Inona marina no atao hoe mpivady e?

1. anjali ( 09/04/2013 13:32)
Tato @ serasera dia nahitako fomba fifandraisan'olon-droa izay atao hoe mpivady. Raha jerena ety ivelany dia toa mpivady ihany, nefa rehefa alalinina toa ohatra ny sarintsariny. Ny mahatonga ahy hiteny izany dia ohatra ny tsy misy firaisana tanteraka ireo olon-droa lazaina fa miray ttano ireo. Ka mahatonga ahy hametra-panontaniana hoe inona marina ry zareo no atao hoe mpivady? Sao dia ilay famaritana mihitsy no tsy mazava @ sasany ka mahatonga ny olana ao an-tokantrano izay tokony tsy hipetraka akory.
2. hery ( 09/04/2013 13:42)
Misy fiteny malagasy hoe ny tokatrano tsy ahahaka. Ka sao dia mba izay tian'izy ireo haseho anao ihany no hitanao? Tsy fantatra mantsy ny tena fifandraisan'ny olona rehefa tena any amin'ny mangingina any izy. Noho izany tsy azo hitsarana ny olona mihitsy ny fomba fiainany ety ivelany.

Marina fa ny olona any ambanivohitra ohatra na ireo olona taloha dia manana endrika fifanajàna hafa. Mety hoe tsy mifampitakosona betsaka imason'olona, rehefa mandeha dia tsy miaraka mandeha fa mifanao aloha sy aoriana, ny firesaka tandremana be rehefa imason'olona, indraindray mampanontany tena hoe mba mifanoroka ve ireto olona ireo... kanefa tena mifankatia sy miaina ny fiainan'ny mpivady tsara izy any antranony. Ka tsy misy izany endrika ivelany hamaritana ny maha mpivady.

Ny mpivady amiko dia olona roa nifanaiky fa ho iray ao anatin'ny fitiavana. Ny endrik'izany fitiavana izany sisa dia miankina amin'izy roa ihany.
3. anjali ( 09/04/2013 13:55)
Hery>> Eo indrindra isika izao, @ le hoe iray. Amiko manko ny atao hoe iray dia tsy misy ahy sy anao. Sa ahoana hoy i Hery?
4. cbd ( 09/04/2013 15:58)
Inona ary no mibaiko ry lahy
Moa tsy aina, sombinaina sy fanahy
Ny vady tiana, fifaliana
Akaiky fo, andanivoa, ka tsy ho lo

Moa ny vady tsy fiady fa ho tady
Fikambanana ho namana
Tsy fambosy na fanosy
Fa niray mandrakizay
Sy fitia doria doria

ra-anjali nga ts manana RAD ?
5. nilex ( 10/04/2013 05:51)
Misy karazany telo farafahakeliny aloha ny mpivady amiko an.
1-Misy ny vady ara-dalàna izany hoe vita soratra farafaharatsiny.
2-Misy indray ny vady ara-pomba malagasy fotsiny.Vita vodiondry io izany.
3-Misy indray ny mpivady tsy vita inon'inona mihintsy,io no antsointsika hoe tokatrano maso.
Tsy hiresaka fitiavana aho eto satria ny mpivady dia tsy voatery hifankatia.
Raha jerena amin'ny ankapobeany izany heo tsy hijery ireo antony eo ambony fa handray fotsiny ny teny hoe "mpivady "isika dia olona roa mifanaiky fa hiara-hitoetra sy hanao ny fomban'ny mpivady.
Fa eo amin'izay anefa no mampiavaka ny mpivady rehetra.Samy manana ny fiheverany ny atao hoe "tokantrano" sy "vady" amin'izay mantsy ny tsirairay avy ka miankina amin'izay ny ambiny sisa rehetra.
Eo no mahatonga ny hoe olona roa namasinina makotrokotroka be ny fanambadiany nefa mikorontana be ny tokantranony.
Eo koa ny hoe:mpivady tsy vita inon'inona akory nefa tena mampitsiriritra be ny fiainany.
Dia toy izay ny fiheverako azy ry namana isany a.
6. anjali ( 10/04/2013 06:33)
Ny tena tiako ahatongavana ry namana isany dia ny mba ahafantaran'ny olona ny tena atao hoe mpivady marina, mba hahavononan'ny olona hisafidy izany lalam-piainana izany hisedra ny olana rehetra ao,ary hampanjaka mandrakariva ny fitiavana.
Vady> voady(hiray mandrakizay)>ady (olana maro isan-karazany)
Eto aloha dia alaviriko ny teny hoe mpivady tsy misy fitiavana. Amiko izany sarintsariny fa tsy tena mpivady.
Ny mpivady dia olona roa nifanaiky fa hitambatra ho iray. Noho izany ny tanjona dia iray, avy @ io no miteraka ny fananana iombonana. Satria raha hisafidy samy hanana ny azy ny roa tonta dia amiko tsy mihevitra ho iray tena izy ireo, izay midika fa samy manana "resèrve" ny roa tonta ka ao an'eritreritra foana ny "fisarahana".
Ny olon-droa miray trano fotsiny fa tsy vita na inona na inona amiko dia tsy mpivady izany satria tsy mifamatotra.Afaka misaraka "à tout moment".
Ny mpivady ara-pomba fotsiny dia mbola tsy mpivady feno loatra satria mitovy @ tetsy ambony ihany . Rehefa te-hisaraka dia vita ho azy. Marefo ny tady mampifamatotra.
Ny mpivady ara-panjakana indray dia efa azo lazaina fa mpivady ara-dalana eo anatrehan'ny fanjakana.Kanefa mbola ao anaty tokan-trano maso.
Fa ny mpivady eo anatrehan'ny fiangonana kosa no mpivady feno. Satria teo anatrehan'Andriamanitra no nifamatorany.Araka ny teniNy hoe "izay rehetra nakamban'Andriamanitra dia tsy azo sarahin'olombelona.
Koa raha miaina io teny tsy azo sarahina io ny mpivady rehetra dia tsy ho hisy intsony ity fisaraham-panambadiana etsy sy eroa ity.
Tsy maintsy hitady hevitra ny roa tonta hamahana mandrakariva ny olana misy sy hanamafisana bebe kokoa ny fifamatoran'izy roa.



