Paska tena kristianina
1. Tefigasy
(
28/03/2013 14:26)
Alakamisy anio, alakamisy toa ny anio ihany koa no nitenenan'ny Tompo ity teny ity raha hiatrika ny tena ady mafy eo amin'ny mission nataony tety an-tany Izy:
Jao.12:27 : “Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko : Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity"
Nialoha izao fotoana izao dia niakatra ho any Jerosalema Jesosy. Ary rehefa tonga tany Izy dia notadiavin'ny jentilisa:
Jao.12:20-22 : “ary nisy Grika sasany tamin’izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana, ary izy ireo nankany amin’i Filipo avy any Betraida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe : Tompoko, mba ta-hahita an’i Jesoa izahay"
Ny teny navalin'i Jesoa tamin'izay dia hoe : Jao.12:23 ary Jesoa namaly azy hoe : Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona
Ireto grika vitsivitsy ireto dia misolo tena ny jentilisa izay te hahita ny Tompo, te hihaona an’i jeso. Ny ankabeazan’ny asa nataon’i jeso dia teo anivon’ny jiosy foana nandritry ny telo taona. Eto kosa anefa dia ny grika jentilisa mihitsy no tonga mitady ary tena maniry ny hahita an’i Jesoa. Tsy tokony hadinoina fa vanipotoana paska jiosy izao fotoana niakarana tany jerosalema izao. Manomboka eto ny fivelaran’ny asan’i jeso fa tsy mijanona ho an’ny jiosy fotsiny.
Izany no antony ankalazan’ny kristianina ny andro paska. Tsy ilay andron’ny jiosy intsony fa ilay fotoanan’Andriamanitra hanaovany ilay asa ao amin’i Jesoa kristy.
Ilay fotoana izay nambara dia ny fotoana hilatsahan’ny voambary amin’ny tany. Milaza an’i Jesoa, ilay asa hotanterahany, Jesoa halatsaka amin’ny tany, hatolotra hovonoina, hombohina eo amin’ny hazo fijaliana, ho faty noho ny fahotan’izao tontolo izao, ho faty mba hazahoany fahavelomana. Izao mantsy no lazainy ao amin'i Jao.12:24 : “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be
Tamin’ny alina nisamborana an’i Jesoa dia nanorina ny fanasana masina Izy. Io no sakafon’ny paska izay efa nisy tany egypta fahiny. Ireo fomba jiosy ireo ihany no noraisin’i Jesoa fa navoakany kosa ny hevi-panahy sy ny zavatra tena kendrena amin’izany fomba izany satria tandindona ihany ireny fa ao amin’i Jesoa kristy no tena fahantanterahany. Mark.14:22 “ary raha mbola nihinana izy, Jesoa nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe : Raiso, ity no tenako .”
Ny mofo no sakafo foto-pahavelomana teo amin’i jiosy. Eto Jesoa dia mampiseho fa ny mofo dia milaza ny tenany, ny tenany izay hovakiana ho an’ny olona rehetra. Ny tenany no tena mofo avy any an-danitra, ny tenany no tena foto-pahavelomana, ny tenany no mamelona ny fiainan’ny olona. Natolotra ny tenany rehefa novakiana, dia nozaraina ary nasaina noraisina mba hanana anjara daholo ny olona rehetra. Ilay teny hoe raiso dia mitaky fanapaha-kevitra amin’ilay olona tolorana, milaza indrindra ny finoana sy ny fanekeny ilay manolotra ny mofo. Tsy raisina fotsiny amin’izao anefa izany tenan’i Jesoa izany fa mila ohanina, ampidirina any anaty tanteraka, levona ao anaty ka lasa hery sy fiainana mihitsy.
Mark:14:23 : “dia nandray kapoaka izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’izy rehetra izany .” . Ao anatin’ny ra no misy ny aina, milaza ny fahavelomana, milaza fanadiovana. Koa rehefa natolony ny rany dia mitondra ilay famelan-keloka, mitondra ilay fahavelomana. Fanekena vaovao, tsy eo ambany satan’ny fanekena taloha intsony ny olona izay mifototra amin’ny lalàna fa ankehitriny kosa dia ny fitiavan’Andriamanitra nanolotra ny zanany lahy tokana. Ny finoana sisa no anjara tsara.
Ny fototra izay hiorenan’ny paska kristianina dia ny fahafatesan’i Jesoa, indrindra ny fitsanganany tamin’ny maty ho velona mandrakizay. Ikor.15:3 : fa natolotro ho anareo isan’ny zavatra voalohany indrindra noraisiko dia izao : kristy maty noho ny fahotantsika
II.Kor.5:14 Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray : maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra
Rom.6:6 fa fantatsika fa ny toe-tsika taloha dia niaraka nombohana taminy hanimbana ny tenan’ny ota mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Izay no fototry ny paska, kristy maty nisolo toerana, nitondra antsika mianakavy teo amin’ny fahafatesany, niara-maty taminy
Ny fitsanganan’i Jesoa kristy tamin’ny maty dia milaza indrindra ny fahavelomana ao anatin’ny fahavelomana vaovao fa tsy mitovy amin’ilay fahavelomana teo aloha intsony. Fahavelomana tsy voafehin’ny lalàna ety ambany masoandro, na lalàna fizika, na siantifika, na lalam-pivavahana satria efa ao anaty fahavelomana vaovao hafa mihitsy. Velona tsy ho faty intsony, manome ny fiainana mandrakizay dia ny fiainan’Andriamanitra no omeny antsika, feno fitiavana tanteraka sy ny fahamarinana.
Ny kristianina dia mankalaza an’io paska io amin’ny andro voalohany amin’ny herin’andro - ny andro alahady satria tamin’izay fotoana izay no nitsanganan’i kristy tamin’ny maty, nanehoany ny fanombohan’ny fahariana vaovao, nanehoana ny fandresena ny zavatra rehetra, nisehoany ho mpanjaka mandrakizay.
Ny volana Abiba no taom-baovao voalohany ho an’ny jiosy fa aty amin’ny Jesoa kristy kosa dia ny fotoana nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty no andro voalohany hirosoana eo amin’ny fiainam-baovao. Miainga eo ny fahariana vaovao, hahatongavan’ny tany sy ny lanitra vaovao, ny fiainam-baovao, fanekena vaovao. Eo no fanombohana ny fiainana miaraka amin’i kristy.
Eks.12:8 “Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy .” Ny fihinanana mandritry ny herin’andro no nisian’ny herin’andro masina mba hahatsiarovana ny ngidin’ilay niainan’ny Tompo, nanorenany ny fanasany.
Ity teny ao amin'ny 1Kor.15:24-26 no entiko hamaranana azy : ary rehefa afaka izany dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra . Fa tsy maintsy manjaka izy, mandrapanaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony
Tamin’ny andro paska rehefa nitsangana tamin’ny maty izy dia noraisiny daholo ny fahefana rehetra ary omeny ny Ray izany amin’ny fotoany. Resiny ny fahavalo rehetra, ny fanapahana, ny fanjakana, ny hery. Izay fandresen’i kristy izay no ankalazain’ny kristianina amin’ny andro paska. Resy i satana sy ny miaramilany, izao tontolo izao sy ny foto-keviny hitarika hanohitra an’Andriamanitra ka mametraka filana sy ny foto-pisainany hiady aminy, ny ota sy ny lalàna izay herin’ny ota satria rehefa tsy misy lalàna dia tsy misy ota intsony fa ny lalàna no mampisy ny ota, ny nofo izay olona tapahin’ny ota, andevozin’i satana sy ny fisainan’izao tontolo izao fa tsy mahita an’Andriamanitra. Efa resin’i kristy tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty avokoa ireo. Tsy andevozin’izany intsony koa ny zanak’Andriamanitra izay mino sy mivelona ao amin’i kristy : mandresy ny ota, mandresy an’i satana, mandresy izao tontolo izao. Ny mpino dia miaina izany fandresena lehibe izany.
Jao.14:19 “satria velona aho dia ho velona koa ianareo” Koa samia ary miaina izany paska feno fandresena izany avokoa izay rehetra efa nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny .

novalian'i bor2lais ny 02/04/2013 08:57
3. saho
(
28/03/2013 18:14)
mahafinaritra ny mamaky ny voalazanao eto ry Tefigasy, amin izao fotoana izao dia hita ato amin ny Internet ny fisehoan ny fisian ny antoko finoana maro isankarazany ao Youtube avy any Gasikara, isika ve nanadino ny tena fiainana Kristiana, miovaova finoana...saropiaro an izany anefa ny Ray tsy toha any andanitra, ary tsy misy afaka hiditra ny fanjakan ny lanitra raha tsy amin ny anaran i Jesosy ihany. Mirary Paska finaritra ary aoka hanjaka amintsika ny tena fiainana Kristiana tsy mihozongozona, na catholique na Prostestante
Mazotoa amin ny fampizarana ny fiainana ao amin i Kristy Tompo!

bor2lais:
Tefigasy > Mazava dia mazava fa dia misaotra anao ! :-)
5. mizara
(
01/04/2013 07:17)
saho:

Tsy miankina amin'ny anaram-piangonana ny famonjena namana!
Ny fanjakan'Andriamanitra tsy afa-misaraka amin'ny fahamarinana ka nahoana isika no manome tsiny ny olona te hamonjy ny fanahiny?
Na io Paska Alahady ifampirariantsika soa io ary rehefa natao tokoa ny fandinihana dia toa misy fahadisoana ihany ny dikany sy ny andro ankalazana azy...
6. Nehemiah
(
02/04/2013 07:55)
Ary famoronana vaovao eo @ Kristy antsika. Misaotra anao indrindra ary samia tratry ny Paska ^_^
7. bor2lais
(
02/04/2013 08:57)
Krismasy sy Paska : fotoana roa mifamatotra ho an'ny Kristiana ! :-)