana sy afaka mifanampy hifamelona rehefa avy eo. Sady mety ho an'ny fianakaviana tsirairay izany no mety ho an'ny firenena rahateo.


Ny firenena europeen koa ary mbola ao antiny firenena be olona indrindra koa! Jereo ny classement firenena be olona indrindra!
6. hery ( 02/05/2013 13:04)
Fa toa miankina amin'ny toetsaina ihany nefa wa. Raha be tsy haninona toa hitako hoe fopla.
Sa ve efa natoraly ilay hoe rehefa betsaka ny mponina, na dia mahantra aza, dia tsy maintsy mitsikaraka dia lasa manankarena ihany ny firenena? Izany tokoa mantsy no ao Inde. Manankarena ilay firenena kanefa mahantra ny ankamaroan'ny mponina be loatra.
7. hadji ( 16/05/2013 05:14)
manapaka ressort-ny firenena ny be olona indrindra raha mpamily vendrana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1625