kristianina sa Malagasy

1. bazylou ( 11/04/2013 06:48)
ianareo ?
novalian'i sitlo ny 12/04/2013 16:59
2. Nehemiah ( 11/04/2013 07:21)
T@ oviana koa no nifanilika izy 2 ?
3. bor2lais ( 11/04/2013 07:35)
Ny fanontaniana tsara apetraka angamba dia ny hoe :
"Kristiana Malagasy" sa "Malagasy Kristiana" ?
Izany hoe, inona no mandeha aloha amintsika : ny maha-Kristiana sa ny maha-Malagasy ? :-)
4. Nehemiah ( 11/04/2013 07:49)
Raha ny Fil. 3:20 aloha dia ny zom-pirenen'ny Jerosalema Vaovao no tonga aloha.
5. sitlo ( 11/04/2013 09:50)
Filipianina ve ny gasy?
6. Nehemiah ( 11/04/2013 12:24)
Lol
7. bor2lais ( 11/04/2013 13:05)
Mba mazoto mifanasa (tongotra) koa ange ianareo izany e ! :-)
8. Nehemiah ( 11/04/2013 13:15)
Miaiky aho fa fifanasàna vangy no betsaka, fa ataoko izay tratry ny aiko mba tsy ho latsaka foana ny ran'ny martiora malagasy t@ andron'i Ranavalona I
9. sitlo ( 11/04/2013 17:23)
Ireo natao tohatra nentina nanjanaka an'i Madagasikara.

Mitovy amin'ireo mpivavaka teny amin'ny 13 mai nentina nankeny Ambohitsorohitra ihany.
10. toriteny ( 12/04/2013 02:24)
Fa tsy azoko hoa hoe inona no tena hataon'i sitlo eto amin'ito forum finoana ito é. Maninona tsy any amin'ny "resa-behivavy" na any amin'ny politika fa maninona no eto amin'ny finoana sy fivavahana? Afaka mba teneninao ve? Ianao toa tsy mino, tsy mitady ny hino sy ho vonjena koa kanefa miditra amin'ny post rehetra, mandany andro sy fotoana sy connexion mihitsy aza. Fa inona ny antony? Ankoatran'ny hahatanteraka ny mat5:10 mazava ho azy. FA sao dia afaka manampy anao ihany manko izahay eto amin'ny forum eto fa mampalahelo be raha ataon'ny satana kilalao hanenjehina kristianina ianao ka ho lasa zezika fotsiny araka ny teninao rehefa miala eto. Satria tsy haiko ny olona sasany eto aloha fa raha izaho manokana tsy ho voaresinao lahatra hiverindalana intsony na inona na inona teneninao mikasika ny fivavahana kristianina sy an'i Jesosy.

Izany akory tsy midika hoe aza maneho hevitra fa malalaka ny fidirana amin'itony forum itony ary vao maika aza mampitombo be ilay misy manenjika fa ilay antony hidiranao eto mihitsy no tiako ho fantatra.
11. Miharena ( 12/04/2013 03:36)
Sadasada no valiny.

Sady tsy Malagasy intsony no tsy Kristianina.

Azavaina ny hevitra ; tsy mahafehy ny atao hoe Kristianina no sady tsy mahafehy ny atao hoe Malagasy. Izany hoe tsy mahafehy ny ara-panahy.
Mila mifoha izay vao azo lazaina hoe manam-panahy fa firy moa no mifoha?
12. Nehemiah ( 12/04/2013 05:34)
Sitlo >> Caricatural
13. sitlo ( 12/04/2013 16:59)
Esy eh y eh

Na faniriako aza ny hamaly ny fanontanian'i toriteny dia tsapako fa fahavinirana no tena marina ka aleoko tsia. Tsy omeko tsiny anefa fa satria izy miresaka amin'i Jesosy mivantana. :))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6767