ANDRY PRINCE DE SATAN
1. takona
(
07/03/2013 12:21)
Io misy fijoroana vavolombelona ny marimarina kokoa fitadiavana vonjy , aiza daholo ianareo be resaka rehetra eto amin'ny serasera avoty io olona io
novalian'i baregenaina ny 02/04/2013 08:51
4. Miharena
(
07/03/2013 16:43)
Ahoana tokoa moa namana Takona no hahazoan'ny namana eto amin'y serasera manampy io namana io?
Fantatrao angaha hoe mpisera koa izy?
Raha mpisera manko izy dia azo atao ny manampy azy na dia torolalana kely fotsiny aza.

5. leva2
(
07/03/2013 19:35)
Miharena:
Ahoana tokoa moa namana Takona no hahazoan'ny namana eto amin'y serasera manampy io namana io?
Fantatrao angaha hoe mpisera koa izy?
Raha mpisera manko izy dia azo atao ny manampy azy na dia torolalana kely fotsiny aza.
Velona Jesosy!
Efa nisy torohevitra nozaraiko tamin'izay namana, ary mety hanampy tokoa an'ity Andry prince ity.
Aza miteny izany ianao namana Miharena fa inona no tsy vitan'ny vavaka atao amin'ny finoana?
Tadidio mandrakariva ilay teny hoe : "ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra".
Koa dia manentana antsika rehetra noho izany hivavaka ho azy, hamonjena ny fanahiny, ka hanafaka azy amin'ny ziogan'i satana.
Misaotra namana isany!
6. Hagg
(
08/03/2013 06:19)
Tena nahatonga saina ahy io tantara io...io mifampitohy amle "Fidy mpanentana". Zavatra maromaro no azoko notsoahina:
- i Malhol sy ny tariny izany dia olona tena ampiasain'ny devoly ary indraindray dia izy mihitsy no mampiasa ny devoly...dia tsy haiko izay ambony ny i Mailhol ny io Andry milaza azy ho prince io;
- ity Madagascar ity dia tena lalaovin'ny satana mihitsy ary ny mpitondra rehetra teto dia niaraka taminy avokoa. Tsy mahagaga raha mahantra isika....mafy loatra ny asan'ny maizina eto ary ny olona tena vonona hanohitra azy dia mbola vitsy loatra;
- Rehefa tena mijery io film io aho dia toa mahatsapa fa tsy tena te-hibebaka izy fa ohatry ny manao défi zany. Betsaka ny fomba fiteniny mbola tsy te-hanary ny fahefana azony tamin'ilay ratsy...film efa tamin'ny enimbolana lasa io izay ary raha nitohy niasa izy dia tokony ho efa afaka tanteraka toy izay ary efa tokony ho lasa mpitory indray sy sahy mijoro ho vavolombelona. Mbola tsy misy alo izay hatreto.....
- Raha te hiova i Madagascar dia io ady amin'ny satana io no tokony hilofosana mafy...tsy azo atao nefa ny mampifangaro ny politika sy ny finoana saingy ny mpanao politika no tokony hanao izany voalohany...tena izy fa tsy fihatsarambelatsihy....

7. antiosymaint
(
08/03/2013 08:38)
takona:
Io misy fijoroana vavolombelona ny marimarina kokoa fitadiavana vonjy , aiza daholo ianareo be resaka rehetra eto amin'ny serasera avoty io olona io
Misy video intégrale tsa ary misy montage & "sou-titrage"n'io ao amin'ny internet io efa miparitaka be any efa nojineriko, ao no hita ny tarehin'ilay Pasitera manao interview sy ny anaran'io fiangonana io, une partie n'ilay délivrance, sy ny fiangonana hafa efa nandalovan'i Andry tahaka ny MRE, ny resaka zazavavindrano, sns
Mbola misy interview mp3 2h30 ihany koa ilazany ny anaran'ireo satanista gasy, izay mpanao politika sy mpihira malaza ny ankabeazany. Mbola resahina ao koa ny "détail" n'ilay resaka secte satanique sy ilay puce...
Aza dia faly mitsikera fotsiny fa tokony ho tonga saina 'sika hoe misy "vie parallèlle" tsy takatry ny sain'ny sarababem-bahoaka eto Dago eto.
