Rien ne va plus

1. randria67 ( 29/04/2013 05:04)
Dia mahamenatra tokoa ny zava misy eto @ firenena,fa toy ny casting pas a pas ny filatsahana ho filohampirenena !
Aoka izao dia ho tony ny Malagasy fa tsy ho raikitra io fifidianana io fahIhemotra, tsy ho tanteraka @ izao conditionizao io raha tsy izany dia ho gidragidra no hiseho eto satria hiady ireo candidats ireo .
Hiverina@ FFKM ihany ihanyno famahanany olana
novalian'i bazylou ny 01/05/2013 21:55
2. nilex ( 29/04/2013 05:55)
ka ilay ffkm koa toa mahalasa saina ihany satria toa baikon'i Rajoelina i RAZANAKOLONA.
Misy tetika hanemorana ny fifidianana ao ka hametrahana ilay hoe ny solombavambahoaka no tokony handeha aloha.
3. randria67 ( 29/04/2013 09:25)
Transition tsy hidiran'ny mouvance intsony io ary fohy kely, met ho 6 mois raha lava indrindra . Amiko ny zava dehibe dia ny tsy hisin'ny ra mandriaka eto Madagasikara syny adim-poko, mioa ahy ianareo fatsy hisy fifidianana vanona izany eo. Satria smy te ho tompony ary tsy hisy handefitra na hanaiky résultat .
Ka tsy aleo ve miroso amn'io FFKM io sa hidiran'ny vazaha afrikana sy frantsay eto dia MALI2 isika ?
4. nilex ( 29/04/2013 12:15)
Mety ho azo raisina tokoa nge io ataon'ny ffkm io hoy aho fa misy mahalasa saina kely fotsiny.Naninona hatramin'izay tsy natao io fa efa misy zavatra tapaka toy izao izay vao atao.Teo aloha mantsy dia mbola i Ptr Lala RASENDRAHASINA no filoha fa vao aingana no nivadika an'i Ev Odon RAZANAKOLONA izay tena akaiky ny filohan'ny fat.Eo no mahalasa saina hoe toa mifampirisika izany izy roalahy ireo mba hampihembotra ny fifidianana satria ny filohan'ny fat tsy mazoto amin'io an,ny azy ny fifidianana solombavambaoaka no mahamay azy.
Ka raha izay no antony dia tsy dia ilaina loatra ny hanemorana ny fifidianana.
Fa kosa raha hanamboarana ny rafitra misy eto no atao amin'ilay tetezamita vavoa dia mety ho azo ekena ihany.Tsy azo antoka mantsy izao ny hisinan'ny fifidianana tsy mitanila satria dia olon'ny hat daholo ny mipetraka amin'ireo ambaratongam-pitondrana rehetra any ambony ka hatrany amin'ny fokontany ka sarotra no hino fa tena hangarahara tokoa ny fifidianana.Izao ary ry zalahy efa mangalatra depart be amin'ny alalan'Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHA izay misolotena ny filohan'ny fat hono amin'ny fitokanana foto-drafitrasa
satria candit an'ny tgv hono.Izany ve dia ho mety nefa ny fampielezankevitra tsy manomboka dia ny ben'ny tananan'Antananarivo ve no hitokana ny zava-panjakana any avaratra.Raha ny lalàna dia efa voasazy izany nefa tsy misy miteny satria ny tompon'andraikitra rehetra dia an'ny tgv avokoa ka manao izay tiany hatao ry zareo.
5. 5laody ( 29/04/2013 18:12)
Salama daholo,

Hampihena ny isan'ny kandida ve ny hanohizana tetezamita vaovao indray?
6. nilex ( 30/04/2013 09:33)
ny candidat betsaka tsy olana amiko loatra fa ny ahy dia hoe:ahoana no ahazoana manatanteraka fifidianana tsy mitanila sy madio ary mangarahara mba hialana amin'ny korontana foana satria rehefa tsy tena lanim-bahoaka marina ilay olona dia tsy heteza eo.Ka raha misy antony tsara toy izany moa no tsy maintsy hanemorana ny fifidianana maninona fa tsy kajikajy hafa indray.
7. pulm ( 30/04/2013 10:24)
Amiko raha mety dia atao ny fifidianana ka ny olona andrenivohitra ihany no atao mifidy, fa ny any ambanivohitra aie tambazanzala vola kely sy tisorta kely dia roboka mifidy an'iny nefa tsy mba mahafantatra akory ny tena zavamisy aty, isika eto @ville(ohatra) no tena mahalala ny ativilanin'ny politika sy ny mombamomba an'ireo kandida ireo! ny zavatra itako kely manko dia ny any ambanivohitra no tena angalaran'zala ny vatompifidianana sy anovany ny vokatra, isika eto no tena mahita tsara, de amzay ry zalahy tsy mangalatra intsony,
sosokevitra a!
8. bazylou ( 01/05/2013 21:55)

faites vos jeux , rien ne va plus


beuuurrrk
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2939