Nenilava???????????

21. sitlo ( 27/03/2013 16:09)
Firy taona ary ilay atao hoe hary saina?

Ataoko fa na efa lehibe efa mananjanaka aza ny olona mbola misaoala ihany amin'ny resaka finona.
22. Ratsirano ( 27/03/2013 16:58)

leva2:

Velona Jesosy!

"Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany ; fa ny voany no ahafantarana ny hazo" Mat 12/33.

Rehefa nitantara ny fahitany raha nentin'i Jesosy nizahazaha tany an-danitra i Nenilava dia nilaza fa nahita seza maro, ary nisy seza iray tsikariny fa niongana. Dia nanontany izy ny amin'izany seza izany ary ny valin-teny dia hoe ny sezan'i Jodasy izany. Nanaraka izany, nahita ankizy marobe indray Nenilava, ary rehefa nanontany ny amin'ireo indray izy dia hoe ireo zaza ireo dia tsy voavonjy satria tsy vita batisa nefa maty.

... Ny voany no ahafantarana ny hazo ...

Sokafy ny masom-panahy hahafantatra, ary omeo izay hevitrao namana!







Saika mba hilaza ny hevitro momban’ity nandehanan’i Nenilava tany an-danitra ity aho. Raha ny tena marina dia ny hevitry ny Baiboly no tiako ho lazaina.
Izao tokoa mantsy no voalaza ao amin’ny Jaona 3 : 13 : « ….tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona. » (Jereo koa Asan'ny Apostoly 2:34)
I Jesosy no niteny izany. Noho izany, ireo mpanompon’Andriamanitra tahakan’i Abrahama, Davida, etc…izay maty talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tety an-tany dia tsy nisy niakatra tany an-danitra.
Ahoana kosa ny amin’ireo izay maty taty aoriana ? Misy andiniteny ao amin'ny Jaona 14 : 2, milaza hoe : " Ao an-tranon'ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho." Mbola i Jesosy ihany no nilaza izany, fa IZA no nilazany izany ? Ireo apostoly tsy nivadika taminy. Ny alina talohan'ny nahafatesany dia izao no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo : " Ary ianareo no nifikitra tamiko tao anatin'ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan'ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin'ny fanjakana". Lioka 22:28, 29.
Nisy fifanekena nataon'i Jesosy sy ny Rainy momban'ny fanjakana iray, ary ny mpaminany Daniela dia nahazo fahitana momba izany. Izao no nolazainy ao amin'ny Daniela 7:13, 14 : " Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin'ny alina : Teny amin'ny rahon'ny lanitra, dia nisy toy ny zanak'olona (Jesosy) nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin'Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be (ny Rainy) izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava."
Nampanantena an'i Jesosy ny Rainy fa ho omeny ho azy io fanjakana io. Nefa tsy hitondra io fanjakana io irery i Jesosy, ka izany no nampanantenainy ireo apostoliny hoe hisy toerana ho azy any an-danitra. Ka ireo niaraka taminy no voalohany voafidy ho amin'izany ary voalaza ao amin'ny Apokalypsy 5:10 ny ho andraikitr'izy ireo : " Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany."
Marina tokoa izany fa hisy olona ho any an-danitra hiaraka amin'i Jesosy hitondra ny tany, ary araky ny novakiantsika tao amin'ny bokin'i Daniela 7:14 teo dia hisy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny, hanompo io fanjakana io.
Ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe : iza no mankany an-danitra hanjaka hiaraka amin'i Jesosy ary iza no anisan'ireo vahoaka ho entin'io fanjakana io ?
Toy ny fanjakana rehetra moa dia vitsy lavitra kokoa ny isan'ny mpitondra fanjakana raha hoharina amin'ny isan'ny vahoaka ho entiny. Izao no lazain'i Lioka 12:32 : " Aza matahotra ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana." " "Ondry vitsy" izany no hitondra ny fanjakana hiaraka amin'i Jesosy.
Fa toy izao kosa no lazain'i Jaona 10:16 : " Manana ondry hafa tsy ao amin'ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry."
"Ondry hafa" kosa ny sasany.
Firy avy àry no isan'ireo andian'ondry roa samihafa ireo ? Manome isa momban'izy ireo tokoa ve ny Baiboly ? Voalaza ao amin'ny Apokalypsy 14:1 ny isan'ireo "ondry vitsy" ary Apokalypsy 14:3 dia milaza fa "novidina avy teto an-tany izy ireo".
Toy izao kosa ny momban'ny "ondry hafa" : Apokalypsy 7:9 : Taorian'izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be TSY TAMBO ISAINA, avy tamin'ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry.........."
Izay ihany izany no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momban'ny hoe olona hiakatra ho any an-danitra, fa raha ny ankoatr'izay dia mampiahiahy ahy satria any amin'ny andininy farany amin'ny Baiboly dia izao no voalaza :Apokalypsy 22:18, 19 : "Izao no ambarako amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity horonam-boky ity : Raha misy manampy ireo zavatra ireo, dia hampian'Andriamanitra ny loza voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity ho azy. Ary raha misy manaisotra teny ato amin'ity horonam-bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity."
Fa hanao ahoana tokoa ny fiainan'ireo vahoaka be ho entin'io fanjakana io ? Apokalypsy 21:4 : "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha."
Izay no mahatonga an'i Jesosy nampianatra antsika ilay vavaka hoe :"Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra".
Mirary soa ho antsika rehetra.
23. Miharena ( 27/03/2013 18:27)
Izay hoe misalasala izany Ratsirano fa mety tsy i Jesoa no niseho tamin'i Nenilava?
24. didi10 ( 28/03/2013 06:07)