8. Hagg
(
08/03/2013 09:23)
Tena marina izany....eo tokoa ny ahitana fa misy fiainana hafa mihitsy tsy eritreretin"'ny olontsotra eto antany eto. Resaka fanahy fotsiny io.
Tsy sanatria mitsikera fa izany indrindra no mampahantra ny Malagasy toy izao. Voasarona daholo isika....mila tena mivavaka mafy raha te ho tafavoaka. Ny tena loza dia tsy fantatra intsony ny iza sy iza fa mety efa samy colonnie-ny daholo koa...
9. Miharena
(
08/03/2013 13:46)
Mahantra marina ve ny Malagasy?
Tsy azo heverina izany, fa ny vola no itsaràn'a fa mahantra isika fa tsy isika no mahantra.
Raha mboka misy olona tsy andevozin'ny vola eto dia manankarena isika Malagasy.
Ao koa ny fahaizana indrindra fa ny fananana fanahy amam-pahendrena. Raha tsy io no asehontsika lalandava dia lavo isika fa tsy afaka hiarina.
Raha eo amin'ny resaka fiainana miafina indray dia erantany io fa tsy isika Malagasy ihany no isiany. Ary raha toa ka voazava tsara izy io dia azo atao tsara ny mampandroso ny fanahin'ny olona tsirairay homba an'Andriamanitra.
Ny asan'ny ratsy dia efa anisan'ny ho voavaha amin'izao fotoana izao ary io no mety mandika ny atao hoe andro farany ao amin'ny Baiboly.

10. toriteny
(
12/03/2013 07:50)
Efa hitako ihany ilay vidéo. Raha mamaky eto izy na misy olona mahalala azy dia izao no ambarako aminy. MAnana etaheta hiala izy matoa manantona pasteur saingy tsy manana hery hanoherana ireo devoly be dia be ao aminy.
Fa za sahy milaza fa aza manantona olona intsony fa sady mitondra olona any amin'ny fankam-panahy ianao no tsotra be ny mahafaka anao. Jer29:13: "Ary hitady Ahy ianareo , dia ho hitanareo Aho , raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra."
IAnao no manantona an'i Jesosy sy ilainy hitady Azy
Zavatra mandaitra amiko ito zaraiko ito ka hatoroko ihany koa ho an'ireo izay mahatsiaro voagejan-javatra na ho an'ireo izay mitady Azy nefa tsy mety mahita Azy hatramin'izao.
Fa za rehefa te hampitombo ny finoako, na asainy mitondra am-bavaka olana iray dia mifady hanina araka izay tanty. 2 na 3 andro aza misakafo mihitsy fa rano fotsiny sotroina dia derao Jesosy, antsoy Izy, angatao ny ràny hanafaka sy hanadio anao ary tena katsaho amin'ny fonao rehetra Izy araka io voasoratra ao amin'ny Jeremia io. Tena ataovy re hatrany an-danitra fa mitady Azy ianao fa hiaona Aminy ianao ary tena hafahany tokoa ary tena mamaly izay tena miantso sy mikatsaka Azy Izy. FA tena mangotraka ianao rehefa avy mifady hanina, rehefa mivavaka tsy ankihato ary rehefa midera Azy andro aman'alina amin'izany
Ary na hi-menacer ny hamono anao ary ireo devoly ao anatinao, aza mihaino azy ireo intsony ary aza manao izay ampanaoviny fa tant que mbola manaraka ny teniny ianao, tant que mbola matahotra azy ireo ianao dia mbola manisy lanja azy ireo fa rehefa maniraka ny devoly dia fiderana an'i Jesosy avaly azy ary aza matahotra ny hovonoiny akory fa Jesosy hataovy izay hihaonanao Aminy dia Izy no hiaro anao amin'ny fitsipiky ny devoly ka tsy hampaninona anao ireo.
Zavatra tenenin'ny Tompo ahy foana isan'andro ny hoe tsy misy haizina hanantona mazava izany mihitsy fa mankany amin'ny fahafatesany izy raha manantona mazava. Ho antsika izay alaim-panahy, izay mahatsiaro resin'ny devoly tonga dia fiderana hiraina amin'ny fo fa tena mandaitra amiko ireo. Ary aza vonoina mihitsy ny afonao, aza misaraka amin'ny Tompo mihitsy fa tsisy haninona anao izany raha tsy sitrany

11. mimichah
(
20/03/2013 13:20)
"Fa na ho aiza ialahy, fa na ho aiza ialahy ry sakaiza, tsy maintsy misy hoy aho ny manenjika an'ialahy ..." Izy ihany dia efa mamaly an'ireo manenjika azy e!
