Fampakaram-badin'ny zanak'ondry

1. Maranatha ( 03/04/2013 10:36)
Eto ihany koa dia tsy hay na samihafa ihany koa na mitovy fa dia alefa aloha ny fahamarinana.

Ny mpampakatra aloha dia i Kristy
Ny hampakarina dia Jerosalema vaovao.
Ny hasaina hanatrika ny fampakaram-bady dia ireo Mpino izay voavonjy.
Efa nanomboka t@ 1844 (fahataperan'ny 2300 andro) ny fampidirana ireo nasaina mba hijerena na mitafy ny akanjo fotsy fitondra @ fampakaram-bady izay voaasa hanatrika na tsia???
Miandry ny fotoana hanombohan'ny lanonana izany isika izao mandram-pahavita ny fijerena izay voaasa.
Ny fahamarinan'i Kristy no akanjo fotsy hentina hanatrika izany fampakaram-badin'ny zanak'ondry izany.

Moa mba ho isan'ireo hanatrika ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry ve hianao????
novalian'i bor2lais ny 11/04/2013 07:50
2. Miharena ( 03/04/2013 19:14)
Ary ianao?
3. moustaraf ( 08/04/2013 15:27)
salama namana,
1. mpanatrika fotsiny ve ianao sa isan'ny ho ampiakarina?
2. Isan'ireo mponina ao @ ilay Yéroshalaym vaovao ve ianao sa mpitazana ihany koa?
Mahereza namana isany
4. Maranatha ( 10/04/2013 11:31)

moustaraf:

salama namana,
1. mpanatrika fotsiny ve ianao sa isan'ny ho ampiakarina?
2. Isan'ireo mponina ao @ ilay Yéroshalaym vaovao ve ianao sa mpitazana ihany koa?
Mahereza namana isany

Eo no hidiran-tsika satria eo mihintsy ny olana. Tsy haiko na tsy mbola nandalina izany ny namana rehetra mpisera eto na mery hitovy ny hevitra fa io anao io mihintsy no tena fanamarihana nandrasako.

Ity no toko sy andininy aloha fa mpanatrika ny Mpino fa tsy izy no ampakarina
Matio 22:2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady.
Matio 25:1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany* ka nivoaka hitsena ny mpampakatra

Ny Jiosy no nasaina hanatrika fa mbola variana t@ haren'ny tany ry zareo dia lasa nankany @ jentilisa ny fanasana izay natao an-tery (Miseseha hiiditra @ fanjakan'ny lanitra hianareo fa rombahina ny fanjakan'ny lanitra ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny)

Homena akanjo fitondra @ fampakaram-bady izay rehetra nasaina ( Fahamarinan'i Messia) ka izay tsy mitondra izany dia voaroaka any ivelany.

Mihiditra ny Tompon'ny fanasana mijery izay tsy miakanjo ny akanjo fitondra @ fampakaram-bady (Fitsaranaizay nanomboka ny fahataperan'ny 2300 andro izany) ka izay tsy miakanjo ilay akanjo fotsy izay fahamarinan'i Messia dia voaroaka any ivelany (Matio 22:13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.)

Jerosalema vaovao Ilay hohampakarina Apok 21:2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.

Ny Messiah no Mpampakatra matio 25:10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady.

Mpanatrika hianao izany izay hiaraka hiiditra @ mpampakatra ao @ fampakaram-bady tahaka ny virijiny 5 hendry.

Mifona aho raha hilaza ity resaka ity izay tsy tokony ho lazaiko eto.Isika Juif messianique, judaisme messianique sns....anie Tena verezin'ireo antsoina hoe Kristianina raha momba ny finoana an'i Messiah sy ny fahalalana ny momba Azy.
Fa verezin-tsika kosa izy raha resaka Torah na ny testamenta taloha.
Tsy afaka mandeha ila anefa ireo fa tsy maintsy miaraka MITANDRINA NY DIDIN'I TSITOHA + FINOANA AN'I MESSIAH. Izany hoe Torah + Testamenta vaovao. Apok 14:12

Ireo namana no nasain'ny fanahin'ny Tompo nakambanay, mahatonga anay tsy voambakan'ireo Karazam-piangonana be dia be ireo amin'ny fanompoana Azy (ny Tompo).

Mahereza.
5. bor2lais ( 10/04/2013 13:23)
Samy manana ny fandraisany azy tokoa ilay teny malagasy a ! :-)
Maranatha:

Jerosalema vaovao Ilay hohampakarina Apok 21:2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny

Rehefa lazaina hoe "voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny" ve voatery midika hoe "ampakarina" tokoa no dikan'izay ? :-)

Amiko mantsy dia fanehoana ihany ny hatsaran'ilay tanàna masina ny fampitahana azy amin'ny ampakarina eto ! :-)

Fandraisako azy manokana aloha izay a ! :-)

Eo ihany isika, dia ahoana ny fandraisanao ilay zava-miafina nolazain'i Paoly mikasika ny fanambadiana : ny lehilahy no lohan'ny vehivavy tahaka an'i Jesoa lohan'ny Fiangonana ? Sa tsy misy ifandraisany io sy ity lohateny ity ? :-)
6. Maranatha ( 11/04/2013 07:11)

bor2lais:


Eo ihany isika, dia ahoana ny fandraisanao ilay zava-miafina nolazain'i Paoly mikasika ny fanambadiana : ny lehilahy no lohan'ny vehivavy tahaka an'i Jesoa lohan'ny Fiangonana ? Sa tsy misy ifandraisany io sy ity lohateny ity ? :-)


Ahitsiko aloha ny tsipelina mba tsy hahadiso ny hevitry ny teny.
Efes 5:22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. 23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena.
Tsy milaza izy eto fa Kristy no vadin'ny fiangonana fa milaza izy fa lohan'ny fiangonana. raha azonao tsara no tiany ho lazaina dia tsy mahazo manao na inona na inona ny vatana raha tsy eo ny loha satria ao no misy ny commande rehetra hahafahan'ny vatana mihetsika
7. bor2lais ( 11/04/2013 07:50)
Misaotra anao amin'ny valinteny. Raha azoko tsara ny lazainao dia tsy misy ifandraisany amin'ny lohateny izany io zava-miafina lazain'i Paoly io ! :-)
Maranatha:

Tsy milaza izy eto fa Kristy no vadin'ny fiangonana fa milaza izy fa lohan'ny fiangonana. raha azonao tsara no tiany ho lazaina dia tsy mahazo manao na inona na inona ny vatana raha tsy eo ny loha satria ao no misy ny commande rehetra hahafahan'ny vatana mihetsika

Fa amafisinao izany fa ny "tanàna" Jerosalema vaovao no vadiNY ? :-)

Ao amin'ny TT ao toa misy teny milaza anefa (ialako tsiny fa tsy dia havanana amin'ny fitanisana andininy i bor2lais ;-)) fa Izy no vadin'ny Israely ary saro-piaro be mihitsy Izy satria mampirafy Azy (amin'andriamani-kafa) ity vadiNY ity ! Sa diso fandray aho ? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.502