sitlo:

Firy taona ary ilay atao hoe hary saina?

Ataoko fa na efa lehibe efa mananjanaka aza ny olona mbola misaoala ihany amin'ny resaka finona.


Marina ny voalazanao namana, eny mety efa misy dadabe aza dia mbola tsy mety vory saina amin'ny finoana, inona ny antony?

Jaona 6,44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy

Na mihevitra ny tenanao ho matotra sy hentitra ary ianao kanefa mbola tsy tonga ilay antson'Andriamanitra dia tsy hainao ny manantona an'i Jesosy mba hahazo famonjena.
25. Ratsirano ( 29/03/2013 13:48)
[quote=Miharena]
Izay hoe misalasala izany Ratsirano fa mety tsy i Jesoa no niseho tamin'i Nenilava?
[/quote=Ratsirano]
Ny tena marina, dia aleoko mitandrina satria izao no voasoratra ao amin'ny Matio 24:24 : "Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin'ny olom-boafidy aza, raha azony atao." Faminaniana nomeny i Jesosy ho antsika io mba hitandrematsika. Koa dia aleoko mitandrina.
Mirary soa e.
26. Ratsirano ( 29/03/2013 14:33)
Saika mba hilaza ny hevitro momban’ity nandehanan’i Nenilava tany an-danitra ity aho. Raha ny tena marina dia ny hevitry ny Baiboly no tiako ho lazaina.
Izao tokoa mantsy no voalaza ao amin’ny Jaona 3 : 13 : « ….tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona. » (Jereo koa Asan'ny Apostoly 2:34)
I Jesosy no niteny izany. Noho izany, ireo mpanompon’Andriamanitra tahakan’i Abrahama, Davida, etc…izay maty talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tety an-tany dia tsy nisy niakatra tany an-danitra.
Ahoana kosa ny amin’ireo izay maty taty aoriana ? Misy andiniteny ao amin'ny Jaona 14 : 2, milaza hoe : " Ao an-tranon'ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho." Mbola i Jesosy ihany no nilaza izany, fa IZA no nilazany izany ? Ireo apostoly tsy nivadika taminy. Ny alina talohan'ny nahafatesany dia izao no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo : " Ary ianareo no nifikitra tamiko tao anatin'ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan'ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin'ny fanjakana". Lioka 22:28, 29.
Nisy fifanekena nataon'i Jesosy sy ny Rainy momban'ny fanjakana iray, ary ny mpaminany Daniela dia nahazo fahitana momba izany. Izao no nolazainy ao amin'ny Daniela 7:13, 14 : " Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin'ny alina : Teny amin'ny rahon'ny lanitra, dia nisy toy ny zanak'olona (Jesosy) nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin'Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be (ny Rainy) izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava."
Nampanantena an'i Jesosy ny Rainy fa ho omeny ho azy io fanjakana io. Nefa tsy hitondra io fanjakana io irery i Jesosy, ka izany no nampanantenainy ireo apostoliny hoe hisy toerana ho azy any an-danitra. Ka ireo niaraka taminy no voalohany voafidy ho amin'izany ary voalaza ao amin'ny Apokalypsy 5:10 ny ho andraikitr'izy ireo : " Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany."