12. mimichah
(
20/03/2013 13:42)
Raha olona iray petsapetsa amin'i Satana tompoko i Dama tsy hahatsapa ny lanjan'ny fihavanana malagasy sy ny firaisankina sarobidy nisy teto amin'ny firenentsika izay voavingavinga ankehitriny , ny hasarobidin'ny zavaboary noharian'Andriamanitra manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra sy hitady izay fomba rehetra hikajiana izany an! Ho an'izay fatra-panenjika azy dia tsotra fotsiny, henoy ny tonon'ny hirany fa aza mijanona fotsiny amin'ny haingo-tsehatra nataony. Ny mikasika an'ilay Madirovalo indray, mazava be iny, efa nilaza sy nanambara mazava izy fa zava-nisy iny ka notantarainy. Iza no miaramilan'i Satana sahy hilaza hoe tena amin'ny anaran'i Satana tokoa no anaovany zavatra iray raha mbola te hanintona olona hafa izy? Tsy vao mainka ve hihataka ny olona? Zava-nisy iny dia nampahafantariny tamin'ny mpiara-belona fa tsy voatery hoe nandray anjara tamin'izany koa akory izy. Tsy fahafaham-baraka ho azy ve ny milaza ampahibemaso izao fa nanao fifanekena tamin'i Satana izy? Sady iza moa no sahy hanaporofo fa Satana tokoa no asandratr'iny hira iny e? Angaha moa tsy nanana ny finoany ny malagasy talohan'ny nahatongavan'ny finoana kristiana? Amin'izao anie sarotra ny mitsaratsara fahatany ny fivavahan'ny olona hoe rehefa tsy kristiana dia manompo an'i Satana e!? aAhoana moa ny fomba ahafahanareo manaporofo izany? Zavatra ara-panahy izany, ianteheran'ny fiainan'ny isam-batan'olona ka raha nanompo an'i Satana ve ny razantsika taloha, tsy ho kapoka tsisy fiafarany sy fahavoazana lehibe dia lehibe no ho azon'i Madagasikara? Fanajana no antoky ny fiaraha-monina malagasy taloha. Nanaja an'ireo loharano nahitany masoandro ny malagasy ka dia nanome anjara toerana lehibe hoan'ny fitondran'izy ireo. Raha i Satana no nibaiko azy moa ve izy ireo afaka nahita ny fanafody amin'ny areti-mandoza maro ankehitriny fa tsy navelany ho fatifaty foana teo isika rehetra? Any amin'ny faraparan'ilay hira milaza hoe "Ny fanahin'ireo razambe TOA mbola mitahy ...". Midika izany fa mbola nisy ny fisalasalana ho an'i Dama ny amin'izany, mbola nandray sy nanamafy ny toerana nisy azy izy nandritra io stage io fa mpandinika sy mpitantara fotsiny ihany. Raha ho an'i Satana no niasany dia tokony nitarika ho amin'ny famotehana sy fanafoanana an'izay rehetra momba na maneho ny halehibean'ny Fahasoavan'ilay Ray Tsitoha tahaka ireo miaramilan'i Satana aza izy fa tsy ho toy izao mihintsy. Mandiniha aloha vao mitsara sy miteny fa tsy hoe akory izay azo lazaon'io vava io na soratan'io tanana io dia avoaka avokoa. Na ny zo maha olona an'i dama aza voatohitohina tanteraka noho izany resaka tsy ahitam-bokatsoa izany.
13. niryna
(
21/03/2013 05:13)
antiosymaint:tonga aty dago koa izany ny puce ,angaha tsy hoe any amerika ?
Mbola misy interview mp3 2h30 ihany koa ilazany ny anaran'ireo satanista gasy, izay mpanao politika sy mpihira malaza ny ankabeazany. Mbola resahina ao koa ny "détail" n'ilay resaka secte satanique sy ilay puce...
