Faly miarahaba antsika tratry ny Taom-baovao malagasy sy ara-baiboly
1. didi10
(
12/03/2013 06:07)
Tsara ny Tompo
Nigadona omaly tokoa ny taom-baovao.
Ho anao mino an'i Jehovah Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy, dia tononiko ho anao ny FiadanaNY sy ny FitahiaNY, fantaro fa Andriamanitra dia nanome antsika ireo volana sy kintana ary ny masoandro mba hahafanatsika mahalala ny andro sy ny ora ary ny fotoana, koa omeo Voninahitra Izy amin'ny fisaorana Azy tamin'ny soa rehetra izay nataoNY taminao tamin'iny taona lasa iny ary fotoana mety izao hangatahana Aminy izay sitraky ny fonao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
Mpitoriteny 3,1
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra:

novalian'i sitlo ny 21/03/2013 09:31
2. bor2lais
(
12/03/2013 12:29)
radidi:
fantaro fa Andriamanitra dia nanome antsika ireo volana sy kintana ary ny masoandro mba hahafanatsika mahalala ny andro sy ny ora ary ny fotoana ...
Nanome antsika ny famantaranandro sy ny calendrier koa Izy e ! :-)
3. sitlo
(
20/03/2013 12:57)
Ny famantaranandro sy ny calendrier kosa angamba iaraha-mahalala fa vita sinoa :p
Ny olombelona dia teraka teto amin'ny zavaboahary tahaka ny zavamanan'aina rehetra. Fa vokatry ny asan'ny olombelona ihany dia zary niala tamin'zany isika ka lasa miaina ao anatin'ny hoe artifisialy.
Ny fanontaniana dia hoe: iza no tsaratsara kokoa?

4. didi10
(
21/03/2013 08:29)
Gen 1,14
14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
Miondrika mijery "montre" sy "calendrier" ianao rehefa te hamantatra ny fotoana sa miandrandra ny lanitra ho fanajana ny torolalan'ilay mpahary?

5. sitlo
(
21/03/2013 09:31)
Aleoko mijery famantaranandro fa tsy hitako ny lanitra rehefa avy ny orana.