Marina tokoa izany fa hisy olona ho any an-danitra hiaraka amin'i Jesosy hitondra ny tany, ary araky ny novakiantsika tao amin'ny bokin'i Daniela 7:14 teo dia hisy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny, hanompo io fanjakana io.
Ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe : iza no mankany an-danitra hanjaka hiaraka amin'i Jesosy ary iza no anisan'ireo vahoaka ho entin'io fanjakana io ?
Toy ny fanjakana rehetra moa dia vitsy lavitra kokoa ny isan'ny mpitondra fanjakana raha hoharina amin'ny isan'ny vahoaka ho entiny. Izao no lazain'i Lioka 12:32 : " Aza matahotra ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana." " "Ondry vitsy" izany no hitondra ny fanjakana hiaraka amin'i Jesosy.
Fa toy izao kosa no lazain'i Jaona 10:16 : " Manana ondry hafa tsy ao amin'ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry."
"Ondry hafa" kosa ny sasany.
Firy avy àry no isan'ireo andian'ondry roa samihafa ireo ? Manome isa momban'izy ireo tokoa ve ny Baiboly ? Voalaza ao amin'ny Apokalypsy 14:1 ny isan'ireo "ondry vitsy" ary Apokalypsy 14:3 dia milaza fa "novidina avy teto an-tany izy ireo".
Toy izao kosa ny momban'ny "ondry hafa" : Apokalypsy 7:9 : Taorian'izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be TSY TAMBO ISAINA, avy tamin'ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry.........."
Izay ihany izany no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momban'ny hoe olona hiakatra ho any an-danitra, fa raha ny ankoatr'izay dia mampiahiahy ahy satria any amin'ny andininy farany amin'ny Baiboly dia izao no voalaza :Apokalypsy 22:18, 19 : "Izao no ambarako amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity horonam-boky ity : Raha misy manampy ireo zavatra ireo, dia hampian'Andriamanitra ny loza voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity ho azy. Ary raha misy manaisotra teny ato amin'ity horonam-bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity."
Fa hanao ahoana tokoa ny fiainan'ireo vahoaka be ho entin'io fanjakana io ? Apokalypsy 21:4 : "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha."
Izay no mahatonga an'i Jesosy nampianatra antsika ilay vavaka hoe :"Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra".
Mirary soa ho antsika rehetra.
27. Miharena ( 29/03/2013 16:57)
Mitandrina tokoa isika rehefa misy ireny fisehoana ireny.

Ary mila manadihady tsara raha te-hahafantatra ny marina.

Ny fanadihadiana ataon'ny namana Ratsirano ohatra dia miompana amin'ny voalazan'ny Baiboly ary adinin-teny iray ihany.

Raha tena fantarina anefa ny vanom-potoana sy ny toerana nisehoan'i Jesoa tamin'i Nenilava dia tamin'ny fotoana nisian'ny ombiasy, izay ny rain'i Nenilava no lehbeny. Ka asa hoe inona moa no maha-sandoka izay niseho taminy?

Ny nampanaovina azy koa dia fanasitranana mivantana ataon'i Jesoa.