14. pisoonja
(
21/03/2013 08:31)
izao ry reto , misy ny asan'ny fanahy, fiasan'ny Fanahy Masina io, misy koa ny fiasan'ny devoly , ny azoko ambara fotsiny dia misy zvt be voalazan'i Andry tsy mitombina na i pasiteran'i vahao ny oloko aza niteny izany hoe betsaka ny zvtr tsy mitombina nolazain'ny andry , mijere tntv @ 06 maraina, raha toa ka mihinana zaza izany i Andry , aiza ny mpitandro ny filaminana tsy hisambotra azy fa izy mihitsy ary no niteny , manohitohina ny filaminam-bahoaka anie izany e! ary maninona koa ny tarika mahaleo tsy maneho hvt mihitsy , zanak'i Dama marina ve izy? ahoana ny hvt ny tarika mahaleo @ ireny satria raha tsy misy tena manala baraka ny tarika ary manimba ny prestige, ary ahoana ary i Fafah manao an'ireny hira evangelique ireny ? otran'ny tsy mino za , nefa asa aloa e
15. baregenaina
(
01/04/2013 21:44)
FANAMBARANA ; Voatazona vonjy maika ao am - ponja , any Antanimora ilay olona hatao hoe " ANDRY ' , mpisoloka efa fanta - daza , ary PASITERA roa lahy ( 2 ) avy ao @ sekta " voahay ny oloko " noho ny fitoriana nataony fianakaviany Dama - nay . Manohana tanteraka ary Dama Mahaleo izahay ary mangataka ny fitsarana hahita ny MARINA any io fanelezana TSAHO io .( Tantara mitohy ) COMMUNIQUE : Suite à la plainte de la Famille de notre frère Dama , un homme du nom de ANDRY et deux ( 2 ) pasteurs de la secte " Voahay ny oloko " ont été mise en détention provisoire dans la prison d ' Antanimora le Jeudi 28 Mars à 19 h 30 . Le groupe demande que JUSTICE SOIT FAITE sur cette affaire de RUMEUR
avy ao amin'ny page facebook Mahaleo kaonty feno no nangalana io fanambarana io

16. Hagg
(
02/04/2013 06:50)
...fa inona kosa mo no tena fahadisoan'ireny pasteur ireny? izy aza mba nanala ny devolin'i Andry... resaka ara-panahy anie ireny raha azoko tsara e! raha tsy izany dia aleo ny fitsarana mandefa mpanara-maso isaky ny misy olona mijoro ho vavolombelona dia misambotra fotsiny isak'izay misy olona miaiky ny heloka vitany.... na izy Andry aza mbola milaza fa mbola misy 50 ao... de mahagaga ve raha lainga ny ankamaroan'izay voalaza? tsy efa toetran'ny devoly mo ny mandainga? iza mo zao no afaka hanaporofo fa ny zaza very rehetra teto Antananarivo dia laniny daholo? firy? iza avy? taiza avy?...na ny fitarainana zaza very aza mba mety ho nisy firy?... efa voalaza fa tsy misy mpamono olona raha tsy misy olona maty... de aona izany? izay no lalana ko.... tsy tokony hafangaro alo amiko ny resaka ara-panahy sy ny tsy ara-panahy e! otranle fitsarana mitsara fikasana famonoana olona avy amin'ny famosaviana iany... tsy niala maina? raha mbola te hitsara araka ny lalana ihany....raha tsy dia efa nivaha ko nga ity fitsarana...izany ko ve mo hahagaga amzao andro izao.... tsy sanatria te-hanamaivana ny fanaratsiana an'i Mahaleo an, izay efa tia azy dia aoka ho tia azy hatrany
17. baregenaina
(
02/04/2013 08:51)
Hagg:

Aleo ny fitsarana hanao ny asany e, tsy le bandy adala iny kosa aloha no nanao ny fakana an-tsatry an'iny fa ny fivavahana sy ny pasitera nanao fanadihadihana azy e, de iza no nanaparitaka azy avy eo, mila jerena daholo izany rehetra izany fa tsy oe tsy misy dikany akory ny antsoina hoe diffamation publique ary ireo rehetra niray tsikombakomba tamin'ny fanaparitahana izany fanalam-baraka izany, tsy tokony afangaro ny lalàna velona sy ny finoana tsy mari-pototra "à bon attendeur"