7. nilex ( 10/04/2013 08:54)
Somary ahintiko kely ilay fahatelo dia ny fanambadia voatsodranon'Atra izany.Tsy ny fanambadiana ho entina ao ampiangonana akory dia mahazo tsodrano avy amin'Atra a.Tandremo io,fa izay mametraka sy manaiky ny tokatranony eo ampelatanany ho tantanany ihany.Tsy mahagaga raha be ny vita mariage nefa tsy milamina.Izany tokantrano voatsodranon'Atra izany mantsy tena milamina izany.Fanamarihana fotsiny iny ry namana.
Raha ny momba ny tokatrano indray aloha dia izao.Kristianina aho no manoratra aminao ka ny fomba fijery krisitanina no ho entiko eto.
Ny vady hendry dia fanomezana avy amin'Atra io.Ary tena marina ara-bakiteny io.Ho ahy dia angatahina amin'Atra manokana mihintsy izany vady izany.Ary rehefa mangataka aminy ianao dia omeny tokoa.
Na misy sipa koa ary anefa eo dia mila angatahina aminy koa raha toa ka io olona io no tokony ho vady na tsia.Rehefa tsia dia manaiky ny fitondrany.Sarotra ho an'ny olona tsy mbola resy lahatra kosa aloha ny handray sy hiaina izany teny izany e.
Rehefa sitrapon'Atra ny tokatrano iray dia miavaka mihintsy.
Misy kosa anefa ireo mpivady izay vita mariazy makotroka nefa tsy avy amin'Atra fa mety hoe noterena ohatra fa hoe samy manambola.Na hoe efa nahazo taona ka mila manambady.Na misy antony maro hafa koa e.Ireny antony ireny dia miteraka olana maro ao anatin'ny fanambadiana avokoa.
Hevitro io araka ny fahitako azy fa samy manana ny azy an.
8. bibidia ( 22/04/2013 11:17)

anjali:

Tato @ serasera dia nahitako fomba fifandraisan'olon-droa izay atao hoe mpivady. Raha jerena ety ivelany dia toa mpivady ihany, nefa rehefa alalinina toa ohatra ny sarintsariny. Ny mahatonga ahy hiteny izany dia ohatra ny tsy misy firaisana tanteraka ireo olon-droa lazaina fa miray ttano ireo. Ka mahatonga ahy hametra-panontaniana hoe inona marina ry zareo no atao hoe mpivady? Sao dia ilay famaritana mihitsy no tsy mazava @ sasany ka mahatonga ny olana ao an-tokantrano izay tokony tsy hipetraka akory.
dia araka izay anarany izay ihany mahaiza mmpirevy ny vadinaao dia vita e
9. mirananirina ( 10/05/2013 14:09)
Marina ny teninao ry Anjali, nefa atao ahoana moa fa fiainana ity mandalo ity , bdb mht ny mpivady misara-panambadiana @ izao, ny Antony dia tsy mandefitra ny 1 ka tsy maintsy tapaka. Fa na mpivady iza na mpivady iza dia tsy maintsy miady , tsy maintsy misy olana kely foana fa ny fahaizana mandefitra ihany no tena maha mpivady.Ohatra omeko fotsiny raha mi com na manao j'aime etsy Facebook ny vadinao ,ka tsy fantatrao ilay olona dia tsy maintsy miady indray.
Ary ahoana moa no ahalalanao fa tsy misy fifandraisana izy ireo ao antokatranony?Sa mitantara ny 1?
Misy indray fiarahana mipetraka ihany sisa satria iraisana ny zaza, ny trano , fananana.
Betsaka loatra kosa aloha ny fisaraham-panambadiana @ izao fotoana izao e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3384