Amin'izao fotoana izao aza dia misy mpitana ody izay resy lahatra noho ny fisehoana toy ny nitranga tamin'i Nenilava (Tsaratsara no tiana ambara eto).
28. leva2 ( 31/03/2013 10:21)

Ratsirano:

Saika mba hilaza ny hevitro momban’ity nandehanan’i Nenilava tany an-danitra ity aho. Raha ny tena marina dia ny hevitry ny Baiboly no tiako ho lazaina.
Izao tokoa mantsy no voalaza ao amin’ny Jaona 3 : 13 : « ….tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona. » (Jereo koa Asan'ny Apostoly 2:34)
I Jesosy no niteny izany. Noho izany, ireo mpanompon’Andriamanitra tahakan’i Abrahama, Davida, etc…izay maty talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tety an-tany dia tsy nisy niakatra tany an-danitra.
Ahoana kosa ny amin’ireo izay maty taty aoriana ? Misy andiniteny ao amin'ny Jaona 14 : 2, milaza hoe : " Ao an-tranon'ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho." Mbola i Jesosy ihany no nilaza izany, fa IZA no nilazany izany ? Ireo apostoly tsy nivadika taminy. Ny alina talohan'ny nahafatesany dia izao no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo : " Ary ianareo no nifikitra tamiko tao anatin'ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan'ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin'ny fanjakana". Lioka 22:28, 29.
Nisy fifanekena nataon'i Jesosy sy ny Rainy momban'ny fanjakana iray, ary ny mpaminany Daniela dia nahazo fahitana momba izany. Izao no nolazainy ao amin'ny Daniela 7:13, 14 : " Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin'ny alina : Teny amin'ny rahon'ny lanitra, dia nisy toy ny zanak'olona (Jesosy) nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin'Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be (ny Rainy) izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava."
Nampanantena an'i Jesosy ny Rainy fa ho omeny ho azy io fanjakana io. Nefa tsy hitondra io fanjakana io irery i Jesosy, ka izany no nampanantenainy ireo apostoliny hoe hisy toerana ho azy any an-danitra. Ka ireo niaraka taminy no voalohany voafidy ho amin'izany ary voalaza ao amin'ny Apokalypsy 5:10 ny ho andraikitr'izy ireo : " Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany."
Marina tokoa izany fa hisy olona ho any an-danitra hiaraka amin'i Jesosy hitondra ny tany, ary araky ny novakiantsika tao amin'ny bokin'i Daniela 7:14 teo dia hisy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny, hanompo io fanjakana io.
Ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe : iza no mankany an-danitra hanjaka hiaraka amin'i Jesosy ary iza no anisan'ireo vahoaka ho entin'io fanjakana io ?
Toy ny fanjakana rehetra moa dia vitsy lavitra kokoa ny isan'ny mpitondra fanjakana raha hoharina amin'ny isan'ny vahoaka ho entiny. Izao no lazain'i Lioka 12:32 : " Aza matahotra ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana." " "Ondry vitsy" izany no hitondra ny fanjakana hiaraka amin'i Jesosy.
Fa toy izao kosa no lazain'i Jaona 10:16 : " Manana ondry hafa tsy ao amin'ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry."
"Ondry hafa" kosa ny sasany.
Firy avy àry no isan'ireo andian'ondry roa samihafa ireo ? Manome isa momban'izy ireo tokoa ve ny Baiboly ? Voalaza ao amin'ny Apokalypsy 14:1 ny isan'ireo "ondry vitsy" ary Apokalypsy 14:3 dia milaza fa "novidina avy teto an-tany izy ireo".
Toy izao kosa ny momban'ny "ondry hafa" : Apokalypsy 7:9 : Taorian'izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be TSY TAMBO ISAINA, avy tamin'ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry.........."
Izay ihany izany no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momban'ny hoe olona hiakatra ho any an-danitra, fa raha ny ankoatr'izay dia mampiahiahy ahy satria any amin'ny andininy farany amin'ny Baiboly dia izao no voalaza :Apokalypsy 22:18, 19 : "Izao no ambarako amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity horonam-boky ity : Raha misy manampy ireo zavatra ireo, dia hampian'Andriamanitra ny loza voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity ho azy. Ary raha misy manaisotra teny ato amin'ity horonam-bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity."
Fa hanao ahoana tokoa ny fiainan'ireo vahoaka be ho entin'io fanjakana io ? Apokalypsy 21:4 : "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha."
Izay no mahatonga an'i Jesosy nampianatra antsika ilay vavaka hoe :"Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra".
Mirary soa ho antsika rehetra.



Velona Jesosy!

Ny anao kosa ity betsaka no hors sujet namana, fampianarana voizin'ny temoins de Jehovah ity andramanao asosoka eto ity, izay efa nanaovana resaka lava be teto.

Misaotra amin'ny fandraisana anjara!
29. leva2 ( 31/03/2013 10:23)

didi10:


leva2:

Velona Jesosy!

"Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany ; fa ny voany no ahafantarana ny hazo" Mat 12/33.

Rehefa nitantara ny fahitany raha nentin'i Jesosy nizahazaha tany an-danitra i Nenilava dia nilaza fa nahita seza maro, ary nisy seza iray tsikariny fa niongana. Dia nanontany izy ny amin'izany seza izany ary ny valin-teny dia hoe ny sezan'i Jodasy izany. Nanaraka izany, nahita ankizy marobe indray Nenilava, ary rehefa nanontany ny amin'ireo indray izy dia hoe ireo zaza ireo dia tsy voavonjy satria tsy vita batisa nefa maty.

... Ny voany no ahafantarana ny hazo ...

Sokafy ny masom-panahy hahafantatra, ary omeo izay hevitrao namana!


Tamin'izaho nianatra katesizy dia chapitre iray ao anatin'ny fampianarana mihitsy io zazakely lasa any amin'ny helo fa tsy vita batisa io, dia mirodorodo tokoa ny Katolika hanao batisa ny zanany sao maty ka tsy ho voavonjy.

Tsy hanazava lavabe momba ny tsy maha-mety ny batisan'ny zaza intsony aho fa andeha ekentsika hoe nahita zaza very tokoa izy tany ary tsy vita Batisa no nanazavan'i Jesosy azy;

Amiko dia lojika ihany raha misy zaza very tsy vita Batisa satria hoy ny didy faharoa:

Eks 20;4

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

Mazava io fa raha mpanompo sampy ny ray sy reninao ka maty ianao na mbola kely aza dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra velively satria nandray ny hozona avy amin'ireo ray aman-dreninao ireo. Miankina amin'ny fibebahan'ilay zanaka sy ny batisa ataony noho izany ny famonjena azy, indrisy moa izany fa maty mbola kely izy.

Velona Jesosy!

Fantatro fa mbola tsy maty voalavo an-kibo ny amin'ity resaka sary, sns ity ianao namana.
Tsy maninona fa dia misaotra ihany koa amin'ny hevitrao.
30. leva2 ( 31/03/2013 10:33)
tefigasy:

Be dia be ny adala, marary saina no nositranin'i Jesoa sy nomena famonjena. Mahay mino ve ny adala r'ise satria mitaky finoana ihany koa ny fanasitranana , tahaka ny batisa ?

Velona Jesosy!

Misaotra amin'ny fanehoan-kevitra namana tefigasy, ary izay hevitrao heverinao fa marina ahalalanao ny tenin'Andriamanitra dia anao iny.
Ity eto ity no hasiako fanamarihana kely. Raha heverinao ho tahaka ny fanasitranana ny batisa dia diso hevitra tanteraka ianao namana fa dia miala tsiny. Izany no antony nanomezako ireo versets bibliques ireo ahitantsika hoe inona marina no atao hoe batisa, mba jereo fa mety hahasoa anao ihany : Kol 02/09-13, Rom 06/03-11, Gal 03/26-27.
31. karandoha ( 31/03/2013 20:17)
neny lava le sujet fa tsy neny fohy hihihihihi
32. mizara ( 01/04/2013 07:21)

karandoha:

neny lava le sujet fa tsy neny fohy hihihihihi


diso adiresy ko angamba ity namana ity
33. ratsirano ( 01/04/2013 13:51)
leva2:


Ratsirano:

Saika mba hilaza ny hevitro momban’ity nandehanan’i Nenilava tany an-danitra ity aho. Raha ny tena marina dia ny hevitry ny Baiboly no tiako ho lazaina.
Izao tokoa mantsy no voalaza ao amin’ny Jaona 3 : 13 : « ….tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona. » (Jereo koa Asan'ny Apostoly 2:34)
I Jesosy no niteny izany. Noho izany, ireo mpanompon’Andriamanitra tahakan’i Abrahama, Davida, etc…izay maty talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tety an-tany dia tsy nisy niakatra tany an-danitra.
Ahoana kosa ny amin’ireo izay maty taty aoriana ? Misy andiniteny ao amin'ny Jaona 14 : 2, milaza hoe : " Ao an-tranon'ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho." Mbola i Jesosy ihany no nilaza izany, fa IZA no nilazany izany ? Ireo apostoly tsy nivadika taminy. Ny alina talohan'ny nahafatesany dia izao no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo : " Ary ianareo no nifikitra tamiko tao anatin'ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan'ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin'ny fanjakana". Lioka 22:28, 29.
Nisy fifanekena nataon'i Jesosy sy ny Rainy momban'ny fanjakana iray, ary ny mpaminany Daniela dia nahazo fahitana momba izany. Izao no nolazainy ao amin'ny Daniela 7:13, 14 : " Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin'ny alina : Teny amin'ny rahon'ny lanitra, dia nisy toy ny zanak'olona (Jesosy) nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin'Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be (ny Rainy) izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava."
Nampanantena an'i Jesosy ny Rainy fa ho omeny ho azy io fanjakana io. Nefa tsy hitondra io fanjakana io irery i Jesosy, ka izany no nampanantenainy ireo apostoliny hoe hisy toerana ho azy any an-danitra. Ka ireo niaraka taminy no voalohany voafidy ho amin'izany ary voalaza ao amin'ny Apokalypsy 5:10 ny ho andraikitr'izy ireo : " Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany."
Marina tokoa izany fa hisy olona ho any an-danitra hiaraka amin'i Jesosy hitondra ny tany, ary araky ny novakiantsika tao amin'ny bokin'i Daniela 7:14 teo dia hisy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny, hanompo io fanjakana io.
Ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe : iza no mankany an-danitra hanjaka hiaraka amin'i Jesosy ary iza no anisan'ireo vahoaka ho entin'io fanjakana io ?
Toy ny fanjakana rehetra moa dia vitsy lavitra kokoa ny isan'ny mpitondra fanjakana raha hoharina amin'ny isan'ny vahoaka ho entiny. Izao no lazain'i Lioka 12:32 : " Aza matahotra ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana." " "Ondry vitsy" izany no hitondra ny fanjakana hiaraka amin'i Jesosy.
Fa toy izao kosa no lazain'i Jaona 10:16 : " Manana ondry hafa tsy ao amin'ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry."
"Ondry hafa" kosa ny sasany.
Firy avy àry no isan'ireo andian'ondry roa samihafa ireo ? Manome isa momban'izy ireo tokoa ve ny Baiboly ? Voalaza ao amin'ny Apokalypsy 14:1 ny isan'ireo "ondry vitsy" ary Apokalypsy 14:3 dia milaza fa "novidina avy teto an-tany izy ireo".
Toy izao kosa ny momban'ny "ondry hafa" : Apokalypsy 7:9 : Taorian'izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be TSY TAMBO ISAINA, avy tamin'ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry.........."
Izay ihany izany no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momban'ny hoe olona hiakatra ho any an-danitra, fa raha ny ankoatr'izay dia mampiahiahy ahy satria any amin'ny andininy farany amin'ny Baiboly dia izao no voalaza :Apokalypsy 22:18, 19 : "Izao no ambarako amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity horonam-boky ity : Raha misy manampy ireo zavatra ireo, dia hampian'Andriamanitra ny loza voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity ho azy. Ary raha misy manaisotra teny ato amin'ity horonam-bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin'ity horonam-boky ity."
Fa hanao ahoana tokoa ny fiainan'ireo vahoaka be ho entin'io fanjakana io ? Apokalypsy 21:4 : "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha."
Izay no mahatonga an'i Jesosy nampianatra antsika ilay vavaka hoe :"Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra".
Mirary soa ho antsika rehetra.



Velona Jesosy!

Ny anao kosa ity betsaka no hors sujet namana, fampianarana voizin'ny temoins de Jehovah ity andramanao asosoka eto ity, izay efa nanaovana resaka lava be teto.

Misaotra amin'ny fandraisana anjara!

Tsy hitako hoe inona no maha hors sujet raha toa ka mba te hilaza hevitra momban'ny hoe olona iray nilaza fa nahita ny tany an-danitra tany ny tenako.
Manaraka izany : ny témoins de Jéhovah, dia olom-belona tahaka ny olona rehetra ihany fa ny hevitra havoitrako eto dia hevitry ny Baiboly irery ihany, dia ny Tenin'Andriamanitra izany, izany hoe manomboka any amin'ny Genesisy ka hatrany amin'ny Apokalypsy.
Ary tsy hoe "asosoka" ilay hevitra fa tena atosaka mihitsy satria malalaka ny fandraisana anjara ary misaotra anao mankasitraka izany.
34. leva2 ( 03/04/2013 05:27)
Velona Jesosy!

Mbola fampianaran-diso entin'ny Temoins de Jéhovah ihany koa ity resaka ondry vitsy, mankany an-danitra sy mijanona ety an-tany ity, sady hors sujet.
Olom-belona tahaka ny rehetra tokoa ny temoins d Jéhovah, namana ratirano, fa raha ny maha-kristiana azy dia mampisalasala. Raha nijanona tamin'ny hoe "mpianatry ny Tompo" ny famaritana ny atao hoe kristiana, na hoe "pro-Jésus" dia izy tokoa izy ireo; saingy ny atao hoe kristiana namana dia "possésé par Jésus", "habité par l'Esprit Saint de Dieu" fa mba vakio ireo famaritana ny atao hoe batisa nomeko tetsy ambony. Manaraka izany, tsy velona ho an'ny tenany fa velona ho an'i JESOSY ny atao hoe kristiana, Gal 02/20 "tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko".
Mbola hors sujet indray koa ity resaka ity, fa tsara angamba omeko anao ity rohy ity :
http://forum.serasera.org/forum/message/m50c59bb28e475

Misaotra indrindra!
35. mekana ( 09/12/2013 09:05)
Misy cas anankiray koa ity e : Apostoly TSARA TSARA.

Malagasy io a. Dahalo, sy mpitan-kazomanga tao Miandrivazo.
Ny anarany t@ faha-dahalony dia Remetsibako na RevoayBe.
Fantatry ny zandary io rangahy io. Fantatry ny olona tao koa.

Nijery youtube aho aho dia ity misy video anankiray zaraiko aminareo :

36. mirananirina ( 09/12/2013 13:42)
Minoa fotsiny ihany marina ity! Fa angaha zanak'Andriamanitra koa i Nenilava? No nahita ny any andanitra dia niverina eto antany indray? Sao tokony ampidiri a ao anaty baiboly izany.
37. john76 ( 13/03/2016 20:05)
Misy teny kely ho anareo ato @ ity serasera ity tsy ato ny marina fa ao amin ny Teny na Ilay Andriamanitra Fanahy tonga nofo nampanoratra ny Baiboly tamin ny alalan ny Fanahiny. Velona Izy satria ambarany ao izany rehefa Izy no miasa hoy Izy tsy misy mahasakana. Tsy natao iadiana hevitra ny fahalalana Azy fa natao hampitombo izany fahalalana Azy izany ary maimaimpoana ny fahalalana Azy hoy izy manasa anareo mba tsy hifanditra @ fahalalana Azy fa hianatra hifankatia satria tsy misy mahavita mitia ny hafa ka nahafoy ny ainy mba ahatonga antsika ahalala ny marina ny @ Andriamanitra Mpamorona sy Mpahary antsika afa tsy Izy ihany.
Ny resaka ataonareo ataovy izay ampandroso anareo @ fahalalana Azy raha tsy izay dia aleho ajanona satria tsy mahasoa anareo izany.
Mirary anareo tsirairay hitombo @ fahasoavana ka ahafantatra hoe Iza moa Izy izay Mpahary antsika ao amin ny teniny ary hianatra Aminy fa Izy no tena mahafantatra antsika sy izay fomba mety hitondrany antsika mba ahalala Azy isika fa izay no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Azy Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy Izay nirahiny.
Peace for you all in Christ.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2511