MIPARITAKA NY BASY

1. nilex ( 06/03/2013 13:23)
Mba tena marina ve ireny voalazan'ny mpitandron'ny filaminana ireny fa efa hatrami'ny krizy hatramin'izay no efa niparitahan'ireny basy ireny fa tsy hoe vao amin'izao fitondrana izao akory.
Ankehitriny mantsy dia tena mahagaga tokoa fa raha manao andiany ny jiolahy dia lasa manana basy iray avy mihintsy izy ireo nefa taona vitsy lasa izay dia mbola zara raha misy basy iray no ho entina manafika fa dia mbola sabatra no betsaka.Mbola sahy ny olona nifampitady tami'ny jiolahy.
Tena mampihomehy mihintsy ry zalahy mpitandro ny filaminana ireto fa toa miala bala fotsiny fa raha basy niditra teto tamin'ny taona 2005 ve ohatra dia izao vao hampiasa izany ny jiolahy.Tsy mitombona mihintsy izany fa ny fantatra izao dia be loatra ny basy tafiditra tamin'ity tetezamita ity.Raha tsy izay dia ny mpitandro ny filaminana mihintsy no manao ny fanafihana .Tsy mitombona mihintsy mantsy izany hoe jiolahy 15 lahy manafika tanana dia manana basy avokoa.Mampiheritreritra an.
novalian'i sitlo ny 16/03/2013 06:29
2. andrywui ( 06/03/2013 16:32)
efa tamin'ny 2001 -2002 i dada ry ranilex no nampiditra basy be d be teto a , tsy hainlah angaha fa 5000kalack sy 3000PA no nampidirin'i dada tamreny !! manginy fotsiny ireny ankanjona reserviste (akanjo miaramila) lasa resabe tato ireny ,,io izy miparitaka be eran'ny tanana io !! le basy kou mo refa nampidirin'i dada de ny karaman'ny reservistes novalian'i dada tsy nomeny de nogiazandry zalah kou ny basy !! ireo milisin-dravalo tam 2002 no tena mampiasa ny kalack sy PA amzao io
3. andrywui ( 06/03/2013 16:33)
mila ampianarina politika sy tantara kou ranilex zany aaa
4. nilex ( 07/03/2013 05:31)
Aza dia manelo tsaho eto ry wiwi fa mba olona nanaraka tsara ny zaa-misy teto daholo nge ny olona fa tsy mihinana amambolony hoatranareo fotsiny e.Aza manely vaovao tsy marina eto fa hita tokoa fa tena pro tgv marina ianareo ka mahavita mamorona lainga ankitsirano toy izao.
Fa ny vaovao azo antoka izao ary hitan'ny olona rehetra ny porofo dia feno jiolahy ny tanana tamin'ity fitondrana tetezamita ity,tsotra be ny antony ,ao anaty ny fitondrana daholo ny lehiben'ny jiolahy rehetra ka lasa tsy misy tahotra intsony satria misy mpiaro na tratra aza.
Tsy mahagaga raha mpitandro ny filaminana mihintsy no manao ny asa ratsy ankehitriny,mampiasa basy sy mampanofa satria fantany fa misy miaro izy na tratra eo aza.
Tsy mbola nisy toy izany teto raha tsy izao.
5. sitlo ( 16/03/2013 06:29)
Dia sanatria ho tahaka an'i Sierra Leone fahiny ve? Aza hitako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1496