voambolana matematika

1. tibao ( 14/03/2013 20:21)
Miarahaba antsika rehetra.

Mba fantatrareo ve ny dikan-tenin'ireto teny ireo amin'ny teny malagasy ?

  • calcul intégral
  • équation différentielle
  • calcul vectoriel
  • calcul matriciel (kajy amin'ny vohoka?)
  • probabilité
  • équiprobable
  • &c, &c...

Ary mahafantatra boky momban'ny matematika amin'ny teny malagasy ve ianareo izay mamaky?
novalian'i Tibao ny 17/03/2013 13:32
2. Nehemiah ( 15/03/2013 06:39)
Izao indray no fantatro : mijaly @ fitadiavana asa ireo cousins-ko tratran'ny fanagasiana ny fampianarana, ka tsy aleo ajanona ho teny frantsay ranoray ny fampianarana matematika ?
3. tibao ( 15/03/2013 12:30)
Nehemiah:

Izao indray no fantatro : mijaly @ fitadiavana asa ireo cousins-ko tratran'ny fanagasiana ny fampianarana, ka tsy aleo ajanona ho teny frantsay ranoray ny fampianarana matematika ?


Ny antony nanontaniako ireo teny ireo dia izao : tsy mahita na inona na inona momba ny voambolana matematika @ teny gasy aho eto amin'ny Internet, ka manontany anareo soa dia mba misy mahalala azy ireo.
4. 5laody ( 15/03/2013 12:48)
Salama daholo isika,

Misy teny maro tsy maintsy mbola foronina ny teny malagasy, tadidio ny hatevin'ny bokin'ny voambolana malagasy miohatra amin'ny teny frantsay na anglisy.
Tsy ny fitenintsika irery anefa no toy izany :ny rainiboto koa ohatra dia manakambana teny rehefa tsy namorona teny tokana ilazana hevitra na zavatra iray.

Raha ny fitadidiako tamin'ny tsy mbola nahafantarako Aterineto dia misy fomba ahafahana manoso-kevitra voambolana vaovao ihany amin'ny teny Malagasy, tsy fantatro anefa nytoe-javatra amin'izao fotoana izao, tamin'ny namoronana ny hoe finday sy solosaina ohatra taiza sy taiza no nandalo ny soso-kevitra, ela ve vao nekena sns...

Misaotra an'izay afaka manazava an'izany eto.

5. Nehemiah ( 15/03/2013 13:21)

tibao:

Nehemiah:

Izao indray no fantatro : mijaly @ fitadiavana asa ireo cousins-ko tratran'ny fanagasiana ny fampianarana, ka tsy aleo ajanona ho teny frantsay ranoray ny fampianarana matematika ?


Ny antony nanontaniako ireo teny ireo dia izao : tsy mahita na inona na inona momba ny voambolana matematika @ teny gasy aho eto amin'ny Internet, ka manontany anareo soa dia mba misy mahalala azy ireo.

Ity misy sity fandikàna teny gasy somary misimisy kalitao ihany :
http://tenymalagasy.org/bins/teny2
6. Tibao ( 15/03/2013 22:11)

Ity misy sity fandikàna teny gasy somary misimisy kalitao ihany :
http://tenymalagasy.org/bins/teny2

Misaotra anao namaly,

Efa nijery tao amin'io tenymalagasy.org io aho, fa na dia betsaka aza ny teny malagasy voazava tsara, ohatry ny vitsy ny voambolana ara-teknika misy ao: tenim-paritra nodikaina amin'ny «teny ofisialy» sy sinônima ny tena betsaka... Na teny ohatry ny "solosaina" na "finday" aza tsy hazavainy akory, maika fa voambolana matematika manokana. Efa nijery teo amin'i Wikibolana koa aho fa tsy misy na inona na inona momba ny voambolana matematika ao, sady misy tsy mazava ilay teny famaritana (dikan-teny moa izany raha marimarina kokoa) :/

Aminareo, inona ny vahaolana raha mila mandika lahatsoratra ahitana ireo teny ireo : manao vary amin'anana, manakambankamban-teny (tsy dia azo atao loatra satria misy hevitra tsy afaka dikaina amin'ny teny malagasy anatin'ny teny iray), sa managasy an'ilay teny (vary amin'anana an-tsoratra) ?

Misaotra mialoha,
7. Nehemiah ( 16/03/2013 06:22)
Inona moa no eritreritra voalohany tonga @ saina rehefa misy miresaka "fahita lavitra" ? Televiziona ve sa masolavitra ? Inona no eritreretin'ny olona rehefa misy miresaka "tranon-kala" ? Sity Aterineto sa ilay faroratra avoakan'ny hala ?

Amiko aloha dia aleo ihany tazomina ny teny vahiny na farafaharatsiny gasiana. Ny an'ny zaponey izao ny fandriana dia "beddo" (bed), ny bus dia "basu", ny hanina masiaka dia "supaishi" (spicy), ary tena misy aza rehefa misaotra dia manao hoe "sen-kyu" (thank you) fa tsy "arigato" koa. Nefa ao tsara ny kolon-tsaina. Ka angamba tsy ota mahafaty ny managasy voambolana vahiny :).

Sady rehefa mandeha mianatra na miasa any an-dafy, tsy ho very ianao raha nianatra momba ny kajy matrisiela toy izay ny "kajy ara-bohoka" lol
8. sitlo ( 17/03/2013 12:23)
http://kajy.blogspot.com.au/2011/04/ireo-voambolana-matematika-malagasy.html
9. Tibao ( 17/03/2013 13:32)
sitlo:

http://kajy.blogspot.com.au/2011/04/ireo-voambolana-matematika-malagasy.html

Misaotra iindrindra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5718