Te hiaraka hidera an'Andriamanitra tsy misy fepetra miaraka aminay ve ianao?

1. Miramihaja ( 19/04/2013 09:10)
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo izahay. Mitady olona izahay hiara-manompo amin'ny fiderana an'Andriamanitra :
- Mety ianao Manana fanomezam-pahasoavana hihira fideràna
- na koa Manana fanomezam-pahasoavana mitendry zava-maneno
- na koa Manana fanomezam-pahasoavana midera tsy amin'ny feo na fitendrena fa amin'ny talenta hafa
Andao hiaraka aminay groupe de louange hoe "Louange Sans Frontière" fa mila ny feonao manga ny Tompo haneho fiderana Azy, mila ny talentanao mitendry Izy hanome voninahitra Azy, mila ny talentanao hafa ihany koa Izy hiara-hidera aminay, ary na tsy manan-talenta aza ianao dia antsoinay ihany koa hiaraka aminay.
Aza miertitreritra trano fivavahana fa tsy manavaka izany isika satria tsy misy "frontière" ny zavatra ataontsika.
Raha mahasarika anao izany dia manoratra sms tsotra aty aminay ka soratra toa izao "fiderana + (prénom)" ary alefao amin'ny laharan-finday 034 90 861 38 fa hantsoina ianao amin'izay mety ho fandaminana rehetra. Na koa manoràta mail amin'ny lsf.mada@yahoo.fr
Aza matahotra fa haraho am-bavaka ny zavatra ataonao rehetra. Aza manaiky koa ampitahorin'ny olona fa ny fiderana izay ho ataontsika dia ho an'i Jesosy Kristy Tompo avy any Nazareta, Ilay Zanaka lahitokan'Andriamanitra, Mpanjakan'ny mpanjaka, tonga nofo ka velona nonina teto amintsika ary nandatsaka ny ràny ho famonjena ho anay sy ho anao
Dia mirary ny fiadanan'ny Tompo ho anareo tia fiderana rehetra.
An'ny Tompo irery ny voninahitra
2. smileyah ( 19/04/2013 12:54)
Le izy ve fiderana misy vidim-pidirana rehefa avy eo sa maimaimpoana?
3. Miramihaja ( 23/04/2013 06:39)
Tsy misy fidiram-bola fa tena "fiderana" hatao maimaimpoana anaty fiangonana samihafa sy toerana maro hiantsoan'ny olona ny "louange"
4. moi ( 10/05/2013 11:32)
efa nisy ve ianareo fa hanitatra sa tena vao hatsangana ? efa manana fitaovana zany ? ahoana ny disponibilité takiana ?
5. Miramihaja ( 08/08/2013 12:59)
Tena miala tsiny be mihitsy raha izao vao afaka namaly anao. Efa misy izahay fa manitatra koa. Efa misy fitaovana. Ny disponibilité takiana dia fivoriana hiarahana 1 fois isam-bolana hanaovana ny dinika, répetition ary vavaka alohan'ny fotoana. Fa raha ny tena marina dia olona manam-potoana ho an'Andriamanitra isan'andro no sitrakay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627