sarotra ny miala

1. MIANTSATIA ( 14/03/2013 09:16)
Bjr doly,
manana pbl tena sarotra vahana ndrindra eo @ fiainako a d mb ilako fanampiana avy @nareo. maty ny vadiko 5 taona lasa zay, 2 ny zanako. misy ol miaraka amko efa 3 taona zao ary miaraka mipetraka zay. ity no sarotra indrindra. tena faranizay ol ratsy fitondra vevavy sady tia tena tafahoatra no panitsakitsaka gaigilahy. manginy ftsn ny fikasihatanana diso matetika sy ny vava maloton'ny fitenenandratsy mahazatra otrany misotro rano na antrano na ivelany. vo niaraka volana vitsy zahay d nitady evitra aho hialana aminy, saingy atramzao d mbola eny foana zahay, antony? ra vo mtady isaraka aho d vonoiny ataony maratra fona, efa nandramako imbetsaka fa d toy izay atrany. mety hanankevitra resaka polisy sns enao ? fatany doly sad namany ao @ fitsarana hatrany atanimora ka na miditra ao izy androany d mvoka ao androany iany. sad izy efa niteny fa ra misy mitory azy d hazainy sy hovonooiny ho faty... vonjeo fa mila evitra mahomby sady tsara indrindra ialana aminy... msotra btsk mialoha.
2. nirri ( 14/03/2013 12:53)

MIANTSATIA:

Bjr doly,
manana pbl tena sarotra vahana ndrindra eo @ fiainako a d mb ilako fanampiana avy @nareo. maty ny vadiko 5 taona lasa zay, 2 ny zanako. misy ol miaraka amko efa 3 taona zao ary miaraka mipetraka zay. ity no sarotra indrindra. tena faranizay ol ratsy fitondra vevavy sady tia tena tafahoatra no panitsakitsaka gaigilahy. manginy ftsn ny fikasihatanana diso matetika sy ny vava maloton'ny fitenenandratsy mahazatra otrany misotro rano na antrano na ivelany. vo niaraka volana vitsy zahay d nitady evitra aho hialana aminy, saingy atramzao d mbola eny foana zahay, antony? ra vo mtady isaraka aho d vonoiny ataony maratra fona, efa nandramako imbetsaka fa d toy izay atrany. mety hanankevitra resaka polisy sns enao ? fatany doly sad namany ao @ fitsarana hatrany atanimora ka na miditra ao izy androany d mvoka ao androany iany. sad izy efa niteny fa ra misy mitory azy d hazainy sy hovonooiny ho faty... vonjeo fa mila evitra mahomby sady tsara indrindra ialana aminy... msotra btsk mialoha.
3. nirri ( 14/03/2013 12:57)

Bjr, Mampalahelo ahy enao, voalohany tokony ataonao aloha dia mivavaha mafy hatrany, faharoa asa raha mety efa nataonao , tsy haiko aloha enao raha eto Antananarivo fa mba manantona ihany ny AFARI eny @67ha akaikin'ny poste fa fikambanana miady ho an'ny zon'olombelona sy ny vehivavy io de mangalà renseignement ao sao mba mety ihany izay fa dia mahereza enao mivavaka fa tsy manary anao Andriamanitra
4. fitatoky ( 14/03/2013 20:11)
mafy be zany,en plus mampalahelo ny ankizy kamboty ra mbola hisedra olana hafa oh zany ndray,mivavaha mafy,apetraho amin'Atra zany olanao zany de amaly anao anie izy,fa samy manana ny prbl dolo ny olona retra ,aza kivy!
5. nilex ( 15/03/2013 07:13)
28 Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

MATIO 11 28 - 28
Mampalahelo be ny tantaranao ranabavy ka izao no tiako hatoro anao voalohany.Sao misy tsy sitrapon'Atra eo aminareo kay.Vita raharaha ve ianareo.Raha sanatria tsy vita dia mifona mafy amin'ny Jeso aloha.Raha vita kosa tsy maninona.Mila mitodika amin'Atra kosa ankehitriny ary apetraka eo ananany ny olana e.Fa voalohany ampandrosoy ao am-ponao Izy aloha ho tompon'ny fiainanao satria tsy misy azo atao raha tsy ao Izy.
"5 Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona."
JAONA 15 5 - 5
Tsy vitan'ny sain'olombelona izany olana izany fa aleo ny Tompo no hiasa e.
"28 Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana."
MATIO 11 28 - 28

Aleo hapetraka amin'ilay mahery ny olana fa isika kosa hivavaka mafy ho anao indrindra ho an'ny vadinao.Tsy mora izany fa ny aza adino fa ny vavaka manova zavatra an.
Aza miady aminy fa mangina sy mivavaka fotsiny no ataonao.

