Fanorona tsy misy vela

1. ral_ ( 06/04/2013 09:54)
Maiarahaba antsika rehetra,
Ho antsika izay tia kilalao nentin-drazana ary mahalala tsara ny fitsipiky ny fanorona.

Ahoana ny eritreritsika tsirairay ny momba ny vela?

mety efa nisy nametraka ihany ity rohy ity fa raha te hilalao dia : http://www.ics.uci.edu/~eppstein/180a/projects/fanorona/

novalian'i ral_ ny 09/04/2013 11:38
2. hery ( 06/04/2013 14:55)
Saika hanontany indray aho hoe inona no atao hoe vela... kay moa izaho ihany no nanontany azy taloha tato: http://forum.serasera.org/forum/message/m4475910ecbf30 :-)

Misaotra e
3. sitlo ( 08/04/2013 17:57)
Rehefa resy amin'ny fanorona dia manala vela izany hoe vengeance kely. Tsy mitovy amin'ny filalaovana tsotra ny fanam-bela amin'ny voalohany fa ny iray tsy maazo mihinana fa miaro tena fotsiny. In-5 izy izay raha tsy diso aho. Dia na voa be tahaka izay aza ny iray vao manomboka ka mbola maharesy ihany dia izay ilay antsoina hoe tsy afa-bela.
Tahaka ny 2em session, efa matiere vitsy kely sisa no halàna nefa mbola tsy afaka ihany
4. ral_ ( 09/04/2013 11:38)

sitlo:

Salama daholo,
ny foto-pisainana amin'ilay izy izany hoe mampalahelo ilay iray fa aleo omena indrafo kely, na hoe ianao aloha na 5 aza sisa ny vatoko tsy haharesy ahy ianao miaraka amin'ny vatonao 22.
Mampirevy sa manao défi?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1778