aminareo ireo

1. bazylou ( 06/04/2013 17:14)
inona no atao hoe fandrosoana ?? ary inona no atao hoe tany mandroso na firenena mandroso ?
novalian'i bazylou ny 11/04/2013 06:33
2. lagoon ( 06/04/2013 18:34)
Ny fandrosoana ho an'ny 98% ny olombelona dia ny fananana entana na zavatra maro.
lasa resaka matérialisme ilay fandrosoana.
Tsy fandrosoana @ ilay toe-tsaina ilay izy fa fandrosoana @ harena tsy hitondra any Mausolé.
3. 5laody ( 06/04/2013 18:44)
fahasalamana Bazylou,
amiko, mandroso ny tany iray raha mahavaly ny ilain'ny mponina ao aminy na amin'izao fotoana na amin'ny ho avy.
ny tiako lazaina dia voa sarona tsara ny besoins de base dia
-Ny fahasalamana, ny sakafo,ny fialofana (trano), ny fanabeazana, ny filaminana (securité) afaka miaro ny mponina ao aminy na amin'ny mety ho fanafihana na ao anatin'ny firenena na avy any ivelany afaka maka antoka ny zon'ny tsirairay na ankehitriny na ny ho avy maharitra. Ary tsy miankina amin'ny hafa izy amin'ny fanatanterahana izany.

Asiako tsindriny kely nefa ny teny hoe "mandroso" ara-bakiteny dia tsy mbola tonga amin'ny tanjona iriny. izany hoe rehefa tsy mijanona amin'ny dingana iray na mihemotra dia efa mandroso izany.

Rehefa mahazo an-tsaina tsara ny vahoaka fa ny mpitondra dia natao hiasa ho azy ireo ary rehefa tsy ao an-tsain'ny olona entina na mitondra na ny mpanao gazety ny miresaka asa fitondrana amin'ny alalan'ny teny hoe "seza, "gateau", "portefeuille" di efa lasa izao.

saika hadinoko rehefa tsy miady an-trano koa.
misaotra.
4. bazylou ( 07/04/2013 06:03)
Marina izany ry laody.

Ary ahoana ny hevitrareo amin'ilay hoe , ny fandrosoana dia ny fitovizana amin'ny vazaha ,na ny fiteny, ny fiakanjo, ny fomba fisainana,fomba fisakafoanana fomba fijery zavatra iray, sy ny fomba rehetra ataon'ny vazaha na amin'ny lafiny inona na inona.
5. nilex ( 08/04/2013 07:17)
Amiko indray ny atao hoe mandroso dia miala amin'ny zavatra iray ka mandeha amin'ny zavatra vaovao tsaratsara kokoa noho ilay teo aloha.Ka rehefa lasa lavitra ilay fahatsarana dia izay no ato hoe lehibe ny fandrosoana.Tsy ny fitoviana amin'ny vazaha akory fa samy manana ny fampandrosoana tiany hapetraka io.Hafa indray ny fanatontoloana izay tsy azo ialana fa isan'ny fampandrosoana tsy maintsy handalovana io.
Isika nge ohatry ny hoe mangalatahaka vazaha fa raha ny tena marina lasa aloha izy dia ohatry ny hoe mangalatahaka isika fa raha toa ka mahita zava-baobao isika izao dia ry zareo indray no mangalatahaka.
6. bazylou ( 08/04/2013 22:43)
tsy mitombina io lazainaoio ry nylex. Fa raha zohinao tsar any zavatra miseho eto an tany sy ny amin'ireo firenena rehetra dia hitanao fa rehefa tsy mitovy na sahala amin'ny vazaha di amahantra izay no kilasin'ilay firenena.

Na inona lazainy ao na inona.

SAronana aoa naty fanatontoloana sy fanabotoloana io di atsy hay intsonyizay marina avy eo ary miafara any amin'ilayhoe aleo ihany zanahana i mada na aleo ihany vazaha. Fa ny an'ny tena aleo hidaraboka any satria nenti drazana io.

amiko di atsy mety mandroso ny firenena iray rahatsy mahalala sy mahafehy ny loharano nipoirany.

7. 5laody ( 09/04/2013 14:23)
Salama daholo,

Ny fahaizan'ny firenenena tsirairay maka izay mety aminy angamba no ilaina fa tsy ny hoe izay ataon-dry zalahy rehetra dia fandrosoana avokoa.

Ohatra iray mivaingana, mety efa novakianao ihany angamba: tao Afrique du Sud dia nofongorina avokoa ny zava-maniry nentina avy any Eoropa satria mandany rano loatra ka nosoloina zavamaniry izay nipetraka teo talohan'ny nahatonagavan'ny vazaha.

izany hoe tsy miady amin'ny piesin'ilay firenena ilay hoe 'fandrosoana'.(paradisa maintso).

Sarotra ihany nefa ny mandresy lahatra an'ireo firenena am-panandramana ny heverin-dry zareo hoe "fandrosoana" (ny sinoa ohatra).

Ny modele economique izay efa nolalovan'ny "vazaha" izay hita fa manana ny fetrany ihany dia ampiasain'ny sinoa izao.

Misy kosa anefa fiovana sarotra iverenana tahaka ny hoe raha miverina manao salaka indray isika tena mangatsiaka ny v..y na ho lasa sexy daholo aza ny rehetra.
8. nilex ( 10/04/2013 05:37)
Hafa mihintsy ny fijerindry bazy izany an.
Raha manao pataloha rovitra ve ny vazaha dia milaza ianao fa taraiky ny gasy raha toa ka tsy manaraka izany.
Raha manao ireny fiainana feno fahavetavetana rehetra ireny ve ny vazaha dia taraiky ny gasy raha tsy manaraka izany.
Isika gasy mihintsy no tsy manana fiandrianana ka tsy manaja ny maha izy azy fa manenjika ny an'ny vazaha fotsiny.
Jereo tsara izao ny karana eto,manaja ny fitafiny sy ny fombany dia tsy mandroso ve izy izany.
Isika gasy izao raha toa ka hanao malabary ohatra izay tena fitafy malagasy dia menatra ny sasany satria ny sainy mihintsy no efa voa.Ny fitafy vahiny no tiany nefa nge ny malabary tena tsara e.Efa miha-miverina izy izao amin'ireny lanonana lehibe ireny ary tena tsara mihintsy ny mijery azy an.
Ny atao hoe fandrosoana izany amiko dia araka izay hitondrana sy hisaritana azy io fa tsy voatery hanaraka ny hafa akory fa fomba fijery tsy dia matotra izany.
Raha matanjaka ara-toekarena ve ohatra ny Amerikanina ka mandroso kosa ny fandalana ny fahendrena sy ny fihavanana eo amin'ny Malagasy ,amiko zavatra mitovy lanja izany ary aleoko aza ny fihavanana .Asa na ho azondrabazy indray ny tiako ho lazaina fa ny andry zalahy mantsy tena hafa mihintsy no tanjony eto ko.
9. bazylou ( 11/04/2013 06:33)

nilex:

Azoko ny tinao holazaina ,fa na inonano lazainoa na inona dia mitombona foan aio lazaikoio.
Mitovy fisainana, fijery, fihetsika,fitafy , fisakafoanana amin'ny vazaha vao lazaina hoe mandroso.
Ny indiana lazainao anie tsy firenena mandroso fa andalam pandrosoana e.
Ny amerikanina tsy matanjaka ara toe karena izany fa ny trosa ny azy no miavovona. Aiz akoa no misy firenena matanjaka ara toe karena nefa ny trosa ao anatiny aza manalinalina.

Ary jereo isika e, aminao ve dia voaklasy ho mandroso isika ?
tsy mandroso isika satria tsy mitovy amin'ny vazah ny fomba fijery sy ny zavatra atao rehetra. rehef amitan any mah amalagasy isika dia lazain'ny vazaha hoe tsy mandroso. Ary oviana moa ny gasy no tia ny nentin drazana ?? tsy ny vaoo sy maimbo vazaha ihany no tiany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3848