20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25.
ROMANA 12 20 - 20

19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).

ROMANA 12 19 - 19

Mahereza fa hivavaka ho anao koa ny tenako fa ho hitantsika tokoa ny voninahitrAtra fa mila mivavaka mafy an.

40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

JAONA 11 40 - 40

Ho tahian'ny Tompo e.
6. MIANTSATIA ( 15/03/2013 10:15)
Misaotra btsk anareo mampaery @ alalan'ny tenin'Atra. fa tena mampijoro sy manome herintsaina sy fanantenana. mihevitra ny hanatona Mpiandry aho na Pasitera na ... tsy fatatro, mety ve ? sa mety ve raha izaho ihany no mivavaka ho an'ny tenako ? raha mety d iza na aiza no tokony hatoniko ? d inn no hoteneniko ?
7. sitlo ( 16/03/2013 06:46)
Ny soso-kevitro dia tsara raha mitady fomba hamonoana azy ianao.
8. raclo ( 16/03/2013 17:08)
efa lasa alavitra ko zany ry sitlo a! ra manana havana akaiky ianao de kilazao azy ny zavamiseho, azonao atao iany ko ny manatona panao gazety, ataovy malaza mba ananany hentra, amizay fotona zay nefa ianao de tokony iaro tena, zany oe miafina any am toerana tsy ainy!!! dia Atra anie anampy anao!!
9. Ratoa ( 17/03/2013 23:11)
Tsia, tsy tsara ny mpanao gazety fa jereo ny fikambana miaro ny zon'ny vehivavy. Aza misalasala koa manantona mpiandry sy mpitandrina fa " raha misy roa na telo....". Saingy tsy manampy izay tsy manampy ny tenany Andriamanitra ka mitsangana ianao manantona mpitsara ary mangalaha vavolombelna. Aza miaritra eo fa samy mijaly ianao sy ny zanakao.
10. nilex ( 18/03/2013 05:27)
Miarahaba e,dia samy ho tahian'Atra daholo e.I sitlo aloha mba angatahina ho matotra ny olan'ny olona aza efa mazefatra mbola ampiana indray ve?
Tsy mety koa ilay hevitra hoe hanao izay hahamenatra ny vadinao amin'ilay resaka gazety io.Raha fomban'olombelona ho entina mamaha ny olanao dia hafa izay fa ny ahy dia ny fomban'Andriamanitra ihany no azoko resahina eto.
Tsara ny hevitra hoe hanantona mpitandrina na mpiandry fa mila dinihina tsara koa izy ireny hoe tena mitoetra tsara ao amin'ny Tompo ve fa sao vao maika hampitombo ny olana.
Ianao aloha no mivavaka dia tsara raha misy olona mifampitondra aminao koa.Efa mitondra am-bavaka ho anao koa ny tenako araka ny efa noresahiko fa aza matahotra.

19 Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
MATIO 18 19 - 19
Aleo fa omeko olona azo antoka ianao rahampitso hifampidinika sy hanampy anao.
Mahereza e.

11. MIANTSATIA ( 18/03/2013 12:15)
Misaotra btsk Nilex. mampahery ahy ianao. tena miandry an'izay olona alefanao izay aho Nilex. tsy fantatro izay mitranga na noho ny fitrotroanao ambavaka fefa manomboka tsy mlam izy ato. efa tsy mahatombina fa mahimahina sy toa verivery saina be iany. milamila vaniny sy toa sorena lava. raha vao anotaniana ny antony dia tezitra mafy. manomboka miasa ngamba ny vavaka ka miharomotra ny devoly ao anatiny. izaho dia ataoko toy ny isanandro iany. tsy tiny le anotaniana d tsy mametrapanotaniana tsony aho ninin ataony sy fihetsiny fa jereko ftsn. fa vao maika izy tsy mlam mahita ny fahanginako.tsitako zay hanaovana azy... efa mba tonga tao antsaiko iany le evitr'i Sitlo ela talohan'izao, saingy tsy resy lahatra aho fa naleoko niandry ny rariny, kanjo ankehitriny d tsy zakako intsony. nisy fotoana tato ato nanana faniriana hanatona an'ireny pisikidy sy mpanao ody ratsy ireny aho, ireny hoe mme Noelah sns @ gazety ireny, saingy zavatra tsy mbola nataoko ka mataotra sao ifoterany aho. tsy mbola nataoko hatrizay koa ny miditra forum otrizao ataotsika izao, saingy fara ala neniko ity satria very saina sy hevitra tateraka aho, kanjo tojo anao Nilesh dia mitraka indray, ary matoky fa raha mino aho dia ho hitako ny voninahitr'Atra. matoky an'Atra aho, ary hanankina aminy ity olana goavana ity mandrapaha voavahany.
12. nilex ( 18/03/2013 12:28)
Omeko anao ilay olona rahampitso fa mino aho fa hanampy anao tanteraka izy sady hiaraka hitondra ambavaka amintsika koa indrindra indrindra.Sao manana adresse mail ianao handefasako ny momba azy fa tsy dia tiako hiseho eto ny momba ilay olona satria tsy fahalampomba izany.Na phone farafaharatsiny dia alefako any.
Fa ny Tompo tsy mba mahafoy antsika izany.Fa izao no aza adino an.Tsy ho faly mihintsy i satana ka mila mitolona mafy ambavaka isika e,sa ahoana.Aza adino ny mivavaka ho azy fa tsy hoe ho anao irery iany.Andriamanitra mahery ny antsika e.Mahereza ,ny Tompo anie homba anao.Rehefa mitady ho kivikivy ianao dia mandefasa ireny radio évangélique ireny toy ny RVM ohatra na izay misy toriteny fa mampahery ireny ary miteny amin'ireny koa ny Tompo.
13. MIANTSATIA ( 18/03/2013 12:38)
Afaka miantso ahy @ty num ty ve Nilex rapitso d ataovy @ 9ora tsy diso. Taxiphone izy ty fa eo no hanomezako anao ny num sy ny adresse mail ako. satria sarotra ny hanoratra izany eto. 033 23 231 74. raha mety ianao dia ilazako dieny zao le ol mba tsy ho gaga maeno anao.
14. MIANTSATIA ( 19/03/2013 06:39)
Bjr Nilex,

Efa napetrako @ le ol ny num ako d mba antsoy a azfd ndrindra. ty num anle ol : 033 23 231 74. misaotra btsk.
15. nilex ( 19/03/2013 10:55)
mino aho fa afaka hifanampy amin'tsika tsara io olona io.Afaka mihaona mivantana koa izy raha misy mila fanampiana aminy fa toa ny lundi sy mardi izy no mandray olona.Fa aza ajanona mihintsy ny vavaka an.Mahereza e.
16. mirananirina ( 19/03/2013 12:36)
Mandehana mitory dia ento any @ fotoriana fa milaza mahalala olona maro² izy tsy hampigadra azy sns fa tsy tiandrizareo mht manko io misehoseho mhalala olona io dia iny vao maika mampidoboka azy (ataovy izay hanana porofo anefa fa tsy vava miteny fotsiny ihany)
17. nilex ( 20/03/2013 13:50)
Ny olona miaraka amin'ny Tompo tsy mila mitory izany fa toriana amin'ny Tompo izy dia resy ho azy.Mahavita lavitra nohon'ny vitan'olombelona nge Izy e.
18. nilex ( 20/03/2013 13:58)
Tsy ny hampigadra azy mantsy no tanjona fa ny hiovany fo satria tsy sitraky ny Ray izay any andanitra nge ny hahafaty ny ratsy fanahy e fa ny hialany amin'ny ratsy fanony no sitrany.
19. mirananirina ( 20/03/2013 16:12)
Olona miaraka @ tompo tsy manoro vohana tsy hihetsika fa asaina mivavaka sy miandry an i tompo eo? Rehefa maty voavono ve vao hihetsika tsy tara loatra?arahana fihetsika io vavaka io fa tsy vita sy mandeho ho azy! Tompo o omeo vola aho dia tonga tokoa ny vola alatsany avy any andanitra!
20. nilex ( 21/03/2013 05:38)
Tsy mbola fantatrao marina ny fiasan'ny Tompo an.Marina izany fa na mangataka vola aza ianao dia omeny.Ny fifandraisanao Aminy no mila amboarina aloha dia ho tsapanao eo amin'ny fiainanao mivaingana mihintsy ny asan'ny tanan'Atra.
"7 Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

JAONA 15 7 - 7".
Halalino tsara sy diniho io teny io dia ho fantatrao ny tena marina.Ianao ve mihevitra fa mpandainga sy tsy azo atokisana ny tenin'Atra.
Midira amin'ny lalindalina kokoa fa aza mijanona ety ivelan'ny varavarana fotsiny fa ho hitano tsara ny voninahitr'Atra.
Ary io olona voafatotra io tena lazaiko aminao fa ho afaka io fa aza matahotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985