Angamba tsy misy olona tia ny antsoina hoe "mpandala ny tany fisaka", nefa betsaka ny olona mieritreritra fa nampianatra ny Fiangonana t@ andro fahiny hoe fisaka ny tany , na dia tsy marina aza izany. Noravan'ny mpahay Tantara Jeffrey Burton Russel tanteraka ity angano ity t@ bokiny "
Inventing the Flat Earth". Tsy nahita afa-tsy mpanoratra 5 tsy fantatra avy aiza izy tao anatin'ny 1 500 taona voalohan'ny finoana kristiana izay nandà ny Tany ho boribory. Fanampin'izay, mitantara ny mpahay tantaran'ny siansa John Heilbron @ bokiny "
The Sun in the Church" fa nanohana ny mpandinika habakabaka ny fiangonana t@ namelany hampiasa ny katedraly anaovany observatoire fandinihana ny masoandro.
Ny Baiboly koa dia manome famantarana vitsivitsy momba ny endriky ny tany. Ny tena fanta-daza @'izany dia ny
Is. 40:22. Tsy dia hita taratra loatra izany @'ireo dikany @ teny gasy, fa milaza izao ny version Louis Segond hoe : "C'est lui qui est assis au-dessus du
cercle de la terre, Et ceux qui l'habitent sont comme des sauterelles; Il étend les cieux comme une étoffe légère, Il les déploie comme une tente, pour en faire sa demeure." Ilay teny Hebreo "
chuwg" izay nadika hoe "cercle" eto dia manambara zavatra boribory
tahaky ny baolina kitra raha ny marimarina